[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Genesisy
Accès direct aux chapitres de la Genèse : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48, 49, 50
1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny
voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana;
ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba
tambonin'ny rano.
3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava;
dia nisy mazava.
4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava;
ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro;
ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro
voalohany izany.
6 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka
eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy.
7 Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka
nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka;
dia nisy izany.
8 Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe
lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
9 Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona
ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny
maina; dia nisy izany.
10 Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany;
ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara
izany.
11 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany
haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny
karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
12 Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa
samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka
ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
13 Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro
fahatelo izany.
14 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia
fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina;
ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
15 Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny
habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
16 Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa
lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely
ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
17 Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny
habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,
18 sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary
hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
19 Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro
fahefatra izany.
20 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho
be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny
habakabaky ny lanitra.
21 Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy
anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao
amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy
araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
22 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa
anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny
vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
23 Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro
fahadimy izany.
24 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany
hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby
mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
25 Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy
araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny
biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy.
Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika
hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy
hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby
fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny
tany.
27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny
endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no
namoronany azy.
28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa
fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka
amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby
rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
29 Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa
nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary
ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
30 Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny
voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka
amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy
izany.
31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra
nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina,
andro fahenina izany.
1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay
rehetra ao aminy.
2 Ary tamin'ny andro fahafito dia
vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro
fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy
nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany
rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
*
4 [Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny
olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny
tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny
tany sy ny lanitra:
5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy
teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola
nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona
hiasa ny tany;
6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany
ka nandena ny tany rehetra.
7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah
Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia
tonga olombelona izy.
8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao
Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo
amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny
hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
10 Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena
ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
11 Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no
mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
12 ary tsara ny volamena amin'izany tany izany;
any ny bedola sy ny vato beryla.
13 Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no
mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
14 Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela;
io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra
an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy
an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao
ihinanana ihany;
17 fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy
dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa
ianao.
18 Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy
tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
19 Ary tany no namoronan'i Jehovah
Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany
amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra
nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany.
20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy
rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay
vady sahaza ho an-dralehilahy.
21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory
an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka
nanakombona nofo ho solony.
22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah
Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany
amin-dralehilahy.
23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana
avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy
satria lehilahy no nanalana azy.
24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny
rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy
ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
*
1 [Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy izay
nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra
izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa
nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny
voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;
3 fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no
efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao
maty ianareo.
4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho
faty tsy akory ianareo;
5 fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay
andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka
an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
6 Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny
hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia
nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana
izy.
7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany
fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
8 Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra
nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary
ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo
tao amin'ny saha.
9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso
an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha
aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
11 Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa
mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao
ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy:
Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka
dia nihinana aho.
14 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny
menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny
bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary
vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
15 Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy
ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa
hanorotoro ny ombelahin-tongony.
16 Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe
dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary
fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao,
ka izy no hanapaka anao.
17 Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa
nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao
hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana
no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao.
18 Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary
hohaninao ny anana famboly.
19 Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao
hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa
vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.
20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe
Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
21 Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo
hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny
olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy;
ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina,
ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
23 ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra
tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
24 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny
tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby
hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
*
1 [Ny amin'i Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala
an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa
nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
2 Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy.
Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i
Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
4 fa nitondran'i Abela kosa ny
voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela
mbamin'ny fanatiny;
5 fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba
nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
6 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no
tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
7 Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho
miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo
am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony
hanapaka azy.
8 Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny;
ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela
rahalahiny, ka namono azy.
9 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela
rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny
ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
11 Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala
amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny
tananao.
12 Raha miasa ny tany ianao, tsy mba
hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny
tany ianao.
13 Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny
valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
14 Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany
onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy
mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na
iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao
famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah
ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.
17 [Ny taranak'i Kaina, sy ny nahaterahan'i
Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i
Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe
Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.
18 Ary Enoka niteraka an'Irada; ary Irada
niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i Metosaela; ary Metosaela
niteraka an'i Lameka.
19 Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny
anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.
20 Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny
mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.
21 Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy
no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
22 Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina,
mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina
dia Nama.
23 Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy
Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono
lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
24 Raha valiana fito heny izay mamono an'i
Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.
25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia
niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa
Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela,
satria novonoin'i Kaina izy.
26 Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny
anarany nataony hoe Enosy.
*
1 [Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka
hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro
namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany
azy;
2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy
azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.
3 Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro
niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny
anarany nataony hoe Seta.
4 Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany
an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
5 Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia
telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro
niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.
7 Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny
niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy
zazavavy izy.
8 Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa
ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i
Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.
10 Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny
niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
11 Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia
dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
12 Ary rehefa fito-polo taona ny andro
niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.
13 Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny
niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka
zazalahy sy zazavavy izy.
14 Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia
folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
15 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny
andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.
16 Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny
niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka
zazalahy sy zazavavy izy.
17 Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila
dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
18 Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato
taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy.
19 Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny
niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy
zazavavy izy.
20 Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia
roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny
andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy.
22 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra
telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka
zazalahy sy zazavavy izy.
23 Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia
dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
24 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka;
ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.
25 Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato
taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy.
26 Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny
niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
27 Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia
sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
28 Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato
taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy:
Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho
ny tany izay voaozon'i Jehovah.
30 Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny
niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka
zazalahy sy zazavavy izy.
31 Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia
fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia
niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
1 [Noa sy ny Safo-drano] Ary raha vao nihamaro
ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara
tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra
araka izay tiany izy.
3 Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka
mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy;
nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
4 Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany
tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny
zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay
olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5 Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny
olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy
ihany mandritra ny andro.
6 Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny
olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy
ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby
fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho
noho ny nanaovako azy.
8 Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i
Jehovah.
*
9 Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy
marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny,
niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.
10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy ,
dia Sema sy Hama ary Jafeta.
11 Ary simba ny tany teo
anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
12 dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro,
efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny
tany.
13 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny
faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho
ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho.
14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo
gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny
sy eo ivelany izy.
15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho
telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho
telo-polo ny hahavony.
16 Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara,
ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao
varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny
safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina
ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.
18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary
hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny
vinantonao vavy miaraka aminao.
19 Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo
rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara,
hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
20 Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary
ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na
mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny
karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
21 Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay
mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo
koa izany.
22 Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra
nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
1 Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao
anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no
hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.
2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia
hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio
isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3 ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito
avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.
4 Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka
ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra
velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.
5 Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i
Jehovah azy.
6 Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga
tambonin'ny tany ny safo-drano.
7 Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny
vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho
tratry ny safo-drano.
8 Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio
sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,
9 dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa
tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra
an'i Noa.
10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga
tambonin'ny tany ny safo-drano.
11 Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo
tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany
andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha
ny varavaran'ny lanitra.
12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny
tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao
anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa,
mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy
araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy,
ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny
karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny
voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15 Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny
sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
16 Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy
tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary
narindrin'i Jehovah tao izy.
17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny
tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia
nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.
18 Ary nahery ny rano ka tonga betsaka
indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara.
19 Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny
ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny
lanitra rehetra.
20 Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny
rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika
tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby
rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.
22 Izay rehetra nanam-pofonaina teo
am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.
23 Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay
tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny
zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny
tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara
ihany no sisa velona.
24 Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby
zato andro ny rano.
1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa
mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra
taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny
tany, ka dia nihena ny rano.
2 Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny
varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany
an-danitra.
3 Ary nihena niandalana niala tamin'ny tany ny
rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
4 Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any
Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana
fahafito.
5 Ary ny rano dia mbola nihena niandalana
hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo
dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.
6 Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia
novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa nataony.
7 Dia namoaka goaika anankiray izy, ary
niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.
8 Dia namoaka voromailala anankiray izay teo
aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.
9 Fa tsy hitan'ilay voromailala izay
hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara
izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny
tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.
10 Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia
namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy.
11 Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony
hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no
nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany.
12 Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia
namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
13 [Ny nivoahan'i Noa avy tao amin'ny
sambo-fiara sy ny nanaovan'Andriamanitra fanekena taminy] Ary tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato,
dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara
Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
14 Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo
tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
15 Ary Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka
nanao hoe:
16 Mivoaha amin'ny sambo-fiara ianao sy ny
vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
17 Ary ny zava-manan'aina rehetra, izay eo
aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby
rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao;
ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny
ambonin'ny tany ireny.
18 [Ny nataon'izy telo mirahalahy, zanak'i Noa,
sy ny teny naminanian-drainy azy] Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany
ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
19 Ny zava-manan'aina rehetra sy ny biby
rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra
mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara
araka ny karazany.
20 Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i
Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka
nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.
21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah,
ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona
Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy
mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy
hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy
ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.
1 Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny
zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2 Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny
bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady
na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa
natolotra eo an-tananareo.
3 Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina
dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy
rehetra.
4 Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny
ràny no aza haninareo.
5 Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria
ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no hanadinako azy; ary eo
amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy, no hanadinako ny
ain'ny olona.
6 Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba
halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany
ny olona.
7 Koa ny aminareo, dia maroa fara sy
mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny.
8 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy
tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko
aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
10 sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo
aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo:
izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa
rehetra.
11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy
haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano
hanimba ny tany intsony.
12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana
ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina
rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby:
13 Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho
famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.
14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny
tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy
ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy
safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
16 Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary
hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho
amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra
ambonin'ny tany.
17 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no
famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra
ambonin'ny tany.
18 Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka
avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i
Kanana.
19 Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy
tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra.
20 Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao
tanim-boaloboka.
21 Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia
nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy.
22 Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny
fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
23 Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka
nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra
ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny
fitanjahan'ny rainy.
24 Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny
hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany faralahy taminy.
25 Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho
tena andevon'ny rahalahiny izy.
26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah,
Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
27 Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta;
Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
28 Ary ny andro niainan'i Noa taorian'ny
safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
29 Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia
dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
*
1 [Ny taranak'izy telo lahy zanak'i Noa, sy ny
nielezany] Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary
Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.
2 Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga
sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy
Rifata ary Togarma.
4 Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy
Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5 Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny
firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny
mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
6 Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy
Mizraima sy Pota ary Kanana.
7 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila
sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
8 Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no
voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.
9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i
Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery
eo anatrehan'i Jehovah.
10 Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy
Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara.
11 Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy
ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala
12 ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala,
dia ilay tanàna lehibe izany.
13 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny
Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
14 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay
nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
15 Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany
sy Heta,
16 ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny
Girgasita
17 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
18 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny
Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.
19 Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany
Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma
sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
20 Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny,
araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.
21 Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera
rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
22 Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy
Arpaksada sy Loda ary Arama.
23 Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola
sy Gatera ary Masy.
24 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela
niteraka an'i Ebera.
25 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny
iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana
no anaran'ny rahalahiny.
26 Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa
sy Hazarmaveta sy Jera
27 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
28 sy Obala sy Abimaela sy Sheba
29 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra
ireo no zanakalahin'i Joktana.
30 Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao
akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
31 Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny,
araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny.
32 Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny
taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena
tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.
1 [Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao
Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona] Ary ny tany
rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny
olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.
3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao
biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta
nataony solon-drihitra.
4 Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy
tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay
hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.
5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny
tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
6 Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona,
sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao
dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
7 Aoka isika hidina, ka eny no
hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho
eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela;
fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no
nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.
*
10 [Ny taranak'i Sema mandraka mby amin'i Tera,
rain'i Abrama] Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka
an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.
11 Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny
niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy
zazavavy izy.
12 Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny
andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.
13 Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny
niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy
zazavavy izy.
14 Ary rehefa telo-polo taona ny andro
niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.
15 Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny
niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy
zazavavy izy.
16 Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny
andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.
17 Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny
niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy
sy zazavavy izy.
18 Ary rehefa telo-polo taona ny andro
niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
19 Ary ny andro niainan'i Palega taorian'ny
niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy
zazavavy izy.
20 Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny
andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.
21 Ary ny andro niainan-dReo taorian'ny
niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy
zazavavy izy.
22 Ary rehefa telo-polo taona ny andro
niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,
23 Ary ny andro niainan'i Seroga taorian'ny
niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy
izy.
24 Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro
niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.
25 Ary ny andro niainan'i Nahora taorian'ny
niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby zato taona; ary niteraka
zazalahy sy zazavavy izy.
26 Ary rehefa fito-polo taona ny andro
niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
*
27 [Ny taranak'i Tera, sy ny nifindrany nankany
Harana] Ary izao no taranak'i Tera: Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary
Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.
28 Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan'i
Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao Oran'ny Kaldeana.
29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho
azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia
Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.
30 Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
31 Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota
zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia
niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana;
dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
32 Ary dimy amby roan-jato taona ny andro
niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
1 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny
nivahinianay tany Kanana sy Egypta] Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana
miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny
tany izay hasehoko anao;
2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho
sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa
hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra
ambonin'ny tany.
4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i
Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo
taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
5 Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota
zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona
izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka
tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema,
dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana
fahizay.
7 Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao
hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i
Jehovah Izay niseho taminy.
8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny
tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela
tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i
Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho
any amin'ny tany atsimo.
10 Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama
dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany.
11 Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy,
dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy
ianao,
12 ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony
hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13 Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba
hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
14 Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia
hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
15 Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera
azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.
16 Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i
Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy
borikivavy sy rameva izy.
17 Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy
ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.
18 Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao
hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa
vadinao izy?
19 Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy?
ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka
mandehana.
20 Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany
ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra
ireo.
1 [Ny nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny
fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala
tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa
niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
2 Ary Abrama nanana harena be, dia omby
aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
3 Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra
hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny
voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
4 dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara
nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
5 Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i
Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6 Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany
monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
7 Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny
mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao
Kanana fahizay.
8 Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy
hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao,
fa mpirahalahy isika.
9 Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra?
Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia
hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
10 Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny
tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano
avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora
izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11 Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra
amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12 Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana.
fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka
nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13 Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy
fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
14 Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny
nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany
itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy
miankandrefana;
15 fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko
anao sy ny taranakao mandrakizay.
16 Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny
taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny
taranakao.
17 Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia
any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.
18 Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha
ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina
alitara teo ho an'i Jehovah izy.
*
1 [Ny namaboana an'i Lota sy ny namonjen'i
Abrama azy, ary ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrama] Ary tamin'ny andron'i
Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera
mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera,
mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma,
sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
3 Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka
nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
4 Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny
folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.
5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo
dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany
Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
6 ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira
hatrany Elparana, izay eo anilan'ny efitra.
7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany
Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny
Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
8 Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny
mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny
mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo
an-dohasahan'i Sidima,
9 dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy
Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka,
mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.
10 Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be
lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka
latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
11 Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao
Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.
12 Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa
izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa
Lota.
13 Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra
ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre
Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena
tamin'i Abrama.
14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny
rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy,
izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.
15 Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy
ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao
avaratr'i Damaskosy.
16 Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary
Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny
vahoaka.
17 Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena
an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina
izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
18 Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka
nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.
19 Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe:
Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary
ny lanitra sy ny tany;
20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo
Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama
azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
21 Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i
Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
22 Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma:
Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay
nahary ny lanitra sy ny tany,
23 fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza
amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena
an'i Abrama),
24 afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny
anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka
horaisin'ireo ny anjarany.
1 [Ny nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i
Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah
tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao
sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no
homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho
tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
3 Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao
fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy.
4 Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy
hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
5 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay
Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy
ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
6 Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho
fahamarinany izany.
7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay
nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity
ho lovanao.
8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no
hahafantarako fa handova ity aho?
9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely
efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary
domohina sy zana-boromailala.
10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany;
ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba
nosasahiny.
11 Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona
mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia
sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho
fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary
hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
14 Ary izany firenena izany kosa, izay
hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra
harem-bevava izy.
15 Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao
amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
16 Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina
atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia
maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo
mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
18 Tamin'izany andro izany Jehovah nanao
fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity
hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony
Eofrata,
19 dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
21 ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny
Girgasita ary ny Jebosita.
1 [Ny nahaterahan'Isimaela] Ary Saray, vadin'i
Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no
anarany.
2 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy
nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko;
angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.
3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany
Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana
mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny.
4 Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka
ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny
tsinontsinona ny tompovaviny.
5 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao
anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony
hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah
anie hitsara ahy sy ianao.
6 Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo
an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha
nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
7 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo
anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo
amin'ny lalana mankany Sora.
8 Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray,
avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray
tompovaviko aho.
9 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena
any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
10 Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy:
Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny
hamaroany.
11 Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah
taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao
hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny
tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy;
ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.
13 Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay
niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va
no mbola velona aho aorian'ny fahitana?
14 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe:
Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany.
15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i
Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela.
16 Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama,
raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
*
1 [Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama
mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary
ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia
nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha;
mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho
aminao ary hahamaro anao indrindra.
3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra
niteny taminy ka nanao hoe:
4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny
fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony,
fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.
6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka
hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao
mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho
fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao
ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary
ho Andriamaniny Aho.
9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny
aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao
mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo
sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy
rehetra eo aminareo.
11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny
fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no
hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara
mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy
avy amin'ny taranakao.
13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay
novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena
mandrakizay.
14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola
noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko
izy.
15 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny
amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha
no ho anarany.
16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy
ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy
mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia
nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va
Saraha, izay efa sivi-folo taona?
18 Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga
anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
19 Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha
vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny
fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.
20 Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao
Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy
indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho
firenena lehibe.
21 Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay
haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
22 Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia
niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama.
23 Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy
ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra
tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay
nolazain'Andriamanitra taminy.
24 Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama,
raha noforana izy.
25 Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela
zanany, raha noforana izy.
26 Androtrizay indrindra no namorana an'i
Abrahama sy Isimaela zanany;
27 ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia
ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy
niara-noforana taminy avokoa.
*
1 [Ny nisehoan'ny anjely telo tamin'i Abrahama]
Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary
nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;
2 dia nanopy ny masony izy ka niery, ary,
indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia
niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka
tamin'ny tany
3 ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto
imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
4 Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny
tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
5 dia haka mofo kely aho hataonareo ody
am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga
atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany
araka izay nolazainao.
6 Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day
tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon'ny
famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7 Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany
amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny
ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8 Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary
ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary
nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
9 Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza
Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
10 Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha
avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha
nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.
11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa
zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy
Saraha.
12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe:
Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa
antitra koa itompokolahy?
13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no
nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra
izao?
14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i
Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao
Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
15 Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka
nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy
mihitsy ianao.
16 [Ny nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma] Dia
nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary
Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17 Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i
Abrahama va izay hataoko?
18 Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy
mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
19 Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany
sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay
marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy
taminy.
20 Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy
Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka
izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na
tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
22 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka
nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i
Jehovah.
23 Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao
miaraka amin'ny meloka va ny marina?
24 Angamba misy olo-marina dimam-polo ao
an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny
dimam-polo marina izay ao?
25 Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono
ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria
Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
26 Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo
marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.
27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa
efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
28 Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo
marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy
handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
29 Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao
hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho
ny efa-polo.
30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny
Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy
mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
31 ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny
tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba
handringana azy Aho noho ny roa-polo.
32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra
Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho
hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
33 Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny
teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.
1 [Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy
Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota] Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony
hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy
Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.
2 Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho
ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny
tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay
lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany
izahay anio alina.
3 Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa
lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany
nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
4 Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy
manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka
hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
5 dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao
taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho
atỳ aminay izy hahalalanay azy.
6 Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo
aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7 ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko,
aza manao ratsy.
8 Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy
mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo,
ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza
anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko
izy.
9 Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy
izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho
ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo
lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota,
ka nisesika hamaky ny varavarana.
10 Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia
nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
11 Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay
teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia
sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
12 Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota : Mbola
manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny
zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity
tanàna ity;
13 fa horavanay ity tanàna ity, satria efa
lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah
handrava azy.
14 Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny
vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe : Miaingà, miala
amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny
vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
15 Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona
an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa
vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.
16 Ary nony nitaredretra izy, dia
notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny
famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao
azy tany ivelan'ny tanàna.
17 Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany
izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na
mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra,
fandrao haringana ianao.
18 Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
19 indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny
mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko
hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao
hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana
sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho
velona ny aiko.
21 Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa
ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
22 Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy
mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana
ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
23 Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany,
raha tonga tao Zoara Lota.
24 Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy
Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany
lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo
amin'ny tany.
26 Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia
tonga vongan-tsira mitsangana izy.
27 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany
amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;
28 ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny
tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany
tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
29 Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna
tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka
an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay
nonenan'i Lota.
30 [Ny niandohan'ny firenen'i Moaba Sy Amona]
Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy
ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao
an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31 Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa
antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika
araka ny fanaon'ny tany rehetra;
32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika
dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny
alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy
nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
34 Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa
tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka
hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria
aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
35 Dia nampisotroiny divay indray ny rainy
tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy
nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
36 Dia samy nanan'anaka tamin-drainao ny
zanak'i Lota roa vavy.
37 Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny
anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka androany.
38 Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy
ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka
androany.
*
1 [Ny nivahinian'i Abrahama tao Gerara] Dia
nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i
Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
2 Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha
vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i
Saraha.
3 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka,
tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny
vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
4 Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy,
ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
5 Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe:
Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny
fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako no nanaovako izany.
6 Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy:
Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany;
ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako
anao hanendry azy.
7 Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy,
fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao
izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra
mety ho anao.
8 Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso
ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia
raiki-tahotra indrindra ny olona.
9 Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abrahama ka
nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy
nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny
fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
10 Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama:
Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
11 Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy
fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho
noho ny amin'ny vadiko.
12 Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria
zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy
aho.
13 Ary raha nampifindrafindra ahy hiala
tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no
soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe:
Anadahiko izy.
14 Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy
ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia
naveriny teo aminy.
15 Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny
taniko; mitoera eo amin'izay tianao.
16 Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa
nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao
izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny
amin'izany rehetra izany.
17 Ary Abrahama dia nifona tamin'Andriamanitra;
ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny
mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
18 Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy
rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.
1 [Ny nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i
Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary
dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny.
2 Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy
tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa
nolazain'Andriamanitra taminy.
3 Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay
naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.
4 Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa
teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.
5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka
an'i Isaka zanany izy.
6 Ary hoy Saraha: Efa
nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7 Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no
hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy
taminy aho, rehefa antitra izy.
8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary
Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.
9 Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i
Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
10 Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io
andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny
zanako, dia amin'Isaka.
11 Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra
izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka
tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra
lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay
taranaka ho anao.
13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia
hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo
sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo
an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary
lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.
15 Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny
hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
16 Dia lasa izy ka nipetraka terỳ
lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako
anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny
feony nitomany.
17 Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia
niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy
hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa
ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
18 Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa
hataoko firenena lehibe izy.
19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i
Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny
hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20 Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia
nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga
mpandefa tsipìka.
21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka
nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
22 [Ny fanekena nataon'i Abrahama sy Abimeleka]
Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia
niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay
rehetra ataonao;
23 koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra
aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay
efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.
24 Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
25 Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho
ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka
an-keriny
26 Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao
izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha
tsy vao izao.
27 Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka
nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
28 Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito
navahana tamin'ny ondry.
29 Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao
inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
30 Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny
tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io
lavaka fantsakana io.
31 Izany no nanaovana io tany io hoe
Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
32 Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary
dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any
amin'ny tanin'ny Filistina.
33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba
Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra
Mandrakizay.
34 Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany
amin'ny tanin'ny Filistina.
*
1 [Ny nizahan'Andriamanitra toetra an'i
Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra
toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao
izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy
ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
3 Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy
lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka
zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka
nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy,
4 Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia
nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
5 Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna
eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary
hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
6 Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny
fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy
ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
7 Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka
nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny
afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no
hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa
nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka
nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy
tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.
10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray
ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany
an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty
aho.
12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny
zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra
an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy
ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa
Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny
zanany.
14 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i
Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe:
Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah.
15 Dia niantso an'i Abrahama fanindroany tany
an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah
16 ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy
Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay
lahitokanao,
17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia
hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny
fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny
fahavalony;
18 ary amin'ny taranakao no hitahiana ny
firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
19 Ary Abrahama dia niverina nankeny amin'ny
zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia
nonina tany Beri-sheba.
*
20 [Ny taranak'i Nahora] Ary rehefa afaka
izany, dia nisy nanambara tamin'i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy
koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao,
21 dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary
Kemoela, rain'i Arama,
22 ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary
Betoela.
23 Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo
ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama.
24 Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma,
izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.
*
1 [Ny nahafatesan'i Saraha sy ny nandevenana
azy] Ary ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona;
izany no taona niainan'i Saraha.
2 Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona
izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy
hitomany azy.
3 Ary Abrahama nitsangana niala avy teo
anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe:
4 Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo
tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto
anatrehako.
5 Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka
nanao taminy hoe:
6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe
eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny
fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny
fatin'ny vadinao.
7 Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo
anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany,
8 dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha
sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia
mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara,
9 mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy,
dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokom-bidiny no aoka
hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
10 Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i
Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta,
dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe:
11 Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha
dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny
zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao.
12 Ary niankohoka teo anatrehan'ny olona
tompon-tany Abrahama,
13 dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny
olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia
homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko.
14 Ary Efrona dia namaly an'i Abrahama ka nanao
taminy hoe:
15 Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho
lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno
ny fatin'ny vadinao.
16 Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka
nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta,
dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
17 Ary ny sahan'i Efrona, ilay teo Makpela,
izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo
rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny rehetra manodidina, dia natao
varo-maty
18 tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny
taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo ambavahadin'ny tanànany.
19 Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia
nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny saha Makpela
tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana;
20 ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny
dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.
*
1 [Ny nampakan'i Abrahama vady ho an'Isaka avy
tany amin'ny tanin'ny havany] Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso
fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra.
2 Ary hoy Abrahama tamin'ilay lehiben'ny
mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato
ambanin'ny feko ny tananao;
3 fa hampianianiko amin'i Jehovah,
Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an'ny zanako
avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako monina ianao;
4 fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny
havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako.
5 Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy
hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra
ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho?
6 Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho
entinao miverina any ny zanako.
7 Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka
ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny
tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no
haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako.
8 Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy,
dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza
entinao miverina any mihitsy ny zanako
9 Ary nataon'ilay mpanompo tambanin'ny fen'i
Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin'izany zavatra izany izy.
10 Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin'ny
ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan'ny tompony dia samy
nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan'i
Nahora.
11 Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna
tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia
tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny
12 Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr'i
Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
13 Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho;
ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno
kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny
ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka
mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia,
indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i
Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra
sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo
amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
17 Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena
azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho.
18 Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy;
dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny
ralehilahy.
19 Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa
izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
20 Ary dia naidiny faingana ny rano teo
an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo
amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.
21 Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady
nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia.
22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva,
dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny
sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;
23 ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao
amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon'ny rainao?
24 Ary hoy izy taminy: Zanakavavin'i Betoela,
zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora, aho.
25 Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny
vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.
26 Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo
anatrehan'i Jehovah,
27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah,
Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny
fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i Jehovah teny an-dalana
ho atỳ an-tranon'ny havan'ny tompoko.
28 Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka
nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao an-tranon'ny reniny.
29 Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no
anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo
am-pantsakana.
30 Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba
teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao
hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy;
ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
31 Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i
Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano
sy izay hitoeran'ny rameva.
32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary
Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny
rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba
azy.
33 Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy
ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary
hoy izy: Lazao ary!
34 Dia hoy ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama
aho.
35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra,
ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary
volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
36 Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny tompoko,
dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho
an'ny zanany izay rehetra ananany.
37 Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao
hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay
iraisako monina;
38 fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny
havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako.
39 Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy
hety hiaraka amiko ny vehivavy.
40 Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako
eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao,
ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.
41 Dia ho afaka amin'ny fampianianako anao
ianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho
afaka amin'ny fampianianako anao koa ianao.
42 Ary tonga androany teo amin'ny fantsakana
aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina
ny alehako Hianao,
43 indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana
aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe : Mba ampisotroy rano
kely avy amin'ny sininao aho,
44 ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako
koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin'i Jehovah ho
an'ny zanakalahin'ny tompoko.
45 Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny
anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia
nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba
ampisotroy rano kely aho.
46 Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo
an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia
nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.
47 Dia nanontany azy aho ka nanao hoe:
Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho,
izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny
haba teny amin'ny tànany.
48 Dia niondrika aho ka niankohoka teo
anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama
tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny lalana marina haka ny zanakavavin'ny
rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany
49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy
marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia
lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe:
Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny
aminao izahay, na ratsy na soa.
51 Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka
mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain'i
Jehovah.
52 Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay
mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah izy.
53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka
volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny
zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy
mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka
nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko.
55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny:
Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana
ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.
56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo
aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny
tompoko.
57 Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy,
ka hanontanianay izay teniny.
58 Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy
hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
59 Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny
mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony izy.
60 Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao
taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao
hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy.
61 Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka
nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra
an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
62 Ary Isaka efa tonga avy tamin'ny nalehany
tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany atsimo izy.
63 Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any
an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita
fa indrery nisy rameva avy manatona.
64 Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka
nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny rameva izy.
65 Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry
lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay
mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
66 Ary dia nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka
ny zavatra rehetra izay efa nataony.
67 Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao
an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia
nionona ny alahelony an-dreniny.
*
1 [Ny nanambadian'i Abrahama an'i Ketora, sy ny
taranany avy taminy; ary ny nahafatesan'i Abrahama, sy ny nandevenan'ny zanany
azy] Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
2 Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy
Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.
3 Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana.
Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
4 Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy
Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora.
5 Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra
nananany.
6 Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay
nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola
velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany
atsinanana.
7 Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby
fito-polo amby zato taona.
8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy
volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.
9 Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao
amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita,
izay tandrifin'i Mamre,
10 dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama
tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.
11 Ary rehefa maty Abrahama, dia
notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i
Bera-lahai-roy.
*
12 [Ny taranak'Isimaela] Ary izao no
taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana,
andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :
13 Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela,
araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara
sy Adbela sy Mibsama
14 sy Misma sy Doma sy Masa
15 sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary
Kedema.
16 Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo
no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka
ny fireneny.
17 Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby
telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny
razany .
18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka
hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria;
nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
*
19 [Ny amin'i Esao sy Jakoba] Ary izao no
taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
20 Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo
taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy
tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
21 Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny
vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia
nanan'anaka Rebeka vadiny.
22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao
an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia
lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao
an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny
vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany,
indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka
ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny
rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe
Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy
mirahalahy.
27 Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao
lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy
sady mpitoetra an-day.
28 Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny
hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
29 Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy
tany an-tsaha Esao ka reraka.
30 Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy
hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany
hoe Edoma).
31 Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny
fizokianao.
32 Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho;
ka mahasoa inona izay fizokiana?
33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha.
Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.
34 Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba
masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no
nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
*
1 [Ny nivahinian'Isaka tany Gerara] Ary nisy
mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i
Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany
Gerara.
2 Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina
any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny tany izay holazaiko aminao.
3 Mivahinia eto amin'ity tany ity ianao, dia
homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany
rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao;
4 dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny
kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra
ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
5 satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina
izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
6 Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
7 Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny
amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe:
Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka,
satria tsara tarehy izy.
8 Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia
nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa,
indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
9 Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao
hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko
izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny
aminy.
10 Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao
taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga
heloka taminay ianao.
11 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka
ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
12 Dia namafy tamin'izany tany izany Isaka ka
nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria efa notahin'i Jehovah izy.
13 Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy
nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
14 fa nanana fananana be izy, dia ondry
aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
15 Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa
nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa
novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
16 Ary hoy Abimeleka tamin'Isaka: Miala
atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
17 Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny
lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
18 Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka
fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny
Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny
anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
19 Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny
mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.
20 Ary niady tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ny
mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran'ny lavaka
fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
21 Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy,
ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
22 Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka
fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia
nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i Jehovah toerana malalaka isika
ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.
23 [Ny nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy
ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka] Dia niakatra niala teo izy ka nankany
Beri-sheba.
24 Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina
iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa
momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama
mpanompoko.
25 Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny
anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana
teo ny mpanompon'Isaka.
26 Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy
Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka.
27 Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no
mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo
aminareo?
28 Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa
momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia
izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
29 fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny
tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona
taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa
ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah.
30 Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia
nihinana sy nisotro izy.
31 Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao
fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
32 Ary tamin'izany andro izany dia avy ny
mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa
nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
33 Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no
nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.
34 [Ny nampakaran'i Esao vehivavy Kananita ho
vadiny] Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita,
zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.
35 Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka
indrindra ireny.
*
1 [Ny fitaka nataon'i Jakoba hahazoany ny
tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita,
dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy
taminy kosa: Inty aho.
2 Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy
fantatro izay andro hahafatesako;
3 koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny
fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any
an-tsaha, ka ihazao aho;
4 ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka
ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy
mbola maty aho.
5 Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao
zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
6 Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy
ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao
hoe:
7 Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia
hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko
amin'izay asaiko ataonao.
9 Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka
analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay
tiany izany;
10 ary dia ho entinao any amin'ny rainao
hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11 Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro,
Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
12 ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny
mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
13 Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany
anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
14 Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao
amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
15 Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao
lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny
an'i Jakoba zanany faralahy.
16 Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny
tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
17 dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny
hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
18 Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao
hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao
zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao,
miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
20 Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana,
anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah
Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21 Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna
kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na
tsia.
22 Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy
dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia
tànan'i Esao.
23 Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina
tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
24 Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao
zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary
izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia
narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia
nisotro.
26 Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna
kely ka manoroha ahy, anaka.
27 Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka
nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny
zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.
28 Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny
andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary
hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie
ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona
anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
30 Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i
Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao
rahalahiny avy nihaza.
31 Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy
tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka
hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
32 Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa
ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
33 Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao
hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany
rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny,
hotahina tokoa izy.
34 Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia
nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia
izaho koa, ry ikaky ô.
35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao
nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
36 Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany
hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy;
ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba
nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe:
Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho
mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no
hataoko aminao, anaka?
38 Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray
ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
39 Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe:
Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny
lanitra avy any ambony;
40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny
rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia
hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao.
*
41 [Ny nialan'i Jakoba tao amin'ny rainy
handositra an i Esao, ary ny nampakaran'i Esao ny zanakavavin'Isimaela ho
vadiny] Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay
nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana
an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.
42 Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany
tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany
faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny
nataonao ka hamono anao.
43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga
ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko.
44 Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy
mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao,
45 eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny
rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka
hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?
46 Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona
aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny
Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko
inona ny aiko ?
1 Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano
azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita
ianao.
2 Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any
amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin'ny
zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
3 Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka
hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
4 ary homeny anao anie ny fitahiana an'i
Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao,
izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
5 Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa
izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka,
renin'i Jakoba sy Esao.
6 Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa
nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any
ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny
zanakavavin'ny Kananita ianao;
7 koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy
aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
8 ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo
imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
9 dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka
an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i
Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.
10 [Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Jakoba
tao Betela] Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
11 Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray
izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato
tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
12 Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra
niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy
anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13 Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka
nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy
Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
14 ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka
amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any
atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra
ambonin'ny tany.
15 Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao
amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity;
fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
16 Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony,
dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
17 Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey,
mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy
vavahadin'ny lanitra.
18 Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay
vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo
teo aminy.
19 Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia
nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.
20 Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba
ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy
mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
21 ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny
tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
22 ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato
ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao
tokoa ny ampahafolony.
*
1 [Ny nanompoan'i Jakoba an'i Labana hahazoany
an'i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny nahaterahan'ny zanany] Dia niainga Jakoba
ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.
2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana
tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa
teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny
ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.
3 Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy
rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka
fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato
ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko,
avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va
Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia
hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry
aman'osy.
7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny
andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry;
ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy
efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona
ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry
aman'osy izahay.
9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro,
tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
10 Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely,
zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana
anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny
lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny
izy.
11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia
nanandrata ny feony ka nitomany.
12 Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa
havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
13 Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i
Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy
nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i
Labana izany rehetra izany.
14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko
tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko
aza ianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no
anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.
17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady
tsara tarehy.
18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe:
Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy
izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba
hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny
fitiavany azy.
21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny
vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.
22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana
ka nanao fanasana.
23 Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea
zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
24 Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa
ankizivaviny hanompo azy.
25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea
izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy
Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
26 Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny
taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.
27 Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity,
dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy
fito taona indray.
28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny
ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
29 Ary nomen'i Labana an-dRahely zananivavy
kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
30 Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no
tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy.
31 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina
Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
32 Dia nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy,
ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako
Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.
33 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka
zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny
ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
34 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy;
ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka
zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
35 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka
zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no
nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka
tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba:
Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
2 Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i
Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va
aho?
3 Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio
izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny;
ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
5 Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy
tamin'i Jakoba.
6 Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy
ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany
ny anarany hoe Dana.
7 Dia nanan'anaka indray Bila,
ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no
nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny
anarany.
9 Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza
izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa.
10 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka
zazalahy tamin'i Jakoba.
11 Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony
hoe Gada ny anarany.
12 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka
zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
13 Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny
zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena
tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia
nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma
ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
15 Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny
nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely:
Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.
16 Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany
an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no
halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry
taminy izy tamin'iny alina iny.
17 Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia
nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba.
18 Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny
karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe
Isakara ny anarany.
19 Dia nanan'anaka indray Lea ka niteraka
zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
20 Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy
Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza
enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
21 Ary rehefa afaka izany, dia niteraka
zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia
nihaino azy ka nampanan'anaka azy.
23 Ary nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy;
dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy
izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
25 [Ny fanekena hafa koa izay nataon'i Labana
sy Jakoba] Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i
Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.
26 Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay
nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako
anao.
27 Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha
nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka
fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.
28 Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao,
dia homeko anao.
29 Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny
nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao tato amiko.
30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga
aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako
rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?
31 Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary
hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao
zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao:
32 Handeha hitety ny ondry aman'osinao rehetra
aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo
amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako.
33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny
andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary
tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro
izany.
34 Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny
teninao ary.
35 Dia navahany tamin'izany andro izany ny
osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra
nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo
an-tanan'ny zananilahy ireny.
36 Ary nasiany lalankateloana teo
anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman'osin'i Labana sisa.
37 Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin'ny
hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony
ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsorakazo.
38 Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia
napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo
amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana
teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
39 Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny
ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
40 Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny
ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny
ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman'osy ho azy ka tsy
navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
41 Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny
ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo
anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo
anilan'ny tsorakazo.
42 Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia
tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka
kosa no an'i Jakoba.
43 Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka
nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy
boriky.
1 [Ny nandosiran'i Jakoba avy tany Mesopotamia
hody any Kanana] Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe:
Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny
fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
2 Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa
indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3 Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any
amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho.
4 Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy
Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman'osiny
5 ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny
rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny
raiko no efa nomba ahy.
6 Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no
nanompoako ny rainareo.
7 Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova
ny karamako im-polo; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
8 Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho
karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra: ary raha nilaza hoe
indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry
aman'osy rehetra.
9 Dia nalain'Andriamanitra ny fananan'ny
rainareo ka nomeny ahy.
10 Ary rehefa mby amin'ny andro izay
nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy,
ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy
ny osivavy.
11 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra tamiko
tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
12 Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo,
fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy
ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.
13 Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay
nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala
amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
14 Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy
hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?
15 Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa efa
namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
16 Fa ny harena rehetra izay
nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa
ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
17 Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny
rameva ny zanany sy ny vadiny;
18 dia nitondra ny ombiny sy ny ondry
aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny
omby aman'ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy
any amin'ny tany Kanana.
19 Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry
aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
20 Ary Jakoba dia nangala-dia tamin'i Labana
Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny handosirany.
21 Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany
rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra
Gileada.
22 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy
nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23 Dia nitondra ny havany homba azy izy ka
nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra
Gileada.
24 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana
Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao
teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25 Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary
Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany
kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada.
26 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao
ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny
babo azo tamin'ny sabatra?
27 Nahoana no nandositra mangingina ianao ka
nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin'ny
fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,
28 sady tsy mba navelanao hanoroka ny
zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
29 Manankery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa
Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba
tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
30 Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao,
satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny
andriamanitro ?
31 Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana
hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny
zanakao-vavy.
32 Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza
velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa
tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
33 Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy
tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia
niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony
tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia
nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
35 Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho,
tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny
fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i
Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona
no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37 Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra,
koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny
havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
38 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany
aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba
nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
39 Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany
aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny
nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
40 Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary
nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
41 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany
an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy
mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman'osinao, ary efa
nanova ny karamako im-polo ianao.
42 Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia
Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho
nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny
fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
43 Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba
hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy;
ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry aman'osiko; ary izao rehetra hitanao
izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na
amin'ny zanany naterany?
44 Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika,
dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
45 Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy
ho tsangam-bato.
46 Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna
vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny
antontam-bato izy rehetra.
47 Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i
Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
48 Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no
vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
49 Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy:
Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
50 Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao,
na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika,
fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
51 Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro
ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto
anelanelantsika, izaho sy ianao;
52 dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato
ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity
antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity
sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
53 Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny
andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara
antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba.
54 Dia namono zavatra hatao fanatitra teo
an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana
izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
*
1 Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka
ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody
any amin'ny fonenany.
2 Ary Jakoba nizotra tamin'ny lalan-kalehany,
dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.
3 Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo:
Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
4 [Ny nihaonan'i Jakoba sy Esao] Ary nandefa
iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i
Edoma.
5 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no
holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa
nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
6 ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy
ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho
mba hahitako fitia eo imasonao.
7 Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka
nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy
hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
8 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia
poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry
aman'osy sy ny omby ary ny rameva;
9 fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony
anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama
raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe:
Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho
tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko
mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony
nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
12 O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko,
dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy
mbamin'ny vadiko aman-janako izy.
13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao
tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina,
izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
14 Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny;
ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao
rahalahiny,
15 dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo,
ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
16 ary rameva telo-polo ampianahany,
vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary
zana-boriky folo.
17 Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony
ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo
alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.
18 Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao
hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An'iza ianao?
ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao?
19 dia lazaonao hoe: An'i Jakoba mpanomponao
ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao
aorianay ao.
20 Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo
koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka
izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha hitanareo izy.
21 Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao
ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra
nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba
hahazo fitia aminy aho.
22 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra
nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny
alina iny.
23 Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany
izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy
iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka izy.
24 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy
tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary
nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro.
26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy,
dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola
nitolona taminy Izy.
27 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa
mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy
tahinao aho.
28 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia
hoy izy: Jakoba.
29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba
intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny
olona ianao ka nahery.
30 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna
Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny
anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
31 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i
Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko
aho, nefa voavonjy ny aiko.
32 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala
teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.
33 Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny
ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jakoba
teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.
1 Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana
fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i
Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.
2 Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy
ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no
vodi-lalana.
3 Ary Jakoba nandeha teo alohan'izy rehetra ka
niankohoka impito tamin'ny tany mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny.
4 Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary
nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy
mirahalahy.
5 Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza
amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa
Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
6 Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka
niankohoka.
7 Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka
niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
8 Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr'ireny
antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto
imason'itompokolahy.
9 Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry
rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
10 Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza
an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny
zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny
tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
11 Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay
nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho.
Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
12 Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha
hialoha anao aho.
13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy
fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko;
koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry
aman'osy rehetra.
14 Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha
ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman'ondry,
izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any
amin'itompokolahy any Seira.
15 Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba
hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no
anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho.
16 Dia niverina androtrizay Esao tamin'ny
lalany ho any Seira.
*
17 Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao
trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an'ny omby aman'ondriny;
izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.
18 Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao
an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy;
dia nitoby tandrifin'ny tanàna.
19 Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i
Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
20 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe
El-elohe-Isiraely ny anarany.
1 [Ny nakan'i Sekema an'i Dina sy ny namalian'i
Simeona sy Levy izany] Dia nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany
tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2 Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora
Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka
nampietry azy.
3 Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina,
zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka
nahafinaritra azy.
4 Ary Sekema dia niteny tamin'i Hamora rainy ka
nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5 Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina
zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany
an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
6 Dia nivoaka Hamora, rain'i Sekema, nankany
amin'i Jakoba hidinika taminy.
7 Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany
an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema
efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny
zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
8 Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny
fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna
ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9 Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay
ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
10 Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro
ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny
tompon-tany ianareo.
11 Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny
anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko
dia homeko;
12 na dia harena be sy zavatra betsaka aza no
asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy
ny zazavavy ho vadiko.
13 Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy
Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina
anabaviny;
14 ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny
hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay
izany.
15 Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha
ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
16 dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny
zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho
firenena iray isika.
17 Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka
hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
18 Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany
teniny izany.
19 Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany
zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza
indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.
20 Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo
amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany ka
nanao hoe:
21 Ireo olona ireo mipetraka tsara eto
amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa.
indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho
vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.
22 Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo
lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray:
mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana
azy ireo.
23 Tsy ho antsika va ny omby aman'ondriny sy ny
fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika,
dia hiara-monina amintsika izy.
24 Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny
vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary
noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny
tanànany.
25 Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa
ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba
roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao
an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26 Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia
novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i
Sekema izy ka lasa nandeha.
27 Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty
ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
28 Ny ondry aman'osiny sy ny ombiny sy ny
borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia
nahorony avokoa;
29 ary ny fananany rehetra sy ny zanany
madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin'izay
rehetra tao an-trano.
30 Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa
nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny
tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia
hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy
ny ankohonako.
31 Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela
hataony toy ny vehivavy janga va?
*
1 [Ny nankanesan'i Jakoba tany Betela, sy ny
nisehoan'Andriamanitra taminy indray] Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba :
Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho
an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao
rahalahinao.
2 Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony
mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia
madiova, sady ovay ny fitafianareo;
3 ary andeha hiainga isika ka hiakatra any
Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy
tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny lalana izay nalehako.
4 Dia natolony teo amin'i Jakoba ny
andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary
dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema
ireo.
5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy
amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i
Jakoba izy.
6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela
izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba
azy.
7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe
El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy,
fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
8 Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka
naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia
nataony hoe Alona-bakota.
9 Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i
Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
10 Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no
anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny
anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
11 Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no
Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy
aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao;
12 ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy
Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
13 Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo
amin'ilay niresahany taminy.
14 Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo
amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy
sady nampidina diloilo teo aminy koa.
15 Ary ny anaran'ny tany izay
niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.
16 [Ny nialan'i Jakoba tany Betela, sy ny
nahafatesan-dRahely tany an-dalana, ary ny anaran'ny zanakalahin'i Jakoba roa
ambin'ny folo] Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no
sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
17 Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny
mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
18 Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia
nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
19 Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny
lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
20 Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo
ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka
androany.
21 Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny
lainy tao ankoatr'i Migdaledera.
22 Ary raha nonina teo amin'izany tany izany
Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary
nahare izany Isiraely.
23 Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny
folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy
Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
24 ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy
Benjamina;
25 ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely,
kosa dia Dana sy Naftaly;
26 ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea,
kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
27 Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany
Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka.
28 Ary ny andro niainan'Isaka dia valo-polo
amby zato taona.
29 Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona
any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia
nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
*
1 [Ny taranak'i Esao] Ary izao no taranak'i
Esao (Edoma izany):
2 Esao naka vady tamin'ny zanakavavin'ny
Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak'i Ana,
zanakavavin'i Zibona Hivita,
3 ary Basemata, zanakavavin'Isimaela sady
anabavin'i Nebaiota.
4 Ary Ada niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao;
ary Basemata niteraka an'i Regoela;
5 ary Oholibama niteraka an'i Jeosy sy Jalama
ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany tany amin'ny tany Kanana.
6 Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy
sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy
ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany
amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i
Jakoba rahalahiny.
7 Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka
tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny
omby aman ondriny.
8 Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao.
(Edoma izany).
9 Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita
any an-tendrombohitra Seira:
10 Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao dia izao:
Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela, zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
11 Ary ny zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy
Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
12 Ary Timna no vaditsindranon'i Elifaza,
zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza izy. Ireo no
zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.
13 Ary izao no zanakalahin'i Regoela: Nahata sy
Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao.
14 Ary izao no zanakalahin'i Oholibama,
zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao: niteraka an'i Jeosy sy
Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
15 Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i
Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy
Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
16 sy Kora loham-pireneny sy Gatama
loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin'i
Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Ada.
17 Ary izao no zanakalahin'i Regoela, zanak'i
Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy
Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Regoela tany amin'ny
tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
18 Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, vadin'i
Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny.
Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.
19 Ireo no zanak'i Esao, izay atao hoe koa
Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
20 Ary izao no zanakalahin'i Seïra Horita, izay
nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
21 sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no
loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra, tany amin'ny tany
Edoma.
22 Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy
Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.
23 Ary izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana sy
Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
24 Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana
(izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny
borikin'i Zibona rainy izy).
25 Ary izao no zanak'i Ana: Disona sy
Oholibama, zanakavavin'i Ana.
26 Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy
Esbana sy Jitrana ary Kerana.
27 Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana
ary Akana.
28 Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana.
29 Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita:
Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana
loham-pireneny
30 sy Disona loham-pireneny sy Ezera
loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny
Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.
31 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany
amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny
Zanak'Isiraely:
32 Nanjaka tany Edoma Bela, zanak'i Beora; ary
Dinaba no anaran'ny tanànany.
33 Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy
Jobaba, zanak'i Zera avy tany Bozra.
34 Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy
Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita.
35 Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy
Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary
Avita no anaran'ny tanànany.
36 Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla
avy tany Masreka.
37 Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy
Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony.
38 Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy
Bala-hanana, zanak'i Akbora.
39 Ary maty Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia
nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny
vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
40 Ary izao no anaran'ny loham-pirenena
tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny
anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
41 sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha
loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
42 sy Kenaza loham-pireneny sy Temana
loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
43 sy Magdiela loham-pireneny ary Irama
loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Edomita, araka ny fonenany,
tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny Edomita.
*
1 [Ny nankahalan'ny rahalahin'i Josefa azy, sy
ny nivarotany azy ho andevo] Ary Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny
rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
2 Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito
ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa
mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba
rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
3 Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany
rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
4 Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no
tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy
nahazaka hanao teny tsara taminy.
5 Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo
rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
6 Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely
ange izao nofy izao:
7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika,
ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina
kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako.
8 Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka
aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy
teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
9 Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny
rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro
sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
10 Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo
rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao
ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao
ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?
11 Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy
kosa nitadidy izany zavatra izany.
12 Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny
rainy tany Sekema.
13 Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry
ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary
hoy izy taminy : Inty Aho.
14 Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao,
andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao
ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny
lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
15 Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro,
nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona
moa notadiavinao?
16 Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no
tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
17 Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto
izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa
nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
18 Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny
rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono
azy izy.
19 Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay
mpanonofy.
20 Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka
hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka
holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany
na hanao ahoana ny nofiny.
21 Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy
tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
22 Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy
handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy,
fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny
rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
23 Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny
Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
24 dia nobetainy izy ka natsipiny tao
an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano tao.
25 Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary
sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia,
avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama
ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
26 Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no
soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
27 Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita
ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy
nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
28 Ary raha nandalo teo ny Midianita
mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny
sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho
any Egypta ireo.
29 Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena,
ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
30 Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy
ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
31 Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i
Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny rà ny akanjo.
32 Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay
akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny
zanakao ity, na tsia?
33 Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako
io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
34 Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka
nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
35 Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny
zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy
izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita
aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
36 Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany
Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
*
1 [Ny fanambadian'i Joda, sy ny zanany
naterany, ary ny nijangajangany tamin'i Tamara] Ary tamin'izany andro izany
Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy
Adolamita anankiray. Hira no anarany.
2 Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i
Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
3 Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka
zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
4 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka
zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
5 Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka
zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba
tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
6 Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany,
Tamara no anarany.
7 Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era,
lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
8 Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny
rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
9 Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny
zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny
tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.
10 Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony;
ka dia novonoiny koa izy.
11 Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy:
Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela
zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia
nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
12 Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda,
dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra
tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
13 Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro,
ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
14 Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny
mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo
am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i
Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
15 Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy
janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
16 Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana
Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony
izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko
ianao?
17 Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy
amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va
ianao mandra-pampanatitrao azy?
18 Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko
anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny
tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka
nanan'anaka taminy ravehivavy.
19 Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia
nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny
mpitondratena indray.
20 Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita
sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy
hitany izy.
21 Dia nanontany ny olona teo amin'ny
fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay
tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
22 Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao
hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy
janga teo.
23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao
ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy
nahita an-dravehivavy.
24 Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia
nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka
indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy
hodorana.
25 Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany
amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka;
ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy
kofehy ary tehina ireto.
26 Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina
noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy
intsony izy.
27 Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy
zaza kambana tao an-kibony.
28 Ary raha niteraka izy, dia niseho ny
tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny
tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
29 Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro,
teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia
nataony hoe Fareza no anarany.
30 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny
rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia nataony hoe Zera
no anarany.
*
1 [Ny nanaovana an'i Josefa tao
an-trano-maizina] Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara,
lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy
tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2 Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy
nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy.
3 Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy,
ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy.
4 Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny
tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony,
ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
5 Ary hatramin'izay nanendreny azy ho
mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i
Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i
Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
6 Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay
rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona
na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara
tarehy.
7 Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy
ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
8 Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny
tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa
izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
9 Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity
trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria
vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota
amin'Andriamanitra?
10 Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro
aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra
aminy.
11 Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao
an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano
tamin'izay.
12 Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy
ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny
akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
13 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo
an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy,
14 dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy
hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy;
nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho;
15 ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka
niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any
ala-trano.
16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny
akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano.
17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo
ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto
amintsika, mba hisangy ahy;
18 ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka
niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano
izy.
19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny
vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay
andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao
azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka;
dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra
fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina.
22 Dia natolotry ny mpitandrina ny
trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao
an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.
23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba
nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i
Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.
1 [Ny nilazan'i Josefa ny nofin'izy roa lahy
tandapan'i Farao] Ary taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta
sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.
2 Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany
roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny
mpanao mofo.
3 Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa
lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay
nifatoran'i Josefa.
4 Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina
ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao
amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia
ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay
nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry
ny nofiny avy.
6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro
ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
7 Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao
izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no
malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay,
ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy
amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko
izany.
9 Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka
tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy
tahom-boaloboka teo anatrehako;
10 ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka
nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona
voaloboka masaka.
11 Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia
nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro
teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
12 Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny
sampany telo dia hateloana.
13 Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i
Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny
kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao
mpitondra kapoakany.
14 Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao,
ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy
amin'ity trano ity;
15 fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny
tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany
ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.
16 Ary rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo
fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin'i Josefa: Izaho koa
nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
17 ary teo anatin'ny karaba ambony indrindra
dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo;
ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay nololohaviko izany.
18 Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no
heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
19 Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i
Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo ianao) dia
hohanin'ny vorona ny nofonao.
20 Ary tamin'ny andro fahatelo, izay
niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony
rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny
lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
21 Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka dia
nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo
an-tànan'i Farao izy;
22 fa ny lehiben'ny mpanao mofo kosa dia
nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa lahy avy.
23 Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay
lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
1 [Ny nilazan'i Josefa ny nofin'i Farao, sy ny
nanandratana azy ho mpanapaka any Egypta] Ary rehefa afaka roa taona mipaka,
dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.
2 Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy
sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin'ny bararata.
3 Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa
ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona
teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
4 Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia
nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
5 Ary natory indray izy ka nanonofy
fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray,
sady vokatra no tsara.
6 Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito
maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.
7 Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny
salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy
ihany izany.
8 Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny,
ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra
tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray
aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
9 Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny
mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
10 Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka
nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina,
dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
11 Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho
sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
12 Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo
anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay,
ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
13 Ary samy tonga araka izay efa nolazainy
taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy
kosa nahantony.
14 Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa,
dia nalaina faingana niala tao andavaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy
niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.
15 Ary hoy Farao tamin'i Josefa : Nanonofy aho,
koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre
nofy, dia mahalaza ny heviny.
16 Ary Josefa dia namaly an'i Farao ka nanao
hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Farao.
17 Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Nofiko fa
indro, hono, nitsangana teo amoron'i Neily aho;
18 koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady
tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin'ny bararata ireny.
19 Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa
niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka
tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin'ny tany Egypta rehetra.
20 Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy
tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
21 Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy
fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny
tamin'ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
22 Ary hitako tamin'ny nofiko indray, ka,
indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no
tsara;
23 ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito
sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka
ireny;
24 ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina
ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy
nisy nahalaza ny heviny tamiko.
25 Ary hoy Josefa tamin'i Farao: Ny nofin'i
Farao dia iray ihany; izay efa hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Farao.
26 Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito
taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.
27 Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy
tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito
tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona
mosarena.
28 Izany dia ilay efa nolazaiko tamin'i Farao
teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony amin'i Farao.
29 Indro, hisy fito taona zina indrindra
eran'ny tany Egypta rehetra;
30 ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona
mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin'ny tany Egypta ary
ho ritry ny mosary ny tany;
31 ary ny fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho
fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
32 Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria
efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra
faingana.
33 Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy
manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
34 Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy
hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny
tany Egypta amin'ny taon-jina fito.
35 Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina
rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i
Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
36 Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao
amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin'ny tany Egypta,
mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.
37 Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra
izany hevitra izany.
38 Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita
lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?
39 Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa
nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy
manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary
araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no
hahalehibe ahy noho ianao.
41 Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro,
efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
42 Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny
tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy
madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
43 dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny
faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary
notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
44 Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Izaho no
Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny
tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra.
45 Ary nataon'i Farao hoe Zafenata-panea no
anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao
Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
46 Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho
teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. Dia niala teo anatrehan'i Farao
Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
*
47 Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana
tamin'ny taon-jina fito.
48 Dia namory ny hanina rehetra tamin'izany
fito taona izany teo amin'ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin'ny
tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny
tao anatin'ny tanàna.
49 Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any
an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy
hita isa.
50 Ary nisy zazalahy roa naterak'i Asenata,
zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin'i Josefa, raha tsy mbola
tonga ny taona mosarena.
51 Ary ny anaran'ny lahimatoa dia nataon'i
Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako
rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko.
52 Ary ny anaran'ny zandriny kosa nataony hoe
Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny
fahoriako.
53 Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin'ny
tany Egypta;
54 dia niandoha kosa ny fito taona mosarena,
araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany amin'ny tany rehetra;
nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
55 Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra,
dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin'ny
Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia
ataovy.
56 Ary ny mosary dia tany amin'ny tany rehetra.
Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin'ny Egyptiana.
57 Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any
amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.
*
1 [Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba hividy vary
tany Egypta, sy ny nihaonany tamin'i Josefa]Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary
tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana
ianareo ?
2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary
any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona
isika, fa tsy ho faty.
3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i
Josefa mba hividy vary tany Egypta.
4 Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba
nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy
loza hanjo azy.
5 Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary
niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
6 Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no
mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin'i Josefa ka
niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
7 Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany
ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy
aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy
hanina.
8 Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy
ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
9 Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany
azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no
nahatongavanareo.
10 Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy;
fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
11 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay
rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
12 Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny
fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
13 Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny
mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro,
ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
14 Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako
taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
15 dia izao àry no hamantarana anareo: Raha
velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany
zandrinareo faralahy izany.
16 Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy
haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na
marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa
ianareo.
17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana
izy rehetra.
18 Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy
Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra
an'Andriamanitra:
19 Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny
anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina
nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny
tranonareo;
20 ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty
amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary
nataony izany.
21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika
noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika,
raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no
nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
22 Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy
niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba
nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
23 Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa
nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka
nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka
an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
25 Ary Josefa nanome teny hameno vary ny
lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary
hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
26 Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary,
dia lasa nandeha izy.
27 Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany
hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa,
indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.
28 Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina
ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary
nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra
amintsika izao ?
29 Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany
amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka
hoy izy :
30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny
tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
31 Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa
tsy mba mpisafo tsy akory;
32 roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no
zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny
rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny.
33 Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay:
Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo : ny anankiray aminareo
mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any
amin'ny tranonareo, dia mandehana;
34 ary ento mankaty amiko ny zandrinareo
faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko
anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany ianareo.
35 Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny
lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny
lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy
raiki-tahotra.
36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo
anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina
indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,
37 Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao
hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy;
atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao
indray.
38 Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo
ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy
loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any
amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.
*
1 [Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba fanindroany,
sy ny nizahan'i Josefa toetra azy] Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany.
2 AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy
tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho
antsika.
3 Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa
nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha
tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4 Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny
rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
5 fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy
hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha
tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
6 Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza
tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa
ianareo?
7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny
amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany
va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay
taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe:
Ento midina ny rahalahinareo?
8 Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy:
Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona
isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
9 Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no
handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto
anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho;
10 fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa
tafaverina fanindroany toy izay.
11 Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany
ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy
ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy,
dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary
amygdala;
12 ary mitondra vola toraka ny teo eny
an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento
miverina indray; angamba fahadisoana izany.
13 Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga
ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
14 ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita
famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo
anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka
ihany.
15 Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra
hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i
Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i
Josefa.
16 Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina
niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro
atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa
hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
17 Dia nataon-dralehilahy araka izay
nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo.
18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria
nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao
anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika
sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny
tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao
hoe:
20 Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina
hividy hanina tokoa izahay fahiny:
21 ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay
izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo
am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay
niverina eto an-tananay izany.
22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay
izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny
lasakanay.
23 Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza
matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo
harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko
ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy.
24 Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i
Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny
nomeny hanina koa.
25 Dia nandamina ny zavatra hateriny izy
mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no
hihinanany hanina.
26 Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia
nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa
nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.
27 Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe:
Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany
va izy?
28 Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao
rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
29 Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i
Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo
faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy
soa anao, anaka
30 Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka
ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao
an-efi-trano izy ka nitomany tao.
31 Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia
nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny
nahandro.
32 Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary
mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay
nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo,
fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.
33 Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny
lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy
talanjona ka nifampijerijery izy.
34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo
anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia
indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky
divay teo aminy izy.
1 [Ny nampahafantaran'i Josefa ny rahalahiny fa
izy no Josefa, sy ny nanirahany haka ny rainy] Ary Josefa nanome teny ny
mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo
lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany
avy ny volan'ny isan-dahy;
2 ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy,
ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia
nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.
3 Ary raha vao nazava ny andro, dia
nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
4 Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy
mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony:
Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy
hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
5 Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy
famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
6 Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany
teny izany taminy.
7 Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy
no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy
izany.
8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny
lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin'ny tany Kanana;
ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny
tomponao?
9 Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana
izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.
10 Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny
teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
11 Ary samy nampidina faingana ny lasakany
tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
12 Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka
tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao
amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
13 Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia
nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
14 Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao
an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo
anatrehany.
15 Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra
nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay
mamantatra zavatra tokoa?
16 Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay
amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala
tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho
andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
17 Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao
izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa
ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo.
18 Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba
henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto
anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny
fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao.
19 Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe :
Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
20 Ary hoy izahay tamin'itompokolahy:
Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary
maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy
izy.
21 Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe:
Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.
22 Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny
zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia
ho faty rainy.
23 Ary hoy ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy
hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony
ianareo.
24 Ary rehefa tafakatra tany amin'ny
mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy.
25 Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia
hanina kely ho antsika.
26 Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa
raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy
mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay
faralahy.
27 Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay:
Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;
28 fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy
izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny
izy;
29 ary raha halainareo hiala eto anoloako koa
ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny
fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
30 Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny
mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny
ain'ny zaza),
31 koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho
faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny mpanomponao rainay ho
any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo.
32 Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza
tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho
meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho.
33 Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny
mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza
hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.
34 Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny
raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko
aho.
1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky
ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao
hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia
iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny
azy izy.
2 Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana,
ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
3 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no
Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa
toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia,
manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa
rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra
amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no
nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6 Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary
teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na
hijinjana.
7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha
anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo
amin'ny famonjena lehibe.
8 Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy
ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho
tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
9 Andeha miakatra faingana ianareo ho any
amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa
nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ
amiko, fa aza mijanona;
10 dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka
ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny
ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
11 Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra
dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay
rehetra anananao.
12 Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i
Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
13 Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro
rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana
ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.
14 Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny
izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony.
15 Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy
ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy
ireo rahalahiny.
16 Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe:
Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany.
17 Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny
rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka
mankanesa any amin'ny tany Kanana;
18 ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka
mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany
Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo.
19 Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka
izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady
aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
20 Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo
izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
21 Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia
nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho
entiny eny an-dalana izy.
22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray
miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo
indimy miova.
23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho
an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy
folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana.
24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa
nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka
tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana.
26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola
velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa
nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
27 Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay
efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa
nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i
Jakoba rainy
28 Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona
ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
1 [Ny nifindran'Isiraely sy ny ankohonany ho
any amin'ny tany Egypta] Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka
nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka
rainy izy.
2 Ary Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao
amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho : Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa
izy: Inty aho.
3 Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry
ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe
any ianao.
4 Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary
Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny
masonao.
5 Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba;
ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny
vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
6 Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy
ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta
Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7 ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy,
ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta
avokoa ny zanany rehetra.
8 Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay
tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :
9 Robena, lahimatoan'i Jakoba. Ary ny
zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
10 Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy
Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy
Kananita.
11 Ary ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy
Kehata atỳ Merary.
12 Ary ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana
sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin'ny tany
Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
13 Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Pova
sy Joba ary Simrona.
14 Ary ny zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy
Elona ary Jahalela.
15 lreo no zanakalahin'i Lea izay naterany
tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan'ny zananilahy
rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
16 Ary ny zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy
Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
17 Ary ny zanak'i Asera dia Jimna sy Jisva sy
Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera
sy Malkiela.
18 Ireo no zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana
an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin'i Jakoba, dia enina ambin'ny
folo izy.
19 Ny zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia
Josefa sy Benjamina.
20 Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i
Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta,
dia Manase sy Efraima.
21 Ary ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy
Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22 Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany
tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny isan'izy rehetra.
23 Ary ny zanakalahin'i Dana dia Hosima.
24 Ary ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy
Gony sy Jezera ary Silema.
25 Ireo no zanakalahin'i Bila, izay nomen'i
Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak'i Jakoba; fito no isan'izy
rehetra.
26 Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka
tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i
Jakoba dia enina amby enim-polo.
27 Ary ny zanakalahin'i Josefa, izay naterany
tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany
Egypta, dia fito-polo.
28 Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin'i
Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin'ny tany Gosena
izy.
29 Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia
niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy,
dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.
30 Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Aoka ho
faty amin'izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
*
31 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny
ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao ka hanao aminy hoe: Ny
rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny tany Kanana, dia efa
tonga atỳ amiko.
32 Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa
mpiompy omby aman'ondry izy; ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay
rehetra ananany dia nentiny avokoa.
33 Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe :
Inona no raharaha fanaonareo?
34 dia izao no havalinareo: Miompy omby
aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka
ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao
amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry
rehetra.
1 [Ny nahazoan'Isiraely sy ny ankohonany
fonenana tsara tao Gosena, ary ny nanjo ny Egyptiana noho ny hamafin'ny mosary]
Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko
ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga
avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
2 Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no
nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.
3 Ary hoy Farao tamin'ireo rahalahin'i Josefa:
Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin'i Farao: Mpiandry ondry
izahay mpanomponao hatramin'ny razanay.
4 Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny
eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry
aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny,
trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.
5 Ary Farao dia niteny tamin'i Josefa ka nanao
hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao;
6 ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa
amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka
honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo
aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko.
7 Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao
Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao.
8 Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa
no andro niainanao?
9 Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby
zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy
nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany.
10 Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia
lasa niala teo anatrehany.
11 Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny
rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany
tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.
12 Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny
rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny
zanany avy.
*
13 Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany
rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany
Kanana noho ny mosary.
14 Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay
hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny
vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.
15 Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny
tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana
rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto
anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
16 Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby
aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
17 Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby
aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry
aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany
taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
18 Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia
nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy
azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa
lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony
eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
19 nahoana no dia ho faty izahay eto
anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny
taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy
izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
20 Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny
tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy
mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.
21 Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny
tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra.
22 Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba
natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara
izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
23 Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa
voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa
hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho
an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any
an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
25 Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao;
aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao.
26 Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny
tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny
tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
*
27 Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny
Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia
nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
28 Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny
tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba
dia fito amby efa-polo amby zato taona.
29 Ary rehefa antomotra ny andro
hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe:
Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko
ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina
atỳ Egypta aho.
30 Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny
razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny
fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
31 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia
nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.
*
1 [Ny tso-drano nataon'i Jakoba tamin'i Manase
sy Efraima, zanakalahin'i Josefa] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza
tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase
sy Efraima, zanany mirahalahy.
2 Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe:
Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka
niarina teo ambonin'ny farafara.
3 Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra
Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin'ny tany Kanana ary nitahy ahy ka
nanao tamiko hoe:
4 Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia
hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao
mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay
efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ
aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy,
tahaka an'i Robena sy Simeona.
6 Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy
mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo
amin'ny zara-taniny.
7 Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho,
dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa
kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny
lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
8 Ary rehefa hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa,
dia hoy izy: Iza moa ireo?
9 Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto,
izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto
amiko izy, dia hotsofiko rano.
10 Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny
fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy
mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
11 Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo
izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita
ahy ny zanakao koa aza.
12 Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo
anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy.
13 Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy:
Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase
tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
14 Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana
ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany
ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany,
nefa Manase no lahimatoa.
15 Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao
hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany,
Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
16 ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza
rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i
Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo
amin'ny tany anie izy.
17 Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy
nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany
izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima
ho amin'ny lohan'i Manase,
18 ka hoy Josefa tamin'ny rainy: Tsy izao no
izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tananao
ankavanana.
19 Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro
ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe;
kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
20 Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany
izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra
tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony
alohan'i Manase.
21 Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho
faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin'ny
tanindrazanareo.
22 Ary izaho manome anao zara-tany iray ho
tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny
tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
*
1 [Ny tso-dranon'Isiraely nanambarany izay ho
toetry ny zanany mirahalahy avy] Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe:
Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
2 Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i
Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
*
3 Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy
voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
4 Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy
hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no
nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
*
5 SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy,
fiadia-mandoza ny sabany;
6 Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary
aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no
namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
7 Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka
izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin'i
Jakoba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
*
8 Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao ianao, ny
tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky
ny rainao.
9 Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka;
mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra
azy!
10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na
ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka
hanoa Azy ny firenena.
11 Mamatotra ny borikiny tanora eo amin'ny
tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin'ny tahom-boaloboka
tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary ny akanjony tamin'ny
ram-boaloboka.
12 Mangamanga ny masony azon'ny divay ary fotsy
ny nifiny azon'ny ronono.
*
13 ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany,
dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra
amin'i Sidona.
*
14 ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo
anelanelan'ny vala;
15 Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady
mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga
mpanompo mandoa hetra.
*
16 DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray
amin'ny firenen'ny Isiraely.
17 Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho
bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny
soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
18 Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
*
19 GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy
kosa hamely ny otrika.
*
20 ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany,
ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
*
21 NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny
mahafinaritra izy.
*
22 JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana
mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
23 Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra
azy sy nanenjika azy;
24 Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary
mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia
avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,
25 Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy
hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny
lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany,
ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
26 Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny
havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra
fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza
tamin'ny rahalahiny.
*
27 BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony
maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
*
28 Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa
ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy;
samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
29 Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe:
Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako
aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita,
30 ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha
Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i
Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
31 Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha
vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no
nandevenako an'i Lea,
32 ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny
tamin'ny taranak'i Heta.
33 [Ny nahafatesan'i Jakoba sy ny nandevenana
azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony
tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia
niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
*
1 Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy
ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2 Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy
ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao
fanafody.
3 Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro,
fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy
fito-polo andro.
4 Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy,
Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita
fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe:
5 Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe:
Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny
tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka
aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
6 Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny
rainao araka izay nampianianany anao.
7 Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy;
ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Farao rehetra, dia ny loholona tao
an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta,
8 ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny
rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman'osiny
sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena.
9 Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly
niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
10 Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay
ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy;
dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
11 Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon-tany ny
fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao;
izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.
12 Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao taminy
araka izay nandidiany azy,
13 dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana,
ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia
ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
14 Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia
niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra
taminy handevina ny rainy.
15 Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa
maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly
antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
16 Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka
nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
17 ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i
Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao
ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny
Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
18 Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia
niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
19 Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa
solon'Andriamanitra va aho?
20 Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa
Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao,
hamelona olona betsaka.
21 Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa
izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao
teny malefaka nahafinaritra azy izy.
22 Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina
tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona.
23 Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny
zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo
am-pofoany.
24 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty
aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity
tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary
Jakoba homena azy.
25 Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely
ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala
eto ianareo.
26 Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato
taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany
Egypta.