[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Hagay
Accès direct aux chapitres d’Aggée : 1, 2
1 [Famporisihana ny olona hanao ny tempoly] Tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i
Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany
tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin'i Josoa,
zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena
ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i
Jehovah.
3 Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany
nanao hoe:
4 Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny
tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
5 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny
lalanareo.
6 Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana
ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa
tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo
loaka.
7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny
lalanareo.
8 Miakara any an-tendrombohitra*, ka makà hazo, ary
ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy
Jehovah.[Na: amin'ny tany havoana]
9 Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony
notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa
rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
10 Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan'ny
lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany tsy hahavokatra.
11 Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny
tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry
ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra efa nisasaran'ny
tanana.
12 Ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i
Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka, dia nihaino ny
feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan'i
Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona.
13 Ary nambaran'i Hagay, irak'i Jehovah, ny teny
nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy
Jehovah.
14 Dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Zerobabela,
zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin'i Josoa, zanak'i Jozadaka
mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka; ary dia avy izy ka
nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny,
15 tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana
fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.
*
1 [Ny voninahitry ny tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho
azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro fahiraika amby roa -polo tamin'ny
volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany
nanao hoe:
2 Lazao amin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora
any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa
amin'ny vahoaka hoe:
3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity
tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa
tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
4 Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah;
ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo
vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro,
5 araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka
avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany;
koa aza matahotra ianareo.
6 Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray
maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary
ny ranomasina sy ny tany maina;
7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy
izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro.
8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
9 Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe
noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity
no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
10 Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana
fahasivy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i
Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
11 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha maka
hevitra amin'ny mpisorona hoe:
12 Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany,
ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny
diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly
ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
13 Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika
ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho
tonga maloto ireo.
14 Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako
ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka
izany koa ny asan'ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.
15 Koa masìna ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio
izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin'ny
tempolin'i Jehovah;
16 fony tamin'izany andro izany raha nisy nankamin'ny
vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin'ny vata fanantazana
ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny famarana, dia roa-polo ihany.
17 Ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra
no namelezako anareo tamin'ny asan'ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina
tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
18 Masìna ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio
izao no ho mankary, dia hatramin'ny andro fahefatra amby roa-polo amin'ny
volana fahasivy, eny, hevero hatramin'ny andro nanorenana ny tempolin'i
Jehovah.
19 Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia
ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy
mbola mamoa; hatramin'izao andro anio izao no hitahiako anareo.
20 Ary tonga fanindroany tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah
tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe:
21 Lazao amin'i Zerobabela, governora any Joda, hoe:
Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
22 dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary
hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny
mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy
ny mpitaingina azy.
23 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah,
ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.