[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Josoa
Accčs direct aux chapitres de Josué : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24
1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary
rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i
Nona, mpanompon'i Mosesy:
2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangāna, mitā ity
Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko
azy, dia ny Zanak'Isiraely.
3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa
nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.
4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny
ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka
hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro
rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy
handao anao na hahafoy anao Aho.
6 Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova
ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao,
hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko
anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba
hambinina* ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry]
8 Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny
lalāna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay
rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady
hambinina*. [Na: ho hita ho hendry]
9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy
matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao
amin'izay rehetra alehanao.
10 Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
11 Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona
hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana
ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo
ho lovanareo.
12 Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny
antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe:
13 Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho
anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
14 Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny
biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo
etỳ an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho
voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy,
15 mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny
rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah
Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova
azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo etỳ an-dafy
atsinanan'i Jordana.
16 Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe:
Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia
halehanay.
17 Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny
zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao
tahaka ny nombany an'i Mosesy.
18 Izay rehetra mandā ny didinao ka tsy mihaino
ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy
matanjaha ianao.
*
1 [Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy] Ary
Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima
ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia
niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao
hoe Rahaba, ka nandry tao.
2 Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko
hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga atỳ izao alina
izao hisafo ny tany.
3 Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i
Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo
ny tany no nihaviany.
4 Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka
nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny,
nefa tsy fantatro izay nihaviany;
5 ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny
vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho
faingana izy, fa ho tratranareo.
6 Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any
an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany
teo amin'ny tampon-trano.
7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny
lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitāna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika
azy, dia nohidiana ny vavahady.
8 Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia
niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
9 ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i
Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa
ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.
10 Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny
Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay
nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i
Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny
fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo,
Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany
ambany.
12 Koa ankehitriny, masėna ianareo, mba ianiano
amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo
amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
13 fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny
anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay
tsy ho faty ianareo.
14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho
faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha
omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao
izahay.
15 Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo
amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny māndan'ny tanāna ny tranony, ary teo
amin'ny manda no nitoerany.
16 Dia hoy izy taminy: Mandehana any
an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any
hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any
amin'izay halehanareo.
17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy
hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany:
18 Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay,
dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky
io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao
rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
19 ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny
tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny rāny, ary izahay tsy
hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay
kosa ny rāny, raha tāhiny misy olona maninona azy akory;
20 fa raha tāhiny hambarambaranao izao
raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay
izahay.
21 Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina
izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny
varavarankely ilay kofehy jaky.
22 Dia nandeha izy roa lahy ka nankany
an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary
nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
23 Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany
an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka
nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,
24 ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i
Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina
rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.
*
1 [Ny nitan'ny Zanak'Isiraely an'i Jordana, sy
ny tsangam-bato nataony tao Gilgala, ary ny tahotry ny Amorita sy ny Kananita
tamin'izany] Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima
ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo
izy aloha vao nita.
2 Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha
namaky ny toby ny mpifehy
3 ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra
azy, dia mialā amin'izay itoeranareo, ka manaraha azy
4 (kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo
hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana
izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
5 Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasina ny
tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
6 Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao
hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mitā eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny
fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.
7 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no
hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny
nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny
fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana
ianareo, dia mijanōna eo Jordana ihany.
9 Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe:
Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
10 Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa
eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita
sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny
Jebosita:
11 Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny
tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;
12 koa ankehitriny mangalā lehilahy roa
ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
13 ary raha vao mijanona eo amin'ny rano
Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah,
Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina
avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
14 Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i
Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny
olona,
15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara,
ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny
tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany
ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia
terỳ amin'ny tanāna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa
ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay*, dia ny
Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. [*Heb. Arabā]
17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana,
ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy
rehetra an'i Jordana.
1 Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny
olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe:
2 Mangalā lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny
olona, dia iray avy isam-pirenena,
3 ka mandidia azy hoe: Makā vato roa ambin'ny
folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia
ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.
4 Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny
folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny
fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga
vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely,
6 mba ho famantarana eo aminareo izany, raha
manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho
anton'ireo vato ireo?
7 dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano
Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana
ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana
mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.
8 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay
nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka
izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka
napetrany teo.
9 Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i
Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay
nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
10 Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara
nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay
nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra
nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.
11 Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra,
dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona.
12 Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada
ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo
alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.
13 Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana
hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo amin'ny tani-hay* any
Jeriko. [*Heb. Arabā]
14 Tamin'izany andro izany no nanandratan'i
Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny
olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.
15 Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao
hoe:
16 Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny
fiaran'ny Vavolombelona* hiakatra hiala eo Jordana. [*Dia ny didy folo]
17 Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe:
Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18 Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i
Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay
nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana
nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
19 Ary ny olona niakatra niala teo Jordana
tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo
amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.
20 Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo
Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.
21 Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka
nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe:
Inona no anton'ireo vato ireo?
22 dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany
maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity.
23 Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina
ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny
nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina
teo anoloantsika mandra-pitantsika,
24 mba ho fantatry ny firenena rehetra
ambonin'ny tany fa mahery ny tānan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah
Andriamanitrareo mandrakizay.
*
1 Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any
an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any
amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo
anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany*, dia ketraka ny fony ka very hevitra
izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [*Na: (mandra-pitantsika)]
2 [Ny namorana ny olona izay nateraka tany
an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny mana] Tamin'izany
andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho
anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.
3 Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka
namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.
4 Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny
lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy
maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.
5 Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka;
fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa
nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
6 Fa efa-polo taona no nandehanan'ny
Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny
mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah
izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay
nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy
tantely.
7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka
ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny
an-dalana.
8 Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia
nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
9 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no
nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany
izany dia nataony hoe Gilgala* mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana]
10 Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka
nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny
volana, teo amin'ny tani-hay* any Jeriko.[Heb. Arabā]
11 Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny
vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy
masirasira sy lango.
12 Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro
ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho
an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy
tamin'izany taona izany.
13 [Ny nisehoan'ny Komandin'ny miaramilan'i
Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny Isiraely an'i Jeriko] Ary nony teo
akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy
lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tānany; ary
nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny
fahavalonay?
14 Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny
miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny
tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao,
Tompokolahy ?
15 Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i
Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany
ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.
*
1 Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny
Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
2 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa
natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery.
3 Koa mandehana manodidina ny tanāna indray
mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.
4 Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara
fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino
impito ny tanāna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.
5 Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy
faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra;
ka dia hirodana amin'izay ny māndan'ny tanāna, ary hiakatra samy hizotra
amin'izay hitsiny avy ny olona.
6 Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona,
ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ary asio mpisorona fito
mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka
manodidina ny tanāna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan'ny
fiaran'i Jehovah.
8 Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia
nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i
Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka
azy.
9 Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha
teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka
ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
10 Ary ny vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza
manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan'ny andro
hanaovako aminareo hoe: Manakorā! dia vao amin'izay ianareo no hanakora.
11 Ary nanodidina ny tanāna indray mandeha ny
fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.
12 Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny
mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.
13 Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny
anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha
mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia
nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah;
ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
14 Dia nanodidina ny tanāna indray mandeha koa
izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy
izany.
15 Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha
maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanāna
impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny
tanāna impito izy.
16 Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha
nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakorā! fa
efa nomen'i Jehovah anareo ny tanāna.
17 Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra
voaozona* ny tanāna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina,
dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
[Heb. herema; izahao Lev. XXII. 28]
18 Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin'ny
zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka
amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona
ary mampidi-doza aminy.
19 Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary
ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i
Jehovah izany.
20 Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny
anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy,
ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanāna samy nizotra tamin'izay
hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanāna.
21 Ary naringany* tamin'ny lelan-tsabatra izay
rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby,
na ondry aman'osy, na boriky. [Heb. nataony herema]
22 Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia
efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny tranon'ilay vehivavy janga, ka
ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay
nianiananareo taminy.
23 Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka
nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny
havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra
nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny Isiraely.
24 Ary ny tanāna sy izay rehetra tao dia
nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina
sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
25 Fa Rahaba janga sy ny ankohonan'ny rainy sy
ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia novelomin'i Josoa, ary mitoetra
eo amin'ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay
efa nirahin'i Josoa hisafo an'i Jeriko izy.
26 Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany
andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona
mitsangana manorina ity tanāna Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho
sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny
hananganany ny vavahadiny.
27 Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely
tamin'ny tany rehetra ny lazany.
*
1 [Ny fahotan'i Akana sy ny namonoana azy] Fa
ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana,
zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka
tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i
Jehovah.
2 Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko
hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy
hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.
3 Ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo ka
nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony
ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an'i Ay; aza manasatra ny
vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
4 Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony
ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan'ny mponina tao Ay ireo.
5 Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo
lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany
Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka
tonga tahaka ny rano.
6 Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka
niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny
andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
7 Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô!
nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay
eo an-tānan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra
tany an-dafin'i Jordana ihany!
8 Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko,
fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny fahavalony?
9 Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra
amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo
amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
10 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangāna;
nahoana no miankohoka toy izao ianao?
11 Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny
fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady
nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany.
12 Koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony
ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga
voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo
ny zavatra efa voaozona.
13 Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao
hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely;
koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny
zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
14 Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka
ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan'i Jehovah dia hanatona
isam-pokony; ary ny foko izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray
isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray
isam-batan'olona.
15 Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia
hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny
faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra* teo amin'ny Isiraely.[Heb.
fahadalana]
16 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona
ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen'i Joda no notanana.
17 Dia nitondra ireo fokon'i Joda izy; ka ny
fianakavian'i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian'i Zera indray
isam-batan'olona izy, ka Zabdy no notanana;
18 dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona
tsirairay izy; dia Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy zanak'i Zera, avy
tamin'ny firenen'i Joda, no notanana.
19 Dia hoy Josoa tamin'i Akana: Anaka, masėna
ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy*;
ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.[Na: miderā
azy]
20 Ary Akana namaly an'i Josoa ka nanao hoe;
Eny tokoa, izaho no nanota tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. ary izao
ka izao no nataoko:
21 Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy
sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo,
tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voāfina ao
ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
22 Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka
nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voāfina tao anatin'ny lainy ny zavatra,
ary ny volafotsy tao ambaniny.
23 Dia nalainy avy ao amin'ny lay ireny ka
nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary napetrany teo
anatrehan'i Jehovah
24 Dia nalain'i Josoa sy ny Isiraely rehetra
Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny
zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny
aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao
an-dohasaha Akora ireny.
25 Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao
taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny
Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo
amboniny.
26 Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy
mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra.
Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora*.[Akora
= fampidiran-doza]
*
1 [Ny nahafahan'ny Isiraely an'i Ay sy Betela]
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka
aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingā, iakaro Ay; indro, efa
natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanānany
ary ny taniny.
2 Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny
mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra
sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo
ankoatry ny tanāna.
3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra
hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo
tamin'ny alina.
4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro,
ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanāna hamely azy, ka aza manalavitra azy
loatra, fa miomāna ianareo rehetra.
5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka
amiko kosa dia hanatona ny tanāna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo
ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
6 Dia hivoaka hanenjika anay izy
mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanāna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo
anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
7 Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana
kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanāna; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo
eo an-tananareo izy.
8 Ary rehefa afakareo ny tanāna, dia dory
amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo
aho.
9 Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary
nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay;
fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.
10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny
vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny
Isiraely.
11 Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay
niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanāna; ary
nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay.
12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy
ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanāna.
13 Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby
rehetra izay teo avaratry ny tanāna sy ny otrika teo andrefan'ny tanāna, dia
nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany alina izany.
14 Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany,
dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanāna ka nivoaka faingana hiady
tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany* nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia
ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao
ankoatry ny tanāna. [Na: fotoana]
15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy
teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana mankany an-efitra.
16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka
rehetra izay tao an-tanāna; ary nanenjika an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho
tafavoaka ny tanāna.
17 Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao
Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny
tanāna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
18 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i
Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia
natondron'i Josoa ny tanāna ny lefona izay teny an-tānany.
19 Dia niroatra faingana ny otrika avy tao
amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tānany; dia niditra
tao an-tanāna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo.
20 Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany
fa, indro, ny setroky ny tanāna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy
handosirany akory , na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao
tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
21 Fa rehefa hitan'i Josoa sy ny Isiraely
rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanāna, ka niakatra ny setroky ny tanāna, dia
nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
22 Ary ireo tao an-tanāna nivoaka hamely azy,
ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo
an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny
Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
23 Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona
ka nentiny teo amin'i Josoa.
24 Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay
tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo
tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia
niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra.
25 Ary izay rehetra maty tamin'izany andro
izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina
rehetra tao Ay.
26 Ary Josoa tsy nampihemotra ny tānany izay
nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana* ny mponina rehetra tao Ay.[Heb.
herema]
27 Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana
rehetra tao amin'izany tanāna izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany,
araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.
28 Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho
tanānaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
29 Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny
hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia
nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny
vavahadin'ny tanāna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
*
30 [Ny nanoratan'i Josoa ny dikan'ny lalāna
tamin'ny vato, sy ny namakiana ny fitahiana sy ny fanozonana teo
an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara
tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
31 araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i
Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalān'i
Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra
fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao
fanati-pihavanana.
32 Dia nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny
lalān'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
33 Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny
mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara,
teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i
Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny
tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala,
araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano
ny olona Isiraely.
34 Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny
tenin'ny lalāna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay
rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalāna.
35 Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i
Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely
rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
*
1 [Ny hafetsena nataon'ny Gibeonita mba tsy
handringanana azy] Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ
an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana, na ny tany amin'ny tany
lemaka amoron-tsiraka*, na ny tany amoron'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i
Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny
Jebosita, [Heb. Sefela]
2 dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy
ny Isiraely izy.
3 Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay
nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
4 dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary
nody ho iraka* ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny
hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, [Na: nitondra
vatsy]
5 ary kapa tonta sady nitampintampina teo
amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo* ny mofo
rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro]
6 Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany
Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any
an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
7 Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo:
Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena
aminareo?
8 Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay.
Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?
9 Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany
lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao;
fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
10 ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka
roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i
Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.
11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny
mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrā vatsy eny an-tananareo
ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe:
Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
12 Itony mofonay itony dia vao mafana no
nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo;
fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo* izy; [Na: torotoro]
13 ary vaovao ireto siny hoditra misy divay
ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto
lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
14 Ary nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa
tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy.
15 Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka
nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan'ny fiangonana koa dia
nianiana taminy.
16 Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany
fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo
aminy.
17 Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka tonga tany
an-tanānan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary
Kiriata-jearima no tanānany.
18 Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana
taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.
19 Fa hoy ny loholona rehetra tamin'ny
fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay
taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
20 Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika
ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny
fianianana nataontsika taminy.
21 Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany
ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana
rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.
22 Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy
hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra
izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
23 Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy
hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny
tranon'Andriamanitro ianareo.
24 Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe:
Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy
an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina
rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny
aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
25 koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao
izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.
26 Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy
tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.
27 Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany
ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny
alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.
1 [Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjaka dimy
lahy, sy ny nahazoany an'i Kanana Atsimo rehetra.] Ary rehefa ren'i
Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany* (fa araka
izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny
mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka
tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema]
2 dia raiki-tahotra indrindra izy, satria
tanāna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanāna misy andriana, sady
lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
3 Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan'i
Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i
Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao
hoe:
4 Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy,
hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny
Zanak'Isiraely izy.
5 Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin'ny
Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny
mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona, ka
niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i Gibeona ka
namely azy.
6 Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona
ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny
tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary
vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny
Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.
7 Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny
mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
8 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra
azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao
izy na dia iray akory aza.
9 Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao
lava alina-avy tany Gilgala izy.
10 Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo
anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady
nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany
Azeka ka hatrany Makeda.
11 Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely
teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy
taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny
matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
12 Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i
Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny
Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro,
mijanōna* eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i
Aialona.[Heb. mangina]
13 Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona* koa
ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny
Bokin'i Jasara** va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka
tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [*Heb.
mangina][**Jasara = Ilay mahitsy]
14 Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany
alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah
niady ho an'ny Isiraely.
15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia
niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16 Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao
anatin'ilay zohy any Makeda.
17 Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo,
miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
18 Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe
hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
19 fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny
fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any
an-tanānany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
20 Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny
Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no
lasa niditra tany amin'ny tanāna mimanda,
21 dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i
Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava
ratsy* tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.[Heb. nandranitra ny lelany]
22 Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka
avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
23 Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo
mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i
Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i
Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
24 Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka
nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely
Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka
ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy
ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
25 Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na
mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo
rehetra izay iadianareo.
26 Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo
Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny; ka dia
nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.
27 Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia
nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy
niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany
mandraka androany.
28 Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany
andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny
olona rehetra tao dia naringany* avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray
akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony
tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
29 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy
dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
30 dia natolotr'i Jehovah teo an-tānan'ny
Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy
mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary
tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny
mpanjakany koa.
31 Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely
rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
32 Dia natolotr'i Jehovah teo an-tānan'ny
Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony
tamin'i Libna koa.
33 Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera,
hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy
nisy niangana.
34 Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely
rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
35 dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka
nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany*
tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.[Heb.
nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
36 Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny
Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanānany rehetra ary ny olona rehetra
tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa
nataony tamin'i Eglona; fa naringany* avokoa izy sy ny olona rehetra tao.[Heb.
nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
38 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra
teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39 dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny
tanānany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany* avokoa
ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka
izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira
sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany
koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
40 Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny
mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka
amoron-tsiraka* ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana
ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah.
Andriamanitry ny Isiraely, [Heb. Sefela]
41 Dia nasian'i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea
ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
42 Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny
dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no
niady ho an'ny Isiraely.
43 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra
teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
*
1 [Ny nandresena ny mpanjaka rehetra any Kanana
Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany Kanana rehetra] Ary rehefa nahare
Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i
Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
2 ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana
any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay* atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny
tany lemaka amoron-tsiraka** ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana, [*Heb.
Arabā][**Heb. Sefela]
3 dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any
andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita
tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany
amin'ny tany Mizpa.
4 Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany
rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny
hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
5 Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo,
dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma.
6 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra
azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo
anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7 Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra
mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia
namely azy.
8 Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tānan'ny
Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany
Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy
mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
9 Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa
nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny
nodorany tamin'ny afo.
10 Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka
nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora
no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
11 Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona
rehetra tao ka naringany* avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory
aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII.
28]
12 Ary ny tanāna rehetra izay an'ireny mpanjaka
ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra ka naringany*, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i
Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
13 Fa ny tanāna rehetra izay teny an-kavoana
dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa.
14 Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny
tanāna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny
olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy
nasiany niangana na dia iray akory aza.
15 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i
Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
16 Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra
izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra,
na ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny tani-hay** na ny tany havoan'ny
Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, [*Heb. Sefela][**Heb. Arabā]
17 hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay
fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona
am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka
novonoiny ho faty.
18 Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka
rehetra ireny.
19 Tsy nisy tanāna izay nanao fihavanana
tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa
azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.
20 Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny
fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona*, ka tsy
nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.[Heb. herema]
21 Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka
namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy
Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany
havoan'Isiraely rehetra: naringan*'i Josoa avokoa izy sy ny tanānany. [Heb.
nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
22 Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny
Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy
sisa.
23 Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra,
araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho
lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka
nandry ny tany.
*
1 [Ny anaran'ny mpanjaka izay novonoin'ny
Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka
lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka
Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay*
[Heb. Arabā]
2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina
tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona,
ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny
lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona, [Heb. Arabā]
3 ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay*
hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay*,
dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny
tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. [Heb. Arabā]
4 Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i
Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
5 sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy
tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny
Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
6 Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely
no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho
lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
7 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i
Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada,
eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay
fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka
ny fizarany,
8 dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny
tany lemaka amoron-tsiraka* sy amin'ny tani-hay** sy amin'ny tany ambodin'ny
tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny
Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny
Jebosita:[*Heb. Sefela][**Heb. Arabā]
9 Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i
Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;
10 ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny
mpanjakan'i Hebrona, iray;
11 ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i
Lakisy, iray;
12 ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i
Gazera, iray;
13 ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i
Gadera, iray;
14 ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i
Arada, iray;
15 ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i
Adolama, iray;
16 ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i
Betela, iray;
17 ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i
Hefera, iray;
18 ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i
Lasarona, iray;
19 ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i
Hazora, iray;
20 ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny
mpanjakan'i Aksafa, iray;
21 ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i
Megido, iray;
22 ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i
Jokneama any Karmela, iray;
23 ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i
Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;
24 ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby
telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.
*
1 [Ny nandidian'Andriamanitra an'i Josoa hizara
ny tany ary filazana ny anjara efa nomena ny firenena roa sy sasany] Ary Josoa
dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa
zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola
azo.
2 Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany
rehetra an'ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
3 hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka
hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo
andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita
sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
4 any atsimo, dia ny tanin'ny Kananita rehetra
sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin'ny fari-tanin'ny
Amorita,
5 ary ny tanin'ny Gebalita sy Libanona rehetra
any atsinanana, hatrany Bala-gada eo ambodin'ny tendrombohitra Hermona ka
hatrany akaikin'i Hamata,
6 ary ny mponina rehetra any amin'ny tany
havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra,
Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy
araka izay efa nandidiako anao.
7 Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho
lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen'i Manase.
8 Ary niaraka tamin'ireo koa no nahazoan'ny
Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i Mosesy azy any an-dafy
atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy,
9 dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny
lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanāna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany
lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
10 ary ny tanāna rehetra izay an'i Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin'ny faritanin'ny
taranak'i Amona,
11 ary Gileada sy ny tanin'ny Gesorita sy ny
Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany
Saleka,
12 dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany
Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny
Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.
13 Kanefa tsy mba noroahin'ny Zanak'Isiraely ny
Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely mandraka
androany ny Gesorita sy ny Makatita.
14 Ny firenen'i Levy ihany no tsy nomeny lova;
ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no
lovany araka izay nolazainy taminy.
15 Ary nomen'i Mosesy lova ny firenena
taranak'i Robena araka ny fokony
16 Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay
eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanāna izay eo afovoan'ny lohasaha
sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
17 dia Hesbona sy ny tanānany rehetra, izay eo
amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona
18 sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata
19 sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin'ny
tendrombohitra ao an-dohasaha,
20 sy Beti-peora sy ny ao am-bodin'i Pisga ary
Beti-jesimota
21 ary ny tanāna rehetra any amin'ny tany
lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka
tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo andrianan'ny Midianita, dia Evy sy
Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra
teo amin'ny tany.
22 Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak'i
Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra niaraka tamin'izay novonoiny.
23 Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny
amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny
tanāna sy ny zana-bohiny.
24 Ary nomen'i Mosesy koa ny firenen'i Gada,
dia ny taranak'i Gada araka ny fokony.
25 Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanāna
rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatrany
Aroera, izay tandrifin'i Raba,
26 ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa
sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin'ny faritanin'i Debira;
27 ary teo amin'ny lohasaha Beti-harama sy
Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona,
mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana hatramin'ny amoron'ny Ranomasina
Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana.
28 Izany no lovan'ny taranak'i Gada araka ny
fokony, dia ny tanāna sy ny zana-bohiny.
29 Ary nomen'i Mosesy koa ny antsasaky ny
firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena taranak'i Manase
araka ny fokony:
30 Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana
rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanāna
madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana, dia tanāna enim-polo.
31 Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary
Edrehy, tanāna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira,
zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony.
32 Ireo no voazaran'i Mosesy ho lova tany
Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
33 Ary ny firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy
lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa
nolazainy taminy.
*
1 [Ny nanombohan'i Josoa ny nizarany ny tany:
ny anjaran'i Kaleba] Ary izao no nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany
Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny
loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;
2 tamin'ny filokana no nahazoany ny lovany,
araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny firenena sivy sy
sasany.
3 Fa efa nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i
Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo
aminy.
4 Fa firenena roa ny taranak'i Josefa, dia
Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny tany ny taranak'i
Levy, afa-tsy ny tanāna honenany sy ny tany manodidina ny tanānany ho an'ny
omby aman'ondriny sy ny fananany.
5 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
6 Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny
taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe:
Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,
lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
7 Efa-polo taona no andro niainako, fony aho
nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany;
dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
8 Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra
tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin'ny
fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao.
9 Dia nianiana tamin'izany andro izany Mosesy
ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao
tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah
Andriamanitro ianao.
10 Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy
Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny dimy amby efa-polo taona lasa izay,
dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany teny izany tamin'i Mosesy no ho
mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny,
indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
11 Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka
ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin'izany ihany
no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Jos 14:
12 Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra
iry, izay nolazain'i Jehovah tamin'izany andro izany; fa efa renao tamin'izany
andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanāna lehibe mimanda;
angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain'i
Jehovah.
13 Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an'i
Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
14 Izany no nahatongavan'i Hebrona ho lovan'i
Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin'ny
fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.
15 Ary tanānan'Arba* no anaran'i Hebrona
taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba* izany. Dia nandry ny
tany ka tsy nisy ady intsony.[Na: Kiriat-arba; izahao Jos. xv. 54]
1 [Ny anjaran'ny firenen'i Joda] Ary izao no
anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony:
hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny
faritany atsimo.
2 Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny
faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo,
3 dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana
Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea
ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
4 dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny
lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho
fari-taninareo atsimo.
5 Ary ny fari-tany atsinanana dia ny
Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny
avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana,
6 dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso
any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i
Robena,
7 dia niakatra ho any Debira hatramin'ny
lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana
Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano
Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
8 dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny
taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia
niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i
Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,
9 dia nizotra hatramin'ny tampon'ny
tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanāna tao
an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
10 dia niolaka hatrany Bala andrefana ka
hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny
tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka
nandroso hatrany Timna.
11 dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona,
dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia
nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina.
12 Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny
Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda
araka ny fokony.
13 Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny
anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia
ny tanānan'i Arba*, rain'i Anāka (Hebrona izany). [Na: Kiriat-arba; izahao Jos.
XV. 54]
14 Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo
lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
15 Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny
mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
16 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i
Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
17 Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i
Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
18 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia
nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny
borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
19 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany
misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny
loharano ambony sy ny loharano ambany.
20 Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda
araka ny fokony:
21 Ny tanāna farany amin'ny firenena taranak'i
Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy
Edera sy Jagora
22 sy Kina sy Dimona sy Adada
23 sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
24 sy Zifa sy Talema sy Bealota
25 sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora
izany),
26 sy Amama sy Sema sy Molada
27 sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
28 sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
29 sy Bala sy Ie sy Azema
30 sy Eltolada sy Kesila sy Horma
31 sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
32 sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy
amby roa-polo ny tanāna rehetra sy ny zana-bohiny.
33 Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*
dia Estaola sy Zora sy Asna [Heb. Sefela]
34 sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
35 sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
36 sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy
Gederotaima: tanāna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
37 ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
38 sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
39 sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
40 sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
41 sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy
Makeda: tanāna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
42 Libna sy Atera sy Asana
43 sy Jifta sy Asna ary Neziba
44 sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanāna Sivy
sy ny zana-bohiny;
45 Ekrona sy ny tanānany ary ny zana-bohiny;
46 hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia
izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo,
47 Asdoda sy ny tanānany ary ny zana-bohiny,
Gaza sy ny tanānany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy
ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.
48 Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy
Jatira sy Soko
49 sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
50 sy Anaba sy Estemo sy Anima
51 sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanāna iraika
ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
52 Araba sy Doma sy Esana
53 sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
54 sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary
Ziora: tanāna sivy sy ny zana-bohiny;
55 Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
56 sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
57 sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy
ny zana-bohiny;
58 sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
59 sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanāna
enina sy ny zana-bohiny;
60 sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy
Raba; tanāna roa sy ny zana-bohiny.
61 Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy
Sekaka
62 sy Nibsana sy ilay Tanānantsira ary En-jedy:
tanāna enina sy ny zana-bohiny.
63 Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any
Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny
taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
1 [Ny zara-tanin'ny taranak'i Josefa]Ary ny
faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana
tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny
efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,
2 dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka
nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota,
3 dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin'ny
Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra
tamin'ny ranomasina.
4 Dia azon'i Manase sy Efraima, taranak'i
Josefa, ny lovany.
5 Ary ny amin'ny fari-tanin'ny taranak'i
Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin'ny lovany dia hatrany
Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
6 Ary ny fari-taniny dia nandroso
niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany
Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
7 dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota
sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
8 Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny
fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny
ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,
9 mbamin'ny tanāna natokana ho an'ny taranak'i
Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i Manase koa, dia ny tanāna rehetra
mbamin'ny zana-bohiny.
10 Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina
tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka
ampanaovina fanompoana.
1 Ary nahazo zara-tany tamin'ny filokana koa ny
firenen'i Manase (fa izy no lahimatoan'i Josefa), dia Makira, lahimatoan'i
Manase, rain'i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an'i Gileada sy Basana.
2 Ary nisy koa ho an'ny taranak'i Manase sisa
araka ny fokony, dia ho an'ny taranak'i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema
sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin'i Manase, zanak'i Josefa, araka ny
fokony.
3 Fa Zelofada, zanak'i Hefera, zanak'i Gileada,
zanak'i Matira, zanak'i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy
ihany; ary izao no anaran'ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary
Tirza.
4 Dia nanatona teo anatrehan'i Eleazara
mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe:
Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin'ny anadahinay.
Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka ny didin'i Jehovah.
5 Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny
tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin'i Jordana,
6 satria ny zanakavavin'i Manase niara-nahazo
lova tamin'ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an'ny zanakalahin'i Manase
sisa.
7 Ary ny fari-tanin'i Manase dia hatrany Asera
ka hatrany Mikmeta, tandrifin'i Sekema, dia nandroso tamin'ny ankavanana*
hatramin'ny mponina any En-tapoa. [Na: hatrany Jamina]
8 Ary an'i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa,
izay eo amin'ny fari-tanin'i Manase, dia an'ny taranak'i Efraima.
9 Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo
atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana teo amin'ny tanānan'i Manase
ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny
lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
10 Ny atsimo dia an'i Efraima, ary ny avaratra
dia an'i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin'i Asera
teo avaratra sy tamin'Isakara teo atsinanana izy.
11 Ary Manase nahazo anjara koa teo
amin'Isakara sy teo amin'i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama
sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any
En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary
ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin'ny havoana telo ireo.
12 Kanefa tsy nahazo ireo tanāna ireo ny
taranak'i Manase: fa tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
13 Fa rehefa nihahery ny Zanak'Isiraely dia
nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.
14 Dia niteny tamin'i Josoa ny taranak'i Josefa
ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa
aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin'Jehovah toy izao mandraka ankehitriny
?
15 Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe
ary ianao, dia miakara any amin'ny ala, ka miteveza honenanao any amin'ny
tanin'ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra aminao ny tany havoan'i
Efraima.
16 Dia hoy ny taranak'i Josefa: Tsy ampy ho
anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any
amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any
amin'ny tany lemaka Jezirela.
17 Dia hoy Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia
Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray
ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny
an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia* manana kalesy vy aza izy
ireo sady mahery.[Na: fa]
*
1 [Ny nananganana ny tabernakely tao Silo, sy
nanoratana ny tany sisa tsy mbola voazara]Dia nivory tao Silo ny fiangonana,
dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny
tany dia resy teo anoloany.
2 Ary nisy firenena fito tamin'ny
Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3 Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely:
Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i
Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
4 Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia
haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy
araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5 Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda
hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra any
amin'ny taniny ao avaratra.
6 Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko;
ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto
anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.
7 Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny
Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny
antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i
Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
8 Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha;
ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety
ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako
filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
9 Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety
ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny
tanāna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10 Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo
teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny
Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
11 [Ny nizarana ny tany sisa andrefan'i
Jordana: Ny anjaran'ny Benjamina, ny Simeona, ny Zebolona, ny Isakara, ny
Asera, ny Naftaly sy ny Dana. Ny tany nomena an'i Josoa] Dia nahazo ny loka ny
firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo
anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
12 Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra
dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia
niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i
Betavena,
13 hatreo dia nandroso hatrany Lozy,
hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany
Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,
14 dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka
nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo,
ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanānan'ny taranak'i
Joda; izany no lafiny andrefana.
15 Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i
Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra
tamin'ny loharanon'i Neftoa,
16 dia nidina hatramin'ny faran'ny
tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny
Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma,
hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17 dia nizotra avy any avaratra ka nandroso
hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina
hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
18 dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra
tandrifin'ny tani-hay* ka nidina hatrany amin'ny tani-hay*.
19 dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i
Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny
Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny
atsimo. [*Heb. Arabā]
20 Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany
no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21 Ary ny tanānan'ny firenena taranak'i
Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza
22 sy Bet-arabā sy Zemaraima sy Betela
23 sy Avima sy Para sy Ofra
24 sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanāna roa
ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
25 sy Gibeona sy Rama sy Berota
26 sy Mizpa sy Kefira sy Moza
27 sy Rekema sy Iripela sy Tarala
28 sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema
izany) sy Gibea sy Kiriata*: tanāna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony.[Na: ny havoan'i Kiriata]
1 Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia
ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny
lovan'ny taranak'i Joda.
2 Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na
Seba, sy Molada
3 sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
4 sy Eltolada sy Betola sy Horma
5 sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
6 sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanāna telo
ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
7 sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanāna
efatra sy ny zana-bohiny;
8 ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo
tanāna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny
firenena taranak'i Simeona araka ny fotony.
9 Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no
nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny
anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao
anatin'ny azy.
10 Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i
Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida,
11 dia niakatra niankandrefana hatrany Marala,
dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i
Jokneama,
12 dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka
hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka
niakatra hatrany Jafia,
13 dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera
sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an'i Nea,
14 dia niolaka eo avaratr'iny ka nahazo an'i
Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela.
15 Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala
sy Betlehema, dia tanāna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
16 Izany no lovan'ny taranak'i Zebolona araka
ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny zana-bohiny.
17 Ary ny loka fahefatra dia azon'Isakara, dia
ny taranak'Isakara isam-pokony.
18 Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy
Kesolota sy Sonema
19 sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
20 sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
21 sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary
Beti-pazeza.
22 Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy
Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanāna enina ambin'ny
folo sy ny zana-bohiny.
23 Izany no lovan'ny firenena taranak'Isakara
araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny zana-bohiny.
24 Ary ny loka fahadimy dia azon'ny firenena
taranak'i Asera isam-pokony.
25 Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy
Batena sy Aksafa
26 sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra
any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
27 dia nitodika niantsinanana ho any
Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy
Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
28 ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka
hatrany Sidona lehibe,
29 dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanāna
mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo
akaikin'ny tany Akziba
30 ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanāna roa amby
roa-polo sy ny zana-bohiny.
31 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Asera
araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny zana-bohiny.
32 Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i
Naftaly isam-pokony.
33 Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka
hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka
hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana,
34 dia nitodika niankandrefana hatrany
Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo
sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana.
35 Ary ny tanāna mimanda dia Zidima Zera sy
Hamata sy Rakata sy Kinereta
36 sy Adama sy Rama sy Hazora
37 sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
38 sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata
ary Beti-semesy: tanāna sivy ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
39 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly
araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny zana-bohiny.
40 Ary ny loka fahafito dia an'ny firenena
taranak'i Dana isam-pokony.
41 Ary ny fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola
sy Ira-semesy
42 sy Salabima sy Aialona sy Jitla
43 sy Elona sy Timna sy Ekrona
44 sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
45 sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
46 sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany
tandrifin'i Jopa.
47 Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia
nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema
ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia
nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana
rainy.
48 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana
araka ny fokony, dia ireo tanāna ireo sy ny zana-bohiny.
49 Dia vitany ny nizarana ny tany holovany
araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa,
zanak'i Nona.
50 Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny
tanāna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima:
dia nanamboatra ny tanāna izy ka nitoetra tao.
51 Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara
mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny
trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
*
1 [Ny nifidianana ny tanāna fandosirana ho
an'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
2 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Fidio ny
tanāna fandosirana izay nasaiko nolazain'i Mosesy taminareo,
3 handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; dia
ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly rā
4 Ary raha misy mandositra ho ao amin'ny
anankiray amin'ireo tanāna ireo ka mijanona eo anoloan'ny vavahady ary
mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona amin'izany tanāna izany, dia
hampidiriny ho ao an-tanāna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
5 Ary raha manenjika azy ny mpamaly rā, dia tsy
hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tānany izy, satria nahafaty tsy nahy ny
namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
6 Dia hitoetra ao amin'izany tanāna izany izy
mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay
mpisoronabe amin'izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody
any an-tanānany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanāna izay nialany fony izy
nandositra.
7 Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any
amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima
ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda.
8 Ary dia nifidy an'i Bezera any an-efitra
amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary Ramota izay any
Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay an'ny firenen'i
Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko.
9 Ireo no tanāna voafidy ho an'ny
Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty
olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rā izy mandra-pisehony eo
anatrehan'ny fiangonana.
*
1 [Ny tanānan'ny mpisorona sy ny Levita] Ary ny
lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita dia nanatona an'i Eleazara mpisorona sy
Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely
2 ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany
Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanāna hitoerana
izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.
3 Dia avy tamin'ny lovany no nanomezan'ny
Zanak'Isiraely ny Levita izao tanāna izao sy ny tany manodidina azy avy araka
ny didin'i Jehovah.
4 Dia nahazo loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny
loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita dia tanāna telo ambin'ny
folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i Simeona ary ny firenen'i
Benjamina.
5 Ary ny loka azon'ny taranak'i Kehata sisa dia
tanāna folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'i Efraima sy ny firenen'i Dana ary
ny antsasaky ny firenen'i Manase.
6 Ary ny loka azon'ny taranak'i Gersona dia
tanāna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'Isakara sy ny
firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i
Manase any Basana.
7 Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary
isam-pokony dia tanāna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny
firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
8 Dia nomen'ny Zanak'Isiraely ny Levita
tamin'ny filokana ireo tanāna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay
nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy.
9 Dia nomeny avy tamin'ny firenena taranak'i
Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ireto tanāna hotononina ireto,
10 izay azon'ny taranak'i Arona, isam-pokon'ny
taranak'i Kehata. amin'ny taranak'i Levy; fa azy ny loka voalohany.
11 Dia nomeny azy ny tanānan'i Arba*, rain'i
Anāka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i Joda, mbamin'ny tany
manodidina azy. [Kiriat-arba; izahao XV. 54]
12 Fa ny saha momba ny tanāna sy ny zana-bohiny
dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
13 Dia nomeny ny taranak'i Arona mpisorona
Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanāna fandosirana ho an'izay nahafaty
olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
14 ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary
Estemoa sy ny tany manodidina azy,
15 ary Holona sy ny tany manodidina azy ary
Debira sy ny tany manodidina azy,
16 ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota
sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanāna
sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo;
17 ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia
Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy
18 ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary
Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanāna efatra.
19 Ny tanāna rehetra an'ny mpisorona, taranak'i
Arona, dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
20 Ary ny amin'ny taranak'i Rehata, dia ny
Levita sisa tamin'ny taranak'i Kehata, ny tanāna azony tamin'ny filokana dia
avy tamin'ny firenen'i Efraima.
21 Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina
azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanāna fandosirana ho an'izay
nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
22 ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary
Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanāna efatra;
23 ary avy tamin'ny firenen'i Dana dia Elteke
sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy.
24 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary
Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanāna efatra;
25 ary avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i
Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany
manodidina azy: tanāna roa.
26 Ny tanāna rehetra azon'ny fokon'ny taranak'i
Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
27 Ary izao no azon'ny taranak'i Gersona
isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Golana
any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanāna fandosirana ho an'izay nahafaty
olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanāna roa;
28 ary avy tamin'ny firenen'Isakara dia Kisiona
sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy,
29 ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary
Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanāna efatra;
30 ary avy tamin'ny firenen'i Asera dia Misala
sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
31 ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary
Rehoba sy ny rāny manodidina azy, dia tanāna efatra;
32 ary avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia
Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanāna fandosirana ho an'izay
nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany
manodidina azy. dia tanāna telo.
33 Ny tanāna rehetra an'ny Gersonita
isam-potony dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
34 Ary izao no azon'ny fokon'ny taranak'i
Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Jokneama sy ny
tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,
35 ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary
Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanāna efatra;
36 ary avy tamin'ny firenen'i Robena dia Bezera
sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy,
37 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary
Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanāna efatra;
38 ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota
any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanāna fandosirana ho an'izay
nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
39 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary
Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanāna efatra izy rehetra.
40 Ny tanāna rehetra an'ny taranak'i Merary
araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny Levita, dia tanāna roa ambin'ny
folo no loka azony.
41 Ny tanāna rehetra an'ny Levita teo anatin'ny
lovan'ny Zanak'Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.
42 Ireo tanāna ireo samy manana ny taniny
manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanāna rehetra ireo.
43 [Ny nahatanterahana ny teny rehetra
nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany
rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka
nonina teo,
44 Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny
manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin'ny razany, ka tsy nisy
lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i
Jehovah teo an-tānany avokoa ny fahavalony rehetra.
45 Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny
zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely; fa
tanteraka avokoa izany rehetra izany.
*
1 [Ny nampodiana ny firenena roa sy sasany any
an-dafy atsinanan'i Jordana, sy nanorenany ilay alitara teo amoron'i Jordana,
ary ny nataon'ny firenena sasany tamin'izany. ] Ary tamin'izay dia nantsoin'i
Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase,
2 ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina
izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny
feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
3 tsy nilaozanareo ny rahalahinareo
hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny
lalāna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
4 Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah
Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa
modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny
taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i
Jordana.
5 Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy
sy ny lalāna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo
an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy
hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny
fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
6 Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia
lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
7 Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa
nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo
amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i
Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
8 ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny
lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy
volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony
amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.
9 Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny
antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao
amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny,
izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.
10 Ary raha tonga teo amoron'i Jordana eo
amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i
Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.
11 Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny
taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina
alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny
Zanak'Isiraely.
12 Ary nony ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia
niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra
hiady aminy.
13 Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara
mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny
antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada,
14 sy loholona folo lahy koa niaraka taminy,
dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny
fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
15 Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy
Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka
niteny taminy hoe:
16 Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah
rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry ny Isiraely, no
niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany tamin'ny nanorenanareo
alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
17 Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka
ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka
amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana
tamin'ny fiangonan'i Jehovah,
18 no dia mihodina miala amin'ny fanarahana
an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah ianareo anio, dia ho
tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
19 Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mitā ho
any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any
aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny
anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.
20 Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera,
tamin'ny zavatra voaozona*, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia
ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany
helony izany.[Heb. herema; izahao Lev. xxii. 28]
21 Dia namaly ny taranak'i Robena sy Gada ary
ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nanao tamin'ny mpifehy arivo tamin'ny
Isiraely hoe:
22 Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah
eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely
hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin'i Jehovah (aza mba mamonjy
anay akory Hianao anio),
23 raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala
amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina,
na fanati-pihavanana. eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
24 fa tahotra tokoa no anton'ny nanaovanay
izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe:
Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
25 fa Jordana no nataon'i Jehovah ho faritra eo
anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin'i
Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan'ny taranakareo tsy hatahotra an'i Jehovah
ny taranakay,
26 Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara
ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa
alatsa-drā,
27 fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny
taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo
anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drā ary
fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay
hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.
28 Ary hoy izahay: Raha tāhiny lazainy aminay
na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny
alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana
anefa na fanatitra hafa alatsa-drā, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa
tonta.
29 Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah
ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana
fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drā, afa-tsy
ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny.
30 Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny
lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka
taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i
Manase, dia sitrany izany.
31 Ary hoy Finehasa, zanak'i Eleazara
mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray
anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin'i
Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny Zanak'Isiraely tamin'ny
tānan'i Jehovah ianareo.
32 Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy
ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany
Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary
nitondra valin-teny ho any aminy.
33 Ary sitraky ny zanak'Isiraely izany, dia
nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady
aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.
34 Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada
anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa
Jehovah no Andriamanitra.
*
1 [Fananarana nataon'i Josoa] Ary rehefa ela,
taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny
fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso
fahanterana,
2 dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia
ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy
taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i
Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa
Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
4 Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo
tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena
rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana.
5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no
handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny
taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy
hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalān'i Mosesy, mba tsy
hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena
sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na
hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro,
araka ny nataonareo mandraka androany.
9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo
anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka
androany.
10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny
arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay
nolazainy taminareo.
11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia
an'i Jehovah Andriamanitrareo.
12 Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo
ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy,
ary izy kosa ao aminareo,
13 dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka
ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho
fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho
tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany
soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
14 Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana
falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy
ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny
zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka
taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory
aza.
15 Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo
ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no
hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany
anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
16 Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah
Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo
andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny
fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny
tany soa nomeny anareo.
*
1 [Ny teny farany nataon'i Josoa tamin'ny
olona, sy ny nanaovan'ny olona fanekena mafy fa tsy hiala amin'Andriamanitra]
Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny
loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka
dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
2 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao
no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony* no
nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary
nanompo andriamani-kafa izy. [Eofrata]
3 Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany
an-dafin'ny Ony* Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia
nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany. [Eofrata]
4 Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao
ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny
taranany kosa nankany Egypta.
5 Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka
namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia
nitondra anareo nivoaka Aho.
6 Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy
tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny
razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy
soavaly.
7 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany
maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina
ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra
ela tany efitra ianareo.
8 Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita,
izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary
nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana
azy teo anoloanareo Aho.
9 Dia nitsangana Balaka, zanak'i Zipora,
mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i
Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo.
10 Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa
nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tānany Aho.
11 Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany
Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny
Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny
Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
12 Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny
fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny
Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny tsipėkanao.
13 Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo
sy tanāna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana
ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo.
14 Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka
manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra
izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony* sy tany Egypta, ka manompoa
an'i Jehovah. [Eofrata]
15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i
Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay
notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita,
izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa,
dia hanompo an'i Jehovah izahay.
16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria
raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra
antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny
trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo
imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny
amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra
teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa
dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay
manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra
saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
20 Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo
andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo,
rehefa nasiany soa.
21 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa
Jehovah ihany no hotompoinay.
22 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka:
Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah
hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
23 Arionareo ankehitriny ary ny
andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely ny fonareo.
24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah
Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
25 Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka
Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalāna sy didy tany Sekema.
26 Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny
lalān'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy
teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.
27 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra;
Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra
nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao
handainga amin'Andriamanitrareo ianareo.
28 Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any
amin'ny lovany avy.
29 [Ny nahafatesan'i Josoa sy Eleazara, sy ny
nandevenana ny taolan'i Josefa] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty
Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny
androny.
30 Dia nalevina tao amin'ny faritanin'ny lovany
izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny
tendrombohitra Gasa.
31 Ary nanompo an'i Jehovah ny Isiraely
tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny
loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon'i
Jehovah ho an'ny Isiraely
32 Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny
Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay
novidin'i Jakoba volafotsy* zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia
tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany. [Heb. kesita; izahao Gen. xxxiii. 19]
33 Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka
naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny
tany havoan'i Efraima.