[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Marka
Accès direct aux chapitres de Marc : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16
1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy,
Zanak'Andriamanitra.
2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany* hoe:
Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany]
3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any
an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany
(Isa 40. 3),
4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany
an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.
5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia
rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny
ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary
fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely
remby.
7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako
Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza
aho.
8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy
kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
9 Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta
any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.
10 Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia
hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka
nankeo amboniny.
11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
12 Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin*'ny
Fanahy ho any an-efitra Izy.[*Gr. noroahin']
13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka
nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo
Azy.
14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany
Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra
15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa
akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
16 Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i
Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo
amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
17 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy
ka nanaraka Azy.
19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita
an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa
namboatra ny haratony.
20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary
izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona
nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony
tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka
nampianatra.
22 Dia talanjona ny olona tamin'ny
fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy
mba tahaka ny mpanora-dalàna.
23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo
amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy
Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao?
Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao
ka mivoaha aminy.
26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny
tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.
27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao
ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny
fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny
tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.
29 Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny
synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy
Jaona.
30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny
tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina
azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro,
dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo
anoloan'ny varavarana avokoa.
34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina
samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia,
satria nahafantatra Azy ireny.
35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany
an-tany foana ka nivavaka tany.
36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny
namany.
37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny
olona rehetra mitady Anao.
38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany
amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39 Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny
synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.
40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina
taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao,
dia mahay manadio ahy.
41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny
tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
42 Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny
habokany, ka dia nadio izy.
43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia
nampandeha azy niaraka tamin'izay
44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy
hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny
mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho
vavolombelona amin'ireo.
45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy
nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao
an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia
nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy,
rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy
hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny
taminy.
3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray
mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.
4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho
ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy,
ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay
nararin'ny paralysisa.
5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia
nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo
ka nieritreritra tao am-pony hoe:
7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny
ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr.
manao blasfemia, izahao Mat.9.3]
8 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala
tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy:
Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay
mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna,
betao ny fandrianao, ka mandehana?
10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona
manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao
(hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):
11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia
any an-tranonao.
12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany
niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy
rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao
izahay.
13 Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina
indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
14 Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy,
zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra*; ka hoy Izy taminy: Manaraha
Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.[*Izahao Mat. 9.9]
15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony
Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana
tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
16 Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny
Fariseo*, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny
mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro
amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy![*Na:Ary ny Mpanora-dalàna sy ny
Fariseo]
17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao
taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga
hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
18 Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady
hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny
mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao
kosa tsy mba mifady?
19 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady
va ny havan'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola
ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.
20 Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra
hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany hifady izy.
21 Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy
mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia
handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao
anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny
hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao
no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
23 Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny
Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro,
nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata?
25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va
ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay
nanaraka azy,
26 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra
tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay
mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa
izay nanaraka azy?
27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa
tsy ny olona ho an'ny Sabata.
28 ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.
1 Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy: ary
nisy lehilahy anankiray maty* tanana teo.[*Gr. efa maina, na malazo]
2 Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io
amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
3 Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tanana:
Mitsangàna etsy afovoany.
4 Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao
amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny
mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
5 Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady
nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny
tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia
niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.
7 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany
amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy
olona maro koa avy tany Jodia
8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary
tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia
nankeo aminy.
9 Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely
hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety
taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina*.[*Gr. kapoka]
11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka
teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.
12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana
Azy.
13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso
izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy
hirahiny hitori-teny
15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
17 ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i
Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe
Zana-baratra;
18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy
sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana*[*Na: Zelota, izahao
Lio.6.15]
19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
20 Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona
indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
21 Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka
hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
22 Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany
Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny
demonia no amoahany ny demonia.
23 Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy,
dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?
24 Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia
tsy haharitra izany fanjakana izany.
25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano,
dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka
miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny
mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao
robainy ny ao an-tranony.
28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka
ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy* rehetra izay
ataony;[*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3]
29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy
mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota
mandrakizay izy; izany no nolazainy,
30 satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
31 Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo
ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
32 Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao
taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy
rahalahiko?
34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia
hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
1 Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy;
ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka
nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety
amoron-dranomasina.
2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana
Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:
3 Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny
amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo
ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary
satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny
tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary
raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary
ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka
izy hihaino.
10 Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy
ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny
zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany
kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;
12 mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary
mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy,
ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).
13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana
teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia
izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana
ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy
teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray
izany amin'ny hafaliana;
17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa
maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na
fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny
tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny
fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka
tsy mamoa izy.
20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany
tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy
telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina* va ny jiro
mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao
amin'ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy]
22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na
miafina izay tsy haseho.
23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka
izy hihaino.
24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny
ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza
ianareo.
25 Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana,
na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
26 Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra:
tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany
27 ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary
ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
28 Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony,
dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
29 Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka
amin'izay, fa efa tonga ny fararano.
30 Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny
fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
31 Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa
rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;
32 Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe
noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina
itoerana ny alokalony.
33 Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny
taminy, araka izay hainy hohenoina.
34 Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy
Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo
rehetra ireo.
35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy
Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia
nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely
sasany koa niaraka taminy.
37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny
alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.
38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely
tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra
ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza
tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka
tony tsara ny andro.
40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza
moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
1 Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao
amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.
2 Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka
tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana
ka nifanena taminy,
3 fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy
nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.
4 Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na
ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny
gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia
nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady
niteti-tena tamin'ny vato.
6 Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny
izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
7 sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa
mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra?
Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
8 satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha
amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
9 Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary
izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
10 Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala
amin'izany tany izany.
11 Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny
akaikin'ny tendrombohitra.
12 Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso
izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.
13 Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto,
rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo
nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa
arivo no isany), ka dia maty* tany amin'ny ranomasina izy.[*Gr. kenda]
14 Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza
tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra
izany;
15 ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita
ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady
ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
16 Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny
olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.
17 Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala
amin'ny taniny.
18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely
Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy
taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay
zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy
izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
21 Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy
ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo
amoron-dranomasina Izy.
22 Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny
synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka
teo amin'ny tongony
23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa
ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho
sitrana* izy ka ho velona.[*Gr. voavonjy]
24 Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy
vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary*
roa ambin'ny folo taona [*Gr. narary nandeha rà]
26 sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao
fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao
mainka nihanarary kokoa aza;
27 koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia
nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no
voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy]
29 Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny
loharanon'aretiny*, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[*Gr.
fandehanan'ny ràny]
30 Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy
hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza
izany nanendry ny lambako izany?
31 Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka
mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
32 Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa
nanao izany.
33 Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria
fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany
ary nanambara taminy ny marina rehetra.
34 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana*
anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.[*Gr. namonjy]
35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany
amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana
ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
36 Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy
Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na:
Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony, dia]
37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy
Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.
38 Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga
izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy
ninaonaona be ihany.
39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana
ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy
rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo
aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy.
41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy
hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao:
Mitsangàna.
42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka
afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia
talanjona indrindra ny olona.
43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona
izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
1 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady
nanaraka Azy ny mpianany.
2 Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny
synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe:
Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena
nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?
3 Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i
Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va
ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.
4 Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina
afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.
5 Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny
nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
6 Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra
manodidina Izy ka nampianatra.
7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy
ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any
amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola* ao amin'ny fehin-kibony,
afa-tsy tehina ihany.[*Gr. varahina]
9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo
roa.
10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia
mitoera ao mandra-pialanareo any.
11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino
anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho
vavolombelona aminy.
12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka
ny olona.
13 Ary demonia maro no navoakany; ary
nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
14 Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa
nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana
tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny
sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.
16 Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy:
Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
17 Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra
an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy
vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
18 Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso
ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.
19 Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka
naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
20 Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria
fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa
nandre azy izy, dia very hevitra be ihany*; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana
izy.[*Na: nanao zavatra maro]
21 Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia
ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny
loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny* nahaterahany,[*Na:
tamin'ny fitsingerenan'ny taona]
22 ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary
nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy,
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na
inona, dia homeko anao.
23 Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na
inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny
fanjakako aza.
24 Dia nivoaka razazavavy ka nanao
tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona
Mpanao-batisa.
25 Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy
ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto
an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
26 Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa
noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà
azy izy.
27 Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia
naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy,
ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.
28 Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny
an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
29 Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia
tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
30 Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy
ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny.
31 Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana
any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy
nisy hihinanana aza).
32 Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any
an-tany foana.
33 Ary ny olona nahita azy mandeha, sady
betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny
olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety*, dia tonga talohany.[*Na: nandeha
tongotra]
34 Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka
Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra
azy zavatra maro Izy.
35 Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy
ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;
36 ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha
sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.
37 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo
hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny
denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?
38 Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any
aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano
roa.
39 Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona
rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy.
40 Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo
avy ny olona.
41 Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy
ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny
mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny
hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.
42 Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka
voky.
43 Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy
ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
44 Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo
lahy.
45 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny
mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida,
mandra-pandràvany ny vahoaka.
46 Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia
lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
47 Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo
ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.
48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra
Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra
amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy
ka nikasa handalo azy.
49 Ary rehefa hitany nitsangantsangana
tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
50 Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka
dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy
hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely
Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
52 Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy
ny fony.
53 Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany
Genesareta ka niantsona teo.
54 Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala
an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo
55 ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary
nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.
56 Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao
amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo
an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny
somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana* izay rehetra nanendry Azy.[*Gr.
voavonjy]
1 Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna
sasany, izay avy tany Jerosalema
2 ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina
tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana,
raha tsy efa manasa tsara* ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry
ny razana izy.[*Gr. sasàny amin'ny totohondry]
4 Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana
izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana,
dia ny manasa kapoaka sy famarana* mbamin'izay fanaka varahina**.) [* Gr.
sekstaria] [** ampio hoe: ary farafara]
5 Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny
mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry
ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tanana tsy misasa izy?
6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny
naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity
firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
7 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny
didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13).
8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny
fanaon'ny olona.
9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny
didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny
reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia
hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza
amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho
an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
12 dia* tsy avelanareo hanao na inona na inona
ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,[*Na: dia voafehin'ny voadiny izy. Ary
dia etc]
13 ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra
amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary
zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.
14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray
Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay
miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny
olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:]
16 [Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy
hihaino]
17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra
tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany.
18 Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy
mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra
ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony
ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny
hanina rehetra.
20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany
no mahaloto azy.
21 Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no
ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny
fakam-badin'olona,
22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny
fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny
fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3]
23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao
anatin'ny olona ka mahaloto azy.
24 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny
sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho
fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
25 Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray
nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka
niankohoka tamin'ny tongony.
26 Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena
Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny
zananivavy.
27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa
tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
28 Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny,
Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba
mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany.
29 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana
ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia.
30 Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany
nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka
taminy.
31 Ary Jesosy niala indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro,
dia namaky an'i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i
Galilia.
32 Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny
tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.
33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny
vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka
nanendry ny lelany;
34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao
taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny
lelany, ka dia nahateny tsara izy.
36 Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na
amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany
bebe kokoa.
37 Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara
ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny
ny moana.
1 Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka
teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany
ka nilazany hoe:
2 Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no
nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
3 koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana
izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
4 Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo
atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
5 Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any
aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
6 Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny
vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka
natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.
7 Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy;
ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany
koa.
8 Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary
nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
9 Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
10 Ary niaraka tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy
mbamin'ny mpianany ka tonga tany amin'ny fari-tanin'i Dalmanota.
11 Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary
naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
12 Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao
hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko
aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13 Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa
nankeny am-pita.
14 Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo
an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka
mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i
Heroda.
16 Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy
nitondrantsika mofo angaha izany.
17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe:
Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo
an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary
manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
19 Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo,
firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa
ambin'ny folo.
20 Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy
sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
21 Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va
ianareo?
22 Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy
jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny
ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany,
dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny
olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
25 Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia
nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra
rehetra.
26 Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka
nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
27 Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny
amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia
nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
28 Ary izy nanao taminy hoe: Jaona
Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny
mpaminany.
29 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao
Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao
no Kristy.
30 Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy
hilazalaza Azy amin'olona.
31 Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona
tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny
mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana
indray Izy.
32 Ary naharihariny tsara no filaza izany teny
izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka
niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy
misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka
mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy
handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia
hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny
filazantsara, dia hamonjy izany.
36 Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo
izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
37 Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko
amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny
Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.
Chapitre 9. 1 Ary hoy Izy taminy:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana
fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.
2 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy
Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo
anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
3 ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy
indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
4 Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i
Jesosy.
5 Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô,
tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho
Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
6 Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra
izy rehetra.
7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo
avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
8 Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy
ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany,
Izay teo aminy.
9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia
nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany
mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10 Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny
amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.
11 Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain*'ny
mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.[*Na: Nahoana no lazain']
12 Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka
mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny
Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
13 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny
olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita
vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka
rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra
amin'ireto?
17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe:
Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy
moana;
18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia
ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka;
ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako
aminareo? Ento etỳ amiko izy.
20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy
izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo
tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe:
Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy
mbola zaza.
22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao
anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay,
ka vonjeo izahay.
23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra
dia hain'ny mino.
24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny
rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny
tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso].
25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy
ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy
moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny
intsony.
26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona
mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny
maro hoe: Maty.
27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia
nitsangana izy.
28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany
Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay
no]
29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo
avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio
hoe: sy ny fifadian-kanina].
30 Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary
tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny
Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono
Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
32 Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady
natahotra hanontany Azy.
33 Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao
an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra
teny an-dalana?
34 Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny
an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra.
35 Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa
ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia
hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
36 Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany;
ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony
amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy
mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona
anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria
tsy nanaraka antsika.
39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona
izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka
hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa
tsy ho very ny valim-pitiany.
42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza
amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe
fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy;
fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana
tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo*, dia any amin'ny afo tsy azo
vonoina. [* Gr. Gehena]
44 * [* Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny
afo tsy vonoina]
45 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho
izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana
tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo.
46 * [*Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny
kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala
izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho
ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo;
48 any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy
vonoina.
49 Fa samy ho voasira amin'ny afo izy
rehetra*.[*Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny
fanasina]
50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho
entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara
ianareo.
1 Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny
sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray
niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka
nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no
nandidian'i Mosesy anareo?
4 Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy
fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).
5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no
nanoratany izany didy izany ho anareo;
6 fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia
lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).
7 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny
reniny ka hikambana amin'ny vadiny;
8 ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho
roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
9 Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy
hampisarahin'olona.
10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany
koa ny mpianatra.
11 Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka
mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny*.[*Na:
mijangajanga mandika ny lalàn'ny fanambadiana ny amin'ny vadiny]
12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka
manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
13 Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany
tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14 Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy
taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny
fanjakan'Andriamanitra.
15 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy
handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy
akory.
16 Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka
nitso-drano azy.
17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia
nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary
nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana
mandrakizay?
18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no
ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza
mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza
manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17).
20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany
rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka
nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra
anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia
hanaraka Ahy.
22 Dia nanjombona terỳ ny tarehiny
tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.
23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao
tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena
amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy
namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny
hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny
vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy* hoe: Iza
indray no azo hovonjena?[* Na: nifampilaza].
27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona,
dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny
zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny
zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy
olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka,
na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny
izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny
fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany
no ho voalohany.
32 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra
ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary
izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy,
dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika;
ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna;
ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa;
34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy
hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray
Izy.
35 Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i
Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay
angatahinay aminao.
36 Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko
aminareo?
37 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny
hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo
amin'ny an-kavianao, any amin'ny voninahitrao.
38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay
angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny
hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
39 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany.
Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany,
ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
40 fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na
eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana
izany no homena.
41 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia
tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy.
42 Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao
taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo
azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no
te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
44 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho
mpanompon'izy rehetra.
45 Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba
hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao
Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo
amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo.
47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any
Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà
fo amiko!
48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa
vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy
ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna,
miantso anao Izy.
50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra
nankeo amin'i Jesosy.
51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao
hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny
masoko.
52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny
finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka
nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao
Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy
tamin'ny mpianany Jesosy
2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa
vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay
dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy,
ka ento etỳ.
3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe:
Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy;
dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin'izay izy.
4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo
ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.
5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no
amahanareo ny zana-boriky?
6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy
taminy, dia navelan'ny olona handeha izy.
7 Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia
nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.
8 Ary maro no namelatra ny lambany teny
an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany
an-tsaha.
9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka
teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny
anaran'i Jehovah!
10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny
an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).
11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo
an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa
hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany
Betania.
12 Ary nony ampitson'iny, rehefa niala tany
Betania izy, dia noana Jesosy.
13 Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina
erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony
tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa
tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny aviavy.
14 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza
misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.
15 Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy
niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy
teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny
fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
16 ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka
handeha hamaky ny kianjan'ny tempoly.
17 Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy
voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena
rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy
fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
18 Ary nahare izany ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny
mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy,
satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
19 Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa
nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy.
21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô,
indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
22 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana
an'Andriamanitra.
23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no
hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any
an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra
lazainy, dia ho azony izany.
24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo
amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho
azonareo izany.
25 Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona
anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any
an-danitra kosa ny helokareo.
26 * [*Ampio hoe: 26 Fa raha ianareo tsy mamela heloka,
ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo]
27 Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha
nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny
lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
28 ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no
anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany
hanaovanao izao zavatra izao?
29 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra
iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana
anaovako izao zavatra izao:
30 Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy
tamin'ny olona? Valio Aho.
31 Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha
holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no
tsy nino azy ianareo?
32 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona,
natahotra ny olona izy, satria neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
33 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy
fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay
fahefana anaovako izao zavatra izao.
1 Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana
hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy
nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany
izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
2 Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka
mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny
tanim-boaloboka.
3 Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka
nampiala azy maina.
4 Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy
indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
5 Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia
novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny
sasany novonoiny ho faty.
6 Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy
malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe:
Hanaja ny zanako izy.
7 Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no
mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
8 Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy
namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.
9 Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka
amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny
tanim-boaloboka.
10 Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao:
Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
11 Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?
(Sal. 118. 22, 23.)
12 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny
vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana
izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.
13 Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny
Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.
14 Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe:
Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry
ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny
lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
15 Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny
fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy
ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.
16 Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary
sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.
17 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay
an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy
ireny.
18 Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny
maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
19 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha
misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny
rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
20 Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny
nampaka-bady, dia maty momba.
21 Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy,
dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
22 Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba
avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
23 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa
ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
24 Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo
ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
25 Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy
hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
26 Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola
novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny
Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i
Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.)
27 Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa
diso indrindra ianareo.
28 Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray,
izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy
tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy
rehetra?
29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao:
Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
30 koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao
rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra
(Deo. 6. 4, 5).
31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny
tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany,
Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy
Izy.
33 Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra
sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra
lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
34 Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena
izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy
nisy sahy nanontany Azy intsony.
35 Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny
tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy
no Zanak'i Davida?
36 Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy
Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako
ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
37 Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no
maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
38 Ary hoy Izy amin'ny fampianarany: Mitandrema ny
amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy
te-hoharabain'olona eny an-tsena,
39 ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny
fitoerana aloha ao amin'ny fanasana,
40 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka
lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
41 Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra
Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena
nandatsaka be tao.
42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga
teo, ka nandatsaka farantsakely* roa an-kevitry ny variroaventy avy.[*Gr. lepta
roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy]
43 Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao
taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no
efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny
fandatsahan-drakitra.
44 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany
ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay
rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia
hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy
rafitra ireto!
2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra
lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
3 Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva
tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy
Jaona ary Andrea hoe:
4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho
famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy
hamitaka anareo.
6 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no
Izy, ka maro no ho voafitany.
7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza
matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy
fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany
samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr.
faharariam-piterahana]
9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona
sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy
ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny
filazantsara aloha.
11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy
rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no
holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny
fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana
hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
13 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako:
fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
14 Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety
hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina
izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any
Jodia.
15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra
haka zavatra ao an-tranony.
16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny
lambany.
17 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely
amin'izany andro izany!
18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.
19 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy
mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka
mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
20 Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany,
dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia
nohafoheziny izany andro izany.
21 Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo
hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ ; aza mino ianareo.
22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka
hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny
olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana]
23 Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako
taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
24 Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana
izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina
ny hery izay ao amin'ny lanitra.
26 Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo
amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.
27 Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary
hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra* hatramin'ny faran'ny
tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.[*Gr. rivotra]
28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao
manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa
tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo
am-baravarana Izy*.[*Na: izany]
30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity
taranaka ity** mandra-pahatongan'izany rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na:
ity firenena ity]
31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba
ho levona.
32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy
mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny
Ray ihany.
33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo
izay hihavian'ny fotoana.[*Gr. miareta tory]
34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay
nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny
raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro
hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho,
na ho maraina,
36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona
rehetra
1 Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska,
fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy
tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
2 Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao
hampitabataba ny vahoaka.
3 Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona
boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara
alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny
tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.
4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no
anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny
menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra
tamin-dravehivavy ireo.
6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no
mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na
oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa
Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny
tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza
amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao
nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
10 Ary Jodasy Iskariota, ilay isan'ny roa ambin'ny folo
lahy, dia nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona hamadika an'i Jesosy aminy.
11 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky
hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy
misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao
halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
13 Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao
taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano
hifanena aminareo; dia manaraha azy.
14 Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe:
Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska
amin'ny mpianatro?
15 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana
izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka
nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa
ambin'ny folo lahy.
18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy:
Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray
miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
19 Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe:
Izaho va izany?
20 Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa
ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy.
21 Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny
nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara
ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka
nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no
tenako.
23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia
natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany.
24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena*,
izay alatsaka hamonjy ny maro.[*Na: fanekena vaovao]
25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny
vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao
any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
26 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany
an-tendrombohitra Oliva.
27 Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo
rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak.
13. 7).
28 Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any
Galilia.
29 Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza
ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
30 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa:
Anio, dia amin'ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia
handà Ahy intelo ianao.
31 Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia
hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no
nolazain'izy rehetra.
32 Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane
izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
33 Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia
talanjona sady ory indrindra.
34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko
toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka
tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.
36 Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao;
esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny
Anao.
37 Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy
tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora
iray ihany aza va ianao?
38 Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo
amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
39 Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo
ihany.
40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory,
fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria
ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro,
ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.
42 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay
mamadika Ahy.
43 Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy
Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy,
nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny
mpanora-dalàna ary ny loholona.
44 Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka
nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka
tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
46 Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra
Azy.
47 Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny
sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka
mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va
ianareo?
49 Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly,
nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
50 Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
51 Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba
hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy.
52 Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka
nandositra nitanjaka izy.
53 Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe
izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny
mpanora-dalàna.
54 Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny
hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo
amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.
55 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra
nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
56 Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka
ny fiampangany.
57 Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy
nanao hoe:
58 Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity
tempoly nataon-tanana ity, ary amin'ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy
nataon-tanana Aho.
59 Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin'izany aza.
60 Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia
nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no
iampangan'ireto Anao?
61 Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia
nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy,
Zanaky ny Isaorana?
62 Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny
Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny
lanitra.
63 Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao
hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
64 Efa renareo ny fitenenany ratsy*; ahoana no
hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.[*Gr. blasfemia,
izahao Mat. 9.3]
65 Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany
sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha
namely tahamaina* Azy koa.[*Na. tehina]
66 Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia
avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny mpisoronabe;
67 ary nony nahita an'i Petera namindro izy, dia nijery
azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
68 Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko
ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho
naneno.
69 Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia
niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;
70 fa izy nandà indray. Ary nony afaka
kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin'i Petera hoe: Naman'ireo tokoa
ianao; fa Galiliana ianao.
71 Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe:
Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72 Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno
fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe:
Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary
nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
1 Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny
andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin*'ny
Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy,
dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.[*Na: dia]
2 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no
Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
3 Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
4 Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy
mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao!
5 Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia
indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.
6 Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia
fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka.
7 Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy,
nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin'ny
fikomiana.
8 Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy
hanao araka izay fanaony aminy.
9 Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny
Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?
10 Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona
Azy.
11 Fa ny lohan'ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo
Barabasy no halefan'i Pilato ho azy.
12 Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona
ary no hataoko amin'ilay ataonareo hoe: Mpanjakan'ny Jiosy?
13 Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo
fijaliana Izy!
14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony?
Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana
Izy!
15 Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia
nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina*, dia natolony azy
mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.[*Izahao Mat. 27.36]
16 Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja,
dia ao anati-rova*, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.
17 Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady
nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.
18 Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry
Mpanjakan'ny Jiosy!
19 Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady
nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala
ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary
dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.
21 Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay
nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
22 Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany
hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.
23 Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety
nisotro Izy.
24 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia
nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
25 Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo
fijaliana.
26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia
voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY.
27 Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo
fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo
amin'ny ankaviany.
28 *[*Ampio hoe: 28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay
manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isa. 53. 12)]
29 Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha
ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny
hateloana,
30 vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin'ny hazo
fijaliana.
31 Ary toy izany koa no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa
niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny
tenany tsy hainy vonjena.
32 Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala
amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo
niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.
33 Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny
tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany.
34 Ary tamin'ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny
feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika:
Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 2).
35 Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany,
dia nanao hoe: Indro, miantso an'i Elia Izy.
36 Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka
sipaonjy tamin'ny vinaingitra, ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony
hotsentsefin'i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina
Azy Elia, na tsia.
37 Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia
afaka ny ainy.
38 Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia
triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
39 Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny,
raha nahita fa afaka toy izany ny ainy*, dia nanao hoe: Marina tokoa fa
Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.[*Na: nahita Azy niantso toy izany, sady
afaka ny ainy]
40 Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny
lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i
Jakoba kely sy Josesy,
41 izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy
tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany
Jerosalema.
42 Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia
ny andro alohan'ny Sabata),
43 dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja,
izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy
niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy.
44 Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia
niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy,
na tsia.
45 Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny
an'i Josefa ny faty.
46 Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny
fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana,
izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny
varavaran'ny fasana izy.
47 Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i
Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa
nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba
handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy.
2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro
amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana
izy ireo.
3 Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho
afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika?
4 Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia
niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.
5 Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita
zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia
talanjona izy.
6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i
Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa
nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
7 Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa
mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy
taminareo.
8 Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny
fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na
inona tamin'olona izy, satria natahotra.
9 [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro
voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria
Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy]
10 [Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i
Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany]
11 [Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady
efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany]
12 [Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika
hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha]
13 [Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na
dia ireo aza tsy ninoany koa]
14 [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika
ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny
azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa
nahita Azy, rehefa nitsangana Izy]
15 [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo
izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra]
16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy
mety mino no hohelohina]
17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino:
hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy
izy;]
18 [handray menarana izy; ary na dia misotro
zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny
marary izy, dia ho sitrana ireny]
19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia
nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra]
20 [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo
eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana
izay nomba azy. Amena]