[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Matio
Accès direct aux chapitres de Matthieu : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28
1 [Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy] Ny filazana ny
razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama.
2 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i
Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;
3 ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara;
ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama*;
4 ary Rama* niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba
niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; [*Gr. Arama]
5 ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary
Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese;
6 ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida
niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;
7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama
niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa*; [*Gr. Asafa]
8 ary Asa* niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka
an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia; [*Gr. Asafa]
9 ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i
Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;
10 ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka
an'i Amona*; ary Amona* niteraka an'i Josia; [*Gr. Amosa]
11 ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy,
tamin'ny nifindrana tany Babylona.
12 Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia
niteraka an'i Sealtiela*; ary Sealtiela* niteraka an'i Zerobabela; [*Gr.
Salatiela]
13 ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda
niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora;
14 ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka
an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;
15 ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara
niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary
Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
17 Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka
hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka
hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary
hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra
ambin'ny folo.
18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao:
Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola
nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy
ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy
anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i
Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony
dia avy amin'ny Fanahy Masina,
21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe
Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy =
Jehovah no Mpamonjy]
22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka
izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona
voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny]
23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy;
Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha
adika: Amintsika Andriamanitra.
24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia
nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary
ny anarany nataony hoe Jesosy.
1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia,
tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy* avy tany atsinanana tonga
tany Jerosalema ka nanao hoe:[*Magy = olon-kendry]
2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny
kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro
izy mbamin'i Jerosalema rehetra.
4 Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny
mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no
hahaterahan'i Kristy?
5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao
no voasoratry ny mpaminany:
6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely
indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no
hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko
(Mik. 5.1).
7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra
fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.
8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe:
Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia
ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9 Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia
lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy
mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.
10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny
Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany
ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra
ary miora.
12 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny
nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho
any amin'ny fonenany.
13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny
Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento
ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any
ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny,
raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;
15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba
hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany
Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).
16 Ary nony efa fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy
izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra
hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina
rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy.
17 Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany
hoe:
18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy
fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy,
satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).
19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo
niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe:
20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia
mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny
Zazakely.
21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny,
dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely.
22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia
nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa
notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany
Galilia.
23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna
atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao
hoe Nazarena Izy.
1 Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao
batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe:
2 Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
3 Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i
Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).
4 Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba
volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia
valala sy tantely remby.
5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra
amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,
6 ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa
niaiky ny fahotany.
7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona
ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro
hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho
rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho
an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo
sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka
hatsipy any anaty afo.
11 Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny
fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra
ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara
ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy
ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.
13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga
teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.
14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony
hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?
15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany
ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.
Ka dia nekeny Izy.
16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo
amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra,
ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo
amboniny.
17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra
nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany
an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na
mpanendrikendrika]
2 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy,
koa nony afaka izany, dia noana.
3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha
Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
4 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy
mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).
5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna
masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,
6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao,
mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao;
Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato
ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy
an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
8 Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany
an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao
tontolo izao mbamin'ny voninahiny,
9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko
Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa
voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no
hotompoinao (Deo. 6. 13).
11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely
tonga ka nanompo Azy.
12 Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia
lasa nankany Galilia Izy.
13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany
Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny
Naftaly, ka nonina tao Izy,
14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany
hoe:
15 Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao
amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny
jentilisa,
16 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita
mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no
niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).
17 Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny
Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i
Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera,
sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko
mpanarato olona ianareo.
20 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka
nanaraka Azy.
21 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona
mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay
niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny
haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay
izy ka nanaraka Azy.
23 Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao
amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary
nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.
24 Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny
olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny
fangirifiriana, dia ny demoniaka* sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny
paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[*Demoniaka = olona nidiran'ny demonia;
izahao Mat.7.22]
25 Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia
sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.
1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo
an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny
fanjakan'ny lanitra.
4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova
ny tany (Sal. 37. 11).
6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa
izy no hovokisana.
7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita
an'Andriamanitra,
9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe
zanak'Andriamanitra.
10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny
fanjakan'ny lanitra.
11 Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny
ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny
valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany
izay talohanareo.
13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no
tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na
inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.
14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo
afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka
azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia
mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.
16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny
fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo
Izay any an-danitra.
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny
mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny
lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera*
iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay
litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo]
19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray
amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia
hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no
mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny
lanitra.
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny
fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono
olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny
fitsarana.
22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra
tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na
zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika
hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy,
dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena]
23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo
amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo
aminao,
24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka
mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa
miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha
mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao
amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka
hatao ao an-tranomaizina ianao.
26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy
ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks.
20. 14).
28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery
vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina* anao,
dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza
ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny
helo.[*Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia
mamandrika no tena dikany]
30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny
iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny
helo.
31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny
vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).
32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra
misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga
azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe:
Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).
34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory
na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;
35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i
Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
36 Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy
na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay
mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy*.[*Na amin'ilay ratsy]
38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary
nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).
39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay
manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao
ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia
avelao ho azy koa ny lambanao.
41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha
maily* iray, mandehana miaraka aminy maily roa.[*Na: kilometatra]
42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza
ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.
43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19.
18), ary mankahalà ny fahavalonao.
44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny
fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra
ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara
fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.
46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no
valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa
va?
47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba
manao toy izany ihany va?
48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy
ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
1 Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny
fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy
manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[*Na: ny
fiantrana]
2 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao,
aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo
amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho
fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,
4 mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny
Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny
mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy
eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa
azony ny valim-pitiany.
6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny
efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny
Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny
mangingina no hamaly anao.
7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro
foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana
azy.
8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo
izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay
any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao
anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
12 Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay
izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa]
13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa
manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny
fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena]
14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba
hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia
tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
16 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny
mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba
ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny
valim-pitiany.
17 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny
lohanao, ary sasao ny tavanao,
18 mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao,
Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina,
no hamaly anao.
19 Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy
kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy
mangalatra.
20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy
misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na
mangalatra.
21 Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
22 Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara
ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny
tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny
halehiben'izany fahamaizinana izany!
24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray
ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray
hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna =
harena]
25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny
amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny
tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va,
ary ny tena noho ny fitafiana?
26 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na
mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any
an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
27 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay
manampy ny andro hiainany* na dia kely monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny
tenany] [** Gr. Hakiho iray]
28 Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo?
Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly
ireny;[*Karazan'ny lilia]
29 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny
voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
30 Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio
ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy
mainka va ianareo, ry kely finoana?
31 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no
hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?
32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa
fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany
rehetra izany.
33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia
hanampy ho anareo izany rehetra izany.
34 Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso
ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro
ny ratsy miseho ao aminy.
1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.
2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo;
ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.
3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny
mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?
4 Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka
aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa, indro, ny andry eo
amin'ny masonao?
5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny
masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo
amin'ny mason'ny rahalahinao.
6 Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo
anoloan'ny kisoa ny vato soanareo*, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka
hamiravira anareo. [*perilanareo]
7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita
ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no
mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
9 Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no
hanome azy vato?
10 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy
menarana?
11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome
zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no
hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?
12 Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny
olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy
mpaminany.
13 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny
vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny
miditra any.
14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany
amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
15 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany
sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia
amboadia* mitoha izy.[*lopa]
16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka
amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo?
17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa
tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.
18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo
ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina
ka hatsipy any anaty afo.
20 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.
21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no
hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay
any an-danitra.
22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe:
Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa
namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro
tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy]
23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba
fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
24 Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko
izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay
nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady
nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy,
satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy.
26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy
mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo
ambonin'ny fasika.
27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady
nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny
fianjerany.
28 Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia
talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,
29 satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy,
fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.
1 Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy
vahoaka betsaka nanaraka Azy.
2 Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka
teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio
ahy.
3 Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka
nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka
tamin'izay izy.
4 Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza
amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin'ny
mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona
amin'ireo.
5 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny
anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao
an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.
7 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy
miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho
sitrana ny ankizilahiko.
9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana
miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia
mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny
andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny
tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita
finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.
11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy
any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka
ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;
12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina
any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
13 Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana;
tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay
ankizilahy.
14 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia
nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo.
15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo;
dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany
aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary
izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
17 mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia
mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4).
18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina
Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
19 Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy
hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.
20 Fa hoy Jesosy taminy : Ny amboahaolo* manan-davaka;
ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay
hipetrahan'ny lohany.[*volpa]
21 Ary nisy hafa koa tamin'ny mpianatra niteny taminy
hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
22 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty
handevina ny maty ao aminy.
23 Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia
nanaraka Azy ny mpianany.
24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga
tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely;
fa Izy natory.
25 Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka
nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra
ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy
ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
27 Ary talanjona ny olona ka nanao hoe:
Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky
Azy!
28 Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny
tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy
teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo
tamin'izany lalana izany.
29 Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa
mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va
Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?
30 Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana
teny lavidavitra azy teny.
31 Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka
nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa
andiany ireo.
32 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka
ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra
nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty
tany anatin'ny rano.
33 Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany
an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.
34 Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna
rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba
hiala amin'ny fari-taniny.
1 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka
tonga tao an-tanànany.
2 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray
mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary
Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa
hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao
anakampo hoe: Miteny ratsy* ity Lehilahy ity. [*Gr.
manao blasfemia, dia miteny ratsy, indrindra fa ny amin'Andriamanitra, na
mihambo hanana izay fomban'Andriamanitra]
4 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe:
Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
5 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela
ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
6 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana
eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny
paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
7 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
8 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka
nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe
Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra*, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy.
Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[*Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc]
10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo,
nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy
mbamin'ny mpianany.
11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny
mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny
mpamory hetra sy ny mpanota?
12 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny
finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe:
Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga
hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
14 Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao
hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao
kosa tsy mba mifady?
15 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny
havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny
andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.
16 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny
tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny
lamba, ka hitatra ny triatra.
17 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra
tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady
ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay
vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
18 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny
mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty
ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia
ho velona izy.
19 Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.
20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary*
roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.
[*Gr. narary nandeha rà]
21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no
ho voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Na: voavonjy]
22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe:
Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana* anao. Dia sitrana**
ilay vehivavy tamin'izay ora izay. *Na: namonjy.[*Na: voavonjy]
23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka
ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa
matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka
nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
26 Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany
tany rehetra izany.
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba
roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i
Davida ô!
28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia
nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao
izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe:
Tongava aminareo araka ny finoanareo.
30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy
namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.
31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia
nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.
32 Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy
lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.
33 Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny
ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao
tamin'ny Isiraely.
34 Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny
demonia no amoahany ny demonia.
35 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra
sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny
fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
36 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia
nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry
tsy misy mpiandry.
37 Dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
38 Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa
amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory
ny vokatra.
1 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny
folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy
hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
2 Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny
folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny;
Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
3 Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory
hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,
4 sy Tadeo; Simona Kananeana* ary Jodasy
Iskariota, ilay namadika Azy. [* Na: Zelota, izahao Lio.6. 15]
5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia
nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa,
ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,
6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny
taranak'isiraely.
7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe:
Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy
ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza
maimaimpoana.
9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao
anatin'ny fehin-kibonareo,
10 na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa,
na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.
11 Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro
tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.
12 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà
ny ao.
13 Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao
aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina
aminareo ny fiadanana voatononareo.
14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny
teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano
ny vovoka amin'ny tongotrareo.
15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny
ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany
tanàna izany.
16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao
ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny
voromailala. [* lopa] [** Gr. aoka ho tsotra]
17 Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa
hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo;
18 ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka
ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.
19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny
amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin
izany ora izany izay holazainareo.
20 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no
miteny ao anatinareo.
21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty,
ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy
ny reniny ka hahafaty azy.
22 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako;
fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
23 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny
olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy
hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny
Zanak'olona.
24 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny
mpanompo noho ny tompony.
25 Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra
azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no
nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
26 Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy
afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao
eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny
tampon-trano.
28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay
mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao
amin'ny helo*.[*Gr. gehena]
29 Tsy varidimiventy* ihany va no vidin'ny tsintsina roa?
nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha
tsy avelan'ny Rainareo.[*Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria]
30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro
ianareo.
32 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo
anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any
an-danitra.
33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana
ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny
zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;
36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no
fahavalony (Mik. 7. 6).
37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny
fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny
zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
38 Ary izay tsy mitondra* ny hazo fijaliany ka
tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.[*Gr. mandray]
39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay
mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary
izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany
izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina,
satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.
42 Ary na zovy na zovy no manome rano
mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo
madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy
ho very ny valim-pitiany.
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny
mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny
any an-tanànan'ny olona.
2 Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny
asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
3 hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa
no andrasantsika?
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana
ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:
5 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny
boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana
ny filazantsara.
6 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
7 Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny
vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra?
Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
8 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa* va? Indro, ny mitafy soa* dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy]
9 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy
Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
10 Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny
irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
11 Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny
vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa
ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.
12 Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka
mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka
maka azy an-keriny.
13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany
hatramin'i Jaona.
14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia
izay ho avy.
15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
16 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity?
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka
manao hoe:
17 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy
ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.
18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny
olona: Manana demonia izy.
19 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy
ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny
mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny
zanany)]
20 Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay
nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao
hoe:
21 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha
mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho
efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
22 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i
Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
23 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany
an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha
mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra
ambaraka androany izy.
24 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny
tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
25 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao
hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao
tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny
zaza madinika.
26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy
misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny
Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
28 Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa
fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
29 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy
sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo
ianareo.
30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
1 Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny
tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia
nihinana.
2 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy:
Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.
3 Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny
milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
4 Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka
nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
5 Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa
amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy
manan-tsiny?
6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny
tempoly.
7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe:
Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba
nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
8 Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
9 Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny
synagoga;
10 ary, indro, nisy lehilahy maty* tanana teo. Ary ny
olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany
Azy.[*Gr. efa maina, na malazo]
11 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha
manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray
azy sy hampakatra azy?
12 Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona?
Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
13 Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao.
Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
14 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba
hahafaty Azy.
15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy
olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany
hoe:
18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay
sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny
amin'ny jentilisa Izy;
19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy
hisy handre ny feony any an-dalana;
20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy
hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
21 Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa
(Isa. 42:1-4).
22 Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy
anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny
sy nahita ilay moana.
23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao
hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
24 Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy:
Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.
25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao
taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy
haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
26 Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia
miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?
27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia,
iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho
mpitsara anareo.
28 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny
demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
29 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny
mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba
ny ao an-tranony izy.
30 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy
miara-mamory amiko dia manahaka.
31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo
famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa
tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy
Masina.[*Gr.blasfemia,izahao 9. 3]
32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny
Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny
hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao
fiainana izao, na amin'ny ho avy.
33 Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy
ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
34 Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy
fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po
no itenenan'ny vava.
35 Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy
zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy
zavatra ratsy.
36 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny
andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
37 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no
hanamelohana anao.
38 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy
ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy
aminao izahay.
39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka
ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy
famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
40 fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy
hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny
Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
41 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity
taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy
tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
42 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana
amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany
amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy
lehibe noho Solomona eto.
43 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia
mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
44 Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako
aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no
voavoatra.
45 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa
miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny
faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
46 Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka
Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady
hiteny aminy.
47 Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo,
ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
48 Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza
taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
49 Ary naninjitra ny tànany nanondro ny
mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;
50 Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny
Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
1 Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy
tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.
2 Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy,
dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia
teny amoron-dranomasina.
3 Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny
fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;
4 ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy
teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.
5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany
marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany
lalina.
6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo
ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo;
ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.
8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany
tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny,
ary ny sasany avy telo-polo heny.
9 Izay manan-tsofina*, aoka izy hihaino. [*Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]
10 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe:
Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no
navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa
tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena]
12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa
izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao
hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery
mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
15 Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa
lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony,
Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy
Aho. (Isa. 6. 9, 10).
16 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo,
fa mandre.
17 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy
ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry
handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.
18 Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny
mpamafy:
19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy
mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany
no ilay nafafy teny amoron-dalana.
20 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony
vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana;
21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra
vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia
malaky tafintohina izy.
22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny
teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny
teny, ka dia tsy mamoa izy.
23 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay
mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato
heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe:
Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara
tany an-tanimbariny;
25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka
namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.
26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa
ny tsimparifary.
27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe:
Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa
ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:
28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao
taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny
tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny
fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha
ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any
an-tsompitro.
31 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe:
Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny
tany an-tsahany;
32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry,
dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao
amin'ny rantsany.
33 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny
fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray
ka nataony* tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira
azy rehetra. [*Gr. nafeniny]
34 Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra
izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny
fanoharana,
35 mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay
nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).
36 Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao
an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny
hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.
37 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara
dia ny Zanak'olona;
38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia
ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy;
39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny
fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.
40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana
azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.
41 Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia
hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra
mbamin'izay manao meloka,
42 dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra
afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
43 Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny
masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina*, aoka izy hihaino.
[*Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]
44 Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena
nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny
hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy
izany saha izany.
45 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny
mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa*;[*Gr.perila]
46 ary rehefa nahita vato soa* iray saro-bidy izy, dia
lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[*Gr. perila]
47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny
harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa
karazana rehetra;
48 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety,
dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy
nariany.
49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao
tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny
marina,
50 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe
mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
51 Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy:
Eny.
52 Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny
mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia
samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy
ela.
53 Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia
niala teo Izy.
54 Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia
nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe:
Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
55 Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria
va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy
Simona ary Jodasy va no rahalahiny?
56 Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika
avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?
57 Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy
taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny
mpianakaviny ihany.
58 Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho
ny tsi-finoan'ireo.
1 Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka
nandre ny lazan'i Jesosy,
2 ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona
Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery
hanao izany asa lehibe izany.
3 Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia
namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy,
vadin'i Filipo rahalahiny.
4 Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha
manambady azy.
5 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny
vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.
6 Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i
Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i
Heroda.
7 Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay
hangatahiny na inona na inona.
8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao
hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
9 Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy
ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba
homena izany.
10 Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao
an-tranomaizina izy.
11 Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay
zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
12 Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina
azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i Jesosy.
13 Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana
an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre
izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety*
nanaraka Azy.[*Na: nandeha tongotra]
14 Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka,
ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny
mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny
vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.
16 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy;
omeonareo hanina izy.
17 Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay,
afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
18 Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
19 Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny
vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny
lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra,
ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
20 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary
nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny
folo.
21 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy,
afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
22 Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra
hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita
mandra-pandràvany ny vahoaka.
23 Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao
an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia
nitoetra irery teo Izy.
24 Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely
tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra.
25 Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia
nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.
26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny
ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia
niantso izy noho ny tahotra.
27 Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe:
Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
28 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha
Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.
29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny
sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.
30 Fa raha nahita ny rivotra* izy, dia natahotra, ary
raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![* Na: (rivotra
mahery)]
31 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy,
dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana
ianao?
32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia
nitsahatra ny rivotra.
33 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo
anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.
34 Ary nony tafita izy, dia tonga teo
an-tanety, any Genesareta.
35 Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany
teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny
marary rehetra ho eo aminy.
36 Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy
hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no
nanendry dia sitrana tokoa.
1 Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny
mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry
ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa
ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra
anareo?
4 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny
reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny
reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
5 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no
hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay
rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
6 Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny
fampianarana voatolotra anareo.
7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia
anareo hoe:
8 Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony
kosa lavitra Ahy.
9 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny
didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).
10 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao
taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
11 tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa
izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona.
12 Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe:
Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
13 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay
tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
14 Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny
jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
15 Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao
aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.
16 Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy
mahafantatra ihany?
17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra
amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?
18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia
avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy,
dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny
ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana
amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny
fari-tanin'i Tyro sy Sidona.
22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray
nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko,
Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
23 Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny
mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato
aoriantsika.
24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina
Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka
teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha
maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
27 Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa
na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny
latabatry ny tompony ihany.
28 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe:
Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana
ny zananivavy tamin'izay ora izay.
29 Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany
amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka
nipetraka teo;
30 ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy
nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa,
ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
31 ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny
moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra;
dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.
32 Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy
ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ
amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy
mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
33 Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no
hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
34 Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any
aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
35 Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka
amin'ny tany.
36 Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny
hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny
mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
37 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky;
ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
38 Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy,
afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
39 Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia
niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.
1 Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy,
dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any
an-danitra.
2 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony
hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
3 Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro,
fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny
lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia
fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny
famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
5 Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia
nanadino hitondra mofo izy.
6 Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo,
fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
7 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy
nitondrantsika mofo angaha izany.
8 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana
ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
9 Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo
va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
10 na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky
moa no nangoninareo?
11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo
no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy
ny Sadoseo.
12 Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao
azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy
ny Sadoseo.
13 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i
Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny
olona ho iza moa ny Zanak'olona*?[*Na: (Aho)]
14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary
hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny
mpaminany.
15 Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho
iza?
16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no
Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao,
ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay
any an-danitra.
18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary
ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny
fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. [*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr.
eklesia] [***Gr. Hadesy]
19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka
na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra;
ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any
an-danitra.
20 Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy
hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy.
21 Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa
tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny
mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro
fahatelo.
22 Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy
Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe:
Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy
misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
24 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona
ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka
hanaraka Ahy.
25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery
azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao
tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny
ainy?
27 Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy,
mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay
tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny
fanjakany.
1 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy
Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra
avo mba hitokana.
2 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany
namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny
mazava.
3 Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia,
niresaka tamin'i Jesosy.
4 Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko,
tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto:
ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i
Elia.
5 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava
nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity
no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka
sady natahotra indrindra.
7 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe;
Mitsangàna, fa aza matahotra.
8 Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona,
afa-tsy Jesosy irery ihany.
9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia
nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana,
mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10 Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana
ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
11 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka
hampody ny zavatra rehetra.
12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny
olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka
izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.
13 Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no
nolazainy taminy.
14 Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy
lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka
nanao hoe:
15 Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa
mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao
amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano.
16 Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay
nahasitrana azy izy.
17 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino
sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no
handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
18 Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny
demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay.
19 Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka
nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
20 Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny
finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra
ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe:
Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
21 * [*Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka
raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)]
22 Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza
tamin'ny mpianany hoe: Ny Zanak'olona efa hatolotra ho eo an-tànan'ny olona
23 ka hovonoiny, nefa amin'ny andro fahatelo dia
hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
24 Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i
Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra
anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely* va?[*Gr. didrakma]
25 Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao
tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe:
Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka
etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy
amin'ny olon-kafa?
26 Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia
hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.
27 Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao
amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany,
ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely* eo ianao; dia raiso
izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
1 Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny
mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny
lanitra?
2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia
nametraka azy teo afovoany
3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy
miova* ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny
fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[*Gr. mitodika]
4 Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely
ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.
5 Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza
tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
6 Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza
amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana
vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina
lalina izy.[*Na: ahodim-boriky]
7 Lozan'izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa
tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan'izay olona mahatonga ny
fahatafintohinana.
8 Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina
anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina
na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa,
nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.
9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala
izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny
fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.
10 Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray
aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any
an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra*.[*Ampio
hoe:]
11 (Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.)
12 Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry
zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny
an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
13 Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo
marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
14 Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any
an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin'ireny madinika ireny.
15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa
any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka
aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra
amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15).
17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao
amin'ny fiangonana*; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana** koa izy, dia
aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. [* Gr. eklesia]
[** Gr. eklesia]
18 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona
fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na
inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
19 Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo
mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka
izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.
20 Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny
anarako, dia ao afovoany Aho.
21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko,
impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito
va?
22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe:
Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo*.[*Na: fito-polo
impito]
23 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny
mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.
24 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina
teo aminy, izay nitrosa talenta* iray alina.[*Anaram-bola; ny talenta volafotsy
dia sekely telo arivo]
25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony
hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny
trosa.
26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao
hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.
27 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka
nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
28 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita
mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria* zato taminy; dia nosamboriny
izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.[*Anaram-bola
tokony ho venty no heviny]
29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy
nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao
an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
31 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao,
dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany
rehetra natao izany.
32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny
hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria
nifona tamiko ianao;
33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo
namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny
mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any
an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy
ianareo.
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala
tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany
amin'ny sisin'i Jodia.
2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana
azy teo Izy.
3 Ary nisy Fariseo nanatona Azy*, dia naka fanahy Azy
hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny
iampangany azy na inona na inona?[*Na: (Ary nanatona Azy ny Fariseo)]
4 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va
ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy
(Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:
5 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny
reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?
6 ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray
ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy
hampisarahin'olona.
7 Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no
nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1).
8 Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo
no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy
izany.
9 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra
ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia
mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
10 Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no
toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady.
11 Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no
mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;
12 fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany
an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy
ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray
izany izay mahay mandray.
13 Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina
teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny
mpianany niteny mafy ireny.
14 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza,
ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.
15 Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia
niala teo.
16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka
nanao hoe: Mpampianatra ô*, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na:
(Mpampianatra tsara ô)]
17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny
amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao,
tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy
iray ihany dia Andriamanitra.)]
18 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy:
Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho
vavolombelona mandainga,
19 Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks.
20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18).
20 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany
efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka
ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra
any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22 Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala
tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be.
23 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo
marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.
24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny
hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena
amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
25 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona
indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?
26 Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny
olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
27 Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay
efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?
28 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa
rehefa mby amin'ny fanavaozana*, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny
voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka
amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa
ambin'ny folo.[*Gr.fiteraham-baovao]
29 Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na
anabavy, na ray, na reny*, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray
zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[*Ampio hoe: (na vady.)]
30 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary
izay farany no ho voalohany.
1 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny
lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any
an-tanim-boalobony.
2 Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho
denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony
ireny.
3 Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia
nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
4 ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo
hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka
dia lasa ireny.
5 Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy
indray izy ka nanao toy izany koa.
6 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika
ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy
taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
7 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona
nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany
amin'ny tanim-boaloboka.
8 Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny
tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa,
ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo
voalohany.
9 Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny
ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
10 Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia
nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
11 Ary rehefa nahazo izany izy, dia
nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:
12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray
monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny
hainandro.
13 Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray
amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa
denaria va no nifanekenao tamiko?
14 Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany
dia tiako homena toraka ny anao koa.
15 Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va
aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary
ny voalohany ho farany.
17 Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema,
dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny
an-dalana hoe:
18 Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary
ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
dia hohelohiny ho faty Izy
19 ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho
fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny
andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
20 Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny
renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka
zavatra taminy.
21 Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy
ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny
anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao,
ao amin'ny fanjakanao.
22 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy
fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa
hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
23 Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny
kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo
an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko
izany no homena.
24 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia
tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.
25 Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao
hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny
lehibeny manapaka azy fatratra.
26 Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe
aminareo dia ho mpanompo anareo;
27 ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho
mpanomponareo.
28 Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba
hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
29 Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka
betsaka nanaraka an'i Jesosy.
30 Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo
amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao
hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
31 Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao
mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i
Davida ô!
32 Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe:
Inona no tianareo hataoko aminareo?
33 Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny
masonay.
34 Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary
nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.
1 Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao
Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka
nanao taminy hoe:
2 Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary
miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo;
vahao izy, dia ento etỳ amiko.
3 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy
raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy.
4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny
mpaminany hoe:
5 Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao
avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa*
(Zak. 9. 9).[*Gr. mitondra zioga]
6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay
nandidian'i Jesosy azy,
7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary
nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
8 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny
lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny
an-dalana koa izany.
9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay
nanaraka dia niantso hoe: Hosana* ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay
avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana* any amin'ny avo indrindra (Sal. 118.
26).[*Hosana = vonjeo re!]
10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy,
dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy
mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
12 Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny
tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo
an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny
fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny
tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho
zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).
14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo
an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
15 Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny
mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso
eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia
tezitra izy
16 ka nanao taminy hoe: Renao va izay
lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao
hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao
fiderana (Sal. 8. 2)?
17 Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna
hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
18 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna
Izy, dia noana.
19 Ary nahita hazo aviavy* anankiray teo
amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo
aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony
mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[*aviavimbazaha]
20 Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga
izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana,
dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny
amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka
mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny
fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
23 Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy
ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao
hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao
fahefana izao?
24 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa
hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia
hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
25 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany
an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina* ka nanao hoe:
Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka
nahoana no tsy nino azy ianareo?[*Na:nieritreritra]
26 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona,
dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.
27 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy
fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana
anaovako izany.
28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana
zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha
miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.
29 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony
afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
30 Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany
koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
31 Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny
rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina
tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny
fanjakan'Andriamanitra.
32 Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny
fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy
janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy
nanenina mba hinoanareo azy.
33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy
tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana
teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany
izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.
34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia
naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra.
35 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny
anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany
vato.
36 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho
ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy
izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia
niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny
lovany.
39 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny
tanim-boaloboka, dia namono azy.
40 Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony
ahoana moa izany mpiasa tany izany?
41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany
izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany
sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy.
42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao
amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no
efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal.
118. 22-23).
43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina
aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny
voany.
44 Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa
na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo*.[*Gr. haely toy ny vovoka]
45 Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny
fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.
46 Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny
vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
1 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray
ka nanao hoe:
2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay
nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.
3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina
mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
4 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe:
Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono
ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa
mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.
5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.
6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra
taminy ka namono azy.
7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny
miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny
tanànany.
8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny
fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
9 Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary
izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.
10 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny
ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana
ny fampakaram-bady.
11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana,
dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny
fampakaram-bady.
12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao
eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia
sina izy.
13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory
ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no
hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
15 Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina
mba hamandrika Azy amin'ny teniny.
16 Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo
aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka
mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba
mizaha tavan'olona.
17 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny
mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
18 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana
no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
19 Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny
hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
20 Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy
soratra ity?
21 Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy
taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra
izay an'Andriamanitra.
22 Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia
nandao Azy ka lasa nandeha.
23 Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i
Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka
nanontany Azy hoe:
24 Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy
maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny
rahalahiny (Deo. 25. 5).
25 Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay;
ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia
navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;
26 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo,
hatramin'ny fahafito.
27 Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
28 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy
fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy
rehetra.
29 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso
hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny
herin'Andriamanitra.
30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy
hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely* any an-danitra
izy.[*Na: (anjelin'Andriamanitra)]
31 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola
novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:
32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka
ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny
velona.
33 Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny
fampianarany.
34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo
Izy, dia niangona.
35 Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna,
nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao
amin'ny lalàna?
37 Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah
Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao
rehetra (Deo. 6. 5).
38 Izany no didy lehibe sady voalohany.
39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava
ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna
rehetra sy ny mpaminany.
41 Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia
nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
42 Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa
Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.
43 Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny
Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
44 Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo
an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao
(Sal. 110. 1)?
45 Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no
maha-zanany Azy?
46 Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza;
ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
1 Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy
tamin'ny mpianany ka nanao hoe:
2 Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
3 koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka
tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy
manao.
4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy
ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety
manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.
5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona;
fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy
ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga
7 sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny
hataon'ny olona hoe: Raby ô!
8 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby
ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy
avokoa.
9 Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho
rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika
ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena
no hasandratra.
13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny
lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo
hiditra*.[*Ampio hoe:]
14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao
vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana
mafimafy kokoa.)
15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo
mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy,
dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
16 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy
mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana
amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.
17 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa
ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy
mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia
haningo-tena izy.
19 Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara
izay mahamasina ny fanatitra?
20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia
mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
21 Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy
mbamin'izay mitoetra ao anatiny.
22 Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny
seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny.
23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny
komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy
ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony
havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo]
24 Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa
atelinareo ny rameva.
25 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao
anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny
lovia, mba ho madio koa ny vohony.
27 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay
miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty
mbamin'ny fahalotoana rehetra.
28 Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany
dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno
fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
29 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy
haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,
30 ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay
izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
31 Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak'izay namono ny
mpaminany.
32 Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.
33 Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana
no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo?
34 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy
olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany
hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany
hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-
35 mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka
tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria,
zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.
36 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity
izany rehetra izany.
37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany
sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao,
tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
38 Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy
tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i
Jehovah.
1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia
lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va
ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato
hifanongoa eto ka tsy horavana. [*Na:Tsy hitanareo izany rehetra izany]
3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia
nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro
hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny
fahataperan'izao tontolo izao.
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema,
fandrao hisy hamitaka anareo.
5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no
Kristy, ka maro no ho voafitany.
6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema,
aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy
fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny
tany samy hafa.
8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr.
faharariam-piterahana; izahao 19. 28]
9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka
hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro,
ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana
ka hamitaka ny maro.
12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna
dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.
13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity
filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia
vao ho tonga ny farany.
15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana
masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany
(Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany),
16 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any
an-tendrombohitra;
17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao
an-tranony;
18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka
ny lambany.
19 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono
amin'ireo andro ireo!
20 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho
amin'ny Sabata no handosiranareo.
21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe,
izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka
ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia
tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro
izany.
23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na:
Indro, ar ; aza mino ianareo.
24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana
ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny
olom-boafidy aza dia hofitahiny.
25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany.
26 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro,
any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza
mino.
27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita
hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
28 Fa izay itoeran'ny faty, dia any no
hiangonan'ny voromahery.
29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo
andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny
kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.
30 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo
amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena
rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra
lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.
31 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra
dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny
vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra]
32 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny
aviavy:* Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa
akaiky ny lohataona.[*aviavimbazaha]
33 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao
hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo
am-baravarana Izy*.[*Na: izany]
34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho
lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba
ho levona.
36 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy
mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny
Ray ihany.
37 Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny
fihavian'ny Zanak'olona.
38 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny
Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny
ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara,
39 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay
nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
40 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha;
ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
41 Ary hisy roa vavy manodina ny
fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
42 Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy
fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.
43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry
ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia
ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy
ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.
45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay
notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny
fotoana?
46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka
hahita azy manao izany.
47 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka
ny fananany rehetra izy.
48 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy
izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
49 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy
misotro amin'ny mpimamo,
50 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny
andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,
51 dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny
mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[*Na:
hokapohiny mafy]
1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny
virijina folo, izay nitondra ny fanalany* ka nivoaka hitsena ny
mpampakatra.[*Na: fanilony]
2 Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa
hendry.
3 Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra
solika fitaiza;[*Na: fanilony]
4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny
fitondrany sy ny fanalany*.[*Na: fanilony]
5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy
rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny
mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny
fanalany*.[*Na: fanilony]
8 Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny
solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay*.[*Na: fanilonay]
9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay
sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho
anareo.
10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra,
ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary
dia narindrina ny varavarana.
11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina
teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy
fantatro ianareo.
13 Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na
ny andro na ny ora.
14 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa
handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny
fananany:
15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray
roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha
izy.
16 Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny
talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa
izy.
17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia
nahazo roa ho tombony.
18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady
ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo
mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta
dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no
natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry
mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho
mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara
sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny
talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo
tombony talenta roa koa aho.
23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry
mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho
mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara
sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny
talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao,
mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy
nanahafanao;
25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny
talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe:
Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy
namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny
mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny
talenta folo.
29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa
izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30 Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany
ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
31 Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny
voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianan'ny voninahiny Izy;
32 ary ny firenena rehetra hangonina eo
anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry
amin'ny osy*;[*Gr: zanak'osy]
33 ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany
Izy, fa ny osy* eo amin'ny ankaviany.
34 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza
amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko,
mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo
izao;
35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho
dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho,
dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.
37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko,
oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka
nampisotroinay?
38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka
nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina,
ka novangianay?
40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko
aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto
rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany
kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra
mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta
Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy
nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho,
fa tsy mba novangianareo.
44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no
hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na
narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo
marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely
indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana
mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia
nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:
2 Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny
Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
3 Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny
loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
4 Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny
fitaka ka hamono Azy;
5 kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana,
fandrao hisy tabataba amin'ny olona.
6 Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i
Simona boka,
7 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray
nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny
tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
8 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao
hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?
9 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
10 Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy
taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony
tamiko.
11 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho
tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
12 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany
tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
13 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza
amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa
izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
14 Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao
hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona
15 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy
aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
16 Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany
mamadika Azy.
17 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy
misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no
tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
18 Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any
amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny
fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
19 Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy
nataony ka namboatra ny Paska.
20 Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy
mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy*.[*Na: (mbamin'ny roa ambin'ny folo
lahy)]
21 Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko
aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
22 Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany
Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
23 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny
tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.
24 Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana
Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho
an'izany olona izany raha tsy ary akory.
25 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao
hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
26 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy,
ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy:
Raiso, hano, ity no tenako.
27 Ary nandray kapoaka* Izy, ka nony efa nisaotra, dia
natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[* Na: (ny kapoaka)]
28 fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena*, izay
alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.[*Na: (ny fanekena vaovao)]
29 Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba
hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro
hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
30 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany
amin'ny tendrombohitra Oliva.
31 Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo
rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely
ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).
32 Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any
Galilia.
33 Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho
tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina
mandrakizay.
34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio
alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
35 Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy
mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
36 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny
saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto
aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
37 Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i
Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
38 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko,
toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
39 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka
nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity;
nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
40 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory,
dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia
ora iray ihany aza ianareo!
41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo
amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô,
raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no
hatao.
43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa
efa nilondolondo ny masony.
44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka
fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
45 Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe:
Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo*; indro, efa akaiky ny ora,
ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[*Na: Mbola matory ihany va
ianareo ka miala sasatra?]
46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay
mamadika Ahy.
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay
isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy,
nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
48 Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka
nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
49 Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka
nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
50 Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay
nalehanao eto*. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana
Azy.[*Na: haninona eto ianao?]
51 Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy
naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny
mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
52 Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny
sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.
53 Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko
Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko
Izy ankehitriny?
54 Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny
Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
55 Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka
Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy
ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo
an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
56 Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka
izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra
rehetra ka nandositra.
57 Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy
ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny
loholona.
58 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany
amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka
tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
59 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra
nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;
60 fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona
mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa
lahy tonga teo, izay nanao hoe:
61 Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny
tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.
62 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao
tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto
Anao?
63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny
mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay,
raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
64 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa,
lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo
amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
65 Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia
nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy* Izy; ahoana no mbola
ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy*
izao.[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
66 Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka
nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
67 Dia nororany ny tavany, ka nasiany
totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
68 ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy,
iza no namely Anao?
69 Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo
an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa
nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.
70 Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka
nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
71 Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia
nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa
nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
72 Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka
nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
73 Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay
nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa
ny fiteninao miampanga anao.
74 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao
hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho
naneno.
75 Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy,
izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo
ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
1 Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny
mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany
Azy.
2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka
natolony an'i Pilato governora.
3 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa
nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo
tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
4 ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa
hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
5 Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia
niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
6 Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe:
Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
7 Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny
mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
8 Koa izany no anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka
androany hoe Sahan-drà.
9 Ary tamin'izany dia tanteraka izay nampilazaina an'i
Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin'ilay
notombanana*, dia ilay notombanan'ny Zanak'Isiraely,[*Na: Nohajaina]
10 ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany izany,
araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy (Jer. 18. 2; Zak. 11. 13).
11 Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary
ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia
hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
12 Ary raha nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny
loholona Izy, dia tsy namaly akory.
13 dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro
iampangany Anao izany?
14 Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza,
ka dia gaga indrindra ny governora.
15 Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia
fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka
izay tiany.
16 Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe
Barabasy.
17 Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato
taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao
hoe Kristy?
18 Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.
19 Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny
vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona
amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy
any naraina.
20 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona
ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.
21 Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa
amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
22 Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko
amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana
amin'ny hazo fijaliana Izy.
23 Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa
vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo
fijaliana Izy!
24 Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy,
fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa
tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy
marina ity aho, fa asa anareo.
25 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny
ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.
26 Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa
Jesosy nasainy nokapohina*, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo
fijaliana.[*Gr. dia nokapohiny; ny teny Grika milaza ny nokapohina tamin'ny
fikapohana hoditra lehibe nisy varahina]
27 Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i
Jesosy ho ao anati-rova* sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo
aminy.[*Gr. pretoria]
28 Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba
jaky izy.
29 Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny
lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo
anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
30 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka
nokapohiny ny lohany.
31 Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba
taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba
hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
32 Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana
anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
33 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgota
izy, izany hoe Ikarandoha,
34 dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony
nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
35 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia
nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
36 Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
37 Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza
ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.
38 Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazo
fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny
anankiray teo amin'ny ankaviany.
39 Ary izay nandalo dia niteny ratsy* Azy, sady
nihifikifi-doha[*Gr. nanao blasfemia; izahao 9. 3]
40 ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana
azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao,
midina hiala amin'ny hazo fijaliana.
41 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona
mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
42 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena.
Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy
ankehitriny, dia hino Azy izahay;
43 natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy
ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy:
Zanak'Andriamanitra Aho.
44 Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka
nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.
45 Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora
fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
46 Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso
tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe:
Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22.
1).
47 Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre
izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio.
48 Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia
nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra
izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.
49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na
ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
50 Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy,
dia nanolotra ny fanahiny.
51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia
triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka
nitresaka ny vatolampy;
52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona
masina izay efa nodi-mandry no natsangana,
53 ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian*'ny
nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny
maro.[*Na:ary taorin',etc]
54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i
Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia
raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io
Lehilahy io.
55 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay
nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
56 Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy
Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.
57 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy
manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy
koa dia mpianatr'i Jesosy.
58 Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka
nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.
59 Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny
hariry madinika madio,
60 dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa
nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny
varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.
61 Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka
nipetraka tandrifin'ny fasana.
62 Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory
nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo
63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny,
fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
64 Koa asaovy hambenana mafy ny fasana
mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy,
dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy
ny fitaka farany noho ny voalohany.
65 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary
ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
66 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina
mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny
andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy
ilay Maria anankiray.
2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny
Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia
nipetraka teo amboniny.
3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny
fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka
tonga tahaka ny maty.
5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe:
Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo
fijaliana, no tadiavinareo.
6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy.
Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.
7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa
efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia
Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady
natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.
9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe:
Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo
anatrehany.
10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka
asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina
sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra
rehetra izay vao niseho.
12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia
niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina
ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;
14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay
dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny
azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.
16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany
Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.
17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany
niahanahana.
18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe:
Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny
firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny
Fanahy Masina
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra
nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva
ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.