[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Fitomaniana
Accès direct aux chapitres des Lamentations de
Jérémie : 1, 2, 3, 4, 5
1 [Alahelo noho ny nanjo ny :Joda sy Jerosalema] Indrisy,
mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena
izy! Ilay nalaza tamin'ny firenena sy andriambavy tamin'ny tany samy hafa dia
efa miankin-doha kosa izao!
2 Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony
dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny
sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
3 Lasan-ko babo* ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny
fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana;
Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.[Na: Lasa nivahiny]
4 Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy
miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao* ny vavahadiny rehetra, misento ny
mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy.[Na:
Rava]
5 Ny rafiny no mpanapaka*, ny fahavalony no miadana,
Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany
madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,[Heb. loha]
6 Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa
tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary
mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
7 Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy
fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky
ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka
nihomehy ny faharavany*.[Heb. fitsaharany]
8 Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga
azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa
nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady
miamboho.
9 Ny lotony dia teo amin'ny moron-tongotr'akanjony, tsy
nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah
ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
10 Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany
rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia
hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.
11 Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny,
atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka
diniho, fa vingavingaina aho.
*
12 Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra?
Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy,
dia ilay nampahorian'i Jehovah ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.
13 Avy tany amin'ny avo no nandatsahany afo ho amin'ny
taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka
nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy.
14 Ny ziogan'ny fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana
ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo
an-tànan izay tsy leoko aho.
15 Nataon'ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra;
Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo
nanosihosy an'i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka.
16 Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko,
ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony
hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
17 Ziona mananty tanana, nefa tsy misy mampionona azy;
Jehovah nandidy ny amin'i Jakoba mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy;
Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan'ireo.
*
18 Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry
firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny
virijinako sy ny zatovoko.
19 Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny
mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin'ny nitadiavany hanina
hamelombelona ny ainy.
20 Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy
ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany
dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana
kosa.
21 Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny
fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao
izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa
ireo.
22 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra,
ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra;
Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
1 [Fitomaniana noho ny nanjo an'i Ziona sy ny Joda]
Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany;
Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy
tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!
2 Nolevonin*'ny Tompo ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy
niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany
tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,[Heb. Natelin']
3 Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky
ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary
nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
4 Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro
naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra
mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i
Ziona zanakavavy.
5 Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona* ny Isiraely.
Eny, nolevoniny** ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary
nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.[*Heb.
nitelina][**Heb. nateliny]
6 Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena
ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny
fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny
mpanjaka sy ny mpisorona.
7 Ny alitarany narian'ny Tompo, ny fitoerany masina
nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona;
Nanandratra ny feony tao an-tranon'i Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana
ireny.
8 Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy;
Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava*; dia
mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.[Heb.
hitelina]
9 Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy
notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin'ny
firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita
fahitana avy amin'i Jehovah.
10 Mipetraka amin'ny tany ny loholon'i Ziona zanakavavy
ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina
any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin'ny tany.
*
11 Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny
foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy,
sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao
an-tanàna.
12 Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao
an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe
izy: aiza izay vary sy divay?
13 Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no
hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba
hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny
faharatranao, iza no mahasitrana anao?
14 Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao;
Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana
lainga sy fampiviliana* ho anao izy.[Na: fandroahana]
15 Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana;
Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe:
Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra
?
16 Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra;
Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay*! Ity tokoa no
andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.[Heb. natelinay]
17 Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny
teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy
niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny
rafilahinao.
*
18 Ny fonao* mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona
zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina,
aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.[Heb. fony]
19 Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny
filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao!
Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay
anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
20 Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay
nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany
madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny
mpisorona sy ny mpaminany ?
21 Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny
antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny
andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.
22 Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny
amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro
fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny
fahavaloko.
*
1 [Ny amin'ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana
ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny
tsorakazon'ny fahatezerany.
2 Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny
maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.
3 Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro
mandrakariva.
4 [BETA] Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro,
notapatapahiny ny taolako.
5 Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy
amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6 Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty
fahagola aho.
7 [GIMELA] Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka,
nataony mavesatra ny gadrako.
8 Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia
tampenany ny fivavako.
9 Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako,
naolikoliny ny alehako.
10 [DALETA] Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny
liona ao amin'ny fierena;
11 Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho
ka nataony mahatsiravina.
12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy
ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
13 [HE] Nampitsatoka ny zana-tsipìkany*
tamin'ny voako Izy.[Heb. zanaky ny tranon-jana-tsipìka]
14 Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho
sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15 Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany
zava-mahafaty.
16 [VAO] Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato
ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
17 Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny
fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18 Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny
fanantenako an'i Jehovah.
19 [ZAINA] Tsarovy ny fahoriako sy ny
fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20 Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka
mitanondrika ato anatiko izy.
21 Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena
aho.
22 [HETA] Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany
ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena
Azy aho.
25 [TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia
amin'ny olona izay mitady Azy.
26 Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny
fanginana.
27 Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola
tanora izy.
28 [JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha
ampitondraina izany.
29 Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba
hisy hantenaina.
30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy
ka ho feno latsa.
31 [KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola
hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.
33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo
ny zanak'olombelona.
34 [LAMEDA] Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra
rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,
35 Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo
anatrehan'ny Avo Indrindra,
36 Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy
sitraky* ny Tompo.[Heb. jeren']
37 [MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga
izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?
38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no
ivoahan'ny soa sy ny loza ?
39 Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa
no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy*? [Na: Eny, nahoana no
imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?]
40 [NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny
alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.
41 Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra
ny fontsika sy ny tanantsika.
42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy
namela heloka.
43 [SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika
anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
45 Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo
afovoan'ny firenena izahay.
46 [PE] Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
47 Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny
fandringanana sy ny fahatorotoroana.
48 Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny
faharatran'ny oloko zanakavavy.
49 [AINA] Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona,
eny, tsy misy fiatoana,
50 Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any
an-danitra.
51 Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny
fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.
52 [TSADE] Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana
dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
53 Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy
ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54 Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy
izaho: Maty* aho ity![Heb. Voajinja]
55 [KOFA] Jehovah ô, niantso ny anaranao tany
an-davaka lalina indrindra aho.
56 Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny
sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
57 Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako
Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
58 [RESY] Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko
izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
59 Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra
natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
60 Hitanao ny famalian-dratsy rehetra
ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
61 [SINA] Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony,
dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62 Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy
sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
63 Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa
ataony an-kira aho.
64 [TAO] Hovalianao araka ny asan'ny tànany
izy, Jehovah ô.
65 Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy
ny ozonao.
66 Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao
tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.
*
1 [Fietren-tena noho ny fitsarana
ataon'Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa matromatroka ny
volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa
nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
2 Indrisy! ny zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay
saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny
mpanefy tanimanga!
3 Na dia ny amboadia* aza dia manolotra nono
hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny
ostritsa any an-efitra.[Na: jakala]
4 Ny lelan'ny zaza minono miraikitra amin'ny
lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy
mizara ho azy.
5 Izay nihinana zava-py dia mahantra eny
an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka eny amin'ny
zezika*.[Heb. Naziritany]
6 Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe
noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy
nokasihin-tanana akory,
*
7 Ny lehibeny* dia mangatsakatsaka noho ny
fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy** ny tenany; Tahaka ny
vato safira ny endriny.[*Heb. Naziritany][**Na: perila]
8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny
tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin'ny
taolany ka tonga maina toy ny hazo.
9 Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary;
Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian'ny vokatry ny
saha.
10 Ny tanan'ny vehivavy malemy fanahy aza dia
nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin'ny fandringanana ny oloko
zanakavavy.
*
11 Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany,
naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona,
handevonana ny fanorenany.
12 Ny mpanjakan'ny tany sy ny mponina rehetra
amin'izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho
tafiditra ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema.
13 Noho ny fahotan'ny mpaminany sy ny heloky ny
mpisorony, izay nandatsaka ny ran'ny marina tao aminy, no nahatongavan'izao.
14 Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy,
sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
15 Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà
ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy
niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny
atỳ intsony ireny.
16 Ny fahatezeran*'i Jehovah no nampihahakahaka
azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny
antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]
17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny
hamonjy anay; Nitazana teo amin'ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay
tsy nahavonjy anay.
18 Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha
eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny,
tonga ny fara-fiainanay.
19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho
ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any
an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
20 Ny fofonainay, ilay voahosotr'i Jehovah, dia
efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin'ny alokalony no
hahavelona anay any amin'ny firenena.
*
21 Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma
zanakavavy, izay monina any amin'ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny
kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
22 Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona
zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma
zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
1 [Fitarainana amin'Andriamanitra sy
fangatahana ny hodian'ny soa nananana fahiny] Jehovah ô, tsarovy izay nanjo
anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
2 Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny
tranonay ho an'ny hafa firenena.
3 Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny
reninay dia toy ny mpitondra-tena.
4 Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola
vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
5 Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay
izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
6 Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny
Asyriana izahay mba ho voky hanina.
7 Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy;
Ary izahay no mivesatra ny helony.
8 Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka
anay amin'ny tànany.
9 Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia
manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
10 Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny
fahamaimaizana avy amin'ny mosary.
11 Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny
virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.
12 Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny
antitra tsy mba nohajaina.
13 Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny
ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
14 Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny
zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
15 Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny
dihinay niova ho fitomaniana.
16 Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay;
Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
17 Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny,
noho izany dia maizina ny masonay,
18 Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay
efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.
*
19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay,
eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.
20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy
ahafoizanao anay andro lava ?
21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay;
Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay
indrindra?