[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
3 Jaona
1 [Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy
filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona* mamangy an'i Galo,
ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [* Gr. Ny presbytera]
2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama
amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka
nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny
andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na
amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny
fiangonana*; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika
hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [* Gr. eklesia]
7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na
inona tamin'ny jentilisa izy.
8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba
ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.
9 Nanoratra tamin'ny fiangonana* Ihany aho; nefa
Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. [* Gr. eklesia]
10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay
asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany
ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy
dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara.
Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba
nahita an'Andriamanitra.
12 Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy
amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa
marina ny fanambaranay.
13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako
hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina*; [* Gr. volotara]
14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia
hiteny mifanatrika isika.
15 Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ
manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.