[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Eksodosy
Accès direct aux
chapitres de l’Exode : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40
1 [Ny nitomboan'ny
Zanak'Isiraely, sy ny fahoriana nanjo azy tany Egypta] Ary izao no anaran'ny
zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha
mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:
2 Robena sy
Simeona sy Levy ary Joda;
3 Isakara sy
Zebolona ary Benjamina;
4 Dana sy
Naftaly, ary Gada sy Asera.
5 Ary ny
isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta
rahateo.
6 Ary maty
Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.
7 Ary ny
Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia
nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
*
8 Ary nisy
mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
9 Ary izy
niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy
mahery noho isika;
10 andeha
hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia
homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala
amin'ny tany.
11 Koa dia
nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao
tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
12 Nefa araka
ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia
natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.
13 Dia
nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny Zanak'Isiraely,
14 ka nataony
mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky
mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay
nampanompoany azy fatratra.
15 Ary ny
mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny
anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)
16 ka nanao
hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny
fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
17 Nefa
natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny
mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
18 Dia nampaka
ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao
izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
19 Fa hoy ny
mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy
Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola
20 Dia
nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny
olona.
21 Ary
tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia
nomen'Andriamanitra zanaka izy.
22 Dia nandidy
ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia
ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
*
1 [Ny namonjena
an'i Mosesy, sy ny nandraisan'ny zanakavavin'i Farao azy ho zanany] Ary nisy
lehilahy anankiray avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny
zanakavavin'i Levy.
2 Dia
nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara
izy, dia nafeniny telo volana.
3 Ary rehefa
tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany
asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty
zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
4 Ary ny
anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
5 Ary nidina ny
zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana
teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i
Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
6 Ary nony
nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia
namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.
7 Dia hoy kosa
ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny
vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
8 Ary hoy ny
zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny
zaza.
9 Ary hoy ny
zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa
ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
10 Ary rehefa
lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia
11 [Ny nataon'i
Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany
andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy
ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny
anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.
12 Dia
niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay
Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty.
13 Ary nony
ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady;
dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
14 Fa hoy izy:
Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy
koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra
Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany!
15 Ary rehefa
ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy
nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka
teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.
16 Ary ny
mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia
nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.
17 Ary avy kosa
ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy
azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny.
18 Ary rehefa
19 Ary hoy izy
ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry
ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.
20 Ary hoy izy
tamin'ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany?
Alao izy mba hihinan-kanina.
21 Ary sitrak'i
Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho
vadin'i Mosesy.
22 Dia niteraka
zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny
atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.
*
23 [Ny
nisehoan'Andriamanitra tamin'i Mosesy, sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony]
Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny
Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany
amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
24 Ary
Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
25 Ary
Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.
1 Ary Mosesy
niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia
nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba,
tendrombohitr'Andriamanitra.
2 Ary Ilay
Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray;
dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
3 Ary hoy
Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy
ahalevonan'ny roimemy.
4 Ary rehefa
hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy
Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
5 Ary hoy Izy:
Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io
ijanonanao io.
6 Dia hoy koa
Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy
Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa
natahotra hijery an'Andriamanitra izy.
7 Ary hoy
Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny
fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
8 dia efa
nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra
hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any
amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny
Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
9 Ary
ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby atỳ
amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy.
10 Koa avia
ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko
hivoaka avy any Egypta.
11 Fa hoy
Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny
Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?
12 Ary hoy Izy:
Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka
anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo
an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.
13 Ary hoy
Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa
14 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO
MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO
IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
15 Ary hoy koa
Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely:
Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy
Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho
atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana
Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16 Mandehana,
dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah,
Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka
nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ
Egypta;
17 ary hoy
Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta
ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy
ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.
18 Dia hihaino
ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny
Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona
taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any
an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah
Andriamanitray.
19 Kanefa Izaho
mahalala fa tsy havelan'ny mpanjakan'i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia
amin'ny tanana mahery aza.
20 Dia
haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay
hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
21 Ary hataoko mahita
fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy
mba handeha maina;
22 fa ny
vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny
miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny
zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
1 Ary namaly
Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe:
Tsy niseho taminao Jehovah.
2 Ary hoy
Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
3 Ary hoy Izy:
Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka
4 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra
ny tànany izy ka nandray azy; dia
5 mba
hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia
Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
6 Ary hoy koa
Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao
an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka
fotsy tahaka ny oram-panala.
7 Ary hoy koa
Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany
indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa
8 Ary raha tsy
hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny
feon'ny famantarana aoriana izy.
9 Ary raha tsy
hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano
avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy
ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
10 Ary hoy
Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay
mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny
mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
11 Ary hoy
Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na
mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
12 Koa
ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay
holazainao.
13 Fa hoy izy:
Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
14 Dia
nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va
Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa,
avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
15 Dia hiteny
aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka
hanoro anareo izay hataonareo.
16 Ary izy
hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa
ho solon'Andriamanitra aminy.
17 Dia ho
entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
18 Dia lasa
nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe:
Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any
Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i
Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
19 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny
olona rehetra izay nitady ny ainao.
20 Dia nalain'i
Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho
any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay
tehin'Andriamanitra.
21 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo
fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i
Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
22 Ary lazao
amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
23 koa efa
nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy
handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
24 Ary nony
tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka
nitady hamono azy.
25 Dia naka
fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo
anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.
26 Dia niala
taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny
fora.
27 Ary hoy
Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa
nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia
nanoroka azy.
28 Ary
nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy
sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
29 Dia lasa
nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
30 Dia
nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,
sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.
31 Dia nino ny
olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo
ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
*
1 [Ny
nihaonan'i Mosesy sy Arona tamin'i Farao, sy ny nampitomboan'i Farao, ny
fanompoan'ny Zanak'Isiraely] Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao
amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
2 Fa hoy Farao:
Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay
Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
3 Ary hoy izy
roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao,
aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao
fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny
areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
4 Ary hoy ny
mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka
ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy.
5 Ary hoy koa
Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka ianareo
mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy.
6 Ary
tamin'izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy
azy ka nanao hoe:
7 Aza omenareo
mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no
aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8 Kanefa ny
isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa
aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay
handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray.
9 Hamafio ny
fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga
foana izy.
10 Dia nivoaka
ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe:
Izao no lazain'i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
11 fa mandehana
ianareo ka manangona mololo any amin'izay hahitanareo, satria tsy hahena ny
fanompoanareo na dia kely akory aza.
12 Dia niely
eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo.
13 Ary ny
mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana
isan'andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
14 Ary ny
mpifehy ny Zanak'Isiraely, izay notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba
hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny
anjaranareo tamin'ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha
?
15 Dia nankao
amin'i Farao ny mpifehy ny Zanak'Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no
manao toy izany amin'ny mpanomponao ianao?
16 Tsy omena
mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary,
indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
17 Fa hoy
Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha
izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
18 Ary
ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena
anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
19 Ary hitan'ny
mpifehy ny Zanak'Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy
hahenanareo ny isan'ny birikinareo amin'ny anjara-fanompoana isan'andro.
20 Ary izy ireo
dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany
amin'i Farao izy;
21 dia hoy izy
tamin'izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa
nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony
izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
22 Ary Mosesy
niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza
tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
23 Fa hatrizay
nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga
loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
1 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny
tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy
amin'ny taniny.
2 [Ny
namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
3 ary tamin'ny
anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary
Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
4 Ary naoriko
taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany
izay efa nivahiniany.
5 Ary koa,
Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny
Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.
6 Koa lazao
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho
afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka
anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no
hamonjeko anareo.
7 Dia halaiko
ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka
amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo.
8 Ary Izaho
hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama
sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
9 Ary Mosesy
nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny
fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.
10 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
11 Mankanesa ao
amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny
Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.
12 Ary Mosesy
niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy
nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
13 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny
Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny
Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.
14 [Ny firazanan'i
Mosesy sy Arona] Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena,
lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no
fokom-pirenen-dRobena.
15 Ary ny
zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly,
zanakalahin'ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen'i Simeona.
16 Ary izao no
anaran'ny zanakalahin'i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary
Merary; ary ny andro niainan'i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
17 Ny
zanakalahin'i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.
18 Ary ny
zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro
niainan'i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.
19 Ary ny
zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka
ny taranany.
20 Ary Amrama
naka an'i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an'i Arona sy Mosesy
taminy izy; ary ny andro niainan'i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato
taona.
21 Ary ny
zanakalahin'i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.
22 Ary ny
zanakalahin'i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
23 Ary Arona
naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny;
dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
24 Ary ny
zanakalahin'i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen'ny
Korana.
25 Ary
Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela,
dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita,
araka ny fokom-pireneny.
26 Ireo no
Arona sy Mosesy, izay nilazan'i Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy
any amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
27 Ireo no
niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely
hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.
28 [Ny
nanirahan'Andriamanitra an'i Mosesy sy Arona hihaona amin'i Farao indray, sy ny
famantarana nataon'izy roa lahy teo anatrehany] Ary tamin'ny andro izay
nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo amin'ny tany Egypta,
29 dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i
Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.
30 Ary Mosesy
niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka
aiza no hihainoan'i Farao ahy!
*
1 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao;
ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
2 Hianao hilaza
izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao,
mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,
3 Ary Izaho
hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay
hataoko eto amin'ny tany Egypta.
4 Fa tsy
hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe
no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
5 Dia ho
fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin'i
Egypta Aho ka mitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any.
6 Dia nataon'i
Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no nataony.
7 Ary efa
valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha
niteny tamin'i Farao izy mirahalahy.
8 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
9 Raha miteny
aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao
amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho
10 Ary Mosesy
sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia
natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny
tehiny, ka
11 Dia
nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo
Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.
12 Fa samy
nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka
13 Dia nihamafy
ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i
Jehovah.
14 [Ny loza
folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano
15 Mankanesa ao
aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo
amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana,
ho entinao eny an-tananao),
16 dia lazao
aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao
hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy
nihaino ianao mandraka ankehitriny.
17 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko
etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho
18 Dia ho faty
ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana
intsony ny hisotro ny rano ao.
19 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro
ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy
ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny
rehetra, mba ho
20 Ary nataon'i
Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina
izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony,
dia
21 koa maty ny
hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana
nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.
22 Ary ny
ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia
nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa
nolazain'i Jehovah.
23 Dia niverina
Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
24 Dia nihady
rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony
nisotroana ny rano tao Neily.
25 Ary nisy
hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.
26 [Faharoa: ny
sahona] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
27 Fa raha
mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny
sahona;
28 dia hisy
sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny
trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny
mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny
amin'ny vilia fanaova-mofonao.
29 Dia ho
aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.
1 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny
tehinao eny ambonin'ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny
heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.
2 Ary
nahinjitr'i Arona tambonin'ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny
sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.
3 Ary ny
ombiasy mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona
ho eny amin'ny tany Egypta.
4 Ary Farao dia
nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin'i Jehovah hampialany
ny sahona amiko sy amin'ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any
zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
5 Ary hoy
Mosesy tamin'i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana
no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny
sahona aminao sy amin'ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
6 Dia hoy izy:
Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao
fa tsy misy tahaka an'i Jehovah Andriamanitray.
7 Ary ny sahona
dia hiala aminao sy amin'ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho
ao Neily ihany no hisy azy.
8 Ary Mosesy sy
Arona niala teo amin'i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ny amin'ny
sahona izay efa nataony tamin'i Farao.
9 Dia nataon'i
Jehovah araka ny tenin'i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin'ny trano sy teny
amin'ny tokotany ary tany an-tsaha.
10 Dia
nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.
11 Fa nony
hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy
mirahalahy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
12 [Fahatelo:
ny moka] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny
tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho
13 Dia nanao
toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny
ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa
tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.
14 Ary mba
nanao toy izany koa ny ombiasy tamin'ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo
tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy.
15 Dia hoy ny
ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i
Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i
Jehovah.
16 [Fahefatra:
ny lalitra] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna
eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
17 Fa raha tsy
mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny
mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny
Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.
18 Fa havahako
amin'izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran'ny oloko, ka tsy mba hisy
lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan'ny tany.
19 Dia hasiako
fiavahana amin'ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian'izany famantarana
izany.
20 Ary nataon'i
Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao
amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba
ny tany noho ny lalitra.
21 Ary Farao
nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra
hatao fanatitra ho an'Andriamanitrareo eto amin'ity tany ity.
22 Fa hoy
Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin'ny Egyptiana no hovonoinay hatao
fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin'ny
Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va
izahay?
23 Handeha
lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i
Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.
24 Ary hoy
Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho
an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha
lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
25 Ary hoy
Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin'i Jehovah mba hialan'ny
lalitra amin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa
tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao
fanatitra ho an i'Jehovah.
26 Ary Mosesy
niala teo amin'i Farao ka nangataka tamin'i Jehovah
27 Ary Jehovah
dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao
sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory
aza.
28 Kanjo Farao
nanamafy ny fony indray tamin'izany ka tsy nandefa ny olona.
1 [Fahadimy: ny
aretina tamin'ny biby] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i
Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
2 Fa raha mandà
ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,
3 dia, indro,
ny tànan'i Jehovah ho amin'ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy
amin'ny boriky sy amin'ny rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman'osy, ka
hisy areti-mandringana mafy indrindra.
4 Ary Jehovah
dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty
izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.
5 Dia nanendry
fotoan'andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan'i Jehovah izany
zavatra izany eto amin'ny tany.
6 Ary nony
ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny
Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia
iray akory aza.
7 Dia naniraka
Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray
akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
8 [Fahenina: ny
vay] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao
ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny
lanitra eo imason'i Farao izany.
9 Dia
hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho
10 Dia naka
lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i
Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia
11 Ary ny
ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo
ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra.
12 Nefa Jehovah
dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay
efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.
13 [Fahafito:
ny havandra] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia
mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
14 Fa
ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko
hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy
misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.
15 Fa
ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao
amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany ianao.
16 Kanefa izao
indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara
any amin'ny tany rehetra ny anarako.
17 Mbola
mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
18 Indro,
rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola
nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka
ankehitriny.
19 Koa
ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra
anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any
an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa.
20 Ary izay
natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny
mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
21 fa izay tsy
nandatsaka am-po ny tenin'i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny
tany an-tsaha ihany.
22 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy
havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny
biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta.
23 Dia
nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy
kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany;
ary Jehovah nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta.
24 Dia nisy
havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy
indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra
hatrizay naha-firenena azy.
25 Ary ny havandra
namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta
rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo
rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
26 Fa tao
amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy
havandra.
27 Dia naniraka
Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho
tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
28 Mangataha
amin'i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy
hitoetra eto intsony ianareo.
29 Ary hoy
Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako
amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy
intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.
30 Kanefa
fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an'i Jehovah
Andriamanitra ihany.
31 Ary efa
naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa
namony ny rongony.
32 Fa ny vary
tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.
33 Ary Mosesy
niala teo amin'i Farao ka nankeo ivelan'ny tanàna, dia namelatra ny tànany
tamin'i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy
ranonorana nilatsaka tamin'ny tany intsony.
34 Ary nony
hitan'i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana,
dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny
mpanompony.
35 Dia nihamafy
ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa
nampilazain'i Jehovah an'i Mosesy.
1 [Fahavalo: ny
valala] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa
nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao
eo aminy;
2 ary mba
holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy
izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3 Ary Mosesy sy
Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo
anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
4 Fa raha mandà
ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra
Aho rahampitso;
5 dia
handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny
sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra
izay maniry ho anareo any an-tsaha;
6 dia hameno ny
tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra
ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay
andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina
izy ka niala teo amin'i Farao.
7 Ary hoy ny
mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny
lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy
mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
8 Dia nisy
nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy
taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no
handeha?
9 Ary hoy
Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy
sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha;
fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
10 Fa hoy Farao
taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny
zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
11 Tsy izany,
fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo.
Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
12 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny
valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny
zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.
13 Dia
nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra
rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny
alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any
atsinanana.
14 Ary ny
valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany
Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany
tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
15 Fa nandrakotra
ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra
teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy
nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na
tamin'ny anana tany an-tsaha.
16 Ary Farao
dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i
Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17 Ary
ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka
mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray
loha izao monja.
18 Dia niala
teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
19 Ary Jehovah
nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala
ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny
valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20 Nefa Jehovah
nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
21 [Fahasivy:
ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra
ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22 Dia
nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny
tany Egypta rehetra hateloana,
23 koa tsy mba
nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny
Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
24 Ary Farao
dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah;
fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny
zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25 Ary hoy
Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra
hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
26 ary ny omby
aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny
kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah
Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah
mandra-pahatonganay any.
27 Ary Jehovah
dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
28 Ary hoy
Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony
ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
29 Ary hoy
Mosesy:
1 [Filazana ny
hihavian'ny loza fahafolo] Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola
hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia
handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia
handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
2 Koa mitenena
amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy
firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.
3 Dia nataon'i
Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy
malaza indrindra teo amin'ny tany Egypta, dia teo imason'ny mpanompon'i Farao
sy teo imason'ny vahoaka.
4 Ary hoy
Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka
hankeo afovoan'i Egypta,
5 dia ho faty
ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay
mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny
izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy
rehetra.
6 Ary hisy
fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka
izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
7 Kanefa tsy
hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na
amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah
ny Egyptiana sy ny Isiraely.
8 Ary hidina ho
ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao
hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka
izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana
mirehitra Mosesy.
9 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana
izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
10 Ary Mosesy
sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah
nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny
izy.
*
1 [Ny Paska, sy
ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Ity volana
ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho
anareo izy.
3 Mitenena
ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny
andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy
rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny
isan-trano;
4 ary raha
vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy
izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona
rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
5 Zanak'ondry
tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny
ondry na amin'ny osy izy;
6 ary
hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana
ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
7 Ary hanalany
ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny
trano izay hihinanany azy.
8 Dia hohaniny
amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy
mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
9 Aza hanina
manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany
sy ny tongony ary ny fadiny.
10 Ary aza
asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka
tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
11 Ary toy izao
no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho
eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo
faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
12 Fa handeha
hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra
amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny
andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
13 Ary ny rà
dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita
ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely
ny tany Egypta Aho.
14 Ary izany
andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro
firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no
hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
15 Hafitoana no
hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo
ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira
hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho
amin'ny Isiraely.
16 Ary amin'ny
andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito
koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro
izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
17 Ary
hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany
indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna
mandrakizay.
18 Amin'ny
andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no
hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby
roa-polo amin'ny volana.
19 Hafitoana no
tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy
masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na
tompon-tany.
20 Tsy hihinana
na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy
masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
21 Dia
nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy:
Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka
vonoy ny Paska.
22 Dia makà
hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà
izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana
roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo
ambara-pahamarain'ny andro.
23 Fa Jehovah
handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana
sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao
an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
24 Ary
hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny
taranakareo mandrakizay.
25 Ary rehefa
26 Ary raha
hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo
izao?
27 dia
holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny
tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy
ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
28 Ary dia
nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy sy Arona no nataony.
29 Ary nony
namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta,
hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany
ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay
voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
30 Ary nifoha
raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana
rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay
tsy nahafatesana.
31 Dia nampaka
an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto
amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i
Jehovah araka ny nolazainareo.
32 Ary ny ondry
aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka
mandehana; fa mba tsofy rano aho.
33 Dia
nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany,
satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
34 Dia
nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny
viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
35 Ary ny
Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy
firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.
36 Ary nataon'i
Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay
nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
37 Dia niainga
tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana
tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
38 Ary nisy
olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy
omby, dia fananana be indrindra.
39 Dia nanendy
mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta
izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka
tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
40 Ary ny andro
nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
41 Ary rehefa
tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra
no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
42 Alina
notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny,
izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra
hatramin'ny taranany fara mandimby.
43 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa
firenena hihinana azy.
44 Ary ny
andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba
hihinana.
45 Ny vahiny sy
ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
46 Ao an-trano
iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy
hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
47 Ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
48 Ary raha
misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka
hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho
tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo
mihinana izany.
49 Lalàna iray
no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
50 Dia
nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy sy Arona no nataony.
51 Ary
tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
*
1 [Ny
nanokanana ny lahimatoa ho an'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
2 Hamasino ho
Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny
Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
3 Dia hoy
Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany
Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i
Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4 Izao andro
amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo
5 Ary raha
hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny
Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena
anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany
ianao amin'izao volana izao.
6 Hafitoana no
hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro
firavoravoana ho an'i Jehovah.
7 Ny mofo tsy
misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay
mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny
taninao rehetra.
8 Dia
hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah
tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
9 Dia ho
famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny
handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no
nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
10 Dia tandremo
amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
11 Ary raha
hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita araka izay nianianany
taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
12 dia
hatokanao ho an'i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny
biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra;
13 ary ny
voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy
ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo
amin'ny zanakao dia havotanao.
14 Ary raha
hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no
anton'izao? dia holazainao aminy hoe:
15 ary raha
nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny
lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka
hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny
lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia
soloako.
16 Ary ho
famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa
tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
*
17 [Ny lalana
nitondran'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasina Mena]
Ary rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny
lalana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy
Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any
Egypta.
18 Fa
nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny
Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy
tany amin'ny tany Egypta.
19 Ary nentin'i
Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia
nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra,
dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20 Dia nifindra
niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra.
21 Ary Jehovah
nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary
tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro
aman'alina.
22 Ny
andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony
alina.
*
1 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo
anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny,
no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina.
3 Ary Farao
hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.
4 Dia hanamafy
ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny
hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny
Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany.
5 Ary nisy
nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny
fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao
nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika
isika?
6 Dia nasainy
nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy
izy.
7 Ary nitondra
kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy
nisy mpiady avy izy rehetra.
8 Ary Jehovah
nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely
izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany.
9 Koa nanenjika
azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny
soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny
ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.
10 Ary rehefa
mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny
Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka
nitaraina tamin'i Jehovah.
11 Ary hoy koa
izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty
atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra
anay nivoaka avy tany Egypta?
12 Tsy izao va
no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany
izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty
any an-efitra.
13 Ary hoy
Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny
famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay
hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
14 Jehovah
hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
15 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny
Zanak'Isiraely mba handroso.
16 Ary aingao
ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano,
dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny
Zanak'Isiraely.
17 Ary, indro,
Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia
hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra
mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
18 dia ho
fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny
ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
19 Ary Ilay
Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia
nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia
nijanona teo aoriany
20 ka
21 Dia
nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy
atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka
nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
22 Dia nandeha
teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano
dia
23 Dia
nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina,
dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
24 Ary tamin'ny
fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny
rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana.
25 Ary nanala
ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny
Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady
amin'ny Egyptiana ho an'ireo.
26 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba
hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa
valiny.
27 Dia
nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka
ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana
nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo
afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.
28 Ary dia
nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny
miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny
Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
29 Fa ny
Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary
ny rano dia
30 Izany no
namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny
Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny
Egyptiana.
31 Ary rehefa
hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny
Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy
mpanompony.
*
1 [Ny fihirana
nataon'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa tafita ny Ranomasina Mena izy] Ary
Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka
nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny
mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.
2 Jehovah no
heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka
hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
3 Jehovah dia
mpiady mahery, Jehovah no anarany.
4 Ny kalesin'i
Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny
voafantina nasitrika ao amin'ny Ranomasina Mena.
5 Ny lalina
nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.
6 Ny tananao
ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin'ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah
ô, manorotoro ny fahavalo.
7 Amin'ny
halehiben'ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao;
alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.
8 Ary ny
fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny
antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina.
9 Hoy ny
fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky
ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
10 Ny
fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny
firaka ao amin'ny rano mahery izy.
11 Jehovah ô,
iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay
ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao
fahagagana?
12 Nahinjitrao
ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.
13 Tarihinao
amin'ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao
ho any amin'ny fonenanao masina izy.
14 Mandre ny
firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
15
Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i
Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana.
16 Mahazo azy
ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny
vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay
navotanao.
17 Dia
hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao
amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana
masina naorin'ny tananao, Tompo ô.
18 Jehovah
hanjaka mandrakizay doria.
19 Fa niditra
teo amin'ny ranomasina ny soavalin'i Farao sy ny kalesiny ary ny
mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny
Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina.
20 Ary Miriama
mpaminanivavy, anabavin'i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany;
ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady
nandihy.
21 Ary Miriama
namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo
indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina.
22 [Ny
nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny efitra Sara, sy ny nitobiany tao
Mara] Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina
Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany
an-efitra izy fa tsy nahita rano.
23 Dia
24 Dia
nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?
25 Ary dia
nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary
rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia
26 ka hoy Izy:
Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay
mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia
tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny
Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
27 [Ny
nahatongavan'ny Zanak'Isiraely tao Elima, sy ny nimonomononany tany an-efitr'i
Sinay noho ny tsi-fisian-kanina, ary ny nanomezan'Andriamanitra azy mana sy
papelika hohaniny. Ary
*
1 Ary tamin'ny
andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa taorian'ny nialany tany
amin'ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, ka nankany amin'ny efitra Sina, izay eo anelanelan'i
Elima sy Sinay.
2 Dia
nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra,
3 ka nanao
taminy hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany
Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky;
fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao
fiangonana rehetra izao.
4 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho
anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan'andro,
hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
5 Ary raha mby
amin'ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay
angoniny isan'andro.
6 Ary hoy
Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo
fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
7 ary
rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny
fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
8 Ary hoy koa
Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen'i Jehovah hena hohanina ianareo anio
hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren'i Jehovah ny
fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy
izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
9 Ary hoy
Mosesy tamin'i Arona: Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,
hoe: Manatòna eo anatrehan'i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
10 Ary raha
Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia
nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho
teo amin'ny rahona.
11 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12 Efa reko ny
fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia
hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka
dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
13 Ary nony hariva
dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy
ando manodidina ny toby;
14 ary nony
niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra,
madinika toy ny fanala amin'ny tany.
15 Ary rehefa
hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy
fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho
fihinanareo.
16 Izao no teny
izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho
laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny
isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy.
17 Dia nanao
izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny
sasany kosa kely.
18 Ary raha nafatrany
tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny
nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy
izy.
19 Ary hoy
Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
20 Kanefa tsy
mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny
olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny
olona Mosesy.
21 Ary
nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary
nony nafana ny andro, dia levona ireny.
22 Ary nony
tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona,
dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny
fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.
23 Ary hoy
Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana
masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay
handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho
tra-maraina.
24 Dia namela
izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na
niteraka olitra izany.
25 Ary hoy
Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy
hahitanareo azy any an-tsaha.
26 Henemana no
hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany.
27 Ary nony
tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia
kely akory aza.
28 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny
didiko sy ny lalàko?
29 Saino fa Jehovah
no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa
andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo,
ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito.
30 Dia
nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito.
31 Ary ny
anarany dia nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy
sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
32 Ary hoy
Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy
hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay
nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta Aho.
33 Ary hoy
Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny,
dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo
fara mandimby.
34 Ary araka
izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo
anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina.
35 Ary ny Zanak'Isiraely
nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin'izay
tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny
sisin'ny tany Kanana.
36 Ary ny omera
dia ampahalofon'ny vata efaha.
*
1 [Ny nimonomononan'ny
Zanak'Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano
avy tamin'ny vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany,
dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.
2 Dia nila ady
tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy
Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i
Jehovah ianareo?
3 Ary
nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe:
Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta
anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
4 Ary Mosesy
nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona
ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
5 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka
aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia
ento eny an-tananao, ka mandehana.
6 Ary, indro,
hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny
harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao
izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.
7 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny
Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va
Jehovah, sa tsia?
8 Ary
9 Dia hoy
Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia
amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana
ny tehin'Andriamanitra etỳ an-tanako.
10 Ary Josoa
dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita
izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.
11 Ary raha
nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny
tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
12 Fa efa
vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo
ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny
iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina
intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro.
13 Ary Josoa
dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra.
14 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka
ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho
eny ambanin'ny lanitra.
15 Dia nanorina
alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
16 Fa hoy izy:
Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra
hatramin'izay taranany fara mandimby.
*
1 [Ny
namangian'i Jetro an'i Mosesy, sy ny hevitra natorony azy] Ary efa ren'i Jetro,
mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho
an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely
nivoaka avy tany Egypta.
2 Dia nentin'i
Jetro, rafozan'i Mosesy, Zipora, vadin'i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
3 ary ny zanany
mirahalahy: Gersoma no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ
amin'ny tanin'ny firenena hafa aho;
4 ary Eliezera
kosa no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy
ka nahafaka ahy tsy ho voan'ny sabatr'i Farao.
5 Dia
6 dia nampilaza
tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny
vadinao mbamin'ny zanany roa lahy koa.
7 Ary Mosesy
nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary
nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
8 Ary
nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i
Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana
rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy.
9 Dia faly
Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay
novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana.
10 Ary hoy
Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny
Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny
Egyptiana.
11 Ankehitriny
dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia
tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny.
12 Ary Jetro,
rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho
an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra
hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.
13 Ary nony
maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i
Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva.
14 Ary rehefa
hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy:
Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no
mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny
maraina ka hatramin'ny hariva?
15 Ary hoy
Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany
amin'Andriamanitra.
16 Raha misy
manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia
mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.
17 Ary hoy ny
rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
18 Samy ho
reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao
loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
19 Ary
ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra
anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba
hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;
20 ary
hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety
hataony.
21 Ary mizaha
eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia
lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy
zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
22 Ary aoka
ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho
entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany;
dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
23 Raha hanao
araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia
haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho
24 Dia neken'i
Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
25 Dia
nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony
lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho
mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
26 Dia nitsara
ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i
Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
27 Ary Mosesy
namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.
*
1 [Ny
nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena
nataon'Andriamanitra taminy] TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no
nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
2 Ary rehefa
nifindra niala teo Refidima izy ka
3 Ary Mosesy
niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao
an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy
hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:
4 Hianareo efa
nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny
elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
5 Koa
ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia
ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany
rehetra.
6 Dia ho
fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no
holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
7 Dia nandeha
Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny
rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.
8 Dia namaly
indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i
Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny
tenin'ny olona.
9 [Ny
fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary
hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona
maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao
mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.
10 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio
sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
11 ary aoka
samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no
hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra
Sinay.
12 Dia hanisy
fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy
hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza
na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
13 tsy hisy
tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby
na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia
vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
14 Dia nidina
avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina
ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
15 Ary hoy izy
tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky
vehivavy akory.
16 Ary nony
tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona
matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia
toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
17 Ary Mosesy
nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia
nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.
18 Ary ny
tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny
tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary
nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
19 Ary rehefa
notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra
namaly feo azy.
20 Ary Jehovah
nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary
Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra
Mosesy.
21 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao
amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
22 Ary aoka ny
mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao
himaona hamely azy Jehovah.
23 Ary hoy
Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay
ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka
hamasino izy.
24 Ary hoy
Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao
Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i
Jehovah, fandrao haringana izy.
25 Ary Mosesy
dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.
*
1 [Ny
nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao
Andriamanitra ka nanao hoe:
2 Izaho no
Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
3 Aza manana
andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4 Aza manao
sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny
amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any
amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza
miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah
Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny
zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa
mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
7 Aza manonona
foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy
manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
8 Mahatsiarova
ny andro Sabata hanamasina azy.
9 Henemana no
hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
10 Fa Sabatan'i
Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao
amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny
ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo
am-bavahadinao.
11 Fa henemana
no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay
rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no
nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
12 Manaja ny
rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i
Jehovah Andriamanitrao ho anao.
13 Aza mamono
olona.
14 Aza
mijangajanga.
15 Aza
mangalatra.
16 Aza mety ho
vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
17 Aza
mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny
ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho
an'ny namanao akory aza.
*
18 Ary ny olona
rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy
ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia
toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
19 Dia hoy izy
tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza
Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
20 Dia hoy
Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa
21 Dia nijanona
teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay
nitoeran'Andriamanitra.
22 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa
nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
23 Koa aza
manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
24 Alitara tany
no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny
fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny
fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy
hitahiako anao.
25 Ary raha
alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa
raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
26 Ary aza
asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny
fitanjahanao.
*
1 [Lalàna
nasain'Andriamanitra hotandreman'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no lalàna izay
hataonao eo anatrehany:
2 Raha mividy
andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito
dia hiala ho afaka fotsiny izy.
3 Raha izy
irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy,
dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
4 Raha manome
vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny
tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
5 Fa raha
milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko
ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
6 dia ho
entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo
amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony
amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
7 Ary raha misy
mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny
andevolahy ho afaka no fialany.
8 Fa raha tsy
ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany
havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy,
satria efa namitaka azy.
9 Ary raha
mamofo azy ho vadin'ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no
hataony aminy.
10 Ary raha
maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany
ary ny fombam-panambadiany.
11 Ary raha tsy
hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny
ravehivavy, fa tsy handoa vola.
12 Izay mamely
olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;
13 fa izay tsy
manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho
anareo fitoerana izay handosirany Aho.
14 Ary raha
misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia
halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
15 Ary izay
mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
16 Ary izay
mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay
nangalariny, dia hatao maty tokoa.
17 Ary izay
manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
18 Ary raha
misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato, na
amin'ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,
19 raha
afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho
afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra
izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
20 Ary raha
misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka
mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
21 Kanefa raha
mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay
tompony; fa hareny ihany izy.
22 Ary raha
misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy
23 Fa raha misy
maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina ianao,
24 maso
solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny
tongotra,
25 may solon'ny
may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra.
26 Ary raha
misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevovaviny ka
mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
27 Ary raha ny
nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy
noho ny nifiny.
28 Ary raha
misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa
ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.
29 Fa raha omby
efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony
izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby,
dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
30 Raha sazina
izy, dia handoa vidin'aina araka izay sazy atao aminy.
31 Raha manoto
zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana
azy.
32 Raha manoto
andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny
tompon'andevo, ary ny omby hotoraham-bato.
33 Ary raha
misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany,
ary misy omby na boriky latsaka ao,
34 dia hanonitra
azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an'ny tompony; ary ny maty dia ho
azy.
35 Ary raha
misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny
omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy.
36 Kanefa raha
fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny
tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.
37 Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na
mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na
osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.
Chapitre 22
1 Raha azo
manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà
amin'izany;
2 fa raha
tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin'izany;
hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho
ny halatra nataony.
3 Raha hita
marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia
hanonitra roa heny izy.
4 Raha misy
olona mampitondraka amin'ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny
bibiny, ka homana ny volin'olona izany biby izany, dia amin'ny tsara indrindra
ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara indrindra ao amin'ny tanim-boalobony, no
hanonerany.
5 Raha misy afo
mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny
saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
6 Raha misy
olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin'ny sasany ao amin'ny
tranon'ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
7 Fa raha tsy
hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tompon'ny
trano mba hizahana na naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany izy, na
tsia.
8 Ny amin'ny
zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana,
na zavatra very, izay ataon'olona ho azy, dia ho entina eo
anatrehan'Andriamanitra ny tenin'izy roa tonta, koa izay helohih'Andriamanitra
dia hanonitra roa heny ho an'ny namany.
9 Raha misy
olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy
hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
10 dia
fianianana amin'i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa
naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany ilay anankiray, na tsia; ary
heken'ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
11 Fa raha
nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an'ny tompon-javatra izy.
12 Raha
voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra
izay voaviravira izy.
13 Ary raha
misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba
teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
14 Fa raha teo
aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa
kosa, dia vitan'ny hofany izany.
15 Ary raha
misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome
harena azy izy mba ho vadiny.
16 Fa raha
mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy
araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
17 Aza velomina
ny vehivavy manana ody.
18 Izay rehetra
mandry amin'ny biby dia hatao maty tokoa.
19 Izay mamono
zavatra hatao fanatitra amin'ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah
ihany, dia ho voaozona.
20 Ary aza
manao izay sarotra amin'ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany
amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
21 Aza
mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
22 Fa raha
mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia
hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
23 ka hirehitra
ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho
mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
24 Raha
mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny
mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
25 Raha maka ny
lamban'ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy
milentika ny masoandro.
26 Fa izany
ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny
mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
27 Aza miteny
ratsy an'Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
28 Aza atao ela
vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny
zanakao-lahy dia omeo Ahy.
29 Izao no
hataonao amin'ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; hafitoana no hitoerany ao
amin'ny reniny; ary amin'ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
30 Ary ho olona
masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy
hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany.
1 Aza
manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho
vavolombelona mampidi-doza.
2 Aza manaraka
ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny
maro hamadika ny rariny.
3 Aza
mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny ianao.
4 Raha hitanao
mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy
izany.
5 Raha hitanao
ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina
hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
6 Aza mamily ny
rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
7 Manalavira
izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa
tsy hanamarina ny meloka Aho.
8 Ary aza
mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny
tenin'ny marina.
9 Ary aza
mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny
tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
10 Ary
enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
11 fa amin'ny
taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny
malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any
an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy amin'ny
tanin'olivanao.
12 Henemana no
hanaovanao ny raharahanao; fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba
hialan'ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan'ny zanaky ny
ankizivavinao sy ny vahiny aina.
13 Ary tandremo
izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa
akory ianareo; aza avela ho re avy amin'ny vavanao izany.
14 Intelo
isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
15 Tandremo ny
andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no
hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny
fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany
Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
16 Ary tandremo
koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao,
izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana
amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha
ianao.
17 Dia intelo
isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah
Tompo.
18 Aza
manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola
misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra
vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.
19 Ny santatry
ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah
Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
20 [Ny
niantohan'Andriamanitra hiaro ny Zanak'Isiraely sy hamponina azy soa aman-tsara
ao amin'ny tany Kanana] Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any
an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.
21 Mitandrema
eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela
ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
22 Fa raha
hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny
fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.
23 Fa handeha
eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny
Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako
ireny,
24 Aza
miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny ianao, na manompo azy, na manao
araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny
tsangam-baton-tsampiny.
25 Fa manompoa
an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary
hesoriko aminao ny aretina.
26 Tsy hisy ho
afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.
27 Hampandeha
ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay
alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
28 Ary hampandeha
fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita
eo alohanao ireny.
29 Tsy
handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka
hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
30 Tsikelikely
no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
31 Ary
hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko
fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny
mponina amin'ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao
ianao.
32 Aza manao
fanekena aminy na amin'ny andriamaniny ianao.
33 Tsy honina
eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny
andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
*
1 [Ny namonoana
fanatitra hanamafiana ny fanekena, sy ny nahitan'i Mosesy mbamin'ny loholon'ny
Isiraely an'Andriamanitra] Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i
Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny
Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
2 nefa Mosesy
ihany no hanakaiky an'i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy
hiakatra homba azy.
3 Dia
4 Ary Mosesy
nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina
alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka
ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo.
5 Ary ny zatovo
amin'ny Zanak'Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono
vantotr'ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah.
6 Ary nalain'i
Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà
kosa natopiny teo amin'ny alitara.
7 Dia naka ny
bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona:
Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
8 Ary nalain'i Mosesy
ny rà ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay
nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.
9 Dia niakatra
Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny
Isiraely.
10 Dia nahita
an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny
fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny
famirapirany.
11 Ary tsy
naninjitra ny tànany tamin'ireo lehiben'ny Zanak'Isiraely Izy; dia nahita
an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
12 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto,
dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako
hampianarina azy.
13 Dia niainga
Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao
an-tendrombohitr'Andriamanitra.
14 Ary hoy izy
tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary,
indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka
hankeo amin'izy roa lahy izy.
15 Dia niakatra
tao amin'ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
16 Ary ny
voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny
rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito
teo afovoan'ny rahona Izy.
17 Ary ny
fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny
afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.
18 Dia niditra
tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary
nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
*
1 [Ny
nandidian'Andriamanitra an'i Mosesy ny amin'ny hanaovana ny Tabernakely sy ny
fanaka momba azy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona
rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
3 Ary izao no
fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
4 sy manga sy
volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,'
5 sy
hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
6 sy diloilo
hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo
mani-pofona,
7 sy vato
beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny
saron-tratra.
8 Ary asaovy
manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
9 Araka izay
rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka
rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
10 Ary asaovy
manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy
sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11 Ary petaho
takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao
takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
12 Ary
mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony
efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo
amin'ny lafiny iray koa.
13 Ary manaova
bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
14 Ary ampidiro
ny bao ho eo amin'ny vava volamena, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana
azy.
15 Eo amin'ny
vava volan'ny fiara no hitoeran'ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
16 Ary ataovy
ao anatin'ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
17 Ary manaova
rakotra fanaovam-panavotana amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny
lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
18 Ary manaova
kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa
amin'ny rakotra fanaovam-panavotana
19 Ny kerobima
iray ataovy indray mivofy amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa
amin'ny sakany anankiray: indray mivofy amin'ny rakotra fanaovam-panavotana no
hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin'ny sakany roa.
20 Ary aoka
hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan'ny elany ny rakotra
fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra
fanaovam-panavotana koa izy.
21 Ary apetraho
eo ambonin'ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no
asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
22 Ary ao no
hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako
aminao, dia ao anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny
Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny
Zanak'Isiraely.
23 Ary manaova
latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary
iray hakiho sy sasany ny hahavony.
24 Ary petaho
takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
25 Ary asio
sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny
manodidina.
26 Ary manaova
vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra izay eo
amin'ny tongony efatra ireo:
27 eo
akaikin'ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran'ny bao hilanjana ny
latabatra.
28 Ary hazo
akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin'ireo no hilanjana
ny latabatra.
29 Ary manaova
ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho
fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
30 Ary asio
mofo aseho eo ambonin'ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
31 Ary manaova
ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao
indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny
ary ny voniny.
32 Ary hisy
sampany enina amin'ny ankilany roa: dia sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo
amin'ny ankilany iray, ary sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny
ankilany iray koa,
33 dia
vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny
voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny
vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany
anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany enina izay amin'ny
fanaovan-jiro.
34 Ary eo
amin'ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin'ny
amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
35 dia kiboriny
iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo
ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny
sampany roa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny
fanaovan-jiro.
36 Ny kiboriny
sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin'ny volamena
tsara izy rehetra.
37 Ary manaova
lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny
anoloany.
38 Ary ny
hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
39 Volamena
tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin'ireny fanaka rehetra ireny.
40 Ary tandremo
mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.
1 Ary ny
tabernakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina
sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no
hataonao sorany.
2 Ny halavan'ny
ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia
efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.
3 Ambainy dimy
no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
4 Ary manaova
tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny
anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia
eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
5 Tadivavarana
dimam-polo no hataonao eo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa
no hataonao eo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana
koa; ary hifandray ny tadivavarana.
6 Ary manaova
farango volamena dimam-polo, ka akambano amin'ny farango ny ambainy, ka dia ho
voakambana ho iray ny tabernakely.
7 Ary manaova
ambainy koa amin'ny volon'osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika
ambin'ny folo ambainy no hanaovanao azy.
8 Ny halavan'ny
ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra
hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
9 Ary avitrano
ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny
ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana.
10 Ary manaova
tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa
voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray
amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
11 Ary manaova
farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary
akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.
12 Ary izay
mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia
avelao hiraviravy eo ivohon'ny tabernakely.
13 Ary ny iray
hakiho avy eo amin'ny lohany roa amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny
halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny
tabernakely handrakotra azy.
14 Ary manaova
koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony
hodi-takasy ho eo amboniny.
15 Ary manaova
zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely.
16 Folo hakiho
ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny
zana-kazo iray.
17 Lahiny roa
no ho amin'ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao
ny zana-kazo rehetra amin'ny tabernakely.
18 Ary manaova
ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny
lafiny atsimo.
19 Ary manaova
faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo
iray hiorenan'ny lahiny roa.
20 Ary manaova
zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely, dia ny
lafiny avaratra.
21 Ary manaova
faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo
iray.
22 Ary ny
lafiny andrefana amin'ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo
enina.
23 Ary
zana-kazo roa no hataonao ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny
ivoho.
24 Ary
hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao
vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no
hisy izany.
25 Ary aoka
hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo:
faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
26 Ary manaova
barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny
tabernakely,
27 sy barany
dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary
barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
28 Ary ny
barany afovoany, izay afovoan'ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.
29 Ary ny
zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola
aminy, izay hitoeran'ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
30 Ary
manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao
an-tendrombohitra.
31 Ary manaova
efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina;
kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
32 Ary ahantòny
amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho
volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no
hiorenany.
33 Ary ny
efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra
lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny
fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.
34 Ary ny
rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo
amin'ny fitoerana masina indrindra.
35 Ary apetraho
eo ivelan'ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra
amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny
lafiny avaratra.
36 Ary manaova
varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena
ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
37 Ary manaova
andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena;
ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy
hiorenany.
1 Ary manaova
ny alitara amin'ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho
efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2 Ary manaova
ny tandrony eo amin'ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho
takela-barahina.
3 Ary manaova
ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy
ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no
hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
4 Ary manaova
makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina
efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,
5 Ary ataovy eo
ambanin'ny sikin'ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara
hanasaka ny alitara.
6 Ary manaova
bao ho amin'ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
7 Ary ampidiro
eo amin'ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny
alitara ny bao, raha lanjaina izy,
8 Hazo fisaka
no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao
an-tendrombohitra no hanaovana azy.
9 Ary manaova
ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy
madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny
iray;
10 ary ho
roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho
volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
11 Ary ho
tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato
hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny
faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny
anjaka hitohizany,
12 Ary hisy
fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana;
ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
13 Ary ny
sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
14 Ary hisy
fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny
tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
15 Ary hisy
fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny
tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.
16 Ary eo
amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia
manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny
mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny
faladiany.
17 Ny
tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka
volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny
faladiany,
18 Ny lavan'ny
kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho
dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina
ny faladiany.
19 Ho varahina
avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba
azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.
20 Ary mandidia
ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao
fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
21 Ao anatin'ny
trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny
Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah
hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny
Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,
*
1 [Ny amin'ny
hanendrena ny mpisorona, sy izay ho fomban'ny fitafiany] Ary asaovy manatona
anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho
mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary
Itamara, zanak'i Arona.
2 Ary manaova
fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho
fahatsaran-tarehy.
3 Ary mitenena
amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i
Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
4 Ary izao no
fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava
tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona
rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
5 Ary aoka haka
ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy
madinika izy.
6 Dia aoka izy
hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony
fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.
7 Aoka hisy
soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.
8 Ary ny
fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy
aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy
madinika voahasina.
9 Ary makà vato
beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'Isiraely:
10 ny anarany
enina amin'ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny
fizokiany;
11 amin'ny
asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny
vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena
manodidina izy,
12 Ary ataovy
eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny
Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah
amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
13 Ary manaova
randram-bolamena
14 sy
olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary
hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
15 Ary manaova
saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda,
no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy
madinika voahasina no hanaovanao azy.
16 Ho efa-joro
miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
17 Ary asio
vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana
voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
18 ary ny
andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
19 ary ny
andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
20 ary ny
andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena
ny fitoerany avy.
21 Ary ny vato
dia alaharo araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny
anarany; ary hisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena
roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
22 Ary eo
amin'ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
23 Ary manaova
vava volamena roa ho eo amin'ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy
eo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
24 Ary ny tady
volamena roa dia ataovy eo amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa
ambony amin'ny saron-tratra.
25 Ary ny
lanin'ny tady roa dia ataovy eo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
26 Ary manaova
vava volamena roa, ka ataovy amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra,
dia amin'ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
27 Ary manaova
vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao
ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny
efoda.
28 Ary kofehy
manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda,
mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka
eo.
29 Ary Arona
hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana
manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho
fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
30 Ary ataovy
eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i
Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona
manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny
Zanak'Isiraely.
31 Ary ny
akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
32 Ary asio
vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka
ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
33 Ary asio
sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny
moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
34 dia
famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny
moron-tongotry ny akanjo ivelany.
35 Ary
hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny
fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha
mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
36 Ary manaova
takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana
fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
37 Ary asio
kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no
hasiana azy.
38 Ary ho eo
ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina,
izay hohamasinin'ny Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo
amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah
ny olona.
39 Ary ny
akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony
fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
40 Ary manaova
akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova
satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
41 Ary ataovy
amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana
azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
42 Ary manaova
kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny
valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.
43 Ary
hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana
izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana
masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy
amin'ny taranany mandimby azy izany.
1 [Ny amin'ny
fanokanana ny mpisorona] Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho
mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
2 ary mofo tsy
misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy
misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
3 Ary ataovy eo
anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny
ondrilahy roa dia ento koa.
4 Ary Arona Sy
ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka
ampandroy amin'ny rano izy
5 Ary alao ny
fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny
efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny
efoda izy;
6 ary ny hamama
dia ataovy eo amin'ny lohany, ary ny diadema masina dia ataovy eo amin'ny
hamama.
7 Ary alao ny
diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy.
8 Ary ny zanany
dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
9 Ary fehezo
amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka
boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no
hanokananao an'i Arona sy ny zanany.
10 Ary asaovy
entina ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona
sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy;
11 dia vonoy eo
anatrehan'i Jehovah ny vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana;
12 ary analao
ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny
fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;
13 ary alao ny
safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin'ny
fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara;
14 fa ny
henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin'ny
afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
15 Ary alao ny
ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny
lohan'ny ondrilahy;
16 dia vonoy ny
ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;
17 ary rasao
tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny
voarasa sy ny lohany;
18 ary dory ho
fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i
Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah.
19 Ary alao ny
ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny
lohan'ny ondrilahy;
20 dia vonoy ny
ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina
ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary
amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana;
ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara
21 Ary analao
ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i
Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany
koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany
koa.
22 Ary alao ny
saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe
sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy
fanakanana izy;
23 ary manala
iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo
manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo
anatrehan'i Jehovah;
24 ary ataovy
eo an-tànan'i Arona sy eo an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy
hofanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
25 Dia raiso
amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny
fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra
atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah.
26 Ary alao ny
tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra
ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
27 Ary hamasino
ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay
ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i
Arona sy izay ho an'ny zanany.
28 Ary ho
anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny
Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra
asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho
fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.
29 Ary ny
fitafiana masina izay an'i Arona dia ho an'ny zanany mandimby azy koa
hanosorana azy sy hanokanana azy.
30 Hiakanjo azy
hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay
miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny
fitoerana masina.
31 Ary alao ny
ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin'izay fitoerana masina ny henany
32 Ary
hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny
henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.
33 Ary izy na
hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana
sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.
34 Ary raha
misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka
tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany,
satria masina.
35 Dia manaova
izany amin'i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana
no hanokananao azy.
36 Ary
vantotr'ombilahy iray no haterinao isan'andro ho fanatitra noho ny ota,
hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao;
ary hosory izy hanamasina azy.
37 Hafitoana no
hanaovanao fanavotana ho an'ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina
indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy.
38 [Ny
fanatitra isa-maraina sy isan-kariva] Ary izao no haterinao eo ambonin'ny
alitara: zanak'ondry roa izay iray taona isan'andro isan'andro
39 (ny
zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao
nony hariva),
40 ary koba
tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina
sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry
iray.
41 Ary ny
zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra
aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho
hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
42 Ho fanatitra
dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay
hihaonako aminareo hiteny aminao
43 Ary hihaona
amin'ny Zanak'Isiraely ao Aho, ka hohamasinin'ny voninahitro izy.
44 Ary
hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona
sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
45 Ary honina
eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
46 Ary ho
fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
*
1 [Ny alitara
fandoroana ditin-kazo manitra] Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo
manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
2 Ho iray
hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny
hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
3 Ary petaho
takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny
tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
4 Ary asio vava
volamena roa izy eo ambanin'ny koronosiny, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra
ireo; ary ho fitoeran'ny bao ireo hilanjana azy.
5 Ary hazo
akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
6 Ary apetraho
eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia
manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay
hihaonako aminao.
7 Ary Arona
handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela
fanaovan-jiro, no handoroany izany;
8 ary raha
mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa;
ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva hatramin'ny
taranakareo fara mandimby izany.
9 Aza manatitra
ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra
hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
10 Ary aoka
Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona;
amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha
isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara
mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.
11 [Ny
handoavana ny vola avotra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe;
12 Raha maka ny
isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry
ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy
areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
13 Izao no
haloan'izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely
masina (
14 Izay rehetra
voalamina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho
an'i Jehovah.
15 Ny
manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo
tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny
ainareo.
16 Ary handray
ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao
amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo
anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
17 [Ny tavy, sy
ny diloilo fanosorana, ary ny ditin-kazo manitra] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy ka nanao hoe:
18 Manaova tavy
varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo
anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
19 Ary eo no
hanasan'i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
20 Raha miditra
amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy.
Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
21 dia hanasa
ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay
aminy sy ny zanany izany hatramin'ny taranany fara mandimby.
22 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23 Makà
zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra
antsasak'izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby
roan-jato
24 sy kasia
dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon'oliva eran'ny hina;
25 dia amboary
ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo
zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.
26 Ary hosory
amin'izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran'ny Vavolombelona,
27 sy ny
latabatra mbamin'ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin'ny
fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
28 ary ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary
ny tavy sy ny faladiany.
29 Ary hamasino
ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.
30 Ary hosory
Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
31 Ary mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny
taranakareo fara mandimby.
32 Aoka tsy
hihosoran'ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy;
fa masina izy ka ho masina aminareo.
33 Na zovy na
zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin'ny
vahiny dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
34 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy
helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
35 Ary ataovy
ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo
zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
36 Ary
torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny
Vavolombelona ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina
indrindra ho anareo izany.
37 Ary ny
amin'ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny
ho anareo; ho masina aminao ho an'i Jehovah izany.
38 Na zovy na
zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny.
*
1 [Ny
nanendrena an'i Bezalila sy Oholiaba ho lohan'ny mpiasa] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Indro, efa
notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i
Joda;
3 ary efa
nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy
fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa:
4 dia ny
hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
5 sy ny
hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba
hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
6 Ary, indro,
Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana,
ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba
hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
7 dia ny
trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra
fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
8 sy ny
latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny
fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
9 sy ny alitara
fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny
tavy, sy ny faladiany.
10 ary ny
fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny
fitafian'ny zanany ho entiny misorona,
11 ary ny
diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina:
araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.
12 [Ny amin'ny
fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
13 Ary dia
milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana
ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.
14 Koa tandremo
ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty
tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny.
15 Henemana no
hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i
Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
16 Dia hotandreman'ny
Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby,
dia fanekena mandrakizay izany.
17 Ho
famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny
henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro
fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
18 [Ny
nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny
teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato
fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny
rantsan-tànan'Andriamanitra.
*
1 [Ny
nanaovan'ny Zanak'Isiraely ombilahy kely volamena hiankohofany, sy ny
fahatezeran'Andriamanitra noho izany] Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka
tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo
amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra
izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra
antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo
azy,
2 Ary hoy Arona
taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy
ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
3 Ary ny olona
rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra
azy ho eo amin'i Arona.
4 Ary izy
nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka
nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no
andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
5 Ary raha
hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona
ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.
6 Dia nifoha
maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra
fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana
hilalao.
7 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao
izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
8 Nalaky nivily
niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely
anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao
fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay
nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
9 Ary hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
10 Koa
ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa
hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
11 Fa Mosesy
nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny
fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
12 Nahoana ny
Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka,
hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny
tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay
hanjo ny olonao.
13 Tsarovy
Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao
sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny
lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary
izy handova izany mandrakizay.
14 Ary Jehovah
dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
15 Ary Mosesy
nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy
ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny
roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.
16 Ary ny vato
fisaka dia asan'Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra,
voasoratra teo amin'ny vato fisaka.
17 Ary rehefa
ren'i Josoa ny fitabataban'ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i
Mosesy: Misy tabataban'ady atsy an-toby.
18 Fa hoy kosa
izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny
mihira.
19 Ary raha
nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny
fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka
novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra.
20 Dia nalainy
ilay ombilahy kely izay efa nataon'ny olona ka nodorany tamin'ny afo, ary
notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin'ny rano ka nampisotroiny ny
Zanak'Isiraely.
21 Ary hoy
Mosesy tamin'i Arona: Inona no nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao
heloka lehibe taminy?
22 Fa hoy kosa
Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny
toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
23 ary hoy izy
tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay
Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany
Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
24 Ary hoy
izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka
dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no
nivoaka.
25 Ary rehefa
hitan'i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona, satria efa
natondrak'i Arona ho fanakorana eo amin'ny fahavalony izy,
26 dia nijanona
teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah
mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.
27 Dia hoy izy
taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny
sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena
amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany
avy ary ny namany avy ianareo.
28 Dia nanao
araka ny tenin'i Mosesy ny taranak'i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo
arivo lahy ny olona tamin'izany andro izany.
29 Fa Mosesy
efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo anio; eny, samia
mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
30 [Ny
nifonan'i Mosesy, sy ny navalin'Andriamanitra azy] Ary nony maraina dia hoy
Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia
hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny
fahotanareo.
31 Ary Mosesy
dia niverina ho ao amin'i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana
lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
32 Ary
ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona
aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
33 Fa hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo
amin'ny bokiko.
34 Mandehana
ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny
Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly
azy noho ny fahotany Aho.
35 Ary Jehovah
namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.
*
1 [Ny
nitenenan'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny nanetren'ireo tena] Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy
ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny
tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no
homeko azy.
2 Ary haniraka
Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny
Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),
3 dia ho
amin'izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho
(satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
4 Ary rehefa
ren'ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona
niravaka intsony.
5 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona
mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza,
dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba
ho fantatro izay hataoko aminao.
6 Ary ny
Zanak'Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
7 [Ny
nihaonan'i Mosesy tamin'Andriamanitra, sy ny naneken'Andriamanitra ny
fangatahany] Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan'ny
toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary
izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny amin'ny trano-lay fihaonana
izay teo ivelan'ny toby.
8 Ary raha
nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy
nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy
mandra-pahatongany ao amin'ny lay.
9 Ary raha
niditra tao amin'ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo
anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin'i Mosesy.
10 Ary hitan'ny
olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia
nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny
lainy avy.
11 Ary Jehovah
niteny nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany.
Ary niverina nankeo amin'ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo,
zanak'i Nona, tsy niala tamin'ny lay.
12 Ary hoy
Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity
firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka
amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita
fitia eo imasoko koa ianao.
13 Koa
ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao
hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity
firenena ity.
14 Dia hoy Izy:
Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.
15 Fa hoy
Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra
hiala atỳ.
16 Fa inona
anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy
amin'ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra
ambonin'ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
17 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita
fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.
18 Ary hoy
Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
19 Fa hoy kosa
Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny
anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo
amin'izay hamindrako fo.
20 Ary hoy koa
Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho
velona.
21 Dia hoy
Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin'ny
harambato ianao;
22 koa raha
mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka
hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.
23 Dia
hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.
1 [Ny
nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy:
Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo
vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
2 ary aoka
hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny
tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny
tendrombohitra.
3 Ary aoka tsy
hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny
tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman'osy koa sy ny omby dia aoka tsy
hisy handrasana eny akaikin'izany tendrombohitra izany
4 Dia
nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy
ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah
azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
5 Ary Jehovah
nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i
Jehovah.
6 Ary Jehovah
nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra
fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
7 mitahiry
famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary
fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray
amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
8 Ary Mosesy
dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka;
9 dia hoy izy:
Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha
ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny
fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
10 Ary hoy Izy:
Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako
zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany
amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny
asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
11 Tandremo
izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita
sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
12 Koa
mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay
halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
13 Fa ravao ny
alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
14 Fa tsy
hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro
no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
15 fandrao
ianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka
ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy,
ary hasainy ianao ka hihinana amin'ny fanatiny;
16 ary andrao
koa haka amin'ny zananivavy ho vadin'ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga
hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy
hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
17 Aza manao
andriamanitra anidina ho anao.
18 Tandremo ny
andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako
anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no
nivoahanao avy tany Egypta.
19 Izay
voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao,
na omby na ondry aman'osy;
20 fa ny
voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo
azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao
dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo
anatrehako.
21 Henemana no
hiasanao, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin'ny
taom-pamafazana sy amin'ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
22 Ary tandremo
ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny
voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana
amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona.
23 Intelo
isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah
Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
24 Fa handroaka
firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona
haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao
intelo isan-kerintaona ianao.
25 Aza manatitra
ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy
masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao
fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
26 Ny santatra
amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah
Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
27 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no
nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.
28 Dia teo amin'i
Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na
nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny
fanekena, dia ny Didy Folo.
*
29 Ary Mosesy
nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay
nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy
fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
30 Ary nony
hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny
hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
31 Ary Mosesy
niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy;
ary Mosesy niteny taminy.
32 Ary rehefa
afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy
azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra
Sinay.
33 Ary rehefa
vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
34 Ary raha
niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny
fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny
Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy.
35 Ary hitan'ny
Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny
tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny
hiteny aminy indray.
*
1 [Ny nilazan'i
Mosesy ny didin'i Jehovah ny amin'ny hitandremana ny Sabata sy ny hanaovana ny
tabernakely, ary ny zavatra naterin'ny olona hanaovana azy] Ary Mosesy dia
namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao
no teny nandidian'i Jehovah hatao:
2 Henemana no
hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro
fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao
maty.
3 Aza mampirehitra
afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.
4 Ary Mosesy
niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao
no teny izay nandidian'i Jehovah:
5 Manalà ao
aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka
hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
6 ary manga sy
volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy
7 sy
hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
8 sy diloilo
hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo
mani-pofona,
9 ary vato
beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny
saron-tratra.
10 Ary aoka ny
hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian'i Jehovah:
11 dia ny
tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny
barany sy ny andriny sy ny faladiany,
12 ary ny fiara
sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13 ary ny
latabatra sy ny baony mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
14 ary ny
fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin'ny fanaka momba azy ary ny lela
fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
15 ary ny
alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy
ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny
tabernakely,
16 ary ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny
baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
17 ary ny fefy
lamba ho amin'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady
lamba ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja,
18 ary ny
tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
19 ary ny fitafiana
makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy
ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny
misorona.
20 Dia niala
teo anatrehan'i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
21 Ary samy
nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra
namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny
trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
22 Dia nanatona
ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra
fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy
hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho
an'i Jehovah.
23 Ary ny olona
rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy
volon'osy sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
24 Izay rehetra
nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i
Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny
fanompoana dia nitondra azy.
25 Ary ny
vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay
nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
26 Ary ny
vehivavy rehetra izay nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny
volon'osy.
27 Ary ny
loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho
amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,
28 ary ny zava-manitra
sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny
ditin-kazo mani-pofona.
29 Ary ny
Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy
ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny
zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.
30 Ary hoy
Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana
Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda,
31 ka efa
nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy
fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,
32 dia ny
hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
33 ary ny
hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana
izay asa kanto samy hafa rehetra.
34 Ary ny
fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy
Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.
35 Ary efa
nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny
an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa
soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy
madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho
mpamorona asa kanto.
*
1 Dia hiasa
Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah
fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny
fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.
2 Ary Mosesy
dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay
nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony
hankeo amin'ny asa hanao azy.
3 Ary izy ireo
dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin'ny
Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina.
Ary ny olona mbola nitondra fanatitra
sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.
4 Dia nanatona ny olon-kendry
rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala
tamin'ny asany izay nataony avy,
5 ka niteny tamin'i Mosesy
hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana
amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.
6 Dia nandidy Mosesy ka
nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony
hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany
no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
7 fa ny zavatra efa nateriny
dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
8 [Ny nanaovana ny
tabernakely sy izay rehetra momba azy] Ary ny hendry rehetra teo amin'izay
nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony
fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny
mpanenona mahay, no nataony sorany.
9 Ny halavan'ny ambainy iray
dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra
hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
10 Ambainy dimy
navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
11 Ary nanao
tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny
anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy,
dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
12 Tadivavarana
dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa
no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana
koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13 Ary nanao
farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia
voakambana ho iray ny tabernakely.
14 Ary nanao
ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia
iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
15 Ny
halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray
dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
16 Ary
navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
17 Ary nanao
tadivavarana dimam-polo ho eo antsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa
voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy
iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
18 Ary nanao
farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
19 Ary nanao
rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona
hodi-takasy ho eo amboniny.
20 Ary nanao ny
zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.
21 Folo hakiho
ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny
zana-kazo iray.
22 Ary lahiny
roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany
ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.
23 Ary nanao ny
zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny
lafiny atsimo.
24 Ary nanao
faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia
roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.
25 Ary nanao
zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny
lafiny avaratra.
26 Ary nanao
faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny
isan-janakazo.
27 Ary nanao
zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo
ivohony.
28 Ary nanao
zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.
29 Ary
nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava
vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
30 Ary nisy
zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo:
faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
31 Ary hazo
akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray
amin'ny tabernakely,
32 sy barany
dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary
barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
33 Ary nanao ny
barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
34 Ary ny
zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola
aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
35 Ary ny
efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy
madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
36 Ary nanao
andry efatra tamin'ny hazo akasia izy hihantonan'izany, ary nopetahany
takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary
nandrendrika faladia volafotsy efatra izy'hiorenany.
37 Ary nanao
varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy
volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona
samy hafa soratra.
38 Ary ny
andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena
ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
1 Ary Bezalila
nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray
hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
2 ary
nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany
koronosy volamena manodidina.
3 Ary
nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny
tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny lafiny iray, ary vava vola roa
teo amin'ny lafiny iray koa.
4 Ary nanao bao
tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
5 Ary
nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara,
hilanjana azy.
6 Ary nanao
rakotra fanaovam-panavotana tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany
ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
7 Ary nanao
kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany
roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana:
8 dia ny
kerobima iray nataony teo amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa
teo amin'ny sakany anankiray: indray mivofy tamin'ny rakotra
fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin'ny sakany roa.
9 Ary ny elatry
ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra
fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra
fanaovam-panavotana koa izy.
10 Ary nanao ny
latabatra tamin'ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny
sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11 Ary
nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina
azy.
12 Ary nasiany sisiny
vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny
manodidina.
13 Ary
nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny
zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:
14 eo
akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola ho fitoeran'ny bao hilanjana ny
latabatra.
15 Ary nanao ny
bao tamin'ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany
takela-bolamena.
16 Ary nanao ny
fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary
ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no
nanaovany ireo.
17 Ary nanao ny
fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny
fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy
ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
18 Ary nisy
sampany enina tamin'ny ankilany roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro
amin'ny ankilany iray, ary sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany
iray koa;
19 teo amin'ny
sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala,
mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy
vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny
voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.
20 Ary teo
amin'ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny
amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
21 dia kiboriny
iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny
sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa
sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
22 Ny kiboriny
sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara
izy rehetra.
23 Ary nanao ny
lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony
tamin'ny volamena tsara izy.
24 Volamena
tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.
25 Ary nanao ny
alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy
ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny
hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
26 Ary
nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina
ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
27 Ary nasiany
vava volamena roa izy teo ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony
efatra ireo ho fitoeran'ny bao hilanjana azy.
28 Ary hazo
akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.
29 Ary nanao ny
diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny
mpangaroharo zava-manitra.
1 Ary nanao ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho
avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny
hahavony.
2 Ary nanao ny
tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany
takela-barahina ireo.
3 Ary nanao ny
fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny
sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony;
nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
4 Ary nanao
makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo
ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.
5 Ary
nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara
varahina izy ho fitoeran'ny bao.
6 Ary nanao ny
bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
7 Ary
nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara
izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
8 Ary ny tavy
varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny
vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
9 Ary nanao ny
kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny
kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;
10 ary roa-polo
ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny
fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
11 Ary tamin'ny
lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny
faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany
sy ny anjaka hitohizany.
12 Ary tamin'ny
lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary
folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny
anjaka hitohizany.
13 Ary ny lafiny
atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
14 Ary nisy
fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny
tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
15 Ary nisy
fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny
tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
16 Ary nataony
rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.
17 Ary ny
faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny
tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia
nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia
samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
18 Ary ny
vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa
soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika
voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny
lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.
19 Ary efatra
ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia
volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia
volafotsy koa.
20 Ary ny
tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina
avokoa.
21 [Tontalin'ny
volamena sy volafotsy ary varahina izay lany] Ary izao no isan'ny zavatra
nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka
ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona
mpisorona, ny nanisa azy.
22 Ary
Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay
rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
23 Ary ny
namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy
sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny
manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
24 Talenta sivy
amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny
volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia
ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
25 Ary ny
volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato
sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely
masina:
26 beka iray
isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay
rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona
dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
27 Ary ny
volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina
sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy
zato, talenta iray ny faladiany iray.
28 Ary tamin'ny
sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana
tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny
anjaka hitohizany.
29 Ary ny
varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely
efa-jato amby roa arivo.
30 Ary izany no
nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara
varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba
ny alitara,
31 ary ny
faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja,
sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny
kianja manodidina.
1 [Ny nanaovana
ny fitafian'ny mpisorona] Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no
nanaovany ny fitafiana makarakara*, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny
fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka
izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Na: fitondra manompo]
2 Ary nanao ny
efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy
madinika voahasina izy.
3 Ary namisaka
ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena,
hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy
madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.
4 Ary nataony
nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy.
5 Ary ny
fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy
tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony
fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
6 Ary ny vato
beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny
fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
7 Ary nataony
teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny
Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
8 Ary nanao ny
saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny
efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika
voahasina.
9 Ary efa-joro
miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny
efatra, sady niforitra roa izy.
10 Ary nasiany
vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andalana: ny andalana
voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
11 ary ny
andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
12 ary ny
andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
13 ary ny
andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany
randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
14 Ary ny vato
dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny
folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny
firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
15 Ary nanao
olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.
16 Ary nanao
randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo
amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
17 Ary ny tady
volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa
ambany amin'ny saron-tratra.
18 Ary ny
lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo
amin'ny soroky ny efoda anoloana.
19 Ary nanao
vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny
saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
20 Ary nanao
vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia
ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba
ny efoda.
21 Ary kofehy
manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda,
mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka
eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22 Ary nanao ny
akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
23 Ary ny
vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo
fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
24 Ary teo
amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra
manga sy volomparasy sy mena voahasina;
25 ary nanao
famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo
anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany
manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):
26 dia
famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny
moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia
araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
27 Ary ny
akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy
ny zanany.
28 Ary ny
hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony
rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy
madinika voahasina.
29 Ary ny
fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary
mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
30 Ary ny
takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany
soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I
JEHOVAH.
31 Ary nasiany
kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
32 Ary vita ny
asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely
efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33 Dia nentiny
teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy,
ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
34 ary ny
firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny
efitra lamba fanakonana,
35 ary ny
fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
36 ary ny
latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
37 ary ny
fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro
halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
38 ary ny
alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny
varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay,
39 ary ny
alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny
fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
40 ary ny fefy
lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo
amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana
rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,
41 ary ny
fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana
masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao
fisoronana.
42 Araka izay
rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny
Zanak'Isiraely ny asa rehetra.
43 Ary nizaha
ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah;
dia nisaotra azy Mosesy.
*
1 [Ny
nananganana ny tabernakely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Amin'ny andro
voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay
fihaonana.
3 Ary ataovy ao
ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
4 Ary ampidiro
ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny
fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
5 Ary ny
alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny
fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny
varavaran'ny tabernakely.
6 Ary ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny
tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
7 Ary ny tavy
dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano
eo anatiny.
8 Ary amboary
ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny
kianja.
9 Ary alao ny
diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino
izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.
10 Ary hosory
ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary
hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.
11 Ary hosory
ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
12 Ary ento
Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka
ampandroy amin'ny rano izy.
13 Ary
ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho
mpisorona ho Ahy.
14 Ary ento ny
zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
15 Ary hosory
izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana
azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
16 Dia nataon'i
Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
17 Ary tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana
ny tabernakely.
18 Ary Mosesy
nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny
zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
19 Ary
namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay
nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
20 Dia nalainy
ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo
amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny
fiara.
21 Ary ny fiara
dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba
fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
22 Ary ny
latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny
lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.
23 Ary
nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
24 Ary ny
fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny
latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.
25 Ary
nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
26 Ary ny
alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny
efitra lamba;
27 ary nandoro
ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
28 Ary ny
varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;
29 ary ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny
varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny
fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
30 Ary ny tavy
dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany
rano teo anatiny hanasana.
31 Ary teo no
nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
32 Raha niditra
tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa
izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33 Ary
natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny
vavahady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy
ny asa rehetra.
34 Ary ny
rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny
tabernakely.
35 Ary Mosesy
tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra
teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
36 Ary raha
niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely
tamin'ny nandehanany rehetra;
37 fa raha tsy
niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.
38 Fa ny
rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo
aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany
rehetra.