[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Eksodosy
Accès direct aux chapitres de l’Exode : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40
1 [Ny nitomboan'ny Zanak'Isiraely, sy ny fahoriana nanjo
azy tany Egypta] Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i
Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:
2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
5 Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba
dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra
mbamin'izany taranaka rehetra izany.
7 Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo
betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny
tany.
*
8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta,
izay tsy nahalala an'i Josefa.
9 Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro,
ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
10 andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro
izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady
amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany.
11 Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba
hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i
Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
12 Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka
nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny
Egyptiana.
13 Dia nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny
Zanak'Isiraely,
14 ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny
fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra
any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
15 Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny
mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny
anankiray)
16 ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy
Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa
raha zazavavy kosa, dia velomy.
17 Nefa natahotra an'Andriamanitra ny
mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa
novelominy ihany ny zazalahy.
18 Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i
Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka
novelominareo ihany ny zazalahy?
19 Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy
mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha
tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
20 Dia nasian'Andriamanitra soa ny
mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
21 Ary tamin'izany, satria natahotra
an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.
22 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka
nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy
rehetra kosa no velomy.
*
1 [Ny namonjena an'i Mosesy, sy ny
nandraisan'ny zanakavavin'i Farao azy ho zanany] Ary nisy lehilahy anankiray
avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny zanakavavin'i Levy.
2 Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy;
ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
3 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy,
dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia
napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny
fiara.
4 Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra
eny, mba hahita izay hatao aminy.
5 Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro
tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha
nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny
mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
6 Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely;
ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe:
Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.
7 Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny
zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho
hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
8 Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha
ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza.
9 Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento
ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia
nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
10 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao
amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony
hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.
11 [Ny nataon'i Mosesy hamonjeny ny namany, sy
ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe
Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany
mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo
rahalahiny.
12 Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy
nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny
faty.
13 Ary nony ampitson'iny, dia nivoaka indray
izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin'ilay diso:
Nahoana no mamono ny namanao ianao?
14 Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho
mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny
namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay!
fantatr'olona izany!
15 Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany,
dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka
nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana
izy.
16 Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka
fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano
hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.
17 Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka
nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny
ondry aman'osiny.
18 Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy
izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
19 Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana
anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho
anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.
20 Ary hoy izy tamin'ny zananivavy: Ka aiza
izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
21 Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy.
Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy.
22 Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany
nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny
firenena hafa aho.
*
23 [Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Mosesy,
sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony] Ary tao anatin'izany andro maro izany
dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny
fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany
noho ny fanompoany.
24 Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia
nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
25 Ary Andriamanitra dia nijery ny
Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.
1 Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro
rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry
ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
2 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo
anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro,
nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
3 Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io
fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy.
4 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha
izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry
Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
5 Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory
ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.
6 Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny
razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i
Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy.
7 Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny
fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny
mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
8 dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny
tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any
amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy
tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita
sy ny Hivita ary ny Jebosita.
9 Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny
Zanak'Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana
izay ampahorian'ny Egyptiana azy.
10 Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any
amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
11 Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa
aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any
Egypta?
12 Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao
no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka
avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity
tendrombohitra ity ianareo.
13 Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro,
rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry
ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe
kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
14 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO,
IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao
amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ
aminareo.
15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy:
Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo,
dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba,
no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary
izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16 Mandehana, dia angòny ny loholon'ny
Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny
razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa
namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
17 ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho
ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy
ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any
amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.
18 Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao
amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe:
Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny,
trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono
zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.
19 Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan'ny
mpanjakan'i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin'ny tanana mahery aza.
20 Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i
Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka
izany, dia vao handefa anareo izy.
21 Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny
Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;
22 fa ny vehivavy samy hangataka firavaka
volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay
mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny
zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
1 Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy
hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
2 Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny
an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
3 Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia
natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
4 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny
tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray
azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
5 mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao
Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy
Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
6 Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao
an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony
notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
7 Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao
indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony
notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray
izy).
8 Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny
feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy.
9 Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany
aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao
amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo
amin'ny tany maina.
10 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô,
mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na
hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy
miadam-piteny aho.
11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny
vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na
mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no
homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho,
iraho izay tianao hirahina.
14 Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny
fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao?
fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa
rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy;
ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
16 Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka
dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy.
17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io,
izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
18 Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any
amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha
hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona
ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana:
Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
20 Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny
zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta
izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.
21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha
miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko
eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka
tsy handefa ny olona izy.
22 Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny
zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho
hamono ny zanakao lahimatoa.
24 Ary nony tany an-dalana tao amin'ny
fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
25 Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny
zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa
vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.
26 Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy:
Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
27 Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana
hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao
amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.
28 Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay
teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa
nandidiany azy.
29 Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka
nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
30 Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay
efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny
famantarana.
31 Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa
Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia
niondrika izy ka niankohoka.
*
1 [Ny nihaonan'i Mosesy sy Arona tamin'i Farao,
sy ny nampitomboan'i Farao, ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely] Ary rehefa afaka
izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro
firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
2 Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny
handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny
Isiraely.
3 Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo
efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any
an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray;
fandrao Izy hamely anay amin'ny areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
4 Ary hoy ny mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana
ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin'ny asany? mandehana
any amin'ny fanompoanareo mafy.
5 Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro
ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin'ny
fanompoany mafy.
6 Ary tamin'izany andro izany Farao nandidy ny
mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka nanao hoe:
7 Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka
ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho
azy.
8 Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo
aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy,
koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra
ho an'Andriamanitray.
9 Hamafio ny fanompoan'ny olona mba hifotorany
amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
10 Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin'ny
mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe: Izao no lazain'i Farao: Izaho
tsy mba hanome mololo anareo intsony;
11 fa mandehana ianareo ka manangona mololo any
amin'izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory
aza.
12 Dia niely eran'ny tany Egypta rehetra ny
olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo.
13 Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe:
Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan'andro, tahaka ny fony mbola nisy
mololo ihany.
14 Ary ny mpifehy ny Zanak'Isiraely, izay
notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka
nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin'ny fanaovana
ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ?
15 Dia nankao amin'i Farao ny mpifehy ny
Zanak'Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin'ny
mpanomponao ianao?
16 Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao,
nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no
kapohina, ka manota ny vahoakanao.
17 Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo,
ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra
ho an'i Jehovah.
18 Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay
fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia
mbola hatolotrareo ihany.
19 Ary hitan'ny mpifehy ny Zanak'Isiraely fa
efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan'ny birikinareo
amin'ny anjara-fanompoana isan'andro.
20 Ary izy ireo dia nihaona tamin'i Mosesy sy
Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin'i Farao izy;
21 dia hoy izy tamin'izy roa lahy: Jehovah anie
hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i
Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany
hamonoany anay.
22 Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka
nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao?
nahoana re no naniraka ahy Hianao?
23 Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba
hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy;
nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny
ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy,
ary ny tanako mahery no handroahany azy amin'ny taniny.
2 [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i
Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA
TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe
JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako
azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.
5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny
Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.
6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho
no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy
ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy;
ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho
Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny
Egyptiana anareo.
8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany
izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho
lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
9 Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny
Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny
fanompoana mafy.
10 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
11 Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i
Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny
taniny.
12 Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka
nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no
hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
13 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao,
mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany
Egypta.
14 [Ny firazanan'i Mosesy sy Arona] Izao no
lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka
sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.
15 Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy
Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita;
ireo no fokom-pirenen'i Simeona.
16 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Levy,
araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan'i
Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
17 Ny zanakalahin'i Hersona dia Libny sy Simey,
araka ny fokom-pireneny.
18 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy
Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan'i Kehata dia telo amby
telo-polo amby zato taona.
19 Ary ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy
Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka ny taranany.
20 Ary Amrama naka an'i Jokebeda
anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an'i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny
andro niainan'i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.
21 Ary ny zanakalahin'i Jizara dia Kora sy
Nafega ary Zikry.
22 Ary ny zanakalahin'i Oziela dia Misaela sy
Elzafana ary Sitry.
23 Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i
Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho
sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
24 Ary ny zanakalahin'i Kora dia Asira sy
Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen'ny Korana.
25 Ary Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady
avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela, dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo
no lohan'ny fianakavian'ny Levita, araka ny fokom-pireneny.
26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan'i
Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any amin'ny tany Egypta araka
ny antokony.
27 Ireo no niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i
Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy
sy Arona.
28 [Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Mosesy sy
Arona hihaona amin'i Farao indray, sy ny famantarana nataon'izy roa lahy teo
anatrehany] Ary tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo
amin'ny tany Egypta,
29 dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no
Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra lazaiko
aminao.
30 Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka
nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan'i Farao ahy!
*
1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa
nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho
mpaminaninao.
2 Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao,
ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao, mba handefasany ny
Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,
3 Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro
ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
4 Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely
an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny
Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
5 Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no
Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin'i Egypta Aho ka mitondra ny
Zanak'Isiraely hivoaka avy any.
6 Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay
nandidian'i Jehovah azy no nataony.
7 Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo
amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin'i Farao izy mirahalahy.
8 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
9 Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe:
Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny
tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho tonga menarana iny.
10 Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka
nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i
Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.
11 Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny
mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny
fankatovany.
12 Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka
tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.
13 Dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino
azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
14 [Ny loza folo loha namelezan'Andriamanitra
ny tany Egypta. Voalohany: ny rano tonga rà] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy:
Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
15 Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro,
hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao
ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny
an-tananao),
16 dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry
ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba
hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka
ankehitriny.
17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no
hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no
hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.
18 Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho
maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao.
19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i
Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao,
dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny
heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà
eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny
fitoeran-drano vato.
20 Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka
izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao
Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano
rehetra tao Neily;
21 koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia
maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia
nanerana ny tany Egypta rehetra.
22 Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy
izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino
azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
23 Dia niverina Farao ka nankao an-tranony,
kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
24 Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i
Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.
25 Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i
Jehovah an'i Neily.
26 [Faharoa: ny sahona] Dia hoy Jehovah tamin'i
Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
27 Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao,
indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny sahona;
28 dia hisy sahona betsaka any Neily, ary
hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny
ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny
vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia
fanaova-mofonao.
29 Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny
mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.
1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i
Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin'ny sampan-drano
ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny
amin'ny tany Egypta.
2 Ary nahinjitr'i Arona tambonin'ny rano tany
Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.
3 Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa
tamin'ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.
4 Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona ka
nanao hoe: Mangataha amin'i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin'ny
vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an'i
Jehovah.
5 Ary hoy Mosesy tamin'i Farao: Aoka hiseho ny
voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny
mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin'ny tranonao,
ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
6 Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy:
Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an'i
Jehovah Andriamanitray.
7 Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin'ny
tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.
8 Ary Mosesy sy Arona niala teo amin'i Farao;
ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ny amin'ny sahona izay efa nataony tamin'i
Farao.
9 Dia nataon'i Jehovah araka ny tenin'i Mosesy,
ka maty ny sahona teny amin'ny trano sy teny amin'ny tokotany ary tany
an-tsaha.
10 Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny
ireny, ka efa maimbo ny tany.
11 Fa nony hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia
nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa
nolazain'i Jehovah.
12 [Fahatelo: ny moka] Dia hoy Jehovah tamin'i
Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany,
dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany.
13 Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i
Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka
teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny
vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.
14 Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy
tamin'ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia
teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy.
15 Dia hoy ny ombiasy tamin'i Farao:
Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino
azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
16 [Fahefatra: ny lalitra] Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa,
indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
17 Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro
Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary
ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay
itoerany koa.
18 Fa havahako amin'izany andro izany ny tany
Gosena, izay itoeran'ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao
fa Izaho no Jehovah afovoan'ny tany.
19 Dia hasiako fiavahana amin'ny oloko sy ny
olonao; rahampitso no hisian'izany famantarana izany.
20 Ary nataon'i Jehovah izany; ka dia nisy
lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao amin'ny tranon'ny
mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny
lalitra.
21 Ary Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka
nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho
an'Andriamanitrareo eto amin'ity tany ity.
22 Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay
fadin'ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an'i Jehovah
Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin'ny Egyptiana no vonoinay eo imasony
hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?
23 Handeha lalan-kateloana any an-efitra
izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray,
araka izay holazainy aminay.
24 Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo
ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrareo any
an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho
ahy.
25 Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto
aminao ka hangataka amin'i Jehovah mba hialan'ny lalitra amin'i Farao sy ny
mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao
ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i'Jehovah.
26 Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka
nangataka tamin'i Jehovah
27 Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin'i
Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao sy ny mpanompony ary ny
vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.
28 Kanjo Farao nanamafy ny fony indray
tamin'izany ka tsy nandefa ny olona.
1 [Fahadimy: ny aretina tamin'ny biby] Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao ianao, ka lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo
Ahy.
2 Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa
mbola mihazona azy ihany,
3 dia, indro, ny tànan'i Jehovah ho amin'ny
bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy amin'ny boriky sy amin'ny
rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman'osy, ka hisy areti-mandringana
mafy indrindra.
4 Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely
amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely
na dia iray aza.
5 Dia nanendry fotoan'andro Jehovah ka nanao
hoe: Rahampitso no hanaovan'i Jehovah izany zavatra izany eto amin'ny tany.
6 Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany
zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny
Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
7 Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy
maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i
Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
8 [Fahenina: ny vay] Ary hoy Jehovah tamin'i
Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao ao amin'ny lafaoro lehibe,
ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao
izany.
9 Dia hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra
izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy eran'ny
tany Egypta rehetra.
10 Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe
izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra
nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy
tamin'ny biby fiompy.
11 Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo
anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin'ny
Egyptiana rehetra.
12 Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka
tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i
Mosesy.
13 [Fahafito: ny havandra] Ary hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao,
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso
ny oloko hanompo Ahy
14 Fa ankehitriny izao dia halefako ny
areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao
ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany
rehetra.
15 Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra
ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin'ny areti-mandringana, dia efa
fongotra tamin'ny tany ianao.
16 Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao,
dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin'ny tany rehetra ny
anarako.
17 Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va
ianao ka tsy handefa azy?
18 Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka
havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny
andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
19 Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona
faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra
sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia
hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa.
20 Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo
amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any
an-trano;
21 fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin'i
Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
22 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro
manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin'ny tany
Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy ary amin'ny anana
rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta.
23 Dia nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra
ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo
nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra
tamin'ny tany Egypta.
24 Dia nisy havandra sy afo
nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy
mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena
azy.
25 Ary ny havandra namely izay rehetra tany
an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana
rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany
an-tsaha notapatapahiny.
26 Fa tao amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny
Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
27 Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy
Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa
izaho sy ny vahoakako no meloka.
28 Mangataha amin'i Jehovah, fa aoka izay ny
kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.
29 Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka
amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra
ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa
an'i Jehovah ny tany.
30 Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao
dia tsy mbola hatahotra an'i Jehovah Andriamanitra ihany.
31 Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary
hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.
32 Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba
naripaka, satria mbola fohy ireny.
33 Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka nankeo
ivelan'ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin'i Jehovah, ka dia nitsahatra ny
kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin'ny tany
intsony.
34 Ary nony hitan'i Farao fa nitsahatra ny
ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray
izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.
35 Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba
nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehovah an'i
Mosesy.
1 [Fahavalo: ny valala] Ary hoy Jehovah tamin'i
Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny
mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
2 ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny
zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy,
mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3 Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao
ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo:
Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko
mba hanompo Ahy.
4 Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao,
indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra Aho rahampitso;
5 dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy
ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka
hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
6 dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny
mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola
hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany
tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo
amin'i Farao.
7 Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy:
Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona
ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba
Egypta?
8 Dia nisy nampiverina an'i Mosesy sy Arona
hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah
Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
9 Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra
aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry
aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho
an'i Jehovah.
10 Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany
anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny zanakareo madinika aho; mitandrema,
fa misy ratsy eo anoloanareo.
11 Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy
lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia
noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
12 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro
ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto
amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia
izay rehetra sisan'ny havandra.
13 Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany
Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany
amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia
nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
14 Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany
Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory
indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa
tsy hisy toy izany.
15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa
maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo
rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny
tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
16 Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona
faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo
aho.
17 Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny
fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo
hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
18 Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka
tamin'i Jehovah.
19 Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery
indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao
amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany
Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20 Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy
nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
21 [Fahasivy: ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina
amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22 Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra
ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
23 koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala
tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava
teo amin'ny fonenany.
24 Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao
hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny
ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka
aminareo koa.
25 Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto
an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i
Jehovah Andriamanitray;
26 ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka
aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no
hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay
ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
27 Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka
tsy nety nandefa azy izy.
28 Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa
mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin'izay andro
hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
29 Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa
tsy hahita ny tavanao intsony aho.
1 [Filazana ny hihavian'ny loza fahafolo] Fa
Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao
sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy;
ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala
atỳ.
2 Koa mitenena amin'ny olona, ary aoka ny
lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny namany
avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.
3 Dia nataon'i Jehovah nahita fitia teo
imason'ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo
amin'ny tany Egypta, dia teo imason'ny mpanompon'i Farao sy teo imason'ny
vahoaka.
4 Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah:
Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta,
5 dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny
tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosoham-bary,
ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
6 Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany
Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany
intsony.
7 Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny
lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba
ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
8 Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao
rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny
olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho.
Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
9 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino
anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
10 Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana
rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy
nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.
*
1 [Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty
ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo
amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo;
dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
3 Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny
Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity
dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia
zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;
4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy
mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy
haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho
laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
5 Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay
iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;
6 ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro
fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
7 Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny
tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.
8 Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena;
voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira
sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
9 Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano
izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa
raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana
azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary
ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i
Jehovah.
12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany
alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny
olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia
hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
13 Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo
amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo,
ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana
ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah;
hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro
firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy
masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny
tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany
ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.
16 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy
fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana
masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay
hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
17 Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy
masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny
taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
18 Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo
amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy
masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana.
19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao
an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy
ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
20 Tsy hihinana na inona na inona izay misy
masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin'izay
itoeranareo rehetra avy ianareo.
21 Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny
Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo
araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
22 Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy
amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia
anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo
am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro.
23 Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary
raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia
handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo
ny mpandringana.
24 Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho
lalàna ho anareo sy ho an'ny taranakareo mandrakizay.
25 Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay
homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany
fanompoana izany.
26 Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe:
Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?
27 dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny
Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha
namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny
olona ka nivavaka.
28 Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao
izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
29 Ary nony namatonalina Jehovah namono ny
lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay
nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo
izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy
rehetra.
30 Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy
sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana
mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
31 Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha
mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy
ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny
nolazainareo.
32 Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo
dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
33 Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka
nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay
rehetra.
34 Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha
tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny
lambany teny an-tsorony.
35 Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i
Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana
tamin'ny Egyptiana.
36 Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo
imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia
nofoanany ny Egyptiana.
37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely
ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy
ny zaza amim-behivavy.
38 Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa
niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy omby, dia fananana be indrindra.
39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira
tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy
masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady
tsy nahafehy vatsy ho azy.
40 Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany
Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
41 Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby
efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony
rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
42 Alina notandreman'i Jehovah izany,
hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia
an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara
mandimby.
43 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
44 Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay
novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
45 Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana
azy.
46 Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy
hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany
na dia iray aza.
47 Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra,
hitandrina izany.
48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba
te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo
aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa
ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
49 Lalàna iray no ho amin'ny tompon-tany sy ny
vahiny izay mitoetra eo aminareo.
50 Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany:
araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
51 Ary tamin'izany andro izany indrindra no
nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta
araka ny antokony.
*
1 [Ny nanokanana ny lahimatoa ho an'i Jehovah]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia
izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby
fiompy: Ahy ireny.
3 Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao
andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa
tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza
misy mihinana izay misy masirasira.
4 Izao andro amin'ny volana Abiba izao no
ivoahanareo
5 Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny
tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay
nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely,
dia hanao izany fanompoana izany ianao amin'izao volana izao.
6 Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy
masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i
Jehovah.
7 Ny mofo tsy misy masirasira hohanina
mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary
tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.
8 Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany
andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany
Egypta no anaovako izao.
9 Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao
ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny
lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany
Egypta.
10 Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao
lalàna izao.
11 Ary raha hitondra anao Jehovah ho any
amin'ny tanin'ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny
anao izany,
12 dia hatokanao ho an'i Jehovah izay
voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay
anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra;
13 ary ny voalohan-teraky ny boriky dia
hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny
vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo amin'ny zanakao dia
havotanao.
14 Ary raha hanontany anao ny zanakao amin'ny
andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton'izao? dia holazainao aminy hoe:
Tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny
trano nahandevozana;
15 ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa
antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany
Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby;
koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny
lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako.
16 Ary ho famantarana eo amin'ny tananao sy ho
fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah
antsika nivoaka avy tany Egypta.
*
17 [Ny lalana nitondran'Andriamanitra ny
Zanak'Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasina Mena] Ary rehefa nalefan'i Farao
ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny lalana nankany amin'ny
tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao
hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
18 Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny
lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana
hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta.
19 Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny
taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny
Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra
ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20 Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby
tao Etama teo an-tsisin'ny efitra.
21 Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny
andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony
alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina.
22 Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny
olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
*
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
2 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy
ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo
akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny
ranomasina.
3 Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe:
Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.
4 Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika
anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny
miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia
nataon'ny Zanak'Isiraely izany.
5 Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i
Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny
amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely
hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?
6 Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny
soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
7 Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy
ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
8 Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao,
mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana
avo aza no nivoahany.
9 Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny
soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny
miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i
Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.
10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny
Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia
raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah.
11 Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy
fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana
no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony
tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa
aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
13 Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra
ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho
anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony
mandrakizay.
14 Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa
hangina.
15 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no
mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso.
16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro
ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo
afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely.
17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny
Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko
amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny
mpitaingin-tsoavaliny,
18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no
Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy
ny mpitaingin-tsoavaliny.
19 Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha
teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny
andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
20 ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny
Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana,
nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra
ny alina.
21 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny
ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah
ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary
dia voasaraka ny rano.
22 Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia
ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny
ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
23 Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra
nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny
kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
24 Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery
ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka
ny tobin'ny Egyptiana.
25 Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka
nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny
tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.
26 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo
ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana
mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
27 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny
ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva
ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany
izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.
28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny
kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay
niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy
niangana na dia iray akory aza.
29 Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny
tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo
amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
30 Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely
tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely
teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana.
31 Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe
izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah
ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
*
1 [Ny fihirana nataon'i Mosesy sy ny
Zanak'Isiraely, rehefa tafita ny Ranomasina Mena izy] Ary Mosesy sy ny
Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe:
Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina
azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.
2 Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa
famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia
Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
3 Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no
anarany.
4 Ny kalesin'i Farao sy ny miaramilany
natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao
amin'ny Ranomasina Mena.
5 Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany
indrindra tahaka ny vato izy.
6 Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza
amin'ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
7 Amin'ny halehiben'ny voninahitrao no
andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao
mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.
8 Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao
ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo
afovoan'ny ranomasina ny lalina.
9 Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra
aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny
sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
10 Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona
azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin'ny rano mahery izy.
11 Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay
andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana,
deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
12 Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia
nitelina ireo ny tany.
13 Tarihinao amin'ny famindram-ponao ny
firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao
masina izy.
14 Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra
no mahazo ny mponina any Filistia;
15 Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma;
azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina
any Kanana.
16 Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny
halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny
olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao.
17 Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy
ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao,
Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana masina naorin'ny tananao, Tompo ô.
18 Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
19 Fa niditra teo amin'ny ranomasina ny
soavalin'i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah
nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny
tany maina teo afovoan'ny ranomasina.
20 Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin'i Arona,
dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny
vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
21 Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka
nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny
mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina.
22 [Ny nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany
amin'ny efitra Sara, sy ny nitobiany tao Mara] Ary Mosesy nitondra ny Isiraely
nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra
Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
23 Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny
rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara
24 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka
nanao hoe: Inona no hosotroinay?
25 Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka
dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano
izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika
ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
26 ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i
Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny
lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny
aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah
Izay mahasitrana anao.
27 [Ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely tao
Elima, sy ny nimonomononany tany an-efitr'i Sinay noho ny tsi-fisian-kanina,
ary ny nanomezan'Andriamanitra azy mana sy papelika hohaniny. Ary tonga tao
Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia
nitoby teo anilan'ny rano izy.
*
1 Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
tamin'ny volana faharoa taorian'ny nialany tany amin'ny tany Egypta dia
nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka
nankany amin'ny efitra Sina, izay eo anelanelan'i Elima sy Sinay.
2 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona tany
an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,
3 ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba
matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny
fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho
atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
4 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho
handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona
izay sahaza hohaniny isan'andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny
lalako izy, na tsia.
5 Ary raha mby amin'ny andro fahenina dia
hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan'andro.
6 Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny
Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra
anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
7 ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny
voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa
izahay moa no inona, no imonomononanareo?
8 Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha
homen'i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso
maraina; fa efa ren'i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo
taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
9 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Lazao amin'ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan'i Jehovah;
fa efa reny ny fimonomononanareo.
10 Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy
ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.
11 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
12 Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely,
koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso
maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo.
13 Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka
rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;
14 ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy
zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny
tany.
15 Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany,
dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy
taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo.
16 Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia
manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata
omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo
rehetra ho an'izay ao an-dainy avy.
17 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy
nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.
18 Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera
izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny
tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
19 Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa
ho tra-maraina.
20 Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy
izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra
izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy.
21 Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona,
dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.
22 Ary nony tamin'ny andro fahenina dia
nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho
an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i
Mosesy.
23 Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i
Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa
manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa
rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
24 Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka
izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.
25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata
ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.
26 Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny
andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany.
27 Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy
olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.
28 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy:
Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
29 Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata,
koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina;
samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny
fitoerany amin'ny andro fahafito.
30 Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro
fahafito.
31 Ary ny anarany dia nataon'ny
taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny
fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
32 Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay
nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny
taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany
an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho.
33 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany,
ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah
mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
34 Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba
hotehirizina.
35 Ary ny Zanak'Isiraely nihinana mana
mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin'izay tany misy monina:
eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny sisin'ny tany Kanana.
36 Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.
*
1 [Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely noho ny
tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano avy tamin'ny
vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala
tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao
Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.
2 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao
hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila
ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo?
3 Ary nangetaheta teo ny olona, dia
nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay
niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny
bibinay?
4 Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao
hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
5 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo
alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny
tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
6 Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo
ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy
rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny
loholon'ny Isiraely.
7 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe
Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy
an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny
Isiraely tao Refidima.
9 Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana
lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia
hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra etỳ
an-tanako.
10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa
nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona
sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.
11 Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia
nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny
Amalekita.
12 Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka
vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy
Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa
tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny
masoandro.
13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny
olony tamin'ny lelan-tsabatra.
14 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo
amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako
tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra.
15 Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny
anarany hoe: Jehovah Nisi.
16 Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i
Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara
mandimby.
*
1 [Ny namangian'i Jetro an'i Mosesy, sy ny
hevitra natorony azy] Ary efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i
Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony,
dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
2 Dia nentin'i Jetro, rafozan'i Mosesy, Zipora,
vadin'i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
3 ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no
anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena
hafa aho;
4 ary Eliezera kosa no anaran'ny anankiray, fa
hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan'ny
sabatr'i Farao.
5 Dia tonga Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra
ny vady aman-janak'i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo
anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra:
6 dia nampilaza tamin'i Mosesy izy ka nanao
hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin'ny zanany
roa lahy koa.
7 Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia
niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao
an-day.
8 Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay
rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny
amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny
namonjen'i Jehovah azy.
9 Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa
nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny
Egyptiana.
10 Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay
namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao,
dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana.
11 Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah
mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny
Egyptiana nirehareha tamin'ireny.
12 Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra
fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao
Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i
Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.
13 Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny
olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny
maraina ka hatramin'ny hariva.
14 Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay
rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny
olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa
mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?
15 Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria
mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra.
16 Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko,
ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny
lalàny.
17 Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy
tsara izao zavatra ataonao izao.
18 Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao
olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy
ho zakanao irery ny hanao izao.
19 Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa
hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho
alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny
amin'Andriamanitra;
20 ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna
izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
21 Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay
lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia
kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary
mpifehy folo hifehy azy.
22 Ary aoka ireo no hitsara ny olona
mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady
madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa
aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
23 Raha hanao araka izany zavatra izany ianao,
ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona
rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny.
24 Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka
nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
25 Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny
Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo
sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
26 Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa
ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra
kosa dia notsarainy ihany.
27 Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa
nody any amin'ny taniny izy.
*
1 [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i
Sinay, sy ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy] TAMIN'ny volana fahatelo
taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro
izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
2 Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka
tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny
tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.
3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra,
dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao
amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:
4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny
Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny
nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa
ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny
firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena
masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
7 Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny
vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i
Jehovah azy.
8 Dia namaly indray miredona ny olona rehetra
ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia
nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.
9 [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny
nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro
Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny
aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah
ny tenin'ny olona.
10 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana
ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny
fitafiany izy:
11 ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro
fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny
olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.
12 Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona
ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny
tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny
tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa
hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba
hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao
amin'ny tendrombohitra izy.
14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra
Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny
fitafiany.
15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo
ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo
dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra,
ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay
teo an-toby.
17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo
an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny
tendrombohitra izy.
18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka
avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny
setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny
tendrombohitra Sinay rehetra.
19 Ary rehefa notsofina ny anjomara ka
nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra
Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy
hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka
pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka
hahafatesana maro.
22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky
an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
23 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo
miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay
ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina,
nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona
dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy.
25 Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona
ka niteny taminy.
*
1 [Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia
nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay
nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano
nahandevozana.
3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao,
na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay
etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo
azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly
ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia
amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo
mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
7 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah
Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana
ny anarany.
8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny
raharahanao rehetra.
10 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro
fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na
ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao,
na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
11 Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra
sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy
tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy
nanamasinany azy.
12 Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro
andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
13 Aza mamono olona.
14 Aza mijangajanga.
15 Aza mangalatra.
16 Aza mety ho vavolombelona mandainga
hanameloka ny namanao.
17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza
mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny
ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
*
18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana
sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra
nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka
nijanona teny lavitra eny.
19 Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao
no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay,
fandrao maty izahay.
20 Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza
matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo
anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
21 Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa
Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra.
22 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no
lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no
nitenenako taminareo.
23 Koa aza manao andriamanitra volafotsy na
andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
24 Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka
haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny
ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay
ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
25 Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy,
dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho
aminy ianao, dia handoto azy.
26 Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo
amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
*
1 [Lalàna nasain'Andriamanitra hotandreman'ny
Zanak'Isiraely] Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
2 Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia
enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny
izy.
3 Raha izy irery ihany no miditra, dia izy
irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny
vadiny.
4 Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka
zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny
zanany, fa izy irery ihany no hiala.
5 Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka
manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka
aho,
6 dia ho entin'ny tompony ho eo
anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho
eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny;
dia hanompo azy mandrakizay izy.
7 Ary raha misy mivaro-janakavavy ho
vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no
fialany.
8 Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay
nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo
mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
9 Ary raha mamofo azy ho vadin'ny zananilahy
izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
10 Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy,
dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
11 Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra
telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola.
12 Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao
maty tokoa;
13 fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no
manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany
Aho.
14 Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny
namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny
alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
15 Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia
hatao maty tokoa.
16 Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny,
na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa.
17 Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia
hatao maty tokoa.
18 Ary raha misy olona mifanditra, ka ny
anankiray mamely ny namany amin'ny vato, na amin'ny totohondry, koa tsy maty
izy, fa marary ambany tsihy,
19 raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha
mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny
hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
20 Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny
na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia
hovaliana tokoa izy.
21 Kanefa raha mbola velona maharitra indray
andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.
22 Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra
vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy
maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny
vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy.
23 Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina
solon'ny aina ianao,
24 maso solon'ny maso, nify solon'ny nify,
tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra,
25 may solon'ny may, ratra solon'ny ratra,
mivatra solon'ny mivatra.
26 Ary raha misy olona mamely ny mason'ny
andevolahiny na ny mason'ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho
afaka izy noho ny masony.
27 Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny
andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.
28 Ary raha misy omby manoto lehilahy na
vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny
henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.
29 Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny
teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro
azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary
ny tompony koa hovonoina.
30 Raha sazina izy, dia handoa vidin'aina araka
izay sazy atao aminy.
31 Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby,
dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.
32 Raha manoto andevolahy na andevovavy izy,
dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon'andevo, ary ny omby
hotoraham-bato.
33 Ary raha misy olona manokatra lavaka, na
raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka
ao,
34 dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola
no haloany ho an'ny tompony; ary ny maty dia ho azy.
35 Ary raha misy ombin'olona mandratra ny
ombin'ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny
vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy.
36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto
hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho
solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.
37 Raha misy olona
mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra
omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry
na osy iray.
Chapitre 22
1 Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana
ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin'izany;
2 fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa
izy, dia hisy valin-drà ihany amin'izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy
manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.
3 Raha hita marina velona eo aminy ny halatra
na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.
4 Raha misy olona mampitondraka amin'ny voly na
tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin'olona izany
biby izany, dia amin'ny tsara indrindra ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara
indrindra ao amin'ny tanim-boalobony, no hanonerany.
5 Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo,
ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa
izay nampirehitra ny afo.
6 Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny
namany, ka angalarin'ny sasany ao amin'ny tranon'ilay olona izany, raha hita ny
mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
7 Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho
entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tompon'ny trano mba hizahana na naninjitra
ny tànany ka naka ny fananan'ny namany izy, na tsia.
8 Ny amin'ny zavatra ifandirana rehetra, na
omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay
ataon'olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenin'izy roa
tonta, koa izay helohih'Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an'ny namany.
9 Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky,
na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na
roahina ka tsy misy mahita,
10 dia fianianana amin'i Jehovah no hitsarana
azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny
namany ilay anankiray, na tsia; ary heken'ny tompony izany, dia tsy hisy
onitra.
11 Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany,
dia hanonitra ho an'ny tompon-javatra izy.
12 Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra
azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
13 Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny
namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia
hanonitra tokoa izy.
14 Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra,
dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany.
15 Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay
tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
16 Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome
azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy
hampakarina.
17 Aza velomina ny vehivavy manana ody.
18 Izay rehetra mandry amin'ny biby dia hatao
maty tokoa.
19 Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin'ny
andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
20 Ary aza manao izay sarotra amin'ny vahiny,
na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
21 Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty
akory ianareo.
22 Fa raha mampahory azy na amin'inona na
amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
23 ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono
anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho
kamboty kosa ny zanakareo.
24 Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo
eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa
zana-bola azy ianao.
25 Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatòka
ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
26 Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany
amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia
hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
27 Aza miteny ratsy an'Andriamanitra ianao, na
manozona ny mpanapaka ny firenenao.
28 Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny
vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
29 Izao no hataonao amin'ny ombinao sy ny ondry
aman'osinao; hafitoana no hitoerany ao amin'ny reniny; ary amin'ny andro
fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
30 Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay
hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny
amboa izany.
1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray
tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly
ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
3 Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo
amin'ny fandaharan-teniny ianao.
4 Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao,
na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
5 Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao
mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia
ny namanao hamaha azy tokoa.
6 Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo
ao aminao, raha manana ady izy.
7 Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono
izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly
mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina.
9 Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala
ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
10 Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny
taninao sy hanangonanao ny vokatra;
11 fa amin'ny taona fahafito kosa dia
hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao;
ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no
hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy amin'ny tanin'olivanao.
12 Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa
amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan'ny ombinao sy ny
borikinao sasatra, ary mba hakan'ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
13 Ary tandremo izay rehetra nolazaiko
taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa akory ianareo; aza avela
ho re avy amin'ny vavanao izany.
14 Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro
firavoravoana ho Ahy.
15 Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana
ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy
masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana
Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho
foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
16 Ary tandremo koa ny andro firavoravoana
amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha,
sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha
manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
17 Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny
lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo.
18 Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina
hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza
avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana
ho Ahy.
19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao
dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy
amin'ny rononon-dreniny.
20 [Ny niantohan'Andriamanitra hiaro ny
Zanak'Isiraely sy hamponina azy soa aman-tsara ao amin'ny tany Kanana] Indro,
Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho
any amin'ny fitoerana izay namboariko.
21 Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny
feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny
anarako no ao aminy.
22 Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka
hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny
rafinao Aho.
23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka
hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy
ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
24 Aza miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny
ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary
torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
25 Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo,
dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny
taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.
27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao
Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny
fahavalonao rehetra anao Aho.
28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka
handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
29 Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona
iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao
mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
31 Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka
hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny
efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo
an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
32 Aza manao fanekena aminy na amin'ny
andriamaniny ianao.
33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao
hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika
aminao tokoa izany,
*
1 [Ny namonoana fanatitra hanamafiana ny
fanekena, sy ny nahitan'i Mosesy mbamin'ny loholon'ny Isiraely
an'Andriamanitra] Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i Jehovah ianao
sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely; ka
miankohofa eny lavitra eny ianareo;
2 nefa Mosesy ihany no hanakaiky an'i Jehovah,
fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
3 Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona
ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly
indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i
Jehovah dia hataonay.
4 Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i
Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny
tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa
ambin'ny folo.
5 Ary ny zatovo amin'ny Zanak'Isiraely
nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr'ombilahy hatao
fanati-pihavanana ho an'i Jehovah.
6 Ary nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka
nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin'ny
alitara.
7 Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky
teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah
dia hataonay sy hekenay.
8 Ary nalain'i Mosesy ny rà ka natopiny
tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah
taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.
9 Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy
Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny Isiraely.
10 Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy;
koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra,
ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany.
11 Ary tsy naninjitra ny tànany tamin'ireo
lehiben'ny Zanak'Isiraely Izy; dia nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary
nihinana sy nisotro.
12 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto
amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay
misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
13 Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary
Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr'Andriamanitra.
14 Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa
anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto
aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy.
15 Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra
Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
16 Ary ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo
ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia
niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito teo afovoan'ny rahona Izy.
17 Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo
an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak
'Isiraely.
18 Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka
niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra
efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
*
1 [Ny nandidian'Andriamanitra an'i Mosesy ny
amin'ny hanaovana ny Tabernakely sy ny fanaka momba azy] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra
fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no
handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
3 Ary izao no fanatitra izay horaisinareo
aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
4 sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony
fotsy madinika sy volon'osy,'
5 sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy
hodi-takasy sy hazo akasia,
6 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra
ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
7 sy vato beryla sy vato halatsaka
an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra.
8 Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy,
dia honina eo aminy Aho.
9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny
endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka
izany no hanaovanao azy.
10 Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa
hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray
hakiho sy sasany ny hahavony.
11 Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny
atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio
koronosy volamena manodidina eo amboniny.
12 Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao
aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny
lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray koa.
13 Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho
takela-bolamena.
14 Ary ampidiro ny bao ho eo amin'ny vava
volamena, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.
15 Eo amin'ny vava volan'ny fiara no
hitoeran'ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
16 Ary ataovy ao anatin'ny fiara ny
Vavolombelona izay homeko anao.
17 Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana
amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy
sasany ny sakany.
18 Ary manaova kerobima volamena roa; voasana
no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra
fanaovam-panavotana
19 Ny kerobima iray ataovy indray mivofy
amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin'ny sakany anankiray:
indray mivofy amin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima
roa, dia amin'ny sakany roa.
20 Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny
kerobima, mba hanalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany
hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
21 Ary apetraho eo ambonin'ny fiara ny rakotra
fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no asio ny Vavolombelona izay
homeko anao.
22 Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao
ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao
anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, ka
holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
23 Ary manaova latabatra hazo akasia: roa
hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny
hahavony.
24 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady
asio koronosy volamena manodidina azy.
25 Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana
manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
26 Ary manaova vava volamena efatra hatao
aminy, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra izay eo amin'ny tongony efatra ireo:
27 eo akaikin'ny sisiny no hasiana ny vava
volamena ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
28 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho
takela-bolamena; ary amin'ireo no hilanjana ny latabatra.
29 Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny
ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara
no hanaovanao ireo.
30 Ary asio mofo aseho eo ambonin'ny latabatra
ho eo anatrehako mandrakariva.
31 Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara;
voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany
sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
32 Ary hisy sampany enina amin'ny ankilany roa:
dia sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray, ary sampany
telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray koa,
33 dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny
amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary
vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny
voniny, eo amin'ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany
enina izay amin'ny fanaovan-jiro.
34 Ary eo amin'ny fanaovan-jiro dia hisy
vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny
voniny,
35 dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa
sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray
aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy; dia
amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
36 Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa;
hatao indray mivofy aminy amin'ny volamena tsara izy rehetra.
37 Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka
ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38 Ary ny hetin-jirony Sy ny
fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
39 Volamena tsara talenta iray no hanaovana
azy mbamin'ireny fanaka rehetra ireny.
40 Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny
izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.
1 Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo
amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena;
kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
2 Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby
roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra
ny ambainy rehetra.
3 Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary
ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
4 Ary manaova tadivavarana manga ho eo
an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary
manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa
voavitrana koa.
5 Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo
amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin'ny
sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
6 Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka
akambano amin'ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny
tabernakely.
7 Ary manaova ambainy koa amin'ny volon'osy ho
lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no hanaovanao
azy.
8 Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo
hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny
ambainy iraika ambin'ny folo.
9 Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary
ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny
sakan'ny lay anatrehana.
10 Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo
an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana
dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa
voavitrana.
11 Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka
ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany
izy.
12 Ary izay mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia
ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon'ny
tabernakely.
13 Ary ny iray hakiho avy eo amin'ny lohany roa
amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao
hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny tabernakely handrakotra azy.
14 Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy
efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
15 Ary manaova zana-kazo akasia ho amin'ny
tabernakely.
16 Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray,
ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
17 Lahiny roa no ho amin'ny zana-kazo iray, ka
hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin'ny
tabernakely.
18 Ary manaova ny zana-kazo ho amin'ny
tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
19 Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia
faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa.
20 Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny
lafiny faharoa amin'ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
21 Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo,
dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
22 Ary ny lafiny andrefana amin'ny tabernakely,
izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.
23 Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin'ny
zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny ivoho.
24 Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany
ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa
izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany.
25 Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany
volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo
iray.
26 Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho
amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
27 sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny
lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo
amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
28 Ary ny barany afovoany, izay afovoan'ny
zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.
29 Ary ny zana-kazo hopetahanao
takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny
barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
30 Ary manangana ny tabernakely araka ny
endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.
31 Ary manaova efitra lamba manga sy
volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan'ny
mpanenona mahay, no hataonao sorany.
32 Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia
efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary
eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
33 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny
farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary
ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina
indrindra ho anareo.
34 Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia
ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo amin'ny fitoerana masina
indrindra.
35 Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny
latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo
amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra.
36 Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay,
dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina,
asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
37 Ary manaova andry hazo akasia dimy ho
amin'ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny
fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.
1 Ary manaova ny alitara amin'ny hazo akasia:
dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary
telo hakiho ny hahavony.
2 Ary manaova ny tandrony eo amin'ny zorony efatra,
ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
3 Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona
handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy ny loviany famafazana ary ny
fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba
azy.
4 Ary manaova makarakara varahina tahaka ny
harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo
amin'ny zorony efatra,
5 Ary ataovy eo ambanin'ny sikin'ny alitara
hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
6 Ary manaova bao ho amin'ny alitara, dia bao
hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
7 Ary ampidiro eo amin'ny vava varahina ny bao;
ary aoka ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,
8 Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy
hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
9 Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely:
amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho
amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;
10 ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho
roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny
tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
11 Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra,
amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny
tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny
fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
12 Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho
amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany,
ary ho folo ny faladiany,
13 Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny
atsinanana ho dimam-polo hakiho.
14 Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo
hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny
faladiany.
15 Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo
hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny
faladiany.
16 Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy
vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony
fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny
tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
17 Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja
manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny
fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
18 Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny
sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony
fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba
ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho
varahina koa.
20 Ary mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra
aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro
mandrakariva.
21 Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo
ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy
ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny
maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny
taranany fara mandimby,
*
1 [Ny amin'ny hanendrena ny mpisorona, sy izay
ho fomban'ny fitafiany] Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny
zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona
mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
2 Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona
rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
3 Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay
nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho
mpisorona ho Ahy.
4 Ary izao no fitafiana izay hataony:
saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama
ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho
an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
5 Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny
volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
6 Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena
sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny
mpanenona mahay.
7 Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa
hampikambana azy.
8 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo
amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga
sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9 Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy
ny anaran'ny Zanak'Isiraely:
10 ny anarany enina amin'ny vato iray, ary ny
anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny fizokiany;
11 amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny
fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny
Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
12 Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny
vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra
ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
13 Ary manaova randram-bolamena
14 sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy
ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo
alom-bolamena toy ny tady ireo.
15 Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka
asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena
sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no
hanaovanao azy.
16 Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho
irain-jehy avy ny lafiny efatra.
17 Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy,
dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary
emeralda;
18 ary ny andalana faharoa dia robina sy safira
ary onyksa;
19 ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata
ary ametysta;
20 ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy
beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
21 Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran'ny
Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny
amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany
avy.
22 Ary eo amin'ny saron-tratra asio
olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
23 Ary manaova vava volamena roa ho eo amin'ny
saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin'ny zorony roa ambony
amin'ny saron-tratra.
24 Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo
amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
25 Ary ny lanin'ny tady roa dia ataovy eo
amin'ny soroky ny efoda anoloana.
26 Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy
amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny,
izay manolotra ny efoda.
27 Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy
eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny
fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava
volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny
fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
29 Ary Arona hitondra ny anaran'ny
Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha
miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo
anatrehan'i Jehovah.
30 Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana
ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i
Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo
anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
31 Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia
ataovy manga avokoa.
32 Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy
sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo
fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
33 Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy
volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry
volamena kosa eo anelanelany manodidina:
34 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra
mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
35 Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny
fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana
masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
36 Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio
soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I
JEHOVAH.
37 Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo
amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.
38 Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy,
mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny
Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny
mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
39 Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry
madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo,
asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
40 Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona,
ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho
voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
41 Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny
zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho
mpisorona ho Ahy izy.
42 Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho
azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy
azy.
43 Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo,
raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka
hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy
izany.
1 [Ny amin'ny fanokanana ny mpisorona] Ary izao
no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
2 ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy
masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady
voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
3 Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento
amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
4 Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo
amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy
5 Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i
Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny
saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
6 ary ny hamama dia ataovy eo amin'ny lohany,
ary ny diadema masina dia ataovy eo amin'ny hamama.
7 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino
amin'ny lohany, dia manosora azy.
8 Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy
akanjo lava.
9 Ary fehezo amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona
sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho
lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an'i Arona sy ny zanany.
10 Ary asaovy entina ho eo anoloan'ny trano-lay
fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany
amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy;
11 dia vonoy eo anatrehan'i Jehovah ny
vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
12 ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia
atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny rà sisa
rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;
13 ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny
ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo
ambonin'ny alitara;
14 fa ny henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny
ary ny tain-drorohany dia dory amin'ny afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho
ny ota izany.
15 Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona
sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
16 dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny,
dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;
17 ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny
taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany;
18 ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny
tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra
ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
19 Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka
Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
20 dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny,
dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny
tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany
ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy
manodidina amin'ny lafin'ny alitara
21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny
alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny
fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina
izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.
22 Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny
hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny
fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
23 ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny
mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny
mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah;
24 ary ataovy eo an-tànan'i Arona sy eo
an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah.
25 Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho
fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra
ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i
Jehovah.
26 Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana
an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho
anjaranao izany.
27 Ary hamasino ny tratran'ny fanatitra
ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay
asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho
an'ny zanany.
28 Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy
ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra
izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny
fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.
29 Ary ny fitafiana masina izay an'i Arona dia
ho an'ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
30 Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray
amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay
fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.
31 Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy
eo amin'izay fitoerana masina ny henany
32 Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo
izay eo anatin'ny harona.
33 Ary izy na hihinana izany zavatra izany,
izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny
vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.
34 Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny
fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny
afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina.
35 Dia manaova izany amin'i Arona sy ny zanany,
araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
36 Ary vantotr'ombilahy iray no haterinao
isan'andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny
alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.
37 Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an'ny
alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina
izay rehetra manendry azy.
38 [Ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva]
Ary izao no haterinao eo ambonin'ny alitara: zanak'ondry roa izay iray taona
isan'andro isan'andro
39 (ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina,
ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),
40 ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha
voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina,
ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray.
41 Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony
hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny
fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra
atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
42 Ho fanatitra dorana mandrakariva izany
hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny
aminao
43 Ary hihaona amin'ny Zanak'Isiraely ao Aho,
ka hohamasinin'ny voninahitro izy.
44 Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy
ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
45 Ary honina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka
ho Andriamaniny.
46 Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah
Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba
honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
*
1 [Ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra]
Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao
azy.
2 Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho
efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny
tandrony.
3 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny
tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena
manodidina.
4 Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin'ny
koronosiny, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran'ny bao
ireo hilanjana azy.
5 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho
takela-bolamena.
6 Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay
manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra
fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
7 Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo;
isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
8 ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro
Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo
anatrehan'i Jehovah mandrakariva hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo
ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra
aidina eo.
10 Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny
tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota,
izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana
eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah
izany.
11 [Ny handoavana ny vola avotra] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe;
12 Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny
fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny
isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha
alamina izy.
13 Izao no haloan'izay rehetra voalamina, dia
antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray),
eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.
14 Izay rehetra voalamina hatramin'ny roa-polo
taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an'i Jehovah.
15 Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny
antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny
fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
16 Ary handray ny vola avotra amin'ny
Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay
fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah
izany, ho avotry ny ainareo.
17 [Ny tavy, sy ny diloilo fanosorana, ary ny
ditin-kazo manitra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18 Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho
varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy
ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
19 Ary eo no hanasan'i Arona sy ny zanany ny
tongony aman-tanany.
20 Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana
izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny
alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny
afo ho an'i Jehovah,
21 dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba
tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany
hatramin'ny taranany fara mandimby.
22 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
23 Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora
mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak'izany, dia dimam-polo amby
roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
24 sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina,
ary diloilon'oliva eran'ny hina;
25 dia amboary ho diloilo fanosorana masina
izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo
fanosorana masina izany.
26 Ary hosory amin'izany ny trano-lay fihaonana
sy ny fiaran'ny Vavolombelona,
27 sy ny latabatra mbamin'ny fanaka rehetra
momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy sy ny alitara
fandoroana ditin-kazo manitra,
28 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra
dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
29 Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra;
ary ho masina izay rehetra manendry azy.
30 Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino
izy mba ho mpisorona ho Ahy.
31 Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity
ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
32 Aoka tsy hihosoran'ny olon-kafa izany, na
hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina
aminareo.
33 Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy,
ary na zovy na zovy manosotra azy amin'ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny.
34 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Makà
zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy
hamboarina manokana ireo.
35 Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia
zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira
izy, ary aoka ho madio sy masina.
36 Ary torotoroy ny sasany ho madinika
indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny Vavolombelona ao amin'ny trano-lay
fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany.
37 Ary ny amin'ny ditin-kazo manitra izay
hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho
an'i Jehovah izany.
38 Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho
fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
*
1 [Ny nanendrena an'i Bezalila sy Oholiaba ho
lohan'ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila,
zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda;
3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy,
dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy
hafa:
4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa
volamena sy volafotsy ary varahina
5 sy ny hamboatra vato halatsaka
an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy
hafa.
6 Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba,
zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay
hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa
nandidiako anao:
7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara
hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny,
sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
8 sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy,
sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara
fandoroana ditin-kazo manitra
9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana
mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana
masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona,
11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo
manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no
aoka hataon'ireo.
12 [Ny amin'ny fitandremana ny Sabata] Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
13 Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao
hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo
hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no
Jehovah Izay manamasina anareo.
14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo
izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao
raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro
fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao
raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
16 Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata
hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay
izany.
17 Ho famantarana amiko sy amin'ny
Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny
lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala
sasatra.
18 [Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka
izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao
an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny
Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.
*
1 [Ny nanaovan'ny Zanak'Isiraely ombilahy kely
volamena hiankohofany, sy ny fahatezeran'Andriamanitra noho izany] Ary rehefa
hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany
Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka
anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny,
izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy
fantatray izay nanjo azy,
2 Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny
kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny
zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
3 Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny
kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.
4 Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona,
dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia
niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra
anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
5 Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao
alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro
firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.
6 Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra
fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy
hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
7 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana
midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany
amin'ny tany Egypta.
8 Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay
nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa
niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao
hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany
amin'ny tany Egypta.
9 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa hitako io
firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
10 Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny
fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
11 Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah
Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra
amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny
hery lehibe sy ny tanana mahery?
12 Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe:
Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny
an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny
fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.
13 Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely
mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny
taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany
rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany
mandrakizay.
14 Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza
izay nokasainy hamelezana ny olony.
15 Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao
an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny
an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany
sy teo ambadika no nisy ny soratra.
16 Ary ny vato fisaka dia asan'Andriamanitra,
ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra, voasoratra teo amin'ny vato fisaka.
17 Ary rehefa ren'i Josoa ny fitabataban'ny
olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i Mosesy: Misy tabataban'ady atsy
an-toby.
18 Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery
na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.
19 Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita
ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia
natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny
tendrombohitra.
20 Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa
nataon'ny olona ka nodorany tamin'ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia
nafafiny tambonin'ny rano ka nampisotroiny ny Zanak'Isiraely.
21 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Inona no
nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
22 Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny
fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy
izy;
23 ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho
antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra
antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo
azy.
24 Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy
manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko
tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
25 Ary rehefa hitan'i Mosesy fa natondraka
hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak'i Arona ho
fanakorana eo amin'ny fahavalony izy,
26 dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby
Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary
ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.
27 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy
ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia
mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
28 Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ny
taranak'i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin'izany
andro izany.
29 Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny
tenanareo ho an'i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny
rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
30 [Ny nifonan'i Mosesy, sy ny
navalin'Andriamanitra azy] Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa
nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah
aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.
31 Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehovah
ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao
andriamani-bolamena ho azy.
32 Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny
fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao
izay nosoratanao ny anarako.
33 Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza
nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko.
34 Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho
any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo
aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
35 Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny
ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.
*
1 [Ny nitenenan'Andriamanitra ny
Zanak'Isiraely, sy ny nanetren'ireo tena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy
hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao
niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay nianianako tamin'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
2 Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo
aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny
Hivita ary ny Jebosita),
3 dia ho amin'izay tany tondra-dronono sy
tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao),
fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
4 Ary rehefa ren'ny olona izany teny mampahory
izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.
5 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra
aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa
ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko
aminao.
6 Ary ny Zanak'Isiraely dia nanala ny firavany
hatreo an-tendrombohitra Horeba.
7 [Ny nihaonan'i Mosesy tamin'Andriamanitra, sy
ny naneken'Andriamanitra ny fangatahany] Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka
manorina azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny
trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny
amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby.
8 Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy,
dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny
lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.
9 Ary raha niditra tao amin'ny lay Mosesy, dia
nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah
dia niresaka tamin'i Mosesy.
10 Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona
nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka
samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy.
11 Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin'i
Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin'ny
toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak'i Nona, tsy niala tamin'ny
lay.
12 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa
Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola
nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe:
Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo
imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia
eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.
14 Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia
hanome anao fitsaharana Aho.
15 Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny
Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.
16 Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita
fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin'ny handehananao miaraka
aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izahay, dia
izaho sy ny olonao.
17 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra
nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala
anao tokoa Aho.
18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny
voninahitrao aho.
19 Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny
fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo
anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay
hamindrako fo.
20 Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako
ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.
21 Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto
anilako; dia hijanona eo ambonin'ny harambato ianao;
22 koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko
eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.
23 Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny
vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.
1 [Ny nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena] Ary
hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo,
dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka
teo, izay novakivakinao;
2 ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina;
dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo
anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra.
3 Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy
ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny tendrombohitra Sinay
rehetra; ary ny ondry aman'osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny
akaikin'izany tendrombohitra izany
4 Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay
teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra
Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato
fisaka roa.
5 Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka
nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah.
6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso
hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be
famindram-po sy fahamarinana,
7 mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo
mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina
ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny
zafiafy sy ny zafindohalika.
8 Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin'ny
tany ka niankohoka;
9 dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia
eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy
hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
10 Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka
eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy
natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona
rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay
zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro,
efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny
Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
12 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena
amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao
izany.
13 Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny
tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay
andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria
Andriamanitra saro-piaro Izy,
15 fandrao ianao hanao fanekena amin'ny mponina
eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra
hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana
amin'ny fanatiny;
16 ary andrao koa haka amin'ny zananivavy ho
vadin'ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny
zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
17 Aza manao andriamanitra anidina ho anao.
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny
andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo
tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny
volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
19 Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny
lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman'osy;
20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia
hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny
vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy
hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
21 Henemana no hiasanao, fa amin'ny andro
fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin'ny taom-pamafazana sy amin'ny
taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
22 Ary tandremo ny andro firavoravoana
manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha
mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny
fitsingerenan'ny taona.
23 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra
aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka
hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra
hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
25 Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina
hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza
avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro
firavoravoana amin'ny Paska.
26 Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao
dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy
amin'ny rononon-dreniny.
27 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo
teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny
Isiraely.
28 Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy
efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i
Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
*
29 Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra
Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy
nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry
ny tavany noho ny nitenenany taminy.
30 Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely
rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra
azy izy.
31 Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona
sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
32 Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny
Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i
Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay.
33 Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy
taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
34 Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah
Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia
nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy.
35 Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i
Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny
tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.
*
1 [Ny nilazan'i Mosesy ny didin'i Jehovah ny
amin'ny hitandremana ny Sabata sy ny hanaovana ny tabernakely, ary ny zavatra
naterin'ny olona hanaovana azy] Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah
hatao:
2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro
fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay
rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.
3 Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any
amin'izay rehetra itoeranareo.
4 Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
5 Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah:
izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah:
dia volamena sy volafotsy sy varahina,
6 ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony
fotsy madinika, ary volon'osy
7 sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy
hodi-takasy ary hazo akasia,
8 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra
ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
9 ary vato beryla sy vato halatsaka
an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.
10 Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho
avy ka hanao izay rehetra nandidian'i Jehovah:
11 dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny
firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny
faladiany,
12 ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra
fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13 ary ny latabatra sy ny baony mbamin'ny
fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
14 ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin'ny
fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
15 ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny
varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny tabernakely,
16 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra
dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra
momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
17 ary ny fefy lamba ho amin'ny kianja sy ny
tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin'ny vavahadin'ny
kianja,
18 ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny
tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
19 ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i
Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.
20 Dia niala teo anatrehan'i Mosesy ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
21 Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra
nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra
ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana
rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
22 Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy
rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy
voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona
rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah.
23 Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy
volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy sy hoditr'ondrilahy
efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
24 Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy
sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana
hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.
25 Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia
namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy
sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
26 Ary ny vehivavy rehetra izay
nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny volon'osy.
27 Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy
ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,
28 ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao
fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny ditin-kazo
mani-pofona.
29 Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra
sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay
namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy hatao.
30 Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely:
Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy
amin'ny firenen'i Joda,
31 ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia
fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,
32 dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny
hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
33 ary ny hamboatra vato halatsaka
an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa
rehetra.
34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa
nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy
amin'ny firenen'i Dana.
35 Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy,
hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny
an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy
volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona,
dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.
*
1 Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona
hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany
hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka
izay rehetra nandidian'i Jehovah.
2 Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy
Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao
am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.
3 Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny
fanatitra rehetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny
fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra
fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.
4 Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa
rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,
5 ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra
mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i
Jehovah hatao.
6 Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra
nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana
masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy
hanatitra intsony;
7 fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa
rehetra ka nanana amby aza.
8 [Ny nanaovana ny tabernakely sy izay rehetra momba azy]
Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely:
dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy
volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
9 Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo
hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny
ambainy rehetra.
10 Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy
dimy koa navitrany ho iray.
11 Ary nanao tadivavarana manga teo
an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana;
ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny
anankiray efa voavitrana koa.
12 Tadivavarana dimam-polo no nataony teo
amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny
sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny
tadivavarana.
13 Ary nanao farango volamena dimam-polo izy,
ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny
tabernakely.
14 Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy
ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no
nanaovany azy.
15 Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo
hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny
ambainy iraika ambin'ny folo.
16 Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary
ny ambainy enina kosa hikambana.
17 Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo
antsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary
tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray
koa efa voavitrana.
18 Ary nanao farango varahina dimam-polo izy
hampikambana ny lay ho iray.
19 Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny
hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20 Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny
tabernakely izy.
21 Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray,
ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
22 Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka
nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny
tabernakely.
23 Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny
tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
24 Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho
ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo
hiorenan'ny lahiny roa.
25 Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny
lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
26 Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy
dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.
27 Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny
lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
28 Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny
zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.
29 Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany
ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany
avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
30 Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany
volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny
isan-janakazo iray.
31 Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy
ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
32 sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny
lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo
amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
33 Ary nanao ny barany afovoany izy, ho
afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
34 Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena,
ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary
nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
35 Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy
volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny
mpanenona mahay, no nataony sorany.
36 Ary nanao andry efatra tamin'ny hazo akasia
izy hihantonan'izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony
volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra
izy'hiorenany.
37 Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny
varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony
fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
38 Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia
nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany;
ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
1 Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo
akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany,
ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
2 ary nopetahany takela-bolamena tsara tao
anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
3 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao
aminy izy, ka nataony teo amin'ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny
lafiny iray, ary vava vola roa teo amin'ny lafiny iray koa.
4 Ary nanao bao tamin'ny hazo akasia izy, ka
nopetahany takela-bolamena.
5 Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava
vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.
6 Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana
tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy
sasany ny sakany.
7 Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana
no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany roa amin'ny rakotra
fanaovam-panavotana:
8 dia ny kerobima iray nataony teo amin'ny
sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin'ny sakany anankiray:
indray mivofy tamin'ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima
roa, dia teo amin'ny sakany roa.
9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo
ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany
nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
10 Ary nanao ny latabatra tamin'ny hazo akasia
izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany
ny hahavony.
11 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy,
sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
12 Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana
manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
13 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao
aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony
efatra, ireo:
14 eo akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola
ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
15 Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy,
hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
16 Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny
latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny
fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena
tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy
avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny
voniny.
18 Ary nisy sampany enina tamin'ny ankilany
roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray, ary sampany
telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray koa;
19 teo amin'ny sampany anankiray nisy
vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny
voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao
tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany
avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.
20 Ary teo amin'ny fanaovan-jiro dia nisy
vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny
voniny,
21 dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa
sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy,
ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin'ny
sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
22 Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy
avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra.
23 Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny
hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin'ny volamena tsara izy.
24 Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy
mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.
25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo
manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia
efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray
aminy ny tandrony.
26 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy,
dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy
volamena manodidina.
27 Ary nasiany vava volamena roa izy teo
ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony efatra ireo ho fitoeran'ny
bao hilanjana azy.
28 Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany
takela-bolamena.
29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy,
sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.
1 Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra
dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro
tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2 Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony
efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
3 Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara
izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany
famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony; nataony varahina avokoa ny
fanaka rehetra momba azy.
4 Ary nanao makarakara varahina tahaka ny
harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny
alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.
5 Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo
an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao.
6 Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka
nopetahany takela-barahina.
7 Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola
teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no
narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
8 Ary ny tavy varahina sy ny faladiany
varahina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
9 Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny
atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony
fotsy madinika voahasina;
10 ary roa-polo ny tsangantsangany, ary
roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny
tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
11 Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato
hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo;
volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
12 Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy
lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary
volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
13 Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo
hakiho.
14 Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo
hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
15 Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo
hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
16 Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina
avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.
17 Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia
nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka
hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy;
ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy
hitohizany avokoa.
18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny
kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy
sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary
ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny
hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.
19 Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny
faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola
tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
20 Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy
amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
21 [Tontalin'ny volamena sy volafotsy ary
varahina izay lany] Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny
tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao
fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
22 Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy
amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
23 Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i
Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona
mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena
ary rongony fotsy madinika.
24 Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely
telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay
lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao
fanatitra ahevaheva.
25 Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay
voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby
fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:
26 beka iray isan-olona, dia antsasaky ny
sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo
arivo sy enina hetsy.
27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika
nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia
faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
28 Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby
fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana
takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
29 Ary ny varahina izay natao fanatitra
ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
30 Ary izany no nanaovany ny faladiany ho
amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny
makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
31 ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy
ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny
tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.
1 [Ny nanaovana ny fitafian'ny mpisorona] Ary
tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana
makarakara*, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary
nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.[Na: fitondra manompo]
2 Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga
sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
3 Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify
izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny
volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona
mahay.
4 Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny
sisiny roa hampikambanana azy.
5 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo
amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy
manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka
izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
6 Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina,
ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny
firenen'ny Zanak'Isiraely.
7 Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny
vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
8 Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny
mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy
volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9 Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny
saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
10 Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony
izy, dia vato efatra andalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary
emeralda;
11 ary ny andalana faharoa dia robina sy safira
ary onyksa;
12 ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata
ary ametysta;
13 ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy
beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
14 Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny
firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy
soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo
araka ny anarany avy.
15 Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy
ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.
16 Ary nanao randram-bolamena roa sy vava
volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony
amin'ny saron-tratra.
17 Ary ny tady volamena roa dia nataony teo
amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra.
18 Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo
amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
19 Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony
teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny
izay manolotra ny efoda.
20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka
nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany,
akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
21 Ary kofehy manga no namehezany ny vava
volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny
fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay
efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22 Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda,
asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
23 Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo
afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina
ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
24 Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo
ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena
voahasina;
25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy,
ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny
moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny
ampongaben-danitra):
26 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra
mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho
entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah
an'i Mosesy.
27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy
madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.
28 Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy
madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny
kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
29 Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy
madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy
hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
30 Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina
dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny
fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
31 Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy
amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
32 Ary vita ny asa rehetra tamin'ny
tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay
rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33 Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny
tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny
zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
34 ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa
nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
35 ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony
ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
36 ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba
azy ary ny mofo aseho,
37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela
fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra
momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
38 ary ny alitara volamena sy ny diloilo
fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny
varavaran'ny trano-lay,
39 ary ny alitara varahina sy ny makarakara
varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy
sy ny faladiany,
40 ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny
tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny
kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny
tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,
41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny
fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.
42 Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah
an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra.
43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro,
efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
*
1 [Ny nananganana ny tabernakely] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Amin'ny andro voalohany amin'ny volana
voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
3 Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia
ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
4 Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay
halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo
manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana
lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
6 Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana
dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
7 Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny
trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
8 Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny
ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.
9 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny
tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba
azy, ka dia ho masina izy.
10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny
fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia
ho masina indrindra izy.
11 Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka
hamasino izy.
12 Ary ento Arona sy ny zanany hankeo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.
13 Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana
masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
14 Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny
akanjo lava.
15 Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny
rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana
mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
16 Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay
rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
17 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana
voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
18 Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia
nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy
nanangana ny andriny.
19 Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny
tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay
efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany
tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra
fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.
21 Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny
tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny
Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22 Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny
trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo
ivelan'ny efitra lamba.
23 Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i
Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
24 Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo
amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny
tabernakely atsimo.
25 Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i
Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
26 Ary ny alitara volamena dia nataony teo
amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;
27 ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy,
dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
28 Ary ny varavarana lamba dia nataony teo
amin'ny varavaran'ny tabernakely;
29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra
dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay
fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra
hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny
trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
31 Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny
zanany ny tongony aman-tànany.
32 Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana
izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33 Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny
tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin'ny
vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.
34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay
fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
35 Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny
trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny
voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
36 Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely
ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;
37 fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy
nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.
38 Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny
tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny
taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.