[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Zakaria
Accès direct aux chapitres de Zacharie : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14
1 [Fitarihan-teny] Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny
taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i
Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:
2 Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah.
3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba
hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany
fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo
ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino
Ahy, hoy Jehovah.
5 Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany -
moa velona mandrakizay va ireny?
6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany
mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao
hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny
alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
7 [Fahitana voalohany: ny amin'ny mpitaingin-tsoavaly eny
amin'ny rotra] Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika
ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa
dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i
Jehovah nanao,hoe:
8 Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy
nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra* teny an-dohasaha*, ary
teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. [*myrta][**Na: amin'ny
alokaloka]
9 Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay
anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.
10 Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra* dia
namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. [myrta]
11 Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny
amin'ny rotra* ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary,
indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]
12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah,
Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy
amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
13 Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay
anjely niresaka tamiko.
14 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe:
Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia
saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.
15 Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana;
satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16 Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto
Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah
hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
1 [Fahitana faharoa: ny amin'ny tandroka efatra sy ny
mpiasa efatra] Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka
efatra.
2 Ary hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona
moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny
Isiraely ary Jerosalema.
3 Ary dia nanehoan'i Jehovah mpiasa efatra aho.
4 Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao
hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha;
fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny
firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin'ny tanin'ny Joda hanely azy.
5 [Fahitana fahatelo: ny amin-dralehilahy nitondra
famolaina] Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana
kofehy famolaina eny an-tànany.
6 Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko:
Handrefy an'i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
7 Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary
nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
8 ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin'io
zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny
hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
9 Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary
ho voninahitra ao afovoany.
10 He! he! mandosira avy any amin'ny tany avaratra, hoy
Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.
11 He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao
Babylona zanakavavy.
12 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro:
Hampiseho* voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo
anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. [Heb.
aorian'ny]
13 Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka
hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro,
no naniraka ahy.
14 Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro,
avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.
15 Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah
amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho
fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
16 Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny
tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
17 Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa
nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.
*
1 [Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo
anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa
mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana
nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
2 Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie
Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra
anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity?
3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo
anoloan'Ilay Anjely.
4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo
anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro,
efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo
an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary
Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
6 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina
tamin'i Josoa hoe:
7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro:
Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara
ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo
mitsangana ireo ianao.
8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao
sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa,
indro, ho entiko Rantsana* Mpanompoko. [Na: solofo]
9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo
anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito*; indro, hosoratako ny
sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny
helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]
10 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy
ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.
*
1 [Fahitana fahadimy: ny amin'ny fanaovan-jiro,
sy ny hazo oliva roa] Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy
toy ny olona fohazina amin-tory.
2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho:
Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony
dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy
fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo
an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
4 Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao
hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao
tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i
Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny
Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro .
7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany
lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao*; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao
tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na:
ry tendrombohitra lehibe eo anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]
8 Dia tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano
ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny
maro, no naniraka ahy ho aminao.
10 Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly
mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i
Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra
11 Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo
hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo
sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena
avy ao aminy ireo?
13 Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.
14 Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay
mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.
*
1 [Fahitana fahenina: ny amin ilay horonan-taratasy
manidina, sy ravehivavy ao anatin'ny vata famarana] Dia natopiko indray ny
masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
2 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia
hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary
folo hakiho ny sakany.
3 Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho
eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka
izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
4 Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay
mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy
mbamin'ny hazony sy ny vatony.
5 Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka
nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
6 Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata
famarana* 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany
rehetra [Heb. efaha]
7 (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory
naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana*.
[Heb. efaha]
8 Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia
natontany tao anatin'ny vata famarana* io; ary natontany teo am-bavan'io ny
vato firaka. [Heb. efaha]
9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo,
nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny
elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny
vata famarana.7
10 Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho
aiza no itondran'ireto ny vata famarana*. [Heb. efaha]
11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny
tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.
*
1 [Fahitana fahafito: ny amin'ny kalesy efatra] Ary
natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy
teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo
tendrombohitra ireo.
2 Tamin'ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena;
tamin'ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
3 tamin'ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary
tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena*. [na: sada sady matanjaka]
4 Dia nanontany tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho ka
nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no
rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan'ny
Tompon'ny tany. rehetra.
6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany
avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny
tany atsimo.
7 Ary ny mena* dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny
amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka
dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy. [na: matanjaka]
8 Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe:
Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko
tany amin'ny tany avaratra.
9 [Ny satro-boninahitra teo an-dohan'i Josoa] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
10 Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia
ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao
an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany
Babylona izy,
11 eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy
satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i Josoa, zanak'i Jozadaka,
mpisoronabe;
12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana*; ary hitsimoka eo
am-pitoerany ihany Izy** sady hanao ny tempolin'i Jehovah. [*na: solofo] [**na:
ary hisy hitsimoka eo ambaniny]
13 Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no
hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary
ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy*; ary hisy fisainam-pihavanana
amin'izy roroa. [na: ary hisy mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany]
14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema sy Tobia
sy Jedaia ary Hena, zanak'i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin'ny tempolin'i
Jehovah.
15 Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny
tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no
naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i
Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
* *
1 [Valin'ny fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny
andro fifadiana, ary filazana ny loza hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola
hitahiany azy] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no
nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra
tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);
2 ary Betela efa naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka
sy ny olony* hifona amin'i Jehovah [na: ary ny any Betela, dia Serezera... efa
naniraka]
3 ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah,
Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va
aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela?
4 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro,
nanao hoe:
5 Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny
mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny
fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
6 Ary raha mihinana sy misotro ianareo. moa tsy mihinana
sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va ianareo*? [na: moa tsy ianareo ihany va
no mihinana sy misotro]
7 Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah
nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay
Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo
sy ny tany lemaka amoron-tsiraka*? [na: sefela]
8 Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova
fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny
avy;
10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na
ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny
rahalahinareo ianareo.
11 Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny
sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
12 Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba
tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah,
Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana
mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,
13 Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho
toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;
14 fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny
firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao
aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany
mahafinaritra ho tany lao izy.
1 Ary tonga ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao
hoe:
2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro
dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy
Aho.
3 Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona
Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny
fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe
Tendrombohitra masina.
4 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy
lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy
hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
5 ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno
ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.
6 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro:
Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro
izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro:
Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany
andrefana Aho;
8 ary hitondra azy Aho, ka honina any
Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin'ny
fahamarinana sy ny fahitsiana.
9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro:
Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao
avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny
fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
10 Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy
valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy;
ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa
nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra.
11 Fa amin'izay kosa dia tsy ho toy ny tamin'ny
fahiny intsony amin'ny sisa amin'ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro.
12 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka
hamoa*, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny
sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. [na: fa hamoa ny voankazo izay vanona amin'ny fiadanana, dia ny voaloboka]
13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny
firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no
hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra,
fa aoka hatanjaka ny tananareo.
14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny
nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho,
15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an'i
Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro izao: aza matahotra ianareo.
16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina
amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao
am-bavahadinareo;
17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy
ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia
halako, hoy Jehovah.
18 Ary ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga
tamiko nanao hoe:
19 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny
fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy
sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo
dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa
ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
20 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy
firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro ho avy;
21 ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny
anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy
hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha.
22 Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba
hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah.
23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany
andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra
hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka
aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.
*
1 [Ny handravana ny firenena maro, sy ny voninahitra ho
azon'i Ziona kosa] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo
ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny
olombelona* Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - [na: fa mijery an'i
Jehovah ny mason'ny olombelona]
2 Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy
Sidona koa, satria hendry izy.
3 Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy
hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
4 Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa
ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo.
5 Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka
ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy
hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
6 Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary
hofoanako ny reharehan'ny Filistina.
7 Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny
fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho
an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho
toy ny Jebosita.
8 Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny
miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary* tsy hisy mpampahory
handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. [na:
mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy;
Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho
anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky
Dia zana-boriky tanora. [*na: ho atỳ aminao][**heb. voavonjy]
10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony
Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary
hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny
ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny
faran'ny tany. [Eofrata]
11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena
taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
12 Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra
manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko
zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry
Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
14 Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra
ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny
tafio-drivotra any atsimo.
15 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia
hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka
hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana
ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.
16 Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany
andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra
Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.
17 Fa akory ny hasoany! ary akory ny
hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka* ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa
ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]
*
1 Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo
amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana
mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2 Fa ny sampy* niteny zava-poana, Ary ny mpanao
fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa
izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. [heb.
terafima]
3 Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny
fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa
namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo
amin'ny ady.
4 Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao
aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka
fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
5 Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay
manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no
momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny
taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko*, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho
toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. [na:
hamponeniko]
7 Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly
toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i
Jehovah ny fony.
8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa
efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9 Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any
amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy*; Ary samy ho velona izy mbamin'ny
zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any amin'ny firenena aza izy , dia
hahatsiaro Ahy any amin'ny tany lavitra]
10 Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta
Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy
Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
11 Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka
hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny
avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.
12 Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka
ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny hihavian'ny loza, ary ny
hahafoizana ny ondrin'i Jehovah noho ny fandavany Azy, sy ny hanolorana ireny
ho amin'ny mpiandry adala,]Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan'ny
afo ny sederanao
2 Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa
nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any
Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
3 Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa
rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava
ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana [heb. reharehany]
4 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny
ondry izay hovonoina,
5 dia ireo vonoin'ny tompony* nefa tsy ananany heloka**;
ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary
ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy [*na: izay nividy azy][**na: nefa tsy
atao ho meloka ireny]
6 Fa tsy hiantra ny mponina amin'ny tany intsony Aho, hoy
Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan'ny namany
sy samy ho eo an-tanan'ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba
hanafaka amin'ny tànany Aho.
7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry
mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary
ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
8 Ary nandringana ny mpiandry ondry telo* Aho tamin'ny
iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.
[na: telo amin'ireo mpiandry ireo]
9 Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia
aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka
samy hihinana ny nofon'ny namany avy.
10 Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba
hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ny firenena rehetra.
11 Ary tapaka tamin'izany andro izany iny, ka dia
fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin'i Jehovah
izany.
12 Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia
omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny
karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
13 Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin'ny mpanefy
tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely
volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin'ny mpanefy tanimanga tao an-tranon'i
Jehovah.
14 Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana,
hanafoanako ny firahalahian'i Joda sy Isiraely.
15 Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin'ny
mpiandry ondry adala.
16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay
tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na
hiandry izay mbola matanjaka*; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny
ny kitrony. [heb. mijoro tsara]
17 Lozan'ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny
ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa
ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
*
1 [Ny hampaherezana ny Isiraely sy ny hanamasinana azy]
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay
mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny
olona ao anatiny:
2 Indro, Izaho hanao an'i Jerosalema ho kapoaka
mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa
hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.
3 Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato
mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra
mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany.
4 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny
soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny
fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny
soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
5 Ary ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hanao
anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny
maro, Andriamaniny.
6 Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i
Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo
mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina
amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny
fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
7 Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy
hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny
voninahitry ny mponina any Jerosalema.
8 Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina
any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia
ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia
tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.
9 Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny
jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho.
10 Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny
mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy
Izay* nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy
sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.[na: ka hijery ilay]
11 Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any
Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lohasaha Megido.
12 Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy
isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
13 ny fianakavian'ny taranak'i Levy mitokana, ary ny
vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey mitokana, ary ny vadin'ireo
mitokana;
14 ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana,
ary ny vadin'ireo mitokana.
1 Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho
an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy
fahalotoana.
2 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony
ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
3 Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay
niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga
amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia
handefona azy, raha maminany izy.
4 Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo
henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby
hamitahana izy,
5 fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria
nisy nanandevo* ahy, fony aho mbola kely. [na: nividy]
6 Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin*'ny
tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny
sakaizako ireny. [heb. anelanelan']
7 [Ny hanadiovana ny Isiraely, sy ny ho
voninahiny any am-parany] Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny
lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny
ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.
8 Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny
androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao
kosa.
9 Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny
ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako
toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho
hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no
Andriamanitro.
1 Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny
babo aminao hozaraina ao am-povoanao.
2 Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely
an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina
ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka
sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.
3 Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin'ireny
jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin'ny andro fiadiana.
4 Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro
eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny
Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka
hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra,
fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
5 Dia handositra ho any amin*'ny lohasahan'ny
tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra;
eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny
andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny
masina rehetra momba Azy**. [na: hamaky][heb. Anao]
6 Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy
mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
7 fa hisy andro iray, izay fantatr'i Jehovah,
tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.
8 Ary amin'izany andro izany dia hisy rano
velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina
atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny
fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany.
9 Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra;
amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
10 Ho tonga tahaka ny tani-hay* ny tany rehetra
hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy
honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo
amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny
tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. [heb.
Arabà]
11 Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona*
intsony, fa Jerosalema handry fahizay. [heb. herema]
12 Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i
Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony
mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itoerany ny
masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
13 Ary amin'izany andro izany dia hisy
fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy,
sady samy hanainga tanana hifamely.
14 Ary ny Joda koa hamely an'i* Jerosalema, ary
hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary
fitafiana betsaka. [na: hiady any]
15 Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana
hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby
fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany
areti-mandringana izany ihany.
16 Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa
rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona
isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy
hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
17 Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa
amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny
Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra
any aminy.
18 Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra
ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana
izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro
firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
19 Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy
fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro
firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana]
20 Amin'izany andro izany dia hisy ao amin'ny
famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH; ary ny vilany ao
an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo- anoloan'ny alitara.
21 Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy
Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono
zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary
amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita* intsony ao an-tranon'i Jehovah,
Tompon'ny maro. [na: mpandranto]