[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2 Tantara
Accès direct aux chapitres de 2 Chroniques : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36
1 [Fanatitra nataon'i Solomona, ary
nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona] Ary Solomona, zanak'i Davida, dia
nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka
nanandratra azy indrindra.
2 Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy
arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely,
dia lohan'ny fianakaviana,
3 ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao
Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra,
ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.
4 Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta
Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho
azy tany Jerosalema izy.
5 Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i
Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy
fiangonana nitady Azy* tao. [Na: azy]
6 Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara
varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra
dorana arivo no nateriny teo.
7 Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i
Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
8 Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho
fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
9 Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho
tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny
vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto
vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka
izao?
11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao
am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na
ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka
fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko
vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny
mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany
ny any aorianao.
13 Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny
fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka
tamin'ny Isiraely izy.
14 [Ny amin'ny nanangonan'i Solomona soavaly aman-kalesy
mbamin'ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka
nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray
alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny
mpanjaka tany Jerosalema.
15 Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky
ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny
aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*. [Heb. Sefela]
16 Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny
iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay
vidiny voatendry.
17 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany
Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato
avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny
mpanjakan'ny Syriana.
18 [Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona
nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.
*
1 Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana
Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato
amby telo arivo ho mpifehy azy.
2 Ary Solomona naniraka hankany amin'i Hirama,
mpanjakan'i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin'i Davida raiko, raha
nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,
3 indro, izaho efa efa hanao trano ho an'ny anaran'i
Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo
mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana
ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin'ny Sabata sy ny
voaloham-bolana ary amin'ny fotoam-pivavahina voatendrin'i Jehovah
Andriamanitray; ho adidin'ny Isiraely mandrakizay izany.
4 Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho
ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
5 Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary
ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy,
afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
6 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy
sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra
manao sarin-javatra mba hiara-manao amin'ny olo-mahay zavatra izay atỳ
amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin'i Davida raiko.
7 Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any
Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao;
ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao
8 mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay
efa hataoko dia ho lehibe higagana.
9 Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea
roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao
mpikapa hazo.
10 Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay
nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no
nanendreny anao ho mpanjakany.
11 Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany
an'i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano
ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany izy.
12 Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra
sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby*,[Na: Ikaky Hirama]
13 zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy
Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy
vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary
mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin'izay
asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin'ny olon-kendrinao sy ny
olon-kendrin'itompokolahy Davida rainao Izy.
14 Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny
diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho
atỳ aminay mpanomponao;
15 Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona
araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona
amin'ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany
Jerosalema.
16 Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa
firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i
Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy
iray hetsy.
17 Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony
mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra,
ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.
*
1 [Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba
azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao
an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay
namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona
Jebosita.
2 Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny
andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.
3 Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny
tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo
hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
4 Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo
anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary
ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara
ny ao anatiny.
5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo
kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo
rofia* sy tongalika. [palma]
6 Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena
dia volamena avy any Parvaima.
7 Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny
rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany
nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany
dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa
ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
9 Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo.
Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
10 Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany
sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany
takela-bolamena.
11 Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho:
ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany
iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
12 ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy
hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady
mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.
13 Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo
hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
14 Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy
volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny
sorany.
15 Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy
amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy
hakiho ary.
16 Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka
nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato
izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.
17 Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny
iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo
amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina*, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia
kosa natao hoe Boaza**.[*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy
hery (?)]
1 Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny
lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
2 Ary nanao ny tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy:
folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo
hakiho ny manodidina azy.[Heb. ranomasina]
3 Ary teo ambanin'ny tavin-drano lehibe* nisy sarin'omby
manodidina azy, dia folo amin'ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny
sarin'omby sady niara-natao an-idina tamin'ny tavin-drano. .[Heb. ranomasina]
4 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby
roa ambin'ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny
andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny
tavin-drano lehibe* dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.[Heb.
ranomasina]
5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony
nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary
mahalany telo arivo bata izy.
6 Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy
nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao
fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe* kosa dia fisasan'ny
mpisorona.[Heb. ranomasina]
7 Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny
marika izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary
dimy teo amin'ny ankavia.
8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao
amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary
nanao lovia volamena zato famafazana izy.
9 Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe
sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny
lela-vavahady.
10 Ary ny tavin-drano lehibe* nataony tamin'ny
ankavanana, dia teo amin'ny atsimo-atsinana.[Heb. ranomasina]
11 Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny
sotron'afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho
an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'Andriamanitra:
12 dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny
izay teny an-tampon'ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa
momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
13 ary ny sarin'ampongaben-danitra efa-jato ho amin'ny
harato roa, sarin'ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono
ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy;
14 ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny
tavin-drano nataony teo amin'ny fitoerany;
15 ary ny tavin-drano lehibe* iray sy ny
sarin'omby roa ambin'ny folo; ambaniny. [Heb. ranomasina]
16 Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny
sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i
Hiram-aby* ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny
varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama]
17 Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no
nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy
Zaretana.
18 Toy izany no nanaovan'i Solomona ireo fanaka
rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan'ny varahina.
19 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay
tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra
fitoeran'ny mofo aseho,
20 ary ny fanaovan-jiro sy ny lela
fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan'ny efitra anatiny araka ny fanao
dia samy volamena tsara;
21 ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny
hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
22 ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny
lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny
lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina
indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena
avokoa.
1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i
Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra
rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena;
ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.
*
2 [Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany
dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena
rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema
hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.
3 Dia nivory ho any amin'ny mpanjaka ny
lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana
fahafito.
4 Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra,
ka ny Levita no nitondra ny fiara,
5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay
fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny
Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia
ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy
namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo
isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7 Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia
nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano
anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;
8 fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny
elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
9 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo
amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola
ao mandraka androany izy.
10 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny
fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon'i Mosesy tao anatiny fony
tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny
nivoahany avy tany Egypta.
11 Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana
masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina
ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
12 ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy
Hemana sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy
madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo
atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato
nitsoka trompetra;
13 ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka
trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony
nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny
zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay
ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;
14 ka dia tsy nahajanona hanao
fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i
Jehovah ny tranon'Andriamanitra.
1 Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa
hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
2 Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa,
dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
3 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny
Isiraely rehetra),
4 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny
tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
5 Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka
avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely
rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho
mpanapaka ny Isiraely oloko;
6 fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny
anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
7 Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny
hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
8 Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria
tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany
fikasanao izany.
9 Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny
zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
10 Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay
nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny
seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao
ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
11 Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny
faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely.
12 Ary Solomona nitsangana teo anoloan'ny
alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka
namelatra ny tànany
13 fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary
napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny
sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka
nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra
ny tànany manandrify ny lanitra
14 ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ
an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny
mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
15 sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko
mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia
notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
16 Koa tanteraho amin'i Davida raiko
mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe:
Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza
fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankaṭ ny
lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
17 Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry
ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho ṭ anie ny teninao, izay nolazainao
tamin'i Davida mpanomponao.
18 Andriamanitra va dia honina amin'ny olona etỳ
an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao,
koa mainka fa ity trano nataoko ity!
19 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao,
Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay
ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao,
20 mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity
trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako,
hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
21 Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely
olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any
an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.
22 Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny,
ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,
23 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary
mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho
amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny
fahamarinany.
24 Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao
noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka
mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin'ity trano ity izy,
25 dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamelà ny
fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao azy sy ny razany
izy.
26 Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho
ny nanotan'ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka
manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,
27 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny
fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana
tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao
ho lovan'ny olonao.
28 Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana,
na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na
misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na
inona fahoriana, na inona aretina,
29 izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona,
na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony
avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,
30 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka
mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony
(fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,)
31 mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao
amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
32 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely
olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe
sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka
manatrika ity trano ity,
33 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka
manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena
rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely
olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity
trano nataoko ity.
34 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalony ny olonao, na ho
aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana
izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,
35 dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny
fifonany, ka omeo rariny izy.
36 Raha manota aminao izy (fa tsy misy
olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny
fahavalony, ka dia entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tany na ho lavitra na
ho akaiky izy,
37 ary mahatsiaro any amin'ny tany nitondrana
azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrana
azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao
ratsy,
38 ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra
sy ny fanahiny rehetra izy ao amin'ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka
manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny
trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
39 dia henoy any an-danitra fonenanao ny
fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa
nanota taminao.
40 Ankehitriny, ry Andriamanitro ô, mifona
aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka
atao amin'ity fitoerana ity.
41 Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah
Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao;
aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny
olonao masina hifaly amin'ny soa.
42 Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny
voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.
1 Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany,
dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
2 Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao
an-tranon'i Jehovah, satria feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.
3 Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny
nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia
niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara
Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
4 Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia
namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan'i Jehovah.
5 Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao
fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby
iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny
tranon'Andriamanitra.
6 Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny
anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay
nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny
famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny
mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana
teo.
7 Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja
izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana
sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i
Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny
sabora.
8 Ary tamin'izany andro izany Solomona ny
Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata
ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
9 Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao
fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary
hafitoana koa ny andro firavoravoana.
10 Ary nony tamin'ny andro fahatelo amby
roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona,
ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i Jehovah tamin'i Davida sy
Solomona ary ny Isiraely olony.
11 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Toy
izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary
samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao
an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany.
12 Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony
alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity
fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.
13 Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho,
ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na
anaterako areti-mandringana ny oloko,
14 raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako
ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy
fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny
taniny.
15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny
sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity;
16 fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano
ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao
mandrakariva.
17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako
tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao
sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
18 dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny
fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy
ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.
19 Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny
didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo
andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany
20 dia hongotako amin'ny tany izay nomeko
anareo*; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny
anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena
rehetra. [Heb. azy]
21 Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho
fitalanjonan'izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon'i
Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
22 Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah,
Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta
izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy
nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
*
1 [Ny amin'ny trano nataon'i Solomona sy ny
nandaminay ny amin'ny fanatitra hatao ao amin'ny tempoly] Ary nony afaka ny
roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,
2 dia namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama
azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.
3 Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy
azy.
4 Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy
ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
5 Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy
Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
6 ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra
izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna
fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany
Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
7 Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny
Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy
isan'ny Isiraely
8 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo
amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona
fanompoana mandraka androany.
9 Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba
nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny
mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
10 Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i
Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
11 Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao
niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy,
fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny
Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.
12 Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra
dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo
anoloan'ny lavarangana fidirana;
13 eny, nanatitra izay fanao isanandro izy
araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny
fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana
fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo
herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.
14 Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona
araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita
ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana
eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry
varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i
Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
15 Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka
tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny
amin'ny rakitra.
16 Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa
rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka
ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.
17 Ary tamin'izay Solomona dia nankany
Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,
18 ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny
hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny
mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo
amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
*
1 [Sy namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i
Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona,
dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary
maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy
volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia
niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.
2 Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay
rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa
nambarany azy avokoa.
3 Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba
ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony
4 sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy
ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo
sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay
niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
5 Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny
efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy
tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny
fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa
reko ianao.
7 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto
tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny
fahendrenao!
8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia
anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah
Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy
mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
9 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby
zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony
zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.
10 Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i
Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato
soa.
11 Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka
ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony
lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo
aloha tamin'ny tanin'ny Joda.
12 Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny
mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny,
afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa
nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
*
13 [Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny
hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i
Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
14 afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny
mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy
nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.
15 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena
lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely
enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
16 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy
tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka
tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i
Libanona lreo.
17 Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana
ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.
18 Nisy ambaratonga enina amin'ny seza
fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana,
ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona
roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;
19 ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo
an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany
amin'ny fanjakana rehetra.
20 Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia
volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa
dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny
tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
21 Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy
niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no
nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako
ary vorombola*.[pavo]
22 Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady
hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
23 Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany
nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay
nataon'Andriamanitra tao am-pony.
24 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny
anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana
sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
25 Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo
fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray
alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin'ny
mpanjaka tany Jerosalema.
26 Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra
hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i
Egypta izy.[Eofrata]
27 Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny
habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny
aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*. [Heb. Sefela]
28 Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy
tany amin'ny tany rehetra koa Solomona.
29 Ary ny tantaran'i Solomona sisa, na ny
voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natana
mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita sy amin'ny fahitan'Ido mpahita
ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata?
30 Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin'ny Isiraely
rehetra tany Jerosalema.
31 Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia
nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka
nandimby azy.
*
1 [Ny niodinan'ny firenena folo tsy hanaiky
an-dRehoboama] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely
rehetra hampanjaka azy.
2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay
efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia
niverina avy tany Egypta izy.
3 Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy
ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty
kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga
mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
5 Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia
mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
6 Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona
izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe:
Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
7 Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin'ny vahoaka ianao
ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay
izy.
8 Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona
azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa
nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
9 Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny
vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
?
10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy
hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra
zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany,
izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko,
izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny
raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany
amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe:
Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.
13 Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona,
fa nandà ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy
14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy
hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy
izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa
hamaizako anareo.
15 Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy
tamin'Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay
nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama,zanak'i Nebata.
16 Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy
ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no
anjaranay amin'i Davida ? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia
mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry
Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
17 Fa ny Zanak'isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny
Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
18 Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao
fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty
izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra
ho any Jerosalema.
19 Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely
mandraka androany.
1 [Ny nanjakan-dRehoboama] Ary nony tonga tany Jerosalema
Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo
alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana
ho an-dRehoboama.
2 Kanjo kosa ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia,
lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:
3 Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona,
mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina
hoe:
4 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny
rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao
zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody,
fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.
5 Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra
tanàna mimanda tany Joda.
6 Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy
Tekoa
7 sy Beti-zora sy Soko sy Adolama
8 sy Gata sy Maresa sy Zifa
9 sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka
10 sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna
mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.
11 Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady
nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
12 Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany
ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary
ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
13 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo
amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.
14 Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany
manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa
nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,
15 fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo
sy ho an'ny Seïrima* ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony). [Heb. osilahy;
anaran'andriamani-tsi-izy]
16 Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely
rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i
Jehovah, Andriamanitry ny razany.
17 Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy
sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha
tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy.
18 Ary Rehoboama naka an'i Mahalota,
zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba,
zanak'i Jese, ho vadiny,
19 izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria
ary Zahama.
20 Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka,
zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita
taminy.
21 Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i
Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady
valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby
roa-polo sy vavy enim-polo).
22 Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no
nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy
hampanjakaina.
23 Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny
tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra,
ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
1 Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny
fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan'i Jehovah izy sy ny Isiraely
rehetra.
2 Ary tamin'ny taona fahadimy
nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely
an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany,
3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy
mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka
azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
4 Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda
izy ka tonga tany Jerosalema.
5 Ary Semaia mpaminany tonga tao
amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho
ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa
nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka.
6 Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny
mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
7 Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia
tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka
dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy*; ary tsy haidiko
amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko
ihany]
8 Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba
hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin'ny fanjakana hafa.
9 Dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta,
hamely an'i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry
ny tranon'ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny
ampinga volamena izay nataon'i Solomona.
10 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga
varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan'ny lehiben'ny
mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka.
11 Ary na oviana na oviana no nidiran'ny
mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina
azy ho ao an-tranon'ny mpiambina indray.
12 Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy
ny fahatezeran'i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy
fahatsaram-panahy koa tamin'ny Joda.
13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany
Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka,
ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana
nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany.
Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
14 Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana
ny fony hitady an'i Jehovah.
15 Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany
na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Semaia mpaminany sy Ido
mpahita ny amin'ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy
Jeroboama.
16 Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka
nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i Abia] Ary tamin'ny taona
fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia
tamin'ny Joda.
2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea.
Ary niady Abia sy Jeroboama.
3 Ary Abia niantomboka niady ka nitondra
miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa
nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery
avokoa.
4 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra
Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy,
ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
5 Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny
Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira.
6 Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata,
mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.
7 Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy,
niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama,
zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.
8 Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny
fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro
be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho
andriamanitrareo.
9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i
Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo
tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy
mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no
tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.
10 Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray
ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana
ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;
11 ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo
manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa
alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao
amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina
izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.
12 Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho
mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy
hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry
ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
13 Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no
fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary
ny otrika teo ivohony.
14 Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo
alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny
mpisorona nitsoka ny trompetra.
15 Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary
raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra
teo anoloan'i Abia sy ny Joda.
16 Ary ny Zanak'isiraely nandositra niala teo
anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany,
17 ka nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia
be izy; ary niampatrampatra ny fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy
voafantina.
18 Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely
fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah,
Andriamanitry ny razany, izy.
19 Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo
ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny
ary Efrona* mbamin'ny zana-bohiny. [Na: Efraima]
20 Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin'ny
andron'i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.
21 Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra
ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin'ny
folo.
22 Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'ny
nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'Ido mpaminany.
23 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Asa, sy ny
nandravany ny fombam-pivavahana tsy marina, ary ny nandreseny ny Etiopiana] Ary
Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanànan'i Davida
izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary
tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.
*
1 Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah
Andriamanitra;
2 fa nandrava ny alitaran'ny firenena hafa sy ny
fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny
Aseraha.
3 Ary nandidy ny Joda hitady an'i Jehovah, Andriamanitry
ny razany, izy ary hankaṭ ny lalàna sy ny didy.
4 Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo* ho
an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny
fanjakana teo anatrehany.[Na: tsangam-bato]
5 Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry
fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome
azy fiadanana.
6 Dia hoy izy tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto
tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy,
raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an'i Jehovah
Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana
amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
7 Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana
ampinga lehibe sy lefona avy tamin'ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy
mpitana ampinga sy tsiṕka avy amin'ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia
lehilahy mahery avokoa.
8 Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin'ireo ka nitondra
miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
9 Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady
teo andohasaha Zefata akaikin'i Maresa izy.
10 Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka
nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery,
raha iadian'ny maro izy*, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao
no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto.
Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.[Na:
Jehovah ô, mora foana aminao ny hamonjy na ny mahery na izay tsy manan-kery]
11 Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan'i Asa sy
ny Joda, ka dia nandositra ireny.
12 Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany
Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa
voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda
babo betsaka.
13 Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara
izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana
rehetra, fa be ny babo tao.
14 Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry
aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
1 [Ny nananaran'i Azaria mpaminany an'i Asa, ary ny
fahazotoan'i Asa handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny
fivavahana amin'i Jehovah] Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria,
zanak'i Odeda;
2 ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy
hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba
anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita
Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
3 Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra
marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
4 Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
5 Ary tamin'izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay
nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin'ny
tany.
6 Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa
Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana rehetra.
7 Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy
valim-pitia tokoa ny ataonareo.
8 Ary raha ren'i Asa izany teny izany sy ny faminanian'i
Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny
tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany
amin'ny tany havoan'i Efraima, sady nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo
anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny tranon'i Jehovah.
9 Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny
vahiny teo aminy izay avy tany amin'ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa
betsaka no nanatona azy avy tamin'ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah
Andriamaniny no teo aminy.
10 Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin'ny volana
fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asa.
11 Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i
Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito
arivo.
12 Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry
ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
13 ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah
Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
14 Ary nianiana ho an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny
fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny anjomara izy.
15 Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa
nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra,
ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina
fahizay.
16 Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia
naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary
Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny
lohasahan-driaka Kidrona.
17 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin'ny
Isiraely; nefa nahitsy ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra.
18 Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra
izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy
volamena ary fanaka.
19 Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy
amby telo-polo nanjakan'i Asa.
1 [Ny nanambazan'i Asa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i
Syria, hanampy azy hiady amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, sy ny nananaran'i
Sanany mpaminany azy noho izany, ary ny nahafatesan'i Asa] Tamin'ny taona
fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny
Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo
hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
2 Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny
rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany
amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao
hoe:
3 Misy* fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin'ny raiko
sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka
andeha, tsoahy ny fanekenao amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany
amiko. [Na: Aoka hisy]
4 Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin'i Asa mpanjaka ka
naniraka ireo komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely; dia
nandrava an'Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay
teny amin'ny tanànan'ny Naftaly izy.
5 Ary nony ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy
nanamboatra an'i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
6 Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia
nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa, ka nentiny
nanamboatra an'i Geba sy Mizpa.
7 Ary tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Asa,
mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao
tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao
ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.
8 Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro
be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao
tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
9 Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny
tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.
Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.
10 Dia tezitra tamin'ilay mpahita Asa ka nanao azy tao
an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona
sasany koa dia nampahorin'i Asa tamin'izay.
11 Ary, indro, ny tantaran'i Asa, na ny voalohany na ny
farany, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny
Isiraely.
12 Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa
dia narary tamin'ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia
narary aza izy, dia tsy nitady an'i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
13 Ary Asa lasa nodi-mandry any amin'ny razany; maty izy
tamin'ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.
14 Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay
nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa
nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo
zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
*
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Josafata, sy ny fahazotoany
hampandroso ny fivavahana tamin'i Jehovah, ary ny nanambinana azy] Ary
Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena
tamin'ny Isiraely izy.
2 Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra
eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany
amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy.
3 Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha
tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba
nitady ireo Bala;
4 fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no
notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny
Isiraely.
5 Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny
fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia
nanana harena sy voninahitra be izy.
6 Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia
noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
7 Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny
mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia,
hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda,
8 Ary nisy Levita koa niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy
Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary
Tob-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy Jorama, mpisorona.
9 Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny
bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka
nampianatra teny amin'ny olona.
10 Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana
rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i
Josafata ireo.
11 Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola
hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy
fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
12 Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano
fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
13 Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny
Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
14 Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy:
Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy
mahery telo hetsy;
15 ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny
fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
16 ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry,
ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
17 Ary tamin'ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery,
ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsiṕka sy ampinga;
18 ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia
valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.
19 Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay
nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda eran'i Joda rehetra.
1 [Ny nikambanan'i Josafata sy Ahaba hiady tamin'ny
Syriana sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba, sy
ny niverenan'i Josafata nankany Jerosalema] Ary Josafata nanana harena sy
voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.
2 Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany
Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny
olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
3 Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata,
mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy
izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa
hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
4 Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isirady; Maśna
ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
5 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany
efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-gileada va
isika, sa hijanona ihany aho ? Dia hoy ireo: Mandehana, fa
hatolotr'Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
6 Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i
Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
7 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata:
Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy
halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany
mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia
manao izany, ry mpanjaka.
8 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa*
anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.[Heb.
ionoka]
9 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny
Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo
anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny
mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
10 Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka
nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana
mandra-paharingany.
11 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe:
Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo
an-tananao izy, ry mpanjaka.
12 Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny
taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza
soa ho an'ny mpanjaka: maśna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny
anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
13 Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay
lazain'Andriamanitro ihany no hambarako.
14 Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa
hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina
ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.
15 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako
anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy
izay marina ihany?
16 Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra
niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah:
Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony
avy.
17 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny Josafata:
Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza
ihany?
18 Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita
an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be
rehetra any an-danitra nitsangana teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny
ankaviany.
19 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba,
mpanjakan'ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
20 Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo
anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah
taminy: Amin'inona anefa?
21 Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy
mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho
voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
22 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy
mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza
hanjo anao.
23 Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia
namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan'ny Fanahin'i
Jehovah tamiko hiteny aminao?
24 Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro
hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny* hierenao. [Na: hitsofotsofohanao
amin'ny efi-trano]
25 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka
ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanana, sy ho any amin'i
Joasy, zanaky ny mpanjaka,
26 ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao
an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy
mandra-pahatongako soa aman-tsara.
27 Fa hoy Mikaia: Raha tah́ny ho tafaverina soa
aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa
izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
28 Dia niatatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny
Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
29 Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata:
Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia
miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka
nitsarapata tany anatin'ny ady.
30 Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy Ireo komandin'ny
kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy
amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
31 Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy,
dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany
izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra
nampiala ireo teo aminy;
32 ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny
mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
33 Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsiṕka
kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelenalen'ny
fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny
kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.
34 Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny
mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny
Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty
izy.
1 Ary Josafata, mpanjakan'ny Joda, niverina soa
aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
2 Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany
mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no
tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa
noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
3 Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany
aminao, fa noravanao tsy ho eo amin'ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny
fonao hitady an'Andriamanitra ianao.
4 [Ny nataon'i Josafata hahatsara ny
fitondram-panjakana] Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety
ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima
ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
5 Ary nanendry mpitsara tamin'ny tany izy, dia
tamin'ny isan-tanàna mimanda eran'i Joda,
6 ka nanao taminy hoe: Tandremo izay
hataonareo; fa tsy ho an'olona no hitsaranareo, fa ho an'i Jehovah, sady momba
anareo ao amin'ny fitsarana Izy.
7 Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i
Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah
Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.
8 Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i
Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana
tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa
tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)
9 ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo
amin'ny fahatahorana an'i Jehovah sy amin'ny fahamarinana ary amin'ny fo
mahitsy:
10 Na inona na inona no ady avy amin'ny
rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny
amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy
mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao iharan'ny fahatezerana ianareo sy ny
rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
11 Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho
lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela,
mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka
rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary
Jehovah anie homba izay tsara.
*
1 [Ny nandehanan'ny Moabita sy ny namany hiady
tamin'ny Joda, ary ny vavaka nataon'i Josafata, sy ny namonjen'Andriamanitra
azy] Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy
ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita*.[Na: mbamin'ny Meonita;
izahao xxxvi. 7]
2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata
hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any
Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
3 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara
hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda
rehetra.
4 Dia niangona ny Joda hangataka famonjena
amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah
izy.
5 Ary Josafata nitsangana teo amin'ny
fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny
kianja vaovao,
6 ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny
razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka
amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny
fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
7 Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka
ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome
azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao?
8 Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masina
teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe:
9 Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na
areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto
anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao
amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
10 Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any
an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony
izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
11 nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka
anay amin'ny lova nomenao anay.
12 Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa
izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely
anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay.
13 Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa
dia samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah.
14 Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia,
zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia
voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana
15 ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry
mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i
Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo,
fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra.
16 Rahampitso dia mid́na hiady aminy ianareo; fa, indreo,
hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny
lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela.
17 Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijaṇna tsara,
fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza
matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no
momba anareo.
18 Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy
ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka
nivavaka.
19 Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy
taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
tamin'ny feo mahery indrindra.
20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany
an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao
hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i
Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia
hambinina ianareo.
21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia
nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha
mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i
Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia
nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any
an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
23 Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny
avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony
voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
24 Ary nony tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra
ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty
niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
25 Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia
nahita harena betsaka sy faty* ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo
mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa
be dia be ireny. [Na: fitafiana]
26 Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny
lohasaha Beraka* izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany
izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.[Beraka = Fisaorana]
27 Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy
Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin'ny
fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin'ny fahavalony.
28 Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy
lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon'i Jehovah.
29 Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny
fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny
fahavalon'ny Isiraely.
30 Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa
nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy.
31 [Filazana fohifohy ny amin'ny nanjakan'i Josafata] Ary
Josafata nanjaka tamin'ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao
nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny
anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
32 Ary nandeha tamin'ny lalana nalehan'i Asa rainy izy ka
tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah.
33 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona
tsy mbola nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitry ny razany.
34 Ary ny tantaran'i Josafata sisa, na ny voalohany na ny
farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay
nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely, izany.
35 Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan'ny Joda,
nikambana tamin'i Ahazia, mpanjakan'ny Isiraely, izay nanao ratsy;
36 ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy,
ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.
37 Ary Eliezera, zanak'i Dodavaho, avy any Maresa,
naminany ny amin'i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin'i Ahazia dia
horavan'i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka
tsy nahazo nankany Tarsisy.
*
1 [Ny nahafatesan'i Josafata sy ny nanjakan'i
Jehorama zanany] Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina
tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka
nandimby azy.
2 Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa
izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo
rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.
3 Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia
volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda;
fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4 Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny
rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny
mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra.
5 Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy
vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
6 Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny
Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba fa zanakavavin'i Ahaba no
vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
7 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny
taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa
homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.
8 Tamin'ny andron'i Jehorama no niodinan'ny
Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
9 Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka
nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay
nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.
10 Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa
ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin'izany andro izany Libna koa niodina
tsy nety nanoa an'i Jehorama, satria efa nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitra ny
razany, izy.
11 Ary nanao fitoerana avo teny
an-tendrombohitr'i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema
ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
12 Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany
tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida
rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin'ny lalan'i Josafata rainao, na ny
lalan'i Asa, mpanjakan'ny Joda,
13 fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny
Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy
ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao
nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
14 dia, indro, hasian'i Jehovah
areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin'ny biby
fiompinao rehetra;
15 ary ianao koa ho azon'ny aretina mafy, dia
aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny tsinainao isan'andro isan'andro
noho ny aretina.
16 Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny
Arabo izay ao akaikin'ny Etiopiana hamely an'i Jehorama;
17 ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao,
dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an'ny ankohonan'ny mpanjaka mbamin'ny
zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny
ihany.
18 Ary nony afaka izany rehetra izany, dia
nasian'i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin'ny tsinainy izy.
19 Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia
nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy
izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony
tamin'ny razany.
20 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao
nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy
nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba
tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
1 [Ny nanjakan'i Ahazia] Ary ny mponina tany
Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny
zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby
avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.
2 Roa amby efa-polo* taona Ahazia, fony izy vao
nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia
Atalia, zanak'i Omry.[Na: Roa amby roa-polo; izahao 2 Mpan. viii. 26]
3 Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba koa
izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian'ny
nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.
5 Ary ny saina nomen'ireo azy no narahiny, ka
niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady
tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa
an'i Jorama.
6 Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy
amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i
Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria*, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,
nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.
[Na: Ahazia; izahao and. 1]
7 Ary avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo
an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i Jorama, fa nony tonga izy, dia
niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanak'i Nimsy, izay
nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.
8 Ary tamin'ny namalian'i Jeho ny taranak'i
Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin'i Ahazia, izay
nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.
9 Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy
nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i
Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata,
ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. [Ny nanjakan'i Atalia, sy
ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ka dia tsy
nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.
10 Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa
maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra
tamin'ny taranak'i Joda.
11 Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka
an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka
izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano
fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka,
vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho
hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.
12 Ary niery enin-taona tao aminy tao
an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany
1 Ary tamin'ny taona fahafito Joiada nitombo
hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak'i Jerohama, sy
Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i Obeda, sy Mahaseia, zanak'i
Adaia, ary Elisafata, zanak'1 Zikry.
2 Ary nitety an'i Joda Ireo ka namory ny Levita
avy tany amin'ny tanànan'ny Joda rehetra sy ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny
Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
3 Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao
fanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy:
Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain'i Jehovah ny
amin'ny taranak'i Davida.
4 Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka
amin'ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
5 ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon'ny mpanjaka; ary
ny ampahatelonareo ho eo amin'ny vavahadin'ny fanorenana; ary ny vahoaka
rehetra kosa dia ho eo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah.
6 Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'i Jehovah
afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo
ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina
izay nasain'i Jehovah hotandremana.
7 Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy
mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary
arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
8 Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay
rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny
izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada
mpisorona tsy nandrava ny antokony.
9 Ary nomen'i Joiada mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny
lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka
tao an-tranon'Andriamanitra.
10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny
fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka
hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
11 Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka
nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona*, ka
dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela
velona anie ny mpanjaka! [Dia ny Didy Folo]
12 Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny vahoaka
nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao
an-tranon'i Jehovah koa izy.
13 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo
amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka
ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady
nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no
nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe:
Fikomiana! fikomiana!
14 Fa nasain'i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila,
izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay
manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza
vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.
15 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny
fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny
mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
16 Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny
mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho olon'i Jehovah.
17 Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka
nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary
Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara.
18 Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i
Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao
an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny
voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia
araka ny nasain'i Davida natao.
19 Ary nalatsany teo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah ny
mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra
ao.
20 Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy
ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao
an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao
an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza
fiandrianan'ny fanjakana izy.
21 Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny
tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.
*
1 [Ny nanjakan'i Joasy, sy ny nanamboarana ny rafitry ny
tempoly] Fito taona no niainan'i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo
taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny
dia Zibia, avy any Beri-sheba.
2 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i
Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona.
3 Ary nangalan'i Joiada vady roa Joasy, dia
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
4 Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i
Joasy ny hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka
nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola
isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo;
ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
6 Ary ny mpanjaka dia nampaka an'i Joiada,
lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny
hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny
vavolombelona?
7 Fa ny zanak'i Atalia, ilay vehivavy ratsy
fanahy, efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao
an-tranon'i Jehovah koa dia efa nateriny ho an'ireo Bala.
8 Ary nasain'ny mpanjaka nanao vata anankiray
izy, dia napetrany teo ivelan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah izany.
9 Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema
izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy,
mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
10 Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka
rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin'ny vata
ambara-pahatapiny.
11 Ary tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny
vata ho any amin'ny toniany voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola,
dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka
nanaisotra izay rehetra tao amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo
amin'ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola
betsaka izy.
12 Ary nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'izay
nanao ny raharahan'ny tranon'i Jehovah ny vola, ka nanakaraman'ireo mpipai-bato
sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
13 Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa;
ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon'Andriamanitra ka nataony mafy.
14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo
anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny
tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra
fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra
fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i
Joiada rehetra.
15 Fa tratrantitra sy ela niainana* Joiada vao maty:
telo-polo amby zato taona izy vao maty. [Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina]
16 Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida tao amin'ny
mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy
ny tranony koa.
17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda
ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
18 Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny
razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra
tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy
amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
20 Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny
Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny
vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo
no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy
an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo
amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.
22 Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa
nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty
Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny
miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka
matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any
amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.
24 Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa
Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i
Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana
an'i Joasy.
25 Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny
mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka
namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i
Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita,
sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita.
27 Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana
nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro,
efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia
zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i Amazia] Dimy amby roa-polo taona Amazia,
fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa
tsy dia tamin'ny fony rehetra.
3 Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia
novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
4 Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa
nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny
bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny
ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy
ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.
5 Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny
fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny
Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika
sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
6 Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely
nokaramainy talenta volafotsy zato.
7 Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka
nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa
tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
8 Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza
amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa
Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9 Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka
hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely?
Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra
lavitra noho izany.
10 Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy
avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny
fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
11 Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka
nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i
Seira izy.
12 Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda
sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka
montsamontsana izy rehetra.
13 Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy
hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria
ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo
betsaka.
14 Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia
nitondra ny andriamanitry ny taranak'i Seira ka nanangana azy ho andriamaniny;
ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
15 Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah,
ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana
ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny
tananao aza?
16 Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa
voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao
asian'ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa
Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny
anatro.
17 Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia
naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny
Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
18 Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i
Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka
tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny
zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy
ny tsilo.
19 Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika
anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no
hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
20 Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra
izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny
andriamanitry ny Edomita.
21 Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy
sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an'i Joda.
22 Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy
nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
23 Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i
Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka
nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i
Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.
24 Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra
ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra tao amin'i
Obed-edoma sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao
antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
25 Ary ny andro niainan'i Amazia zanak'i Joasy,
mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza,
mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
26 Ary ny tantaran'i Amazia sisa, na ny voalohany na ny
farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny
Isiraely va izany?
27 Ary hatramin'ny andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka
an'i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra
nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
28 Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny,
dia naleviny tao amin'ny razany tao an-tanànan'ny Joda.
*
1 [Ny nanjakan'i Ozia] Ary ny vahoaka rehetra
tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy
handimby an'i Amazia rainy.
2 Izy no nanamboatra an'i Elota ka nampody azy
ho an'ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany ny mpanajaka.
3 Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao
nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
4 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy.
5 Ary nitady an'Andriamanitra izy tamin'ny
andron'i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an'Andriamanitra; ary tamin'ny
andro nitadiavany an'i Jehovah dia nambinin'Andriamanitra izy.
6 Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina,
dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao
tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.
7 Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny
Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
8 Ary ny Amonita nandoa hetra ho an'i Ozia; dia
niely ny lazany hatrany akaikin'i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
9 Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo
amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny vavahady mankao amin'ny tany lemaka
sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
10 Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy
sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman'ondry
betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra
tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany
izy.
11 Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao
antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan'i Jeiela
mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin'i Hanania, anankiray tamin'ny
komandy voatendrin'ny mpanjaka.
12 Enin-jato amby roa rivo no isan'ny lohan'ny
fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
13 Ary ny miaramila fehezin'ireo dia diman-jato
amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka
hiady amin'ny fahavalony.
14 Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy
fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsiṕka ary vaton'antsamotady ho
an'ireo miaramila rehetra ireo.
15 Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema
izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay zavatra, hapetraka eo amin'ny
tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba handefasana zana-tsiṕka sy vato lehibe.
Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga
mahery tokoa izy.
16 Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny
fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin'i Jehovah Andriamaniny ka
niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln'ny
alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
17 Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona
mbamin'ny valo-polo lahy amin'ny mpisoron'i Jehovah, lehilahy samy mahery
avokoa.
18 Ary nanohitra an'i Ozia mpanjaka ireo ka
nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho
an'i Jehovah, fa an'ny mpisorona ihany, dia ny taranak'i Arona, izay
nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin'ny fitoerana masina, fa
nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan'i
Jehovah Andriamanitra izany.
19 Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny
an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin'ny
mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin'ny handriny teo anatrehan'ny
mpisorona tao an-tranon'i Jehovah, tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo
manitra.
20 Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona
rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny
hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria
Jehovah efa namely azy.
21 Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny
ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon'i
Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara
ny vahoaka.
22 Ary ny tantaran'i Ozia sisa, na ny voalohany
na ny farany, dia efa nosoratan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza;
23 Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an'ny
mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby
azy.
*
1 [Atỳ nanjakan'i Jotama] Dimy amby roa-polo
taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany
tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
izy, tahaka izay nataon'i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin'ny
tempolin'i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
3 Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny
tranon'i Jehovah sady nandrafitra be tamin'ny mandan'i Ofela koa.
4 Ary nanao tanàna teny amin'ny tany havoan'i
Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an'ala koa izy.
5 Ary niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i
Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany taona izany ny taranak'i Amona
nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina
kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona ho azy tamin'ny-taona faharoa sy
fahatelo koa.
6 Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra
tsara teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
7 Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'ny adiny
rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny
Isiraely sy ny Joda izany.
8 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao
nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
9 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tany an-Tanànan'i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka
nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i Ahaza] Roa-polo taona Ahaza,
fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany
Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i
Davida rainy izy,
2 fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny
Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an'ireo Bala koa.
3 Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny
lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo,
araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo
anoloan'ny Zanak'isiraely.
4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady
nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny
havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
5 Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo
an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho
babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny
Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
6 Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa
alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa,
noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
7 Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima,
namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary
Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
8 Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa
hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo
betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
9 Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no
anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao
taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny
Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny
fahatezerana manakatra ny lanitra.
10 Ary ankehitriny ny taranak'i Joda sy
Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo;
ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo
koa?
11 Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny
babo izay efa nentinareo avy tamin'ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny
fahatezeran'i Jehovah.
12 Dia nitsangana ny loholona sasany avy
amin'ny taranak'i Efraima, dia Azaria, zanak'i Johanana, sy Berekia, zanak'i
Mesilemota, sy Jehizkia, zanak'i Saloma, ary Amasa, zanak'i Hadlay, ka
nanohitra izay vao avy tany an-tafika
13 nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny
babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika
ianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka
iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
14 Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny
mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
15 ka ireo olona voalaza anarana ireo dia
nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no
nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy
ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky
izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia*, ho any amin'ny
rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.[palma]
16 famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka
naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
17 Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary
namabo azy.
18 Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny
tany lemaka amoron-tsiraka* sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia
nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny
ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao
izy.[Heb. sefela]
19 Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny
Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika
tamin'i Jehovah.
20 Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao
aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
21 Fa efa nalain'i Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i
Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny
mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
22 Ary tamin'ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao
izay nahadiso amin'i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
23 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo
andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry
ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra
mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
24 Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra
ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao
alitara teny amin'ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
25 Ary teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany
fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia
nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
26 Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny
voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny
Joda sy ny Isiraely izany.
27 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia
nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny
mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny nanadiovany
ny tempoly, ary ny nitokanany azy indray] Dimy amby roa-polo taona Hezekia,
fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin'i Zakaria.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka
izay rehetra nataon'i Davida rainy.
3 Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany
nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy.
4 Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka
nangoniny teo ankalalahana atsinanana.
5 Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka
hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry
ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.
6 Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny
fonenan'i Jehovah.
7 Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana
fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary
ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho
an'Andriamanitry ny Isiraely.
8 Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny
fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena* izy sy ho figagana ary
ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao. [Na:
fampangovitana]
9 Fa he! lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny
zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho
izany.
10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany
mirehitra.
11 Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no
nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao
fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
12 Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay,
sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i
Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny
Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa;
13 ary tamin'ny taranak'i Elizafana dia Simry sy Jeiela;
ary tamin'ny taranak'i Asafa dia Zakaria sy Matania;
14 ary tamin'ny taranak'i Hemana dia Jehiela sy Simey;
ary tamin'ny taranak'i Jedotona dia Semaia sy Oziela.
15 Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny
tenany avy, dia tonga araka ny didin'ny mpanjaka noho ny tenin'i Jehovah mba
hanadio ny tranon'i Jehovah.
16 Ary ny mpisorona niditra tao amin'ny efitra anatiny
amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay
hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny
Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
17 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany
no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin'ny andro fahavalo tamin'io volana
io dia niditra teo amin'ny lavarangana fidirana an'i Jehovah izy; ka dia
nanamasina ny tranon'i Jehovah tamin'ny havaloana izy; ary tamin'ny andro
fahenina ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany no nahavitany azy.
18 Dia niditra tao amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao
hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny
fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo
aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa.
19 Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain'i Ahaza
mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy
nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah.
20 Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny
mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah.
21 Ary nitondra vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito
sy zanak'ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny
fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona,
taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.
22 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny
mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy,
dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia
natopiny tamin'ny alitara ny ràny.
23 Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny
teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;
24 dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo
amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho
an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny
fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
25 Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i
Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida
mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no
didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
26 Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny
zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
27 Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara
ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana,
dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka
notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
28 Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira
nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.
29 Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia
nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra teo aminy.
30 Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny
Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita.
Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
31 Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo* ho
an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manaṭna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy
fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy
fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra
dorana. [Heb. namanareo ny tananareo]
32 Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny
fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato;
natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
33 Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy
ondry aman'osy telo arivo.
34 Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny
fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny
mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany
koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
35 Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny
fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no
nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.
36 Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay
namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.
1 [Ny nitandreman'i Hezekia sy ny vahoaka ny Paska] Ary
Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy
ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any
Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana
rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana ny Paska
amin'ny volana faharoa.
3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy,
satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy
mbola vory tany Jerosalema.
4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
5 Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra
hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny
Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy
ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny
mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka
ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah,
Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa
aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria.
7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay
nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana
araka izao hitanareo izao izy.
8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny
razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka mid́ra ao amin'ny fitoerany
masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah
Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
9 Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo
famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny
zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo
Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy
ianareo.
10 Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin'ny
tanin'ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin'ny Zebolona; fa nihomehezan'ny
olona sy novazivaziny foana izy.
11 Kanefa kosa ny tamin'ny Asera sy ny Manase ary ny
Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
12 Ary ny tànan'Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda
koa mba hanome azy fo iray hankaṭ ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny
tenin'i Jehovah.
13 Ary tamin'ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory
tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy
masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
14 Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany
Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany
koa ka nariany tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
15 Dia namono ny Paska izy tamin'ny andro fahefatra
ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita,
dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon'i
Jehovah.
16 Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany tahaka ny fanao
izy, araka ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy
ny rà izay teny an-tànan'ny Levita.
17 Fa nisy maro tao amin'ny fiangonana izay tsy mba
nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay
rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an'i Jehovah.
18 Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin'ny Efraima
sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany,
kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia
nivavaka ho an'ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
19 izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady
an'Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka
ny fahadiovan'ny fitoerana masina aza izy.
20 Ary Jehovah nihaino an'i Hezekia ka nahasitrana ny
olona.
21 Ary ny Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia
nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy
masirasira tamin'ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i
Jehovah isan'andro sady nampaneno zavatra mafy faneno* ho an'i Jehovah. [Na:
fiderana]
22 Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay
nanana fahaizana ho an'i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady
nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny
razany.
23 Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin'ny
hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin'ny
hafaliana izy.
24 Fa Hezekia, mpanjakan'ny Joda, nanome vantotr'ombilahy
arivo sy ondry aman'osy fito arivo ho an'ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa
nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana;
ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
25 Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny
mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin'ny Isiraely
mbamin'ny vahiny izay avy tany amin'ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
26 Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin'ny
andron'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, dia tsy mbola nisy
tahaka izany tany Jerosalema.
27 Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka
nitso-drano ny olona; ary nohenoin'Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any
an-danitra, fonenany masina, ny fivavany.
1 [Ny nandravan'ny olona ny zavatra momba ny sampy, sy ny
nandaminan'i Hezekia ny fanompoam-pivavahana] Ary nony vita izany rehetra
izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka
nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny
fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima
sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia
samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.
2 Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona
sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny
mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy
hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny
tobin'i Jehovah.
3 Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia
nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy
hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy
amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.
4 Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema
nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny
lalàn'i Jehovah.
5 Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra
voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy
diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena
tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
6 Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany
an-tanànan'ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry
aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah
Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
7 Tamin'ny volana fahatelo no vao nanomboka
nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana fahafito no nahavitany azy.
8 Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka
nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
9 Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny
Levita ny amin'ireo niavosa ireo.
10 Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka,
namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao
an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa
Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
11 Ary nasain'i Hezekia namboatra efi-trano
fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia namboariny izany.
12 Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny
fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita
no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.
13 Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela
sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i
Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka
sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
14 Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry
varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra,
hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.
15 Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina
sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary
adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe
na ny kely,
16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin'ny
telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon'i Jehovah handray ny
anjarany isanandro noho ny fanompoany amin'ny anjara-raharahany araka ny
antokony avy.
17 Ary ny amin'ny fanoratana ny mpisorona koa,
dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
18 Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay
voasoratra, dia ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa
tamin'ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin'ny zavatra masina.
19 Ary ho an'ny mpisorona, taranak'i Arona,
koa, izay tany amin'ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona
anarana tamin'ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin'ny
mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
20 Ary toy izany no nataon'i Hezekia eran'i
Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan'i Jehovah
Andriamaniny izy.
21 Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny
amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy
hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy
*
1 [Ny nanafihan'ny Asyriana an'i Joda tamin'ny
andro nanjakan'i Hezerika sy ny niarovan'Andriamanitra azy] Ary rehefa afaka
izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra
tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
2 Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba
ka nikasa hamely an'i Jerosalema,
3 dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny
lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny
tanàna; ary nanampy azy ireo.
4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny
loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy:
Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?
5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava
tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo
ivelany, dia namboatra an'i Milo* tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona
aman'ampinga betsaka izy.[Heb. fiarovana]
6 Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny
olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin'ny
vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po
noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny
momba antsika dia be noho ny momba azy.
8 Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah
Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika.
Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.
9 Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba,
mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany
rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia,
mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao
hoe:
10 Izao nolazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona
izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo ?
11 Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena
ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy
antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny
fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe:
Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo
manitra ?
13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny
razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny
andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny
taniny akory tamin'iny tanako?
14 Iza amin'ny andriamanitr'ireo firenena efa
naringan*'ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin'ny tanako, ka dia
hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo? [Heb. natao herema]
15 Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na
hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra
tany amin'ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny
tanako sy ny tanan'ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo
amin'ny tanako?
16 Ary ny mpanompon'i Sankeriba mbola niteny ratsy an'i
Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
17 sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy
nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony
tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa
amin'ny tanako.
18 Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny
Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda
hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
19 Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy
toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny,
izay asan'tànan'olona ihany.
20 Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia
mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra.
21 Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny
lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny
mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra
tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny
zanany naterany.
22 Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny
mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy
tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin'ny manodidina
rehetra Izy.
23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany
Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo
imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.
24 [Ny nahararian'i Hezekia sy ny nanaretany, ary ny
hareny amam-boninahiny, sy ny nampietrena azy, ary ny nahafatesany] Tamin'izany
andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin'i Jehovah
izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana.
25 Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao
taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan'ny fahatezerana izy mbamin'ny Joda
sy Jerosalema.
26 Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa
niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy
niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.
27 Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra;
dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny
vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
28 ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy
ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby
fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy.
29 Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry
aman'osy ary omby betsaka, fa nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy.
30 Ary notampenan'io Hezekia io ny fivoahan'ny rano
ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin'ny tany hidina mahitsy ho any
andrefan'ny Tanànan'i Davida izany. Ary nambinina tamin'ny asany rehetra
Hezekia.
31 Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany
Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao
teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy
hahalalany izay rehetra ao am-pony.
32 Ary ny tantaran'i Hezekia sisa mbamin'ny soa nataony,
indro, efa voasoratra ao amin'ny fahitan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, sy ao
amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.
33 Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia
nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary
ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny
nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona
Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany
Jerosalema .
2 Ary nanao izay ratsy eo mason'i Jehovah izy tahaka ny
fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny
Zanak'isiraely.
3 Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa
noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao
Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo
azy
4 sady nanorina alitara tao an-tranon'i Jehovah, dia tao
amin'ilay nolazain'i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran'ny anarako
mandrakizay.
5 Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa amin'ny
tranon'i Jehovah izy ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.
6 Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan'ny
taranak'i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny
manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7 Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy
nataony dia napetrany tao an-tranon'Andriamanitra, izay nolazain'Andriamanitra
tamin'Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema,
izay nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra, no hasiako ny anarako
mandrakizay;
8 ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony
hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny razanareo Aho, raha mba
hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana
rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an'i Mosesy.
9 Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema
Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan'i Jehovah tsy ho
eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
10 Ary Jehovah niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany,
nefa tsy nety nihaino izy.
11 Dia nentin'i Jehovah hamely azy ny komandin'ny
miaramilan'ny mpanjakan'i Asyria, dia nosamborin'ireo Manase ka nasiany
masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
12 Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin'i
Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan'Andriamanitry ny
razany
13 ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany,
dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i
Manase fa Jehovah no Andriamanitra.
14 Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan'ny
Tanànan'i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin'ny lohasahan-driaka,
ka hatramin'ny fidirana amin'ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina
an'i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin'ny miaramila
ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
15 Dia nesoriny ireny andriamanikafa sy ny sampy tao
an-tranon'i Jehovah mbamin'ny alitara rehetra izay efa naoriny teo
an-tendrombohitry ny tranon'i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny
ivelan'ny tanàna.
16 Ary nanorina indray ny alitaran'i Jehovah izy ka
namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia
nandidy ny Joda hanompo an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
17 Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny
amin'ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an'i Jehovah Andriamaniny ihany.
18 Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'ny vavaka nataony
tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny
anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely izany.
19 Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken'Andriamanitra
izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin'ny fitoerana izay
nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra,
fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay
izany.
20 Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia
nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
*
21 Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka,
ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.
22 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny
nataon'i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra
nataon'i Manase rainy dia namonoan'i Amona zavatra hatao fanatitra ka
notompoiny;
23 ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah tahaka ny
nataon'i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.
24 Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono
azy tao an-tranony.
25 Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa
nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
*
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny
nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahitana ny bokin'ny lalana] Valo taona
Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany
Jerosalema.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
izy ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin'ny
ankavanana na ho amin'ny ankavia.
3 Fa tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha
mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an'Andriamanitr'i Davida rainy;
ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa dia niantomboka nanadio an'i Joda
sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra
voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony.
4 Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny
alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo* ho an'ny masoandro izay teo amboniny
dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny
sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny
teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy. [Na:
tsangam-bato]
5 Ary nandoro ny taolan'ny mpisorona teo
ambonin'ny alitarany izy, ka dia nanadio an'i Joda sy Jerosalema.
6 Ary tany amin'ny tanànan'ny Manase sy ny
Efraima ary ny Simeona hatrany amin'ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,
7 dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha;
ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo*
ho an'ny masoandro eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia
niverina ho any Jerosalema izy.[Na: tsangam-bato]
8 Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo
nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an'i Safana,
zanak'i Azalia, sy Mahaseia, komandin'ny tanàna, ary Joa, zanak'i Joahaza,
mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon'i Jehovah Andriamaniny.
9 Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia
mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao
an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana,
tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny
Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
10 Ary natolony ho eo an-tanan'ny lehiben'ny
mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin'ny tranon'i Jehovah izany, ary
natolotr'ireo kosa ho an'ny mpiasa izay niasa tao an-tranon'i Jehovah hanamboarana
sy hanamafiana ny trano;
11 dia nomeny ho an'ny mpandrafitra sy ry
mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho
amin'ny trano izay nosimban'ny mpanjakan'ny Joda.
12 Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety
hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin'ny
taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin'ny taranaky ny Kehatita,
ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,
13 dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady
nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary
avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
14 Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina
tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i
Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.
15 Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana
mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia
natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.
16 Ary Safana nitondra ny boky ho any amin'ny
mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon'ny mpanomponao dia
nataony avokoa.
17 Ary narotsany ny vola izay azo tao
an-tranon'i Jehovah ka natolony teo an-tànan'ny olona voatendry sy teo
an-tànan'ny mpiasa.
18 Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny
mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo
anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
19 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny tenin'ny
lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy
20 sady nandidy an'i Hilkia sy Ahikama, zanak'i
Safana, sy Abdona, zanak'i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia,
mpanompon'andriana, ka nanao hoe:
21 Andeha manontany amin'i Jehovah ho ahy sy
izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny amin'ny tenin'io boky vao hita; fa
mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman'ny
razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin'io boky
io.
22 Ary Hilkia sy izay notendren'ny mpanjaka dia
nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i
Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin'ny tanàna
ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.
23 Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'izay lehilahy naniraka anareo
tatỳ amiko hoe:
24 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho
hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia ny ozona rehetra
izay voasoratra ao amin'ilay boky efa novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'ny
Joda.
25 Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo
manitra ho an'ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra
nataon'ny tànany, dia haidina amin'ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy
hosakanana.
26 Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda kosa izay
naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay efa
novakinao,
27 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo
anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina
eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao
sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
28 Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao
ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana, ka ny masonao dia
tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina
eto. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
29 [Ny fahazotoan'i Josia hanangana indray ny
fivavahana amin'i Jehovah sy hampitandrina ny olona ny Paska, ary ny niadiany
tamin'ny Egyptiana sy ny nahafatesany] Ary ny mpanjaka naniraka olona ka
nampivory ny loholon'ny Joda sy Jerosalema rehetra.
30 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny
mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema
mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia
novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay
hita tao an-tranon'i Jehovah.
31 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny
fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy
hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony
rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankaṭ ny tenin'ny fanekena izay voasoratra ao
amin'izany boky izany,
32 sady nampifikiriny tsara koa ny olona
rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany
Jerosalema dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny
razany
33 Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra
tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely sady nandidy izay rehetra teo
amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra
niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah,
Andriamanitry ny razany, ny olona.
1 Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i
Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo
tamin'ny volana voalohany.
2 Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny
anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
3 Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny
Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i
Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia
efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo
sy ny Isiraely olony;
4 ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo,
dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely,
sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa.
5 Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny
fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny
fianakavian'ny Levita.
6 Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka
manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay
nampilazainy an'i Mosesy.
7 Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia
zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby
telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.
8 Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy
ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny
tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny
mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
9 Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary
Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy
arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
10 Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana
teo amin'ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny
didin'ny mpanjaka.
11 Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny
mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.
12 Dia natokany ny fanatitra dorana homen'ny olona araka
ny fizaran'ny fianakaviany, mba hateriny ho an'i Jehovah araka izay voasoratra
ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa tamin'ny omby.
13 Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao;
fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary
kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.
14 Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an'ny
tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak'i Arona, nanatitra ny
fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin'ny andro; fa ny Levita kosa
nanamboatra ny Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona, taranak'i Arona.
15 Ary ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny
fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny
mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy
afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho
azy.
16 Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana
an'i Jehovah amin'ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana
eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah araka ny tenin'i Josia mpanjaka.
17 Ary ny Zanak'isiraely izay vory teo dia nitandrina ny
paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy
masirasira.
18 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny
Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny
Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny
mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny
mponina tany Jerosalema.
19 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia
no nitandremana izany Paska izany.
20 Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa
namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany
Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
21 Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa
mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio
izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho;
koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
22 Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody
olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin'i Neko, izay
nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin'ny
lohasahan'i Megido.
23 Ary ny mpandefa tsiṕka nahavoa an'i Josia mpanjaka;
dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
24 Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany
izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema;
dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema
rehetra dia nisaona an'i Josia.
25 Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary
ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany,
raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary,
indro, efa voasoratra ao amin'ny fihirana fisaonana izany.
26 Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony,
araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,
27 dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
*
1 [Ny nanjakan'i Joahaza sy Joiakima sy Joiakina ary
Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny nitondrana ny olona ho babo
tany Babylona] Ary ny vahoaka naka an'i Joahaza, zanak'i Josia, ka nampanjaka
azy tany Jerosalema handimby an-drainy.
2 Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka,
ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.
3 Ary nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tany Jerosalema izy,
sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny
fanjakana.
4 Ary ny mpanjakan'i Egypta nampanjaka an'i Eliakima,
rahalahin'i Joahaza, tamin'ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe
Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.
*
5 Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao
nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy.
6 Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia niakatra
namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra varahina mba hitondra azy ho any
Babylona.
7 Ary ny fanaka sasany tao an-tranon'i Jehovah dia
nentin'i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin'ny tempoliny
tany Babylona.
8 Ary ny tantaran'i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana
nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka
nandimby azy.
*
9 Valo* taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo
volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah izy. [Na: Valo ambin'ny folo, izahao 2 Mpan. xxiv. 8]
10 Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara
mpanjaka ka nitondra azy mbamin'ny fanaka tsara tao an-tranon'i Jehovah ho any
Babylona, dia nampanjaka an'i Zedekia rahalahin-drainy* tamin'ny Joda sy
Jerosalema izy.[Heb. rahalahiny]
*
11 Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao
nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
12 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny
izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny
tenin'Andriamanitra.
13 Ary nikomy tamin'i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana
azy tamin'Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony
izy mba tsy hiverina ho amin'Andriamanitry ny Isiraely.
14 Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka
koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny
jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
15 Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra
teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka
naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.
16 Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny
sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny
fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
17 Koa nentiny namely azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay
namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy
namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy
rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
18 Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na
ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah ary ny rakitry
ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona
avokoa.
19 Dia nodorany koa ny tranon'Andriamanitra, ary noravany
ny mandan'i Jerosalema; ny lapan'andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin'ny
afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.
20 Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho
babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan'ny
mpanjakan'i Persia,
21 hanatanterahana ny tenin'i Jehovah nampilaza.na an'i
Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay
nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra* ny Sabatany
mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.[Izaho Lev xxvi. 34]
*
22 [Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody ho
any an-tanindrazana] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy,
mpanjakan'i Perisa, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy mpanjakan'i
Persia. mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka
dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa
izany hoe:
23 Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny
fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra,
ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda.
Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy,
fa aoka hiakatra izy.