[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Mpitsara
Accès direct aux chapitres des Juges : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21
1 [Ny niadian'ny Zanak'Isiraely tamin'ny Kananita
taorian'ny nahafatesan'i Josoa] Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin'i
Jehovah ny Zanak'Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny Kananita
ho anay?
2 Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa
nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
3 Ary hoy Joda tamin'i Simeona rahalahiny:
Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin'ny lovako, ka aoka isika hiady
amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin'ny
lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
4 Dia niakatra Joda, ary natolotr'i Jehovah teo
an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka
izy.
5 Ary nahita an'i Adoni-bezeka tany Bezeka izy,
dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
6 Nefa nandositra Adoni-bezeka;ary nanenjika
azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
7 Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo
voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo
ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no
navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
8 Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda,
ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
9 Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny
taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy
tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*.[Heb.
Sefela]
10 Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita,
izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono
an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11 Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin'ny
mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
12 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i
Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
13 Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i
Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
14 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia
nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny
borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
15 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy
misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy
ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
16 Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin*'i
Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be
rofia** hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo
amin'ny Isiraely.[*Na: rafozan'][**palma]
17 Ary Joda nandeha niaraka tamin'i Simeona
rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony
ringana* ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Horma**.[*Heb.
herema][**Horma = Herema]
18 Dia afak'i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an
Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
19 Ary Jehovah nomba an'i Joda, ka dia azony ny
tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin'ny tany lemaka izy,
satria nanana kalesy vy ireny.
20 Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka
izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy,
taranaky ny Anakita.
21 Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny
Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny
taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
22 Ary ny taranak'i Josefa dia niakatra koa
hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy.
23 Dia naniraka hisafo an'i Betela ny taranak'i
Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha);
24 ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy
tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana
mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
25 Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana
mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa
ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
26 Ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny Hetita
ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary
mbola izany ihany no anarany mandraka androany.
27 Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny
zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany
Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny
mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana
indrindra izany tany izany.
28 Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia
nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
29 Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay
nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
30 Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany
Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka
nampanaovina fanompoana.
31 Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na
ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba,
na ny tany Afika. na ny tany Rehoba;
32 fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany
ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.
33 Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany
Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin'ny Kananita
tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy
Bet-anata.
34 Ary ny Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho
any amin'ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin'ny tany lemaka,
35 fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny
tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny
taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.
36 Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny
fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.
1 [Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny
Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka
nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka
nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena
azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
2 koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany
ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona
moa izao nataonareo izao?
3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo
anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny
andriamaniny.
4 Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny
Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny
vahoaka ka nitomany.
5 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony
hoe Bokima*; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima
= Mitomany]
*
6 [Ny toetry ny Isiraely tamin'ny andron'ny
Mpitsara, ary ny anaran'ny firenena sisa mbola tsy resiny] Ary rehefa
nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny
Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.
7 Ary nanompo an'i Jehovah ny vahoaka tamin'ny
andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona
izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra
nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
8 Ary maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i
Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
9 Dia nalevina tao anatin'ny fari-tanin'ny
lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry
ny tendrombohitra Gasa.
10 Ary izany taranaka rehetra izany koa dia
voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah
na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
11 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny
Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala
12 ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny
razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka
andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia
niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.
13 Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanampo
an'i Bala sy Astarta.
14 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny
fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy,
ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo
anoloan'ny fahavalony intsony.
15 Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy
ny tanan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain'i Jehovah sy araka
izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
16 Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay
namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.
17 Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba
nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka
teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany
nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
18 Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy
Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin'ny
tanan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra niainan'izany mpitsara izany; fa
nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo
azy.
19 Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao
ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa
sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny
fanaony na tamin'ny lalana nanaovany ditra izy.
20 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny
fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako
ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
21 dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony
Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,
22 mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny,
na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay
nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.
23 Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny
ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.
1 Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny
mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany
Kanana,
2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely
izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala
izany akory teo aloha;
3 dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy
ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany
an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny lalana
mankany Hamata.
4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo
mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy
ny razany, izy, na tsia.
*
5 Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny
Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny
Jebosita.
6 Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy
sady nanome ny zananivavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny
andriamaniny.
7 [Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra
mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah
Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na
ny sariny]
8 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny
fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima,
mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny
Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima]
9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny
Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay
namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba.
10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia
nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i
Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka
namely an'i Kosan-risataima.
11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty
Otniela, zanak'i Kenaza.
12 Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i
Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
13 Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy
Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia
nahafaka ny tanàna be rofia*.[Palma]
14 Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba,
valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.
15 Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia
nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny
taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i
Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely.
16 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny
halavany; dia nataony tao amin'ny fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany
izany, teny am-balahany ankavanana.
17 Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona,
mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
18 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny
fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
19 Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato*
izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko
mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo,
rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.[Na:
sarin-javatra voasokitra]
20 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery
tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy
amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza
fiandrianana Eglona.
21 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka
nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i
Eglona izany;
22 ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny
taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy;
ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany.
23 Dia nivoaka teo amin'ny lavarangana Ehoda ka
nandrindrina ny varavaran'ny trano ka nanidy azy tao.
24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa
ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny
tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
25 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo,
kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo
ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony
26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra
izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.
27 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny
anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany
amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no nitarika azy.
28 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa
natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina
nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy
nisy navelany hita na dia iray akory aza.
29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray
alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy
rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
30 Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita
tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
31 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata,
izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy
ny Isiraely koa izy.
*
1 [Ny nampahorian'i Jabina ny Isiraely, sy ny
namonjen'i Debora mpaminanivavy azy] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
2 Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i
Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina
tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.
3 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny
Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra
ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.
4 Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota,
no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.
5 Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo
rofian*'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i
Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.[Palma]
6 Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka,
zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy
va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any
an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly
sy Zebolona hiaraka aminao?
7 Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony
Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny
vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
8 Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka
amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia
tsy handeha aho.
9 Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao
ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo
an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha
niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy
10 Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny
Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary
Debora niara-niakatra taminy.
11 Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny
Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin*'i Mosesy, ary nilasy
ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i
Kadesy.[Na: rafozan']
12 Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka,
zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
13 Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra,
dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany
Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.
14 Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa
anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo
anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy,
avy tany an-tendrombohitra Tabara.
15 Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny
lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny
miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra
nandeha tongotra.
16 Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy
ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny
miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
17 Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho
any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina,
mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.
18 Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka
nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra.
Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba
firakotra.
19 Ary hoy Sisera taminy: Maśna ianao, omeo
rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra
nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
20 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo
am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona
va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
21 Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera,
sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia
natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa
renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
22 Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i
Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa
hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia
indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny
fihirifany.
23 Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny
Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.
24 Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery
tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.
1 [Ny fihirana nataon'i Debora noho ny nandresena
an'i Sisera] Ary Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany
andro izany ka nanao hoe:
2 Noho ny fitarihan*'ny lehibe tamin'ny
Isiraely sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolotena, dia miderà an'i Jehovah.[Na:
fitombadahin']
3 Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa
ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an'i Jehovah; hankalaza
an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
4 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany* Seïra
Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny
lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.[Heb. tamin'ny saha]
5 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny,
na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
*
6 Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, sy tamin'ny
andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no
nalehan'ny mpandeha.
7 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao* tamin'ny Isiraely
izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny
Isiraely.[Na: Tsy nisy mpanapaka; eny nitsahatra]
8 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary
tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia
iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?
9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny
Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka, miderà an'i Jehovah
ianareo.
10 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy,
ianareo izay mipetraka amin'ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha
amin'ny lalana, samia milaza.
11 Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsiṕka,
dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah,
dia ny fahamarinany tamin'ny tany* Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i
Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin'ny fitondrany ny]
*
12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza,
mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i
Abinoama.
13 Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa
mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely* ny olo-mahery.[Na: ho
isan']
14 Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i
Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no
nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny
mpifehy*.[Na: mpanoratra]
15 Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i
Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha
izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
16 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny
vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po
teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
17 Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana;
Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany
amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.
18 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny
ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any
an-tsaha.
*
19 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao
Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy
volafotsy azony ho babo.
20 Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana
tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera.
21 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela*
izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko![Na: ony be
ady]
22 Tamin'izany dia nikatrokatroka ny
kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.
23 Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah,
Ozony dia oẓny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy,
eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely* ny mahery.[Na: isan']
*
24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie
Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra
an-day anie izy.
25 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono
aza no nomeny azy; Teo an-dovian'andriana no nitondrany rononomandry.
26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny
tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera
tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka
ny fihirifany.
27 Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany
nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo
amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny.
28 Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny
renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy
hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny
kodian'ny kalesiny?
29 Izay hendry tamin'ny andriambaviny no namaly
azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
30 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy
iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera,
Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.
*
31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra,
Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka
amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
*
1 [Ny nampahorian'ny Midiana ny Isiraely, sy ny
niantsoan'Andriamanitra an'i Gideona ho mpamonjy azy] Ary nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny
Midiana fito taona izy;
2 ary ny tanan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely,
ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any
an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny fiarovana.
3 Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana
sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
4 Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny
tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny
Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;
5 fa niakatra izy nitondra ny omby aman'ondriny sy ny
lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy
ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy
6 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana,
ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.
7 Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely
noho ny Midiana,
8 Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny
zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry
ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra
anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana
9 ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny
tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho,
ka nomeko anareo ny taniny;
10 ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny
tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.
11 Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo
ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona
zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba
hafeniny amin'ny Midiana.
12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao
taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.
13 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba
anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana
rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra
avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka
nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.
14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe:
Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny
Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
15 Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko
ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo
amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.
16 Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa
Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.
17 Dia hoy izy taminy: Masina Hianao, raha
mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny
amiko.
18 Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko
eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia
hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
19 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra
zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena
nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia
nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
20 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy:
Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity
harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.
21 Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny
lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy
masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy
ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo
imasony.
22 Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah
Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah
nifanatrika aho.
23 Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho
anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.
24 Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i
Jehovah-saloma*; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka
androany.[Jehovah-saloma = Jehovah no fiadanana]
25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah
taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia* ilay ombilahy faharoa, izay efa fito
taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha**
eo anilany;[*Na: sy][**Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
26 dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana
ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy*, ary alao ilay
ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay
hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]
27 Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny
mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria
natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao
izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
28 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao
an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo
anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay
natao,
29 dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao
izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy:
Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.
30 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i
Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala
izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana
teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy
azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina* ny andro:
raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava
ny alitarany.[Na: mandra-pahamarain']
32 Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny
Gideona dia nataony hoe Jerobala*, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy,
satria noravany ny alitarany.[Jerobala = Aoka Bala no handahatra]
33 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny
Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka
nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.
34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah
Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
35 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase
rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny
Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.
36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny
tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,
37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity
volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando,
fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely
araka izay efa nolazainao.
38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa
izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.
39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra:
Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao
monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny
volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no
ho lenan'ny ando.
40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny
alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia
lenan'ny ando.
1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona
izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano
Haroda*; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny
havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]
2 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra
ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao
hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
3 Koa ankehitriny andeha miantso eo
anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy
hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa
arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
4 Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro
ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra
azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no
hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao,
dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
5 Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny
rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny
lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika
kosa hisotro dia atokàny koa.
6 Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny
tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika
hisotro rano.
7 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny
telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana
eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany
avy.
8 Ary ny olona nitondra vatsy* sy ny anjomarany
teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny
lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana
dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo]
9 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah
tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro
eo an-tananao io.
10 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka
hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao;
11 dia ho renao izay lazain'ny olona, ary
rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby.
Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa
voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.
12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky
ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny
hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina
ny hamarony.
13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy
lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro,
nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny
lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy
zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita,
mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
15 Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy
sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely
izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny
tobin'ny Midiana.
16 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy,
ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy
fanilo tao anatin'ny siny.
17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka
manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho,
dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
18 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay
miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa
ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!
19 Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny
fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha
vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny
teny an-tanany.
20 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo
toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny
anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny
sabatr'i Jehovah sy Gideona!
21 Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy
manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana
sady nandositra.
22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy,
ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby
rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy
hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.
23 Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy
tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
24 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany
havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny
rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra
amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny
Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i
Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika
ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona
tany an-dafin'i Jordana.
1 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona:
Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha
nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
2 Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko
izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i
Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
3 Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra
ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha
oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia
nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
4 Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy
ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
5 Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota:
Maśna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho
manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
6 Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa
voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay
mofo ny miaramilamao?
7 Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah
eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra
sy ny sampivato ny tenanareo*.[Heb. nofonareo]
8 Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela,
dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela
koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany.
9 Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela izy
ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo
ity.
10 Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora
mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay
sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty
kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra* avokoa
ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
11 Ary Gideona niakatra tamin'ny lalan'ny
mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha
mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
12 Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary
nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia
Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
13 Dia niverina avy tamin'ny ady Gideona,
zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa;
14 ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao
Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo
andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
15 Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao
Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe:
Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no
homenay mofo ny olonao efa reraka?
16 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary
tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao
Sokota.
17 Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa
izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
18 Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona:
Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy:
Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.
19 Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko
ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha
novelominareo ireo.
20 Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany:
Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa
natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
21 Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no
hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia
nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka
sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.
22 Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i
Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay
tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.
23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo
aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
24 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray
loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay
avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria
Isimaelita).
25 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa
izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny
babony teo.
26 Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny
dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana
sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny
Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.
27 Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony
tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga
nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany
izany.
28 Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny
Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany
tamin'ny andron'i Gideona.
29 Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka
nitoetra tao an-tranony.
30 Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay
naterany: fa maro vady izy.
31 Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema,
dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
32 Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa
tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny
Abiezrita izy.
33 Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga
nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny.
34 Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i
Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra
nanodidina,
35 sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i
Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny
Isiraely, izy.
*
1 [Ny ratsy nataon'i Abimeleka, sy ny nanjo
azy] Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny
anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny
fianakavian-dreniny nanao hoe:
2 Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina
rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy
zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa
tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
3 Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo
anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa
ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
4 Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao
an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo
salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
5 Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka
namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato
iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.
6 Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy
ny olona rehetra tao Milo* ka nandeha nampanjaka an'i Abimeleka teo anilan'ny
hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato** any Sekema.[*Heb. fiarovana][**Na:
rovan'ny miaramila]
7 Ary nisy nilaza izany tamin'i Jotama, dia
nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, ary
nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema
mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.
8 Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka
hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjaka aminay ianao.
9 Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny
diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha
hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
10 Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy*: Avia ianao
ka manjakà aminay.[aviavimbazaha]
11 Dia hoy ny aviavy* taminy: Ho foiko va ny
fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony
hazo aho? [aviavimbazaha]
12 Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia
ianao, ka manjakà aminay.
13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny
ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha
hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
14 Ary hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia
ianao, ka manjakà aminay.
15 Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha
hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato
amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo
ka handevona ny sederan'i Libanona.
16 Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny
nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo
tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon'ny tànany
izy
17 (fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny
ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Midiana;
18 nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky
ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray,
ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao
Sekema, satria rahalahinareo izy),
19 koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo
androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo,
ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
20 Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo
hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao
Milo*; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona
ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.[Heb. fiarovana]
21 Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera
ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.
22 Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny
Isiraely Abimeleka,
23 Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy
tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia
nivadika nahafoy an'i Abimeleka,
24 mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny
namonoana* ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka
rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany
hamono ny rahalahiny.[Heb. ran']
25 Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika
tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo
tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
26 Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny
rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
27 Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny
voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao
an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i
Abimeleka.
28 Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa
Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy?
ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa
nahoana no hanompo io isika?
29 Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tanako
ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka:
Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
30 Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna,
ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
31 Dia naniraka olona mangingina tany amin'i
Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga
ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
32 Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny
vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
33 Ary raha maraina, raha vao miposaka ny
masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary,
indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy
izay zakan'ny tananao.
34 Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka
rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema,
35 Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona
teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana
Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
36 Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy
izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny
tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka
toa olona.
37 Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo,
misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny
lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima*.[Heb. mpanandro]
38 Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay
niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay
nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
39 Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao
Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.
40 Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra
teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady
aza.
41 Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola
nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
42 Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy
any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany,
43 Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho
telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona
nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
44 Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy
dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko
kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
45 Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra
izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany
ny tanàna sady nofafazany sira.
46 Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao
amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao
an-tranon'i Berita andriamaniny izy.
47 Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona
tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
48 Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia
niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny
an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny
an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia
mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
49 Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka
rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana
ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona
rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho
arivo no isany.
50 Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary
nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.
51 Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna,
ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao
an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.
52 Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka
namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.
53 Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato*
fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.[Heb.
vato ambony]
54 Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo,
mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba
tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy
miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
55 Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny
Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy
izy.
56 Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy
nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny
rahalahiny fito-polo lahy.
57 Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao
Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra
taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.
*
1 [Ny tantaran'i Tola sy Jaïra] Ary taorian'i
Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy
tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.
2 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo
taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
3 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita
ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
4 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay
nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any
amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra* mandraka androany
ireo.[Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra]
5 Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.
*
6 [Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny
namalian'Andriamanitra azy] Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i
Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny
andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy
an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
7 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny
fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo
an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.
8 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely
ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny
Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny
Amorita any Gileada.
9 Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba
hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia
nahantra indrindra ny Isiraely.
10 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny
Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy
an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
11 Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa
tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny
taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?
12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny
Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny
tànany.
13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo
andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
14 Mandehana, ka mitaraina amin'ireo
andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny
fahantranareo.
15 Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah:
Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany
izahay anio.
16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy
izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah
noho ny fahantran'ny Isiraely.
17 [Ny tantaran'i Jefta, sy ny nandreseny ny
Amonita] Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa
ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
18 Dia nifampiera ny olona, dia ireo
andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny
taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.
1 Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy
zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
2 Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy
maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i
Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa
zanaky ny vehivavy hafa.
3 Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina
tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka
taminy.
4 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely
ny taranak'i Amona.
5 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i
Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany
Toba.
6 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika
anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.
7 Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy
efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa
nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
8 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta:
Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka
aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina
rehetra any Gileada ianao.
9 Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada:
Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka
hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
10 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta:
Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao
izany.
11 Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i
Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary
Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.
12 Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny
mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no
tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?
13 Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona
tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka
hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa
avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.
14 Ary Jefta naniraka olona indray nankany
amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona
15 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta:
Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.
16 Fa fony niakatra avy tany Egypta ny
Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga
tany Kadesy.
17 Dia naniraka olona ny Isiraely nankany
amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho;
fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny
mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny
Isiraely.
18 Dia nandeha nitety ny efitra izy ka
nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka
nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba;
fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
19 Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany
amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny
Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny
fonenanay.
20 Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny
fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka
niady tamin'ny Isiraely.
21 Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka
namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany
amin'izany tany izany.
22 Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy
hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.
23 Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao
kosa va tahaka ny tany?
24 Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy
andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah
Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
25 Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora,
mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory
va izy?
26 Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany
Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny
tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany
tamin'izany andro izany?
27 Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy
ratsy ahy, fa miady amiko;
28 Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i
Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
29 Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i
Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i
Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany
amin'ny taranak'i Amona.
30 Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao
hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona,
31 dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny
varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any
amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
32 Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i
Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.
33 Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany
akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be
no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any
an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy
mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na
zanakavavy afa-tsy io izy.
35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra
ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy
indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa
niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
36 Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha
niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny
vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
37 Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no
hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako
hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy
nanambady akory.
38 Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia
nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka
nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia
niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay
nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely
40 ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely
isan-taona hankalaza* ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na:
hitomany]
*
1 [Ny hatezeran'ny Efraima tamin'i Jefta, sy ny
niadian'i Jefta taminy] Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha
nianavaratra* ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny
taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny
afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany Zafona]
2 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa
nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy
namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.
3 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo,
dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona,
ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra
atỳ amiko anio hila ady amiko?
4 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra
amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny
lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra
avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase.
5 Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana
mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima
nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy:
Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
6 dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe
Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina
izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary
nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.
7 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary
maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada.
8 [Ny tantaran'Ibzana sy Elona ary Abdona] Ary
Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.
9 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy
zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo
kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona
izy.
10 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
11 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely
nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
12 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany
Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.
13 Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona,
no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
14 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy
telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely
valo taona.
15 Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any
Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny
tany havoan'ny Amalekita.
*
1 [Ny nahaterahan'i Samsona] Ary ny
Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, ka dia natolotr'i
Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo taona izy.
2 Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny
fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho
tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa
hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
4 Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza
misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
5 Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka
zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho
an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny
Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.
6 Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny
vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra
indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy
nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
7 Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao
ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza
mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza
hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
8 Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao
hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra,
ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
9 Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka
dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany
an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
10 Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka
nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay
tonga tamiko tamin'ilay indray andro.
11 Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny
vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay
lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
12 Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao,
ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
13 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i
Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany
avokoa.
14 Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza
avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory
izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
15 Ary hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah:
Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak'osy ho Anao.
16 Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa:
Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha
hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy
fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.
17 Dia hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah:
Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny
teninao?
18 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy:
Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
19 Dia naka ny zanak'osy sy ny fanatitra
hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny vatolampy ho an'i Jehovah; ary
Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
20 Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny
lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo
amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia
niankohoka tamin'ny tany.
21 Ary tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny
intsony Ilay Anjelin'i Jehovah; dia fantatr'i Manoa fa Anjelin'i Jehovah Izy.
22 Ary hoy Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa
isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.
23 Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i
Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy
fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika
izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany
ankehitriny.
24 Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny
anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.
25 Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny
Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana*, teo anelanelan'i Zora sy
Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]
1 [Ny nanambadian'i Samsona ny vehivavy
Filistina anankiray, sy ny namaliany ny Filistina] Ary Samsona nidina nankany
Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.
2 Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy
reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina
aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
3 Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy
misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny firesako rehetra, no
dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona
tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
4 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy
tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy*; fa
tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.[Na: izy]
5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny
nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy,
indro, nisy liona tanora nierona taminy.
6 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i
Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka
zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany
tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy;
ary nahafinaritra an'i Samsona izy.
8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina
hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy
reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.
9 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny
an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy
aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany
taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.
10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i
Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.
11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia
nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
12 Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao
fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny
hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo
intelo-polo miova ianareo.
13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia
homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo:
Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin'ny
mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny
mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin'ny hateloana.
15 Ary nony tamin'ny andro fahafito*, dia hoy
izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay,
fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va
ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? [Na: (fahefatra)]
16 Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo
anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao
fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny
heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako
azy, ka ianao va no hilazako?
17 Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny
hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito
dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa
nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.
18 Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy
mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona:
Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa
izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny
fampanonona nataoko.
19 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i
Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary
nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia
nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy
izy.
20 Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa
nataony sakaizany.
1 Ary nony afaka kelikely, tamin'ny
taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny
mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho.
Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
2 fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy,
ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny?
Masina ianao, aoka izy halainao ho solony.
3 Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho
izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
4 Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo
telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny
amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao
fanilo.
5 Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia
nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny
vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
6 Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary
nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome
ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro
an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.
7 Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka
izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao
hitsahatra aho.
8 Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe
ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay
harambato mitresaka any Etama.
9 Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo
amin'ny Joda ka niely tany Lehy.
10 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no
miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an'i Samsona no niakaranay,
mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
11 Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny
Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao
tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona
izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no
mba nataoko taminy.
12 Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao
no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona
taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
13 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe:
Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa
tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa
vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.
14 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora
azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka
ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary
afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
15 Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy,
dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
16 Ary hoy Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky
no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin'ny
valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
17 Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia
nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran'izany tany izany
dia natao hoe Ramata-lehy*.[Ramata-hely = Havoanan'ny valanorano]
18 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina
tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao
tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka
hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
19 Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay
fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy,
dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe
En-hakore*, izay any Lehy mandraka androany.[En-hakore = Loharanon'ilay
niantso]
20 Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona
tamin'ny andron'ny Filistina izy.
*
1 [Ny nisamboran'ny Filistina an'i Samsona sy
ny namalian'i Samsona azy] Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga
teo, dia niditra tao aminy.
2 Ary nolazaina tamin'ny Gazita hoe: Tonga
atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo
am-bavahadin'ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina
ny andro, dia hovonointsika izy.
3 Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia
nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin'ny tanàna mbamin'ny
tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia
nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay tandrifin'i Hebrona.
4 Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao
hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.
5 Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra
nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay
itoeran'ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy;
dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.
6 Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Maśna ianao,
lazao amiko izay itoeran'ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao
hahafolaka anao.
7 Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito
izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny
olon-kafa.
8 Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan'ny
Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy
tamin'ireny ravehivavy.
9 Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra
taminy tao an'efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin'i Samsona: Hamely anao ny
Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton'ny taretra
rongony, raha lelafin'ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
10 Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa
namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, maśna ianao, lazao
amiko izay hahazoana mamatotra anao.
11 Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka
vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho
ka ho tahaka ny olon-kafa.
12 Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka
namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary
nisy mpanotrika nitoetra tao an'efi-trano. Dia notosan'i Samsona ho afaka
amin'ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton'ny taretra.
13 Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka
ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao
amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina
hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako.
14 Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy
izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny
torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.
15 Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no
nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy
intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran'ny herinao
lehibe.
16 Ary rehefa nitorikisina taminy isan'andro
ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny
miaina.
17 Ary dia nambarany azy ny tao am-pony
rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita
ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia
hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
18 Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany
azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny
Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany
ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any
aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
19 Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory
teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny
lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
20 Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny
Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka
tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah
efa niala taminy.
21 Dia nisambotra azy ny Filistina ka
namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy
tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
22 Ary dia naniry indray ny volon-dohany,
rehefa voaharatra.
23 Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina
hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly;
fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona
fahavalontsika.
24 Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera
ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto
an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty
antsika.
25 Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao
Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an'i Samsona avy tao an-trano
famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny
teo anelanelan'ny andry izy.
26 Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay
nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano,
hiankinako aminy.
27 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary
tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy
lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona
nanao laolao.
28 Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao
hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray
mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny
anankiray amin'ny masoko roa.
29 Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo
afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary
ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
30 Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny
Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny
vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny
nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.
31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny
mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia
nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy.
Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
*
1 [Ny nanaovan'i Mika sarin-javatra hivavahana]
Nisy lehilahy tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Mika no anarany.
2 Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely
volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao
teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny:
Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.
3 Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely
volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako* ho an'i Jehovah mihitsy ity
vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana
sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko
ho aminao izy.[Na: Efa natokako]
4 Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny
volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina
hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao
an-tranon'i Mika izany.
5 Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa
nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany* ka tonga
mpisorony.[Heb. nofenoiny ny tànany]
6 Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka
tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.
7 Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda,
tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.
8 Ary ralehilahy niala tao an-tanàna
Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy,
dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.
9 Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia
hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny
amin'izay azoko hitoerana.
10 Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko
ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona
sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.
11 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy
ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.
12 Dia natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga
mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon'i Mika.
13 Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa
ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.
1 [Ny nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha
tany hitoerany] Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny
Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba
honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo
lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy.
2 Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy
nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy
Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy:
Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i
Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.
3 Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy,
dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe:
Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no
anananao atỳ?
4 Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no
nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
5 Dia hoy izy ireo taminy: Maśna ianao,
manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin'ny lalana
alehanay izahay, na tsia.
6 Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa
aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao lalana alehanareo izao.
7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany
Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny
Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka
hampahory* azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny
Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso]
8 Dia nandeha ho any amin'ny rahalahiny any
Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?
9 Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika
hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra
izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra
handova ny tany.
10 Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any
amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany malalaka; fa efa
natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina
atỳ ambonin'ny tany.
11 Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana,
avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany.
12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany
Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe
mandraka androany Mahane-dana*; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).
13 Dia niala tao izy ka nandroso nantany
amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.
14 Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha
hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato
amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy
sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.
15 Dia nivily tao izy ka tonga tao
an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy.
16 Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny
fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny
vavahady.
17 Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha
hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy
ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato
lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.
18 Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka
naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny
sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
19 Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno
ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay
ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny
ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?
20 Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy
ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha
voahodidin'ny olona izy.
21 Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary
ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony
teo alohany.
22 Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika
izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny
taranak'i Dana.
23 Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary
niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona
maro toy izao?
24 Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko
sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba
ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
25 Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy
ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka
dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
26 Dia nandeha tamin'ny nalehany ny taranak'i
Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka
nody tany an-tranony.
27 Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i
Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona
mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra
ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.
28 Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i
Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny
lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina
tao.
29 Ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Dana,
araka ny anaran'i Dana rainy, izay naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny
tanàna taloha.
30 Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay
sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy*, sy ny
zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny
tany.[Na: Manase]
31 Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra
voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny
tranon'Andriamanitra tao Silo.
*
1 [Ny ratsy nataon'ny mponina tao Gibea, sy ny
namalian'ny Isiraely rehetra azy] Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy
mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary
an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
2 Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy
nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda,
dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
3 Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka
azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky
roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony
hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
4 Ary nihazona azy ny rafozany,
rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro
ary nandry tao izy roa lahy.
5 Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha
maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny
vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka
izany, dia handeha ianareo.
6 Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana
sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry
eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
7 Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia
nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
8 Dia nifoha maraina koa izy handeha nony
tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody
am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia
niara-nihinana izy roa lahy.
9 Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny
vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy,
taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa maśna ianao, mandria re anio
alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian'ny
fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
10 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy
tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i
Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny
vaditsindranony niaraka taminy koa.
11 Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy,
ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra
ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.
12 Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra
amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely isika,
fa handroso ihany ho any Gibea.
13 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika
hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka
handry any.
14 Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola
teo akaiky an'i Gibea, izay an'ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
15 Ka dia nivily teo izy handeha handry any
Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy
olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
16 Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy
niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin'ny tany havoan'i
Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin'izany
tanana izany dia Benjamita.
17 Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita
ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy:
Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
18 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda
izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany
nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany* an-tranon'i Jehovah;
ary tsy misy olona mampiantrano ahy;[Na: mankany]
19 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny
borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny
zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
20 Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana
anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto
an-kianja.
21 Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka
nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro,
ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka
nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy
tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba
hahalalanay azy.
23 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy
tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, maśna ianareo, aza manao
ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra
fady indrindra* izany ianareo.[Heb. fahadalana]
24 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny
vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy,
ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany
zavatra fady indrindra izany.
25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo,
ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano;
dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina
mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany
handeha izy.
26 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga
ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny
vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro.
27 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny
varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro,
ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo
amin'ny tokonana.
28 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna,
andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny
teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany.
29 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia
naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny
famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny
tanin'ny Isiraely rehetra.
30 Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra
natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany
amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka
ambarao.
1 Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny
fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory
tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.
2 Ary ny loholona rehetra tamin'ny
firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia
lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
3 Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho
any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga
izao ratsy izao.
4 Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy
novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an'ny Benjamita, izaho sy ny
vaditsindranoko handry tao.
5 Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao
Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny,
ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
6 Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko
ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa
nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra* teo amin'ny Isiraely ireo.[Heb.
fahadalana]
7 Koa indreto ianareo Zanak'Isiraely rehetra,
mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny
vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika,
ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i
Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
10 Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny
firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray
alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina
izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no
hataony aminy.
11 Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny
Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
12 Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona
tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto
aminareo izao?
13 Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena
ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo
amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny
feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
14 Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy
tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny
Zanak'Isiraely.
15 Dia voalamina tamin'izany andro izany ny
taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy
nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato
lahy voafantina.
16 Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy
olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny
antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
17 Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely,
afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo
rehetra ireo.
18 Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra
tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany
hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho
voalohany.
19 Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka
nitoby tandrifin'i Gibea.
20 Ary nivoaka ny lehilahy amin'ny Isiraely
hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady aminy
tao akaiky an'i Gibea.
21 Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i
Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy
niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany.
22 Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny
Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro
voalohany.
23 Ary niakatra ny Zanak'Isiraely ka nitomany
teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro, dia nanontany tamin'i
Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina
rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)
24 Ary ny Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny
andro faharoa hiady amin'ny taranak'i Benjamina.
25 Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita
hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo
arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa
ireo rehetra ireo.
26 Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny
olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i
Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro;
ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah
izy.
27 Dia nanontany tamin'i Jehovah ny
Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro
izany,
28 ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i
Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola
hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa
hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo
an-tananao izy.
29 Ary nasian'ny Isiraely otrika manodidina
an'i Gibea.
30 Dia niakatra ny Zanak'Isiraely tamin'ny
andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka nilahatra tandrifin'i Gibea
tahaka ilay teo aloha ihany.
31 Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady
tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy
nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny
Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny
anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
32 Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo
anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha
hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.
33 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely
nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny
Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i
Gibea.
34 Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray
alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy
fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
35 Ary Jehovah namely ny Benjamita teo
anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia
nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy;
nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
36 Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy
izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita,
satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.
37 Ary ny otrika niroatra faingana hankany
Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny
lelan-tsabatra.
38 Ary ny famantarana nifaneken'ny lehilahy
amin'ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan'afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
39 Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny
Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy
amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo
anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
40 fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna
ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro,
niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
41 Ary raha niverina ny lehilahy amin'ny
Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
42 Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny
Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy:
ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo.
43 Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy
ary nanitsaka azy mora foana* tandrifin'i Gibea atsinanany.[Na: teo Menoha]
44 Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo
sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
45 Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany
an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny
an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo
lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa
arivo lahy.
46 Ary ny Benjamita rehetra izay lavo
tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra;
lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
47 Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka
nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra
tao efa-bolana.
48 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina
indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra,
hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia
nodorany tamin'ny afo avokoa.
1 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana
tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny
Benjamita.
2 Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo
anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka
nitomany mafy dia mafy
3 nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely
ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena
iray amin'ny Isiraely?
4 Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa
ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy
fanati-pihavanana.
5 Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny
ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i
Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i
Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
6 Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i
Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny
Isiraely ankehitriny.
7 Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa
hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy
amin'ny zanakavavintsika?
8 Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no
tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona
avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny
fiangonana.
9 Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy
nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
10 Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy
iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny
mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
11 Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra
sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo*.[Heb.
hataonareo herema]
12 Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy
mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra
ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.
13 Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka
niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka
niantso azy hihavana aminy.
14 Dia niverina tamin'izany andro izany ny
Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao
Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
15 Ary ny olona nanenina noho ny amin'i
Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.
16 Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no
hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy
tamin'ny Benjamita?
17 Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny
Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny
Isiraely.
18 Nefa isika tsy mahazo manome azy ny
zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe:
Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.
19 Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana
isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny
lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.
20 Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka
nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanim-boaloboka,
21 ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy
ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo,
ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana
any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.
22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy
na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy
mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha
izany, dia meloka ihany ianareo.
23 Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka
samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha
izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina
tao.
24 Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely
tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia
niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.
25 Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely
tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.