[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
1 Petera
Accès direct aux chapitres de 1 Pierre : 1, 2, 3, 4, 5
1 [Fiarahabana, sy filazana ny amin'ny fahatsaran'ny
fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any
am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
2 araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray,
amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i
Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy
Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho
amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
4 ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy
loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5 izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny
finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
6 Izany no iravoravoanareo, na dia
ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza
ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary
fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny
volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny
hisehoan'i Jesosy Kristy;
8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia
tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo,
dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
9 mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny
famonjena ny fanahy.
10 Ny amin'izany famonjena izany dia
notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny
fahasoavana ho anareo;
11 eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry
ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny
fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12 Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho
anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo
ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny
Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia
tian'ny anjely hodinihina.
13 [Famporisihana hitondra tena mifanaraka
anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka
antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy
Kristy;
14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena
araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo;
15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo,
dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra,
16 satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria
masina Aho" (Lev. 11.44).
17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka
ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny
fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ;
18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny
volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala,
izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy
misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao
tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay
nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny
finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny
fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia
mifankatiava fatratra amin'ny fo*; [* Na:(amin'ny fo madio)]
23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho
lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady
maharitra.
24 Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary
izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka
mihintsana ny voniny;
25 Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa.
40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.
1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny
fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny
rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny
famonjena,
3 raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny
Tompo;"
4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny
olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"
5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho
trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy
sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe:
"Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary
izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16).
7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa
amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga
fehizoro" (Sal. 118.22),
8 "Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka"
(Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy,
sady izany koa no nanendrena azy.
9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
"fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona
nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso
anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa
ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa
namindrana fo (Hos. 2.25).
11 [Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena
amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala,
mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny
nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny
jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny
ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao
ratsy.
13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny
olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao
ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15 Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra,
hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;
16 fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny
fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora
an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny
fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po
koa.
19 Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra
alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny
amin'Andriamanitra.
20 Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny
fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa
ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
21 Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza
efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny
diany;
22 "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy
fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);
23 raha notevatevaina Izy, dia tsy mba
nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny* ho amin'ny
Mpitsara marina; [* Na: ny tenany]
24 ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53.
12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa
ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no
nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).
25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa
ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina* ny
fanahinareo.[* Gr. Episkopo]
1 Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny
vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny
teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2 rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo
amin'ny fahatahorana.
3 Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany,
toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho
lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo
imason'Andriamanitra.
5 Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny,
izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
6 dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka
nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka
tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
7 Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra
aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka
malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho
voasakana ny fivavahanareo.
8 [Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra
tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha
ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny
fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba
handova fitahiana.
10 "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita
andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny
fitaka;
11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka
izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny
sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao
ratsy" (Sal. 34.12-16).
13 Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay
tsara ianareo?
14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana
ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro
ianareo;
15 fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa.
8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo
ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy
ny fanajana,
16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay
manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay
anendrikendrehana anareo.
17 Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa
ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.
18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny
ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho
amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
19 izay nandehanany sy nitoriany teny
tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny
fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny
sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia
namonjena azy ny rano,
21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny
batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo
anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo
anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny
maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny
fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]
22 Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa
lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary
ny hery.
1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba
ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka*
tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina]
2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny
nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny
jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy
ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny
fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy
miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany,
ka dia teneniny ratsy;
5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy
ny maty
6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay
maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka
an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka
mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava
tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12)
9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay
noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa
izay an'Andriamanitra.
11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny
milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany
araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra
amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra
sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
12 [Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny
fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo
anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia
mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i
Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka
ao aminareo.
15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona,
na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona.
16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho
menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao
amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia
hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra?
[* Gr. tranony]
18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no
hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31).
19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny
sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho
an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
1 [Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho
mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina.
Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona* izay eo aminareo,
izaho, izay naman ny loholona* sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary
mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [* Gr.
presbytera]
2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*,
mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy
amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay
andraikitrareo]
3 tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho
fianaran'ny ondry.
4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny
satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke
ny loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa
"Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny
manetry tena" (Oha. 3.34). [* Gr. presbytera]
6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny
tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;
7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no
miahy anareo (Sal. 55.22).
8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo
mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo,
satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra
eran'izao tontolo izao.
10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa
niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa
niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary
hampitoetra anareo.
11 Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
Amena.
12 Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho
hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra
anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera
tsara amin'izany ianareo.
13 Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma
anareo, ary Marka zanako koa.
14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho
aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.