[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Ezekiela
Accčs direct aux chapitres d’Ézéchiel : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48
1 [Ny nahitan'i Ezekiela ny voninahitr'i Jehovah] Ary
tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo,
raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra,
ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
2 Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy
taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)
3 dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny
tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary
ny tānan'i Jehovah dia taminy teo.
4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany
avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy
namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny
metaly mamirapiratra.
5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina
efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.
6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny
faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina
manganohano izy.
8 Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny
lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa
samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.
10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona;
ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary
tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny
tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo
ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny
tenany.
12 Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na
aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha
nandeha.
13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny
zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny
zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy
tao aminy.
14 Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy
toy ny helatra mifelopeloka.
15 Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia
iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny
tarehiny efatra.
16 Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny
volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny
dia toy ny kodia anatin'ny kodia.
17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny
efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
18 Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy
mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19 Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo
anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo
zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.
20 Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia
nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia
niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.
21 Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary
raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka
tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny
zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.
22 Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy
toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo
ambonin'ny lohany.
23 Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo
ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
24 Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny
elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia
feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;
25 Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny
lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
26 Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany,
dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo
ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.
27 Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho,
dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho
miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy
namirapiratra manodidina azy.
28 Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy
ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky
ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka
nandre ny feon'ny anankiray niteny.
1 [Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy
tamiko: Ry zanak'olona, mitsangāna, fa hiteny aminao Aho.
2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko
Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko]
3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho
amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa
niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka
androany.
4 Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no
anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo.
5 Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra
izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.
6 Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza
matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana* sy ny tsilo aza ianao, ary na
dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary
aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra]
7 Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na
tsy hihaino, fa tena naditra izy.
8 Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko
aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny
vavanao, ka hano izay afahako anao.
9 Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko,
ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
10 Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra
teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no
voasoratra teo.
1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao,
eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny
taranak'Isiraely.
2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany
horonan-taratasy izany.
3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao,
ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
4 [Ny nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny
tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha
mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.
5 Fa tsy ho any amin'ny firenena
miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny
taranak'Isiraely ihany;
6 tsy ho amin'ny firenena maro, izay
miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha
maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.
7 Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino
anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy
handrina sady madi-po.
8 Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika
amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
9 Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny,
mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny,
fa taranaka maditra izy.
10 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny
rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao*, ka henoy amin'ny
sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]
11 Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo
zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na
hihaino izy na tsy hihaino.
12 Ary nisy fanahy* nanainga ahy, dia nandre
horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah
avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]
13 Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny
zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy
ny horakoraka be.
14 Ary nisy fanahy* nanainga ahy ka nitondra
ahy, dia lasa aho sady nirehitra** tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny
tānan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[*Na: rivotra][**Heb. mangidy]
15 Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba
aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay
nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.
16 Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17 Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny
taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy
amiko no hananaranao azy.
18 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty
tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy,
hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony
ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny rāny.
19 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa
ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy,
dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
20 Ary koa, raha ny marina miala amin'ny
fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho,
dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany
ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko
amin'ny tananao ny rāny.
21 Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota
ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary
voavonjinao koa ny fanahinao.
22 [Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i
Jerosalema] Ary ny tānan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangāna,
ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.
23 Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany
amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny
voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka
nihohoka aho.
24 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka
nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao
anatin'ny tranonao ianao.
25 Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany
fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.
26 Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny
lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.
27 Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny
vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay
mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa;
fa taranaka maditra izy.
1 Ary ianao, ry zanak'olona, makā kapila
tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanāna eo aminy, dia
sarin'i Jerosalema;
2 ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo
hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby
hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
3 Ary makā lapoely, ka ataovy manda vy eo
anelanelanao sy ny tanāna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny,
aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny taranak'Isiraely izany.
4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia,
ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro
handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5 Fa Izaho dia manao fetr'andro ho anao mitovy
amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny
heloky ny taranak'Isiraely.
6 Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany
mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda
efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.
7 Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema
io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
8 Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy
hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao.
9 Ary mangalā vary tritika sy vary hordea sy
tsaramaso sy voanemba* sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray
ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny
ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]
10 Ary an-danjany no hihinananao ny haninao,
dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
11 Ary rano afātra no hosotroinao, dia
ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
12 Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho
fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
13 Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny
zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy.
14 Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô,
indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka
ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby
akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
15 Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no
omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16 Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona,
indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny
fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afātra no hosotroiny amin'ny
fahatahorana.
17 Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy
ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
1 Ary ianao, ry zanak'olona, dia makā sabatra
maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny
somotrao, dia makā mizana, ka zarao ny volo.
2 Ny ampahatelony dia dory amin'ny afo ao
an-tanāna, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony,
ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin'ny
rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3 Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao
amin'ny sisin-dambanao.
4 Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia
atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin'ny
taranak'Isiraely rehetra.
5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity
Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa, ka voahodidin'ireny tany
ireny izy.
6 Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy
ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina
azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha
araka izany.
7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria
ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha
araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny
firenena izay manodidina anareo aza,
8 dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro,
Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason'ny
firenena.
9 Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia
hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
10 Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao,
ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary
izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;
11 eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo,
noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy
tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy
hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
12 Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny
areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho
lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny
rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
13 Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako,
sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa
Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny
fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
14 Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin'ny
firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay rehetra mandalo.
15 Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy
famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao
fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin'ny
fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
16 raha alefako ho fandringanana azy ny mosary
dia ny zana-tsipėka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko
ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.
17 Dia haterako mosary sy biby masiaka eo
aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny
areti-mandringana sy ny fandatsahan-drā, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra.
Izaho Jehovah no niteny izany
1 [Ny amin'ny handravana ny fomban'ny sampy sy
ny mpivavaka aminy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry
ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
3 ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely
ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny
tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro,
Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
4 Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana
ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan'ny
sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]
5 Ary ny fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo
anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo
eny.
6 Any amin'ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny
tanāna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo,
dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny
tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.[Na:
tsangam-batonareo]
7 Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8 Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka
amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy
hafa ianareo.
9 Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny
jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony
mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka
ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia
ny fahavetavetany rehetra;
10 Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana
ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
11 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny
tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny
fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny
sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
12 Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho
lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia
hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa
miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy,
eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy
eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka
rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny
sampiny rehetra;
14 Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny
fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka
dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny amin'ny handringanana ny Isiraely] Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah
Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely: Injao ny farany! Eny,
mby akaiky ny farany ho amin'ny vazan-tany efatra.
3 Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary
halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka
hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
4 Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy
hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia
ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny
loza, dia loza izay tsy misy toa azy*![Heb. loza iray]
6 Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany;
Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
7 Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin'ny
tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran'ady, fa tsy
fihobiana, eny an-tendrombohitra .
8 Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny
fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny
alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
9 Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy
hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho
eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
10 Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny
anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!
11 Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo
hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny
hareny*, na ny zava-mendrika eo aminy.[Na: ny hamaroany mitabataba sy
mireondreona]
12 Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy
hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana
mirehitra ny hamaroany rehetra.
13 Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia
mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia
tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.
14 Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra
rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny ady, satria iharan'ny fahatezerako
mirehitra ny hamaroany rehetra.
15 Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy
ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay
any an-tanāna kosa dia ho levon'ny mosary sy ny areti-mandringana.
16 Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any
an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia
samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17 Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika
rehetra;
18 Hisikina lamba fisaonana* koa izy, ka ho menatra ny
tava rehetra.[Heb. lamba malailay]
19 Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny
volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy
hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na
hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
20 Fa ny firāvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha
sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany
no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
21 Ary hatolotro ho babo eny an-tānan'ny hafa firenena
izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.
22 Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa
hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
23 Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drā
ny tany, ary feno fampahoriana ny tanāna.
24 Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho,
ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho
lotoina ny fitoerany masina.
25 Ho avy ny fandringanana*; ary hitady fiadanana izy, fa
tsy hisy.[Na: fampangovitana]
26 Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny
filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalāna
intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.
27 Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny
andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko
aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho
no Jehovah.
*
1 [Fahitana ny amin'ny nanarahan'ny olona tany Jerosalema
ny fomban-tsampy] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny
taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako
ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tānan'i Jehovah Tompo.
2 Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny
valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia
nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
3 Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny
tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy* nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy
ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy
amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika
ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay
mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]
4 Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely
tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha.
5 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely
amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana
mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy
ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.
6 Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay
ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka
mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe
koa ianao.
7 Dia nentiny ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary
hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny ampiantany.
8 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, loahy ny
ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.
9 Ary hoy Izy tamiko: Midira, ka jereo ny fahavetavetana
lehibe ataony eto.
10 Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny
biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy
ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina
manodidina.
11 Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny
taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana,
nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra
teny an-tānany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
12 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny
ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny
efi-tranony misy sary*? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny
tany Izy.[Na: tsara soratra]
13 Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana
lehibe izay ataony koa ianao.
14 Dia nentiny ho eo anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i
Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka
teo, nitomany an'i Tamoza.
15 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona?
Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
16 Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny
tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia
teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy
amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana;
ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
17 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona?
Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana
izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy
lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony.
18 Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy
hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo
an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
1 [Ny amin'ireo lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema]
Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke
ianareo, ry mpiambina ny tanāna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tānany
avy ho enti-mandringana.
2 Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana
mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny
fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy
rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany;
ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
3 Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa
niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny
tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy
izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.
4 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanāna, dia
Jerosalema, ka asio marika* ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho
ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]
5 Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana
manaraka azy ianareo hamaky ny tanāna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy
ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
6 Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza
madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika
ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia
nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.
7 Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny
kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka
namely ny tao an-tanāna.
8 Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no
sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô!
haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny
fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
9 Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny
heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany,
sady feno fitsarana miangatra ny tanāna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny
tany ary Jehovah tsy mahita.
10 Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko,
sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony*.[Heb.
lalany]
11 Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony
fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny
niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
1 [Fahitana ny amin'ny handoroana an'i
Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy] Ary hitako fa, indro,
teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny
vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah*
niseho teo amboniny. [Heb. Izy]
2 Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony
fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima,
ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo
amin'ny tanāna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
3 Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny
ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja
anatiny.
4 Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny
voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay
rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i
Jehovah.
5 Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia
re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha
miteny.
6 Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy
rongony fotsy, nataony hoe: Manalā afo avy eo analenelan'ny kodia, eo
anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.
7 Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny
tānany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny
kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tānan-droan'ilay nitafy rongony
fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
8 Ary nisy nitarehin-tānan'olona niseho teo
ambanin'ny elatry ny kerobima.
9 Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo
anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny
tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.
10 Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny
kodia anatin'ny kodia.
11 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny
hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay
natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
12 Ary feno maso manodidina ny tenany* rehetra
sy ny lamosiny sy ny tānany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy
nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]
13 Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy
hoe: Ry kodia*![Na: Mikodiadiava!]
14 Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny
tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia
nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra
nitarehim-boromahery.
15 Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay
zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.
16 Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba
nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany
hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
17 Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa
ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny
zava-manan'aina no tao aminy.
18 Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny
trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.
19 Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka
niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany
ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i
Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
20 Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo
ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa
kerobima ireo.
21 Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy
nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tānan'olona teo ambanin'ny
elany.
22 Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy
tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny
tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
1 [Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy
fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy* nanainga ahy koa, dia nitondra
ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay
manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo
anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy
Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra]
2 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no
lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanāna
ity,
3 dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny
hanaovana trano; ity tanāna ity no vilany, ary isika no hena;
4 ka dia maminania hamely azy, eny, maminania,
ry zanak'olona.
5 Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka
hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry
taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
6 Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto
amin'ity tanāna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.
7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny
voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanāna ity no vilany;
nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
8 Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko
mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
9 Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka
hatolotro ho eny an-tānan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
10 Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny
sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no
Jehovah.
11 Ity tanāna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho
hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo
12 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy
nandeha araka ny lalāko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky
ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
13 Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i
Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy!
Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?
14 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
15 Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no
andraikitrao*, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any
Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho
lova.[Na: iray firazanana aminao]
16 Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia
nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny
tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety* Aho any amin'ny tany izay
alehany.[Na: kely ho azy]
17 Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany
izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.
18 Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny
rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
19 Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao
anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
20 mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny
fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21 Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny* sy
ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony**, hoy
Jehovah Tompo.[*Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]
22 Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo
anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
23 Ary ny voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny
tanāna ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanāna.
24 Dia nisy fanahy* nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia
tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny
babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.[Na: rivotra]
25 Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay
nasehon'i Jehovah ahy.
* *
1 [Ny nasain'Andriamanitra nataon'i Ezekiela hahalalan'ny
Isiraely fa samy ho lasan-ko babo, na ny mpanjaka, na ny vahoaka] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka
maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina
handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
3 Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha
hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miaingā antoandro eo imasony; ary mialā
eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho
fantany fa taranaka maditra izy.
4 Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny
entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia
hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.
5 Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no
amoahy ny entanao.
6 Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao
azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao
mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an'ny
taranak'Isiraely ianao.
7 Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho,
ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan'ny olona handeha ho any
amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin'ny tanako ny
manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka
teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
8 Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
9 Ry zanak'olona, moa ny taranak'Isiraely, izay
taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?
10 Ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin'ny mpanjakan'i Jerosalema sy ny
taranak'Isiraely rehetra izay ao aminy.
11 Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho
anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin'ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo
izy.
12 Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra
ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka;
hoboroboahan'ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho
hitan'ny masony ny tany.
13 Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko
aminy, ka ho voan'ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin'ny
tanin'ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
14 Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny
mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin'ny rivotra rehetra,
sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
15 Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha
ahahako any amin'ny jentilisa sy ampieleziko any amin'ny tany samy hafa izy.
16 Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa
tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy
hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa izay alehany; ka dia
ho fantany fa Izaho no Jehovah.
17 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry zanak'olona, hano amin-korohoro ny
haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin'ahiahy ny ranonao.
19 Ary lazao amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i
Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely:
Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny
ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny
fandozan'izay rehetra monina ao aminy.
20 Dia ho rava ny tanāna onenana, ary ho lao ny tany; ka
dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
21 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
22 Ry zanak'olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo
ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga
tsinontsinona ny fahitana rehetra?
23 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely
intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana
rehetra.
24 Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana
mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.
25 Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko
dia ho tō tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry
taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah
Tompo.
26 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
27 Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe:
Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra
no vinaniny.
28 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia
hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny amin'ireo mpaminany sandoka] Ary tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny
mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony
hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.
3 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany
adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
4 Tahaka ny amboahaolo any an-tanāna haolo ny
mpaminaninao, ry Isiraely.
5 Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo,
sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady
amin'ny andron'i Jehovah.
6 Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo
izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany
manantena ny hahatōvan'ny teny
7 Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary
faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany;
kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
8 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny
nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo
Aho, hoy Jehovah Tompo.
9 Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay
mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko
na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao
amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
10 Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny
nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao
ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy
madity,
11 koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny
feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha
ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
12 Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina
aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
13 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny
tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny
fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.
14 Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny
feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny
fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
15 Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay
mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo
hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
16 dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i
Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla
tsinona, hoy Jehovah Tompo.
17 Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny
zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania
ny hamelezana azy,
18 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana*
rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba
hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa
velominareo![Na: tanako]
19 Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary
hordea eran-tānan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony
ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny
andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako
ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny
hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina
ny fanahy izay nohazainareo.
21 Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka
amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy;
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
22 Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny
marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy
fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
23 dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana
intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Anatra ho an'ny mpanompo sampy, sy filazana ny hanjo
azy] Dia nisy loholon'ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
2 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
3 Ry zanak'olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny
sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo
anoloany. Moa hety hanontanian'ireto va Aho?
4 Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Ny amin'ny olona rehetra amin'ny taranak'Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao
am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary
manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny
sampiny,
5 mba hisamborako ny taranak'Isiraely amin'ny fony,
satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra noho ny sampiny.
6 Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo
rehetra; eny, miambohoa ireny.
7 Fa na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny
vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny
sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo
anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no
hamaly azy araka izay toetro;
8 ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko
mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo
amin'ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
9 Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra,
dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny
tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin'ny Isiraely oloko izy.
10 Ary hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny
mpaminany dia hitovy amin'ny helok'izay manontany aminy koa,
11 mba tsy hialan'ny taranak'Isiraely amiko intsony, ary
tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy,
ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo.
*
12 Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
13 Ry zanak'olona, raha misy tany manota amiko ka manao
izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy,
sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
14 na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy
Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany,
hoy Jehovah Tompo.
15 Raha mampandeha biby masiaka eo amin'ny tany Aho, ka
mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon'olona aleha noho
ny biby,
16 na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny
tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
17 Ary raha mitondra sabatra mamely izany tany izany Aho
ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany, ka hofongorako izy, na ny olona
na ny biby,
18 na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo;
fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
19 Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany
izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin'ny fandatsahan-drā mba
haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
20 na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa
Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo,
fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
21 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Koa mainka raha
alefako hamely an'i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny
sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba
hahafongotra azy, na olona na biby!
22 Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina
mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo
ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny
amin'ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin'i Jerosalema, dia izay rehetra
nataoko mihatra aminy.
23 Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny
alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay
rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Fanoharana mampiseho ny toetr'i Jerosalema] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, inona no ihoaran'ny tahom-boaloboka
noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan'ny hazo any an'ala?
3 Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na
mba fangalana fihantonan-javatra?
4 Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny
laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra
akory va izy?
5 Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia
tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon'ny afo sy may izy?
6 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny
tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany
no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
7 Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy
amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.
8 Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany
tamiko, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny nivadihan'i Jerosalema, sy ny nahafoizany
an'i Jehovah, ary ny hamaliany azy amin'izany] Tonga tamiko indray ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema
ny fahavetavetany,
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo
amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no
rainao, ary Hetita no reninao.
4 Ary ny amin'ny nahaterahanao, dia tsy
voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro nahaterahanao, ary tsy
voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza
akory.
5 Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao,
na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa
nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin'ny
andro nahaterahanao.
6 Ary raha nandalo Aho ka nahita anao
nihosinkosina teo amin'ny rānao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny
rānao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny
rānao ianao: Ho velona anie ianao.
7 Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any
an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa
ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja
ihany
8 Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia
hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny
lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao
fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
9 Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako
tsara ho afaka tamin'ny rānao, dia nohosorako diloilo.
10 Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy
nokiraroako hoditakasy*, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako
amparasily.[Hoditra voasoka ho menamena. na hodi-biby tsy fantatra]
11 Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako
haba ny tananao ary rojo ny vozonao
12 Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao
ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
13 ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao,
ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny
fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa
nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik'andriana
14 Ary dia niely tany amin'ny jentilisa aza ny
lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay
nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
15 kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka
nijangajanga noho ny lazanao* sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo
rehetra, ka nafoy ho azy izany[Heb, anarana]
16 Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao
fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy
ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
17 Ary nalainao koa ny firavakao tamin'ny
volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho
anao ka nijangajanganao;
18 nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka
natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo
anoloany
19 Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny
koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia
napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy
Jehovah Tompo.
20 Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny
zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an'ireo mba
hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
21 Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka
nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo.
22 Ary tamin'ny fahavetavetanao sy ny
fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony
ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin'ny rānao.
23 Ary rehefa vitanao izany faharatsianao
rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),
24 dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady
nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
25 Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny
fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho
amin'ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
26 Hianao efa nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be
nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka
nampahatezitra Ahy.
27 Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako
ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao,
dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
28 Ary nijangajanga tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao
noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy
afa-po ihany.
29 Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao
hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto*. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany
aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao. [Heb tany Kanana: izaho xxvv 4]
30 Akory ny fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo,
tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon'ny janga tsivalahara!
31 Tamin'ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny
an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny
an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao. satria tsy
nahoanao akory izay tangy.
32 Ny vadin'olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho
solon'ny vadiny!
33 Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao
kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana
hanatonan'ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao.
34 Ary hafa noho ny amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny
fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga
taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra
no mahahafa anao
35 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah. ry kala janga:
36 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao
volabe* sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny
lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny
zanakao izay naterinao ho an'ireo. [Heb. nanidinanao varahina]
37 dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny,
izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin'ireny rehetra izay halanao
koa, eny hovoriko avy amin'ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko
aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;
38 ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy
mijangajanga sy izay mandatsa-drā, ka halatsako ny rānao noho ny fahatezerana
sy ny fahasaro-piaro.
39 Dia hatolotro ho eny an-tānan'ireny ianao, ka harodany
ny trano fijangajanganao, ary horavany ny fitoerana avonao; dia hendahany koa
ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy
hiboridana ianao.
40 Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa
izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin'ny sabany ianao.
41 Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny
eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga
ianao ka tsy hanangy intsony.
42 Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny
fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
43 Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa
niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao*
ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany
ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao**?[*Heb.
lalanao][**Na: Fa raha tsy izany, dia Izao indray no hanao ratsy miohatra noho
ny fahavetavetanao rehetra]
44 Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao
amin'izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
45 Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny
vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny
vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
46 Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay
monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao,
dia Sodoma sy ny zananivavy.
47 Nefa tsy araka ny alehan'ireo ihany no nalehanao, ary
tsy araka ny fahavetavetan'ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely
loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin'ny
nalehanao rehetra.
48 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma
rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny
zanakao-vavy.
49 Indro, izao no helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona
sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny
zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
50 Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo
anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.
51 Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon'i
Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary
nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra
izay nataonao.
52 Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa
nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta
mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa
ianao, ka mitondrā ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa
marina.
53 Ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ireny, dia
Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin'izay olonao
voababo,
54 mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho
izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao azy*.[Na: tamin'ny nampiononanao
azy]
55 Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia
hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny
toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha
koa.
56 Nefa tsy mbola mba notononin'ny vavanao akory ny nanjo
an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro niavonavonanao,
57 fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny
tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria sy izay rehetra manodidina azy
ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
58 Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao,
hoy Jehovah.
59 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao
ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny
fanekena.
60 Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny
andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
61 Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao,
raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho
zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza.
62 Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao
fa Izaho no Jehovah,
63 mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao
vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao
rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny amin'ny nanetrena ny taranak'i Dasida, sy ny mbola
hanandratana azy indray] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manaova fampanonona, ary milazā
fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy
voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon'elany, ary
nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka
izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;
4 ny tendron'ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any
amin'ny tany fandrantoana*; eny, tao an-tanānan'ny mpandranto no namboleny
azy.[Heb. Kanana; izahao xxvi. 29]
5 Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny
tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka
ny fanao amin'ny hazomalahelo.
6 Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba
hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka
izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7 Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra
lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka
nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin'ny
tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
8 Voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron'ny rano be
izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
9 Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho
vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny
voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia
ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny
fakany intsony*.[Na: na dia tsy misy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra
azy amin'ny fakany aza]
10 Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va?
Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo
eo amin'ny tany voafaritra naniriany izy.
11 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12 Lazao amin'ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va
ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany
Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia
nitondra azy ho any aminy any Babylona.
13 Ary naka ny anankiray tamin'ny taranaky ny mpanjaka
izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery
tamin'ny tany dia nentiny nandeha,
14 mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba
hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
15 Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany
Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho
afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho
afa-mandositra va?
16 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any
amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa
nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin'io, any
Babylona, no hahafatesany.
17 Ary amin'ny hanandratan'ireo tovon-tany sy ny
hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin'ny ady
akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
18 Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany
ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tānany izy, kanjo nanao izany rehetra
izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa
Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia
hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20 Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho
voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny
nivadihany tamiko.
21 Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho
lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho
fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
22 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny
rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny
tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy
milangalanga izany.
23 Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no
hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara
indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny
alokaloky ny rantsany no hitoerany.
24 Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho
Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny
hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao
izany.
*
1 [Ny famalian'Andriamanitra ny olona araka ny asany avy]
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin'ny
tanin'ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny
nifin'ny zanany no madilo?
3 Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo
izany ohabolana izany ao amin'ny Isiraely intsony.
4 Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray,
dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota
no ho faty.
5 Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
6 fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra
ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
na manakaiky ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolana,
7 na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatōka, ary
tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
8 tsy mampanāna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny
tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin'ny miady,
9 ary mandeha araka ny lalāko sy ny mitandrina ny fitsipiko
ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
10 Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy
mpandatsa-drā izy, ka manao na dia iray ihany amin'ireo zavatra ireo aza iny
11 (nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na
mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin'ny namany,
12 na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba,
na tsy mamerina ny natao tsatōka, na manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka
manao izay fahavetavetana,
13 na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va
izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty
tokoa izy, ary ny rāny dia ho aminy ihany.
14 Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy,
izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia
tsy mba manao tahaka izany,
15 ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra
ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
16 na mampahory olona, na maka tsatōka, na mandroba, fa manome
ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
17 miaro ny tānany tsy hampahory ny mahantra, tsy
mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny
lalāko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
18 Ny amin'ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny
nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin'ny fireneny,
dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
19 Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba
hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy
mitandrina ny didiko rehetra ka mankatō azy, dia ho velona tokoa izy.
20 Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba
hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany;
ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa
ho aminy ihany.
21 Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra
izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy,
dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
22 Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana
aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
23 Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy,
hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ?
24 Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka
manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy
fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy
hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany
dia ho faty izy.
25 Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo.
Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako* va no tsy marina ? Tsy
ny fitondranareo* va no tsy marina?[*Heb. lalana]
26 Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao
meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana
nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
28 Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra
izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
29 Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny
fitondran*'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako* va no tsy marina? Tsy
ny fitondranareo* va no tsy marina?[Heb. lalana]
30 Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry
taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny
fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo
intsony izany.
31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay
nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho
faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah
Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo
lehiben'ny Isiraely.
*
1 Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo
andrianan'ny Isiraely ianao,
2 ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no
namitsaka* tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona
tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka]
3 Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona
tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
4 Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy
tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany
Egypta izy.
5 Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny
fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
6 Ary nivoivoy teny amin'ny liom-bavy iny, dia tonga
liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
7 Ary nisavika ny mpitondratenan'ireny izy* sady nandrava
ny tanānany, ka lao ny tany mbamin'izay rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny
fierony.[Na: Ary fantany ny lapan'ireny]
8 Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny
fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy,
ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
9 Ary nataony tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny
orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao
amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely
intsony ny feony.
10 Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo
amoron-drano Tamin'ny andro niadananao*: Vokatra sady nanaroka izy azon'ny rano
be,[Na: Fony tamin'ny rānao ianao; izahao xvi. 6; na: Eny, tahaka ny tenanao]
11 Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho
an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary
niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.
12 Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho
amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny
rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.
13 Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia
ao amin'ny tany maina karankaina izy.
14 Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy
tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao
tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola
ho hira fahalahelovana ihany.
*
1 [Ny toetry ny Isiraely hatramin'ny ela, sy ny
zavatra hanjo azy, ary ny mbola hampodian'Andriamanitra azy]Ary tamin'ny andro
fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny
loholon'ny Isiraely mba hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako
izy.
2 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
3 Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny
Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany
amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety
hanontanianareo mihitsy Aho.
4 Tsy hotsarainao va izy, ry zanak'olona, tsy
hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan'ny razany izy.
5 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana
tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin'ny tany
Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo,
6 tamin'izany andro izany no nananganako tanana
taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tany
notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany
rehetra,
7 dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny
fahavetavetan'ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin'ny sampin'i
Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino
Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta,
ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo
amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.
9 Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba
tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no
nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta.
10 Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin'ny
tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
11 Dia nomeko azy ny didiko, ary
nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko
sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
13 Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny
taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko,
izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako
izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany
ringana azy.
14 Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy
handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy
nivoaka.
15 Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra
koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono
sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
16 satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha
araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
17 Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako
na nolevoniko tany an-efitra izy.
18 Fa hoy Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza
mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na
mandoto tena amin'ny sampiny;
19 fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana
araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
20 Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho
amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
21 Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka
ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona
manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny
fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
22 Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny
amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita
ny nitondrako azy nivoaka.
23 Dia nanangan-tanana taminy tany an'efitra, indray Aho,
hampiely azy any amin'ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin'ny tany samy
hafa,
24 satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny
didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin'ny razany.
25 Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay
tsy mahavelona Azy.
26 Dia nandoto azy tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny
nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo*, hampahatalanjonako
azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.[Na: dia tamin'ny nanokanany ny
voalohan-teraka rehetra; izahao Eks. xiii. 12]
27 Koa mitenena amin'ny taranak'Isiraely, ry zanak'olona,
ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'izao no mbola
nanamavoan'ny razanareo Ahy tamin'ny nivadihany tamiko:
28 Nony nitondra azy ho any amin'ny tany izay nananganako
tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo
misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao
koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana,
ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
29 Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin'ny
fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka
androany.
30 Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon*'ny razanareo va
ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,[Heb. lalana]
31 ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka
androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo
ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry
taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety
hanontanianareo mihitsy Aho.
32 Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny
fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny
tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.
33 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana
mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.
34 Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary
amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny
firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo.
35 Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo,
ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
36 Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany
an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy
Jehovah Tompo.
37 Ary hampandaloviko eo ambanin'ny tehina ianareo ka
hampidiriko hofehezin'ny fanekena.
38 Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota
amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho
tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no
Jehovah.
39 Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i
Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any
aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina
intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo.
40 Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao
an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny
taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no
hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra
aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,
41 Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo
amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako
anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho
masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo.
42 Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra
anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako
tanana nomena ny razanareo.
43 Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo
rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny
ratsy rehetra izay nataonareo.
44 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa
aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalān-dratsinareo, na
araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
1 [Fanoharana ny amin'ny ala may sy ny sabatra voatsoaka]
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena
manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany
atsimo.
3 Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny
tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao
aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao;
tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra hatrany
atsimo ka hatrany avaratra;
4 Ka dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no
nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
5 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy
ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?
6 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
7 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Jerosalema,
ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, ka maminania ny amin'ny hamelezana
ny tanin'ny Isiraely.
8 Ary ataovy amin'ny tanin'ny Isiraely hoe:
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin'ny
tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
9 Ary noho ny handringanako ny marina sy ny
meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny sabatro amin'ny tranony hamely ny
nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,
10 Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho
Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.
11 Ary ianao, ry zanak'olona, midridridridria
toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny fangidiana eo imasony.
12 Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao
no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy
ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy
rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka
ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
13 Dia tonga tamiko ay tenin'i Jehovah nanao
hoe:
14 Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy
koa.
15 Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy
hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon'ny zanako mamingavinga
ny hazo rehetra?)
16 Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana;
Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan'ny mpamono.
17 Mitomania sy midradradradrā, ry zanak'olona! Fa
mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely;
Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
18 Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay
tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah
Tompo.
19 Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa
tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny
sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny
andriana* no manemitra azy.[Heb. lehibe]
20 Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny
sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy!
nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra* hamono.[Na: voatsoaka]
21 Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka
mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
22 Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no
nilaza izany.
23 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
24 Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa
ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no
hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana*, eo an-tsampanan-dalana
mankany amin'ny tanāna no anaovinao azy.[Heb: voatsoaka]
25 Manaova lalana hihavian'ny sabatra ho any
Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.
26 Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo
amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia
manetsiketsika ny zana-tsipėka izy ary manontany amin'ny sampy* sy mizaha
amin'ny atin-kena.[Heb. terafima]
27 Mby eo an-tānany ankavanana ny sikidy, dia
ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava
hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hametraka lohondry vy fandravana
eo akaikin'ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
28 Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo
imason'ireny izay efa nianiana mafy*, nefa Jehovah** no mampahatsiaro ny helony
mba hisamborana azy.[*Na: izay efa nianianana mafy][**Heb. Izy]
29 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny
nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny nampiharihariana ny fahadisoanareo
mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, noho ny
nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.
30 Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka,
dia ilay mpanjakan'ny Isiraely, izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka
mahafaty,
31 izao no lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny
hamama, ary halāna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny
iva, ary haetry ny avo.
32 Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany
koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka
homeko azy izany.
33 Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka
ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny
latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono!
Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy
34 (Raha mahita zava-poana ho anao izy sy
maminany lainga aminao) Handavoany* anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy
voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty.[Heb.
Hametrahana]
35 Ampidiro amin'ny tranony izy. Any amin'ny
tany namoronana anao, dia any amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.
36 Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny
afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tānan'ny olona
ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,
37 Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny
tany ny rānao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.
*
1 [Ny fahotan'i Jerosalema sy ny Isiraely] Ary
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, moa tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara
ny tanana mpandatsa-drā va ianao ? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany
rehetra,
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tanāna
mpandatsa-drā ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy
hahaloto azy.
4 Ny rā izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy
izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa
tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa
sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
5 ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy
hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
6 Indreo ny lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka
ny heriny* avy mba handatsa-drā.[Heb sandriny]
7 Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no
anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty
sy ny mpitondratena.
8 Hamavoinao ny zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako.
9 Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba
handatsa-drā; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy
manao fahavetavetana.
10 Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy
misavika izay mararin'ny fadim-bolana.
11 Misy manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany;
misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny
anabaviny zanakavavin-drainy.
12 Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drā; maka
zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka
manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
13 Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao
tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drā tao aminao.
14 Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao,
amin'ny andro izay hisehoaka* aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady
hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako]
15 Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho
any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny
fahalotoanao.
16 Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no
nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
17 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao
hoe:
18 Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa
tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary
firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
19 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny
nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao
Jerosalema ianareo.
20 Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy
vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo
ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny
fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
21 eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo
amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
22 Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin'ny
memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho
Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
23 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
24 Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no
tany tsy hazavain'ny hainandro* sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro
fahatezerana.[Na: tsy voadio]
25 Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny
liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena
sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
26 Ny mpisorona dia mandika ny lalāko sy
mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na
mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny
Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
27 Toy ny amboa-dia* mamiravira haza ny
lehibeny ao aminy ka mandatsa-drā sy mahafaty aina ary mahazo harena amin'ny
tsy marina.[Na: lopa]
28 Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny
feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
29 Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory
ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
30 Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda
sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy
handravako azy, kanjo tsy nahita;
31 koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny
afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany
ny fanaony*, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]
*
1 [Fanoharana ny amin'Ohola sy Oholiba
hampiseho ny nijangajangan'i Samaria sy Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray
tam-po;
3 ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy
mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no
nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.
4 Ny anaran'ny zokiny dia Ohola*, ary ny
rahavaviny dia Oholiba**; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny
amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.[*Ohola =
lainy][**Oholiba = Ny laiko no ao aminy]
5 Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga
izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
6 izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy
ny lefiny, tovolahy bikāna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
7 Nijangajanga tamin'ireny izy, dia tamin'izay
tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria sy tamin'izay rehetra nahamaimay
azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
8 Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany
Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no
nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
9 Ary noho izany dia natolotro ho eo
an-tānan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tānan'ny Asyriana izay nahamaimay azy.
10 Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny
zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny
sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny
fitsarana.
11 Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany,
dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny
fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,
12 Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy
izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady
mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikāna izy rehetra.
13 Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa
lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;
14 ary mbola nampandrosoiny ihany ny
fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny
sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.
15 samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany
sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny
fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany
amin'ny tany Kaldea.
16 Ary raha vao hitan'ny masony ireny, dia
maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
17 Ary tonga tany aminy ho ao amin'ny
fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto azy tamin'ny
fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra niala taminy
kosa ny fanahiny.
18 Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy
nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny
efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.
19 Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy,
ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin'ny tany
Egypta.
20 Fa izy dia maimay tamin'ireo lehilahiny,
izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy
amin'ny soavaly.
21 Nitady ny fijangajangan'ny fahatanoranao
ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny nononao, satria nonon'ny
fahavirijinanao ireo.
22 Koa izao, ry Oholiba, no lazain'i Jehovah
Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan'ny
fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany manodidina izy mba hamely anao,
23 dia ireny zanakalahin'i Babylona mbamin'ny
Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy*, ary ny Asyriana
rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikāna izy rehetra, dia ny governora sy ny
lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy
rehetra.[Na: Pekoda sy Soa ary Koa]
24 Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy
sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy
ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny
fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
25 Ary ho entiko hamely anao ny
fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao
sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra, ka ho lasan-ko
babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin'ny
afo.
26 Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny
aminao ny firavakao soa.
27 Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny
fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy
ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony
Egypta.
28 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro,
hatolotro eo an-tānan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny
fanahinao;
29 ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka
hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao,
ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny
fijangajanganao.
30 Havo aminao izany zavatra izany noho ny
nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin'ny
sampiny.
31 Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao
koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
32 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny
kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina āty sady lehibe; ho
fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33 Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao;
kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak'i Samaria rahavavinao.
34 Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary
hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny
izany, hoy Jehovah Tompo.
35 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny
nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny
fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36 Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona,
tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
37 fa efa nijangajanga izy, sady misy rā eny
an-tānany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy
dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.
38 Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny
fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
39 Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny
zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka
nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
40 Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy
lavitra ianao*; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy
nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.[Heb. ianareo]
41 ary nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka,
sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo
manitro sy ny diloiloko.
42 Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay
mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy
mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tānan'izy
mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
43 Dia hoy Izaho ny amin'ilay efa tontan'ny
fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy hijangajanga amin'io ihany va?
44 Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy
ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin'i
Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
45 Ary olona marina no hitsara azy araka izay
fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drā, satria mijangajanga izy, sady
misy rā eny an-tānany.
46 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho entiko
hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena* sy ho babo izy.[Na: ho
fampangovitana]
47 Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy
sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy,
ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.
48 Toy izany no hampitsaharako ny
fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao
araka ny fahavetavetanareo.
49 Ary hatsingeriny aminareo ny
fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
* *
1 [Fahitana ny amin'ny vilany fahandroana, ary
ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny hahafatesan'ny vadin'i Ezekiela] Ary tamin'ny
andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro,
dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i
Jerosalema amin'izao andro anio izao.
3 Ary milazā fanoharana amin'ny taranaka
maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Asio vilany eo
an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
4 ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny
vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana
voafantina izy.
5 Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay
betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana*, dia ampangotrahy tsara izy, ka
andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angōny eo ambaniny ny taolana]
6 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny
tanāna mpandatsa-drā sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao
anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.
7 Fa ny rāny dia ao aminy; teo ambonin'ny
vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin'ny tany
hosaronan'ny vovoka izy.
8 Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy
no nametrahako ny rāny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho
voasarona.
9 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny
tanāna mpandatsa-drā; Izaho koa hamory kitay betsaka.
10 Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny
afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy*, ary aoka ho may ny
taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]
11 Dia foāny ny vilany, ka ataovy eo ambonin'ny
vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny
fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
12 Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy,
nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.
13 Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana;
satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny
fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
14 Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany
ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao
sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
15 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
16 Ry zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny
loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na
mandatsa-dranomaso akory ianao.
17 Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza
mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny
tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina
aterin'olona.
18 Ary nony maraina dia niteny tamin'ny olona
aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao
araka ny efa nandidiana ahy aho.
19 Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao
aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin'izao ataonao izao?
20 Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
21 Lazao amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan'ny
herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny
sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
22 Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza
manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona;
23 ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo
sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho
levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
24 Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho
anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga
izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
25 Ary ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro
hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny voninahiny, ilay tian'ny masony sy
ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
26 eny, amin'izany andro izany dia hisy olona
handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;
27 amin'izany andro izany dia hisokatra miaraka
amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana
intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no
Jehovah.
*
1 [Faminaniana ny amin'ny firenena mifanila
fonenana amin'ny Isiraely, dia ny Amonita, ny Moabita, ny Edomita ary ny
Filistina] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania
ny hamelezana azy,
3 ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hiā! sakoa izay! raha
nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko
babo ny taranak'i Joda,
4 Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny
atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny
fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
5 Ary Raba dia hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny
taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah.
6 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao
tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny
fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,
7 Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro
ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony
ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia
ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
8 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i
Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda efa tonga tahaka ny firenena
rehetra izao,
9 Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany
amin'ny tanānany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona
ary Kiriataima,
10 Ho an'ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak'i
Amona'ihany, eny, hatolotro ho fananan'ireny izy, mba tsy hotsarovana ao
amin'ny firenena intsony ny taranak'i Amona.
11 Ary hotanterahiko ny fitsarana an'i Moaba; ka dia ho
fantany fa Izaho no Jehovah.
12 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan'i
Edoma ny taranak'i Joda tamin'ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny
namaliany azy,
13 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i
Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao
hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra hatrany Dedana.
14 Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly
an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka
dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
15 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana
nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany
tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
16 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro
amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa
any amoron-dranomasina;
17 Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana
lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra
aminy ny famaliako.
1 [Faminaniana ny amin'ny handravana an'i Tyro] Ary
tamin'ny andro voalohany amin'ny volana tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo
dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao hoe: zananivavy.
2 Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i
Jerosalema hoe: Hiā! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra
amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
3 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao
Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny
fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
4 Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny
tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny
vatolampy mangadihady izy.
5 Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa
Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy.
6 Ary ny zana-bohiny* eny an-tanety dia hovonoina amin'ny
sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.[Heb. zananivavy]
7 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy
any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny
andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka
betsaka.
8 Ny zana-bohitrao* any an-tanety dia hovonoiny amin'ny
sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe
hamelezany anao izy.[Heb zanakao-vavy]
9 Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny
mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany* ny tilikambonao.[Heb. sabany]
10 Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny
soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny
mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny
vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanāna izay voabanga izy.
11 Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao
rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy
dia hianjera amin'ny tany.
12 Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany
ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy
ny vovokao dia hataony any amin'ny rano.
13 Ary hatsahatro ny feon'ny hiranao, sady tsy ho re
intsony ny fanenon'ny lokanganao.
14 Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho
famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy
Jehovah Tompo.
15 Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy
hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha
mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
16 Dia hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ireo
andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany
misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin'ny tany izy; ary
hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
17 Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao
aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia
ilay tanāna malaza izay nahery teo amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny
mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
18 Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina
amin'ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho
ny haharavanao.
19 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanāna
lao tahaka ireo tanāna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka
hosaronan'ny rano be ianao,
20 Dia hampidiniko hiaraka amin'izay mivarina any
an-davaka ianao, Hankany amin'ny razana, ka hamponeniko any ambanin'ny tany
ianao, dia any amin'ny fonenana efa lao hatramin'ny ela, hiaraka amin'izay
mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo
amin'ny velona;
21 Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony;
Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah
Tompo.
1 [Ny harena amam-boninahitra nananan'i Tyro, sy
fitomaniana noho ny manjo azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny
amin'i Tyro,
3 ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny
vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro
samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe:
Izaho dia tena tsara tarehy!
4 Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny
mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
5 Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny
lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
6 Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso
avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao
sady nasiany parike ivory.
7 Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no
natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny
moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.
8 Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny
olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
9 Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao
ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny
matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
10 Ny avy any Persia sy ny Lydiana* ary ny Libyana** dia
isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao
ireo ka nahatsara tarehy anao.[*Heb. Loda][**Heb. Pota]
11 Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny
ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny
tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo
no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
12 Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny
harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny
natakalo ny entanao.
13 Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany
aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
14 Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly
fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
15 Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy
amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory*
sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb. vangy ivory]
16 Syria no mpandranto nankany aminao noho ny
habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy
hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny
natakalo ny entanao.
17 Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany
aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary
balsama no natakalony ny varotrao.
18 Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny
habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay
avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.
19 Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy
voatefy* natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny
varotrao**.[*Na: vy mamirapiratra][**Na: Vedana sy Javana nitondra folo
hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra no isian'ny varotrao]
20 Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba
fanao lamban-tsoavaly.
21 Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no
nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao
varotra tao aminao.
22 Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto
nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana
ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
23 Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy
any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
24 Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra
ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata
sedera mifehy* misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy
mafy]
25 Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao,
dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina.
26 Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be
ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
27 Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao,
ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny
entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka
tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro
nandravana anao.
28 Noho ny fidradradradran'ny mpitondra
sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
29 Ary samy midina miala amin'ny sambony ny
mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina
ka mijanōna eny an-tanety;
30 Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao
izy ka midradradradra mafy* sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary
mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]
31 Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy
misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia
fisaonana mafy.
32 Ary raha midradradradra izy, dia manao hira
fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia
tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina ?
33 Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny
varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny
varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.
34 Tamin'ny andro nandravan'ny ranomasina anao
ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona
tafangona tao aminao.
35 Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny
moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.
36 Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny
firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
1 [Faminaniana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro;]
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;
2 Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i
Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy
ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny
fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy
ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,
3 Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!
4 Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no
nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin'ny
rakitrao
5 Ny haben'ny fahendrenao tamin'ny varotrao no
nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;
6 Koa, indro, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa
nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny fonao,
7 Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely
anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany
hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao
8 Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny
fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.
9 Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay
mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy
Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tānan'izay manatrabaka anao
10 Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny
fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
11 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny
mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay
mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no
tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]
13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa
rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny
krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny
volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao,
tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]
14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa
voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny
vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny
andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
16 Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina
loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny
tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka,
hiala tao amin'ny vato mirehitra.
17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa
nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany
ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
18 Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny
varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy
ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao
eo imason'izay rehetra mijery anao.
19 Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga
anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.
*
20 [Faminaniana ny amin'i Sidona, sy fanomezan-toky ny
Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
21 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Sidona, dia maminania
ny hamelezana azy,
22 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro,
efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho
fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho
ho masina amin'ny ataoko aminy.
23 Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rā
ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra
izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
24 Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo
mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy amin'ireo manodidina azy,
izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
25 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any
amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho
masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy
taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.
26 Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao
tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana
ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa
Izaho no Jehovah Andriamaniny.
*
1 [Ny hamaliana an'i Farao sy ny vahoakany ary ny taniny]
Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona
fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i
Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.
3 Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona*
makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko,
fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.[Na: mamba]
4 Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady
hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao, dia
hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra
amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
5 Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny
hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy
hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina
ianao.
6 dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho
no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Isiraely izy.
7 (Nony mandray anao amin'ny tānany izy, dia folaka
ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia
tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)
8 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga
sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
9 Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra
fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily,
ary izaho no nanao azy,
10 Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao
Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany
Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny sisin'i Etiopia.
11 Tsy hodiavin-tongotr'olona ny tany, ary ny
tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
12 Ary hataoko tany rava dia rava* ny tany
Egypta, ary ho lao dia ho lao** efa-polo taona ny tanānany; Eny, haeliko ho any
amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin'ny tany samy
hafa.[**Heb. rava ao amin'ny tany rava][**Heb. lao amin'ny tanāna lao]
13 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa
afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin'ny firenena izay nielezany ny
Egyptiana:
14 Ary haveriko avy amin'ny fahababoany izy, ka
hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana
ambany Egypta;
15 Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka
tsy hisandratra ambonin'ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy
hampanompo ny firenena intsony.
16 Dia tsy ho tokin'ny taranak'Isiraely intsony
izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia
ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
17 [Ny babo azon'i Nebokadnezara tany Egypta ho
karaman'ny miaramilany noho ny fahasasarany tany Tyro] Ary tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahafito amby roa-polo dia
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry zanak'olona, mafy ny fanompoana izay
nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny miaramilany tamin'ny
namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny
sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny
fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.
19 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro,
homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny
hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany
no ho karaman'ny miaramilany.
20 Ho valin'ny fanompoana nataony tany Tyro no
nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
21 Amin'izany andro izany dia hampitsimoka
tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao;
ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny andro hitsarana an'i Egypta] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrā ianareo! Indrisy
ny andro!
3 Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i
Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
4 Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana
fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho
lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
5 Etiopia sy Libya* sy Lydia** sy ny olona samy hafa
firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka
ho lavon-tsabatra aminy.[*Heb. Pota][**Heb. Loda]
6 Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana
an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany
Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
7 Ho rava dia ho rava* izy, ary ny tanānany ho lao dia ho
lao**.[*Heb. rava ao amin'ny tany rava][**Heb. lao ao amin'ny tanāna lao]
8 Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha
mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
9 Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko
handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka
dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro,
avy izany.
10 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tānan'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak*'i
Egypta.[Na. mandevona ny hareny]
11 Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka
indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny
sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
12 Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo
an-tānan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny
tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
13 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy,
ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa*; ary tsy hisy mpanjaka intsony
amin'ny tany Egypta;[Heb. Nofa]
14 Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any
Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No;
15 Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy
any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
16 Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra
Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa* dia hasian'ny fahavalo
antoandro.[Heb. Nofa]
17 Ny zatovon'i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra,
sady ho lasan-ko babo ny ao.
18 Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko
any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho
voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
19 Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta;
Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
20 [Ny hahafoanan'i Nebokadnezara ny herin'Farao] Ary
tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika
ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
21 Ry zanak'olona, ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i
Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na
nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
22 Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa
hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny
mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tānany
Aho.
23 Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy
hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy hafa.
24 Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny
mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny an-tānany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny
sandrin'i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy.
25 Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny
mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa
Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro,
ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.
26 Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy
hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa
Izaho no Jehovah.
1 [Ny nanetrena an'i Asyria atao fananarana
an'i Egypta] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo tamin'ny
taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, ataovy amin'i Farao,
mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an'iza moa ianao
amin'ny fahalehibiazanao ?
3 Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any
Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin'ny
rahona matevina ny tendrony.
4 Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano
lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany
nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any
an-tsaha.
5 Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra
any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny
habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.
6 Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny
voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny
bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza
rehetra.
7 Ka dia tsara tarehy tamin'ny fahalehibiazany
sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano maro ny fakany.
8 Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny
sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba
nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka
azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
9 Nohatsaraiko tamin'ny haben'ny rantsany ny
tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin'ny
sahan'Andriamanitra.
10 Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe:
Satria nijoroaka avo izy* ka nanandratra ny lohany teo amin'ny rahona matevina,
ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,[Heb. ianao]
11 Dia hatolotro eo an-tānan'ilay mahery
amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako
azy.
12 Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny
firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny
amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny
amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny
alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
13 Mipetraka eo amin'ny vatany nianjera ny
voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny bibi-dia rehetra,
14 Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny
hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo
amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo
mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho
ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka.
15 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny
andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* dia nampanao fisaonana Aho:
Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka
dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho
izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.[Heb. sheola]
16 Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia
nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*
izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny
nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy
nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,[Heb. sheola]
17 Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any
amin'ny fiainan-tsi-hita*, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo
izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny
firenena.[Heb. sheola]
18 Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa
ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any
ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no
hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany
maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
1 [Fitomaniana noho ny nanjo an'i Farao sy ny
vahoakany] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo
tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
2 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana
ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho
tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona* ao
anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana
ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na. mamba]
3 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena
betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary
hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,
4 Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako
any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary
homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
5 Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary
hofenoiko ny tenabenao* ny lohasaha.[Heb. hahavonao]
6 Hataoko safotry ny rānao ny tany Hatramin'ny
tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
7 Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia
hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro
hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
8 Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra
ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako
aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
9 Hataoko mitebiteby koa ny fon'ny firenena
maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin'ny
tany izay tsy fantatrao
10 Eny, hataoko talanjona anao ny firenena
maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony
ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin'ny fanahiany ny ainy, raha
mby amin'ny andro haharavanao.
11 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny
mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.
12 Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra
amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny
reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
13 Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron'ny
rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto
azy ny kitron'ny biby fiompy.
14 Dia hahenako* ny ranony, ary hampandehaniko toy ny
diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,[Na. hampandriko hadio]
15 Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy
na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao
aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
16 Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny
zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy
ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
17 Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny
volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah
nanao hoe:
18 Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta,
ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny
tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
19 Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao?
Midina, ka miampara* amin'izay tsy voafora.[Heb. mandria]
20 Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany;
Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
21 Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy
mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita* manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy
voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.[Heb. Sheola]
22 Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra;
Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;
23 Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny
vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy
lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
24 Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra
manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka
tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana
azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay
midina any an-davaka.
25 Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy
mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy
tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny
velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina
any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.
26 Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be
rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky
ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona
izy.
27 Ary tsy hiara-miampatra* amin'ny lehilahy mahery izay
lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita**
ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao
amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny
tanin'ny velona izy.[*Heb. mandry][**Heb. Sheola]
28 Eny, ianao dia haripaka ao amin'ny tsy voafora ka
hiara-miampatra* amin'ny voatrabaky ny sabatra.[Heb. mandry]
29 Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka
rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza
ny heriny, miara-miampatra* amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any
an-davaka.[Heb. mandry]
30 Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny
Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia
efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra* tsy voafora ao amin'izay
voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.[Heb.
mandry]
31 Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona
izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny
miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
32 Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy* tany
amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina** ao amin'ny tsy voafora,
miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be
rehetra, hoy Jehovah Tompo.[*Na. Ahy][**Heb. hampandrina]
* *
1 [Fananterana ny nanendrena an'i Ezekiela ho
mpaminany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny
firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray
Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho
mpitily,
3 ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny
sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra* ny olona izy,[Heb. hananatra]
4 nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon'ny
anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny
rāny.
5 Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa
tsy nety taitra*; ho ao aminy ihany ny rāny; fa raha nety taitra izy, dia ho
nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]
6 Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro,
avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona,
ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany
iny; nefa ny rāny dia hadiniko amin'ny tānan'ilay mpitily.
7 Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko
ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako
ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
8 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry
ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala
amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny
rāny dia hadiniko amin'ny tananao.
9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa
ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho
fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
10 Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny
fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
11 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy
Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny
ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialā,
mialā amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry
taranak'Isiraely?
12 Ary ianao, ry zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny
firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin'ny
andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby
amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny
fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.
13 Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa
ianao*, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy
hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no
hahafaty azy.[Heb. izy]
14 Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho
faty tokoa ianao*, nefa miala amin'ny fahotany izy sady manao izay marina sy
mahitsy.[Heb. izy]
15 ka mamerina ny natao tsatōka sady mampody izay
nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho
velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
16 Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana
aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
17 Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny
fitondran*'ny Tompo; nefa ny fitondran*'ny tenany no tsy marina.[Heb. lalan']
18 Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao
meloka, dia ho faty amin'izany izy.
19 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka
manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.
20 Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny
Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy
ianareo.[Heb. lalan']
*
21 [Ny nisokafan'ny vavan'i Ezekiela taorian'ny
nandravana an'i Jerosalema haminany izay mbola hanjo ny Isiraely noho ny
tsi-fibebahany] Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo
tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy
olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny
tanāna.
22 Dia efa tonga tamiko ny tānan'i Jehovah tamin'ny omaly
harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka
nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko
nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
*
23 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24 Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny
tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny
tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Homan-javatra misy rā sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drā,
moa hahazo handova ny tany va ianareo?
26 Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao
fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny
tany va ianareo?
27 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny
tanāna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay
ao amin'ny harambato* sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny
areti-mandringana.[Heb. fiarovana]
28 Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny
fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia
azy.
29 Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava
sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
30 Ary ianao, ry zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia
miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran'ny tranony, ka samy manao
amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin'i
Jehovah.
31 Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka
mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatō
azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany*, nefa ny fony dia lasa manaraka
ny filan-karena.[Na: izay mamy am-bavany no lazainy; na: kalokalo no ataon'ny
vavany]
32 Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira
mahafinaritra*, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy,
nefa tsy mety mankatō azy.[Na: kalokalo]
33 Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka
ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
1 [Ny amin'ny mpiandry ondry ratsy fanahy, sy ny mbola
hanangonana ny ondry, ary ny hanendrena mpiandry tsara hiandry azy] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny
Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no
tokony handrasan'ny mpiandry?
3 Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny
nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
4 Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny
marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very;
fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
5 Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa
miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra.
6 Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana
andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny
ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
7 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry
ondry:
8 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny
nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia
rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa
ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
9 dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry
ondry.
10 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny
mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy
hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa
hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
11 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny,
Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
12 Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay
andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako
ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny
andro mandrahona sy maizim-pito.
13 Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka
hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny
sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy
ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.
14 Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako
azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao
no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra* no
hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.[Heb. matavy]
15 Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry
azy, hoy Jehovah Tompo.
16 Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka
hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia
haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
17 Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin'ny ondry aman'osy, dia ny ady ataon'ny
ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
18 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny
ahitra tsara, no dia nohosihosen'ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa
nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin'ny tongotrareo ny sisa?
19 Ary ny amin'ny ondriko, moa izay voahosihosin'ny
tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton'ny tongotrareo va no hosotroiny?
20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro,
Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry matavy amin'ny ondry mahia.
21 Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo
manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra-
pandronjinareo azy ho any ivelany;
22 dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy,
ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny ondry namany.
23 Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry
azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
24 Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida
Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
25 Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny
biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any
an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
26 Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko
fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia
ranonoram-pitahiana mivatravatra.
27 Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny
tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no
Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tānan'izay
nampanompo azy izy.
28 Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia
intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
29 Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry
ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony;
30 ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no
momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.
31 Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo,
ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.
1 [Ny handravana an'i Edoma noho ny nandrafiany ny
Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka
maminania ny hamelezana azy,
3 dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny
tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.
4 Ny tanānanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao;
Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
5 Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny
nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin*'ny sabatra, fony tamin'ny andro
nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,[Heb. ho eo an-tānan']
6 Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia
hataoko manjary rā ianao, ary rā no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny
rā, dia rā kosa no hanenjika anao.
7 Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady
hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,
8 Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny,
ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron'ny lohasahan-driakanao
rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny sabatra.
9 Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana
intsony ny tanānanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
10 Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto
sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo
ihany Jehovah
11 Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia
hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny
fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin'ny hitsarako
anao.
12 Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny
fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe:
Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.
13 Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy
nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.
14 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany
rehetra, dia hofoanako kosa ianao,
15 Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady,
satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao,
ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no
Jehovah.
1 [Ny hitahian'i Jehovah ny tanin'ny Isiraely] Ary ianao,
ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry
tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin'i Jehovah:
2 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny
fahavalo anareo hoe: Hiā! efa lasanay ny havoana fahagola!
3 Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny
tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady
efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny
firenena,
4 Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry
tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny
tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny
korontam-bato sy ny tanāna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena
sisa amin'ny manodidina,
5 Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny
afon'ny fahasaro-piaroko no nitenenako
tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho
fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba
hangoronany azy ho babo.
6 Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao
amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny
fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa
nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
8 Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia
hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny
hihavian'ireny.
9 Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika
anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
10 Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny
taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanāna, ka haorina indray ny
efa rava;
11 Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho,
ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo,
ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
12 Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny
Isiraely oloko; Dia hanana anareo* izy ka hahalasa anareo* ho lovany, ary tsy
hahalany fara azy intsony ianareo**.[*Heb. anao][**Heb. ianao]
13 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany
taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny
firenenao,
14 Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny
firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
15 Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony
ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny
firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
16 [Ny fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely sy ny
fahamasinany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17 Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany
amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony* sy tamin'ny asany izy; fa
tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony*
eo anatrehako.[Heb. lalany]
18 Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho
ny rā nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.
19 Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho
any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony* sy ny asany no nitsarako
azy.[Heb. lalany]
20 Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany
izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe:
Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.
21 Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny
taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany.
22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry
taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny
jentilisa izay nalehanareo.
23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa
nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy
Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.
24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary
hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo.
25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho
afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako
anareo.
26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no
hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo
nofo ianareo.
27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga
anareo handeha araka ny lalāko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo
ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra
ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary
intsony ianareo;
30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny
saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.
31 Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao
tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo
sy ny fahavetavetanareo.
32 Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah
Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny
lalanareo, ry taranak'Isiraely.
33 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny andro
hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina
ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.
34 Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny
mpandalo rehetra intsony izy.
35 Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga
tahaka ny saha Edena; ary ny tanāna efa foana sy lao dia misy mponina sady
asiana manda;
36 ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo
fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana.
Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
37 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny
taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny
olony.
38 Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema
amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanānany efa lao
amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no
Jehovah.
*
1 [Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny
hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tānan'i
Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo
amin'ny lohasaha feno taolana aho.
2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary,
indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia
maina Ireo.
3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho
velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no
mahalala.
4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana
ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!
5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana
ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;
6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary
hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia
ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary
nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady
nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary
nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny,
maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy
ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia
nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be
dia maro be tokoa.
11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana
ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay,
levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary
hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny
tanin'ny Isiraely;
13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha
manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny
fasanareo.
14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona
ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo
fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
15 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16 Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalā tapa-kazo iray,
ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia
mangalā tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia
tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.
17 Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo
iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
18 Ary raha miteny aminao ny zanaky ny
firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin'izany va ianao?
19 dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa, izay eny an-tanan'i
Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin'ny
tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray
eny an-tanako.
20 Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia
ho eny an-tananao eo imasony.
21 Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa
izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko
ho any amin'ny taniny:
22 ary hataoko ho firenena iray any amin'ny
tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho
mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho
fanjakana roa intsony.
23 Ary tsy handoto tena amin'ny sampiny, na
amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho
afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho
oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
24 Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary
hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina
ny lalāko sy hankatō izany.
25 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko an'i
Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy
ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka
azy mandrakizay.
26 Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka
ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady
hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
27 Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho
ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
28 Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho
Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny fitoerako masina eo aminy
mandrakizay.
*
1 [Ny handresena an'i Goga sy Magoga mbamin'ny
firenena maro izay ho entiny hiady amin'ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Goga avy any
amin'ny tany Magoga, izay mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania
ny hamelezana azy,
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary
Tobala.
4 Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny
valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny
soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona
maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
5 miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary
ny Libyana*, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,[Heb. Pota]
6 Gomera koa mbamin'ny miaramilany rehetra, ny
taranak'i Togarma avy any amin'ny farany avaratra mbamin'ny miaramilany
rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
7 Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao
sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika*
azy.[Na: mpitandrina]
8 Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina
ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny tany izay novonjena ka
afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin'ny firenena maro,
any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy
tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
9 Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny
fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia
ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminao.
10 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'izany
andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy
ianao
11 ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany
izay misy tanāna tsy mimanda; hankamin'izay mandry fahizay sy mitoetra tsy
manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanāna tsy misy manda na hidy na vavahady
izy rehetra,
12 mba hamabo sy handroba ary hamely indray
izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay
nangonina avy tany amin'ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo
mitoetra ao amin'ny foiben'ny tany.
13 Sheba sy Dedana ary ny mpandranton'i Tarsisy
rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo
va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy
sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
14 Koa maminania, ry zanak'olona, ka ataovy
amin'i Goga hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa amin'izany andro
hitoeran'ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?
15 Ary ho tonga avy any amin'ny fonenanao avy
any amin'ny farany avaratra ianao mbamin'ny firenena maro miaraka aminao, izay
samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
16 ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka
ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany;
ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran'ny firenena Ahy, rehefa
miseho ho masina eo anatrehany Aho amin'ny ataoko aminao, ry Goga.
17 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa ianao va
ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin'ny fahiny, dia ny mpaminanin'ny
Isiraely, izay naminany ela tamin'izany andro izany ny hampakarako anao hamely
azy?
18 Ary amin'izany andro izany, dia ny andro
hihavian'i Goga hamely ny tanin'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo
am-bavoroko ny fahatezerako.
19 Fa amin'ny fahasaro-piaroko sy ny afon'ny
fahatezerako no nitenenako hoe: Amin'izany andro izany dia hisy horohoro mafy
any amin'ny tanin'ny Isiraely,
20 ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano
any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy
mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra
ambonin'ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary
hirodana ity ampiantany rehetra.
21 Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny
amin'ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin'ny
namany avy izy rehetra.
22 Ary hamaly azy* amin'ny areti-mandringana sy
ny rā sy ny ranon'orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa,
handatsaka afo sy solifara aminy sy amin'ny miaramilany mbamin'ny firenena maro
izay miaraka aminy Aho.[Heb. hifandahatra aminy]
23 Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny
fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany
fa Izaho no Jehovah.
1 Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny
hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro,
hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
2 Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any
amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely
ianao.
3 Ary hasiako ny tsipėkanao hiala eny
an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao an-kavanana ny
zana-tsipėkanao.
4 Any an-tendrombohitry ny Isiraely no
hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena izay miaraka
aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny
bibi-dia ianao.
5 Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa
niteny, hoy Jehovah Tompo.
6 Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy
manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
7 Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao
amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina;
ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin'ny
Isiraely.
8 Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo.
Izany no andro izay nolazaiko.
9 Ary hivoaka ny mponina ao amin'ny tanānan'ny Isiraely
ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipėka sy ny
zana-tsipėka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito
taona izy;
10 fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo
any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy
handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.
11 Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny
Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny
ranomasina, ka hisakana* ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy
ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona
maroben'i Goga.[Na: hampitampina orona]
12 Ary fito volana mipaka no handevenan'ny
taranak'Isirady azy, hanadiovany ny tany.
13 Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina
azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy
Jehovah Tompo.
14 Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho
mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny
ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka
izy;
15 ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety
ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny
mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.
16 Ary hisy tanāna koa hatao hoe Hamona*. Toy
izany no hanadiovany ny tany.[Hamona = Olona maro be]
17 Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao na
lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia
rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangōna ianareo avy
amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra
lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo
rā.
18 Ny nofon'ny lehilahy mahery no hohaninareo,
ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy
zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy
rehetra.
19 Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary
hisotro rā mandra-pahaleonareo avy amin'ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
20 Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy
mahery mbamin'ny miaramila rehetra eo amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah
Tompo.
21 Ary hasehoko any amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka
ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro
aminy.
22 Ary ho fantatry ny taranak'Isiraely fa Izaho no
Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka hatramin'ny ho avy rehetra.
23 Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny
taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no
nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tānan'ny fahavalony, ka
dia lavon-tsabatra izy rehetra.
24 Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy
sy nanafenako ny tavako taminy.
25 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia
hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely
rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho.
26 Dia mba hahatsiaro* ny fahamenarany sy ny fahadisoany
rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka
tsy misy manaitaitra azy,[Heb. hitondra]
27 rehefa ampodiko avy any amin'ny firenena izy ary
angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason'ny
jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;
28 dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny
amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako
azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
29 Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko
ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.
* *
1 [Ny fahitana naseho tamin'i Ezekiela ny amin'ny tempoly
vaovao] Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika,
tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana,
tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanāna,
tamin'izany andro izany dia tamiko ny tānan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any
Izy.
2 Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho
any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo
aho, ary nisy nitarehin-tanāna teo amin'ny ilany atsimo.
3 Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay
nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tānany sy volotara
fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
4 Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere
amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay
rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto.
Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.
5 Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny
ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina
hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra
vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany,
ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.
6 Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana
izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka
eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny
volotara ny sakany*.[Na: ary eran'ny volotara ny sakan'ny tokonana iray koa]
7 Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany,
ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia
dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady
anatiny dia eran'ny volotara.
8 Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka
eran'ny volotara koa.
9 Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo
hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia
teo anatiny.
10 Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady
atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy
ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.
11 Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo
hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.
12 Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka
iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho
ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
13 Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny
trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo
hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
14 Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho,
ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
15 Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo
anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
16 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha
manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny
vavahady*; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy
varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy
sarin'ny hazo rofia** avokoa.[*Na: sady manodidina azy ny vavahady][**palma]
17 Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary,
indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina:
nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.
18 Ary ny lampivato dia teo anilan'ny vavahady, sady
nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato ambany io.
19 Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny
vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny
ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
20 An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny
vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
21 Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny;
ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany,
ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
22 Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny
hazo rofia* taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana,
ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia
tandrifin'ireo.[palma]
23 Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny
vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny
hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
24 Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady
teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra
ireo ihany koa.
25 Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany
manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho
ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
26 Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny
tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia* iray tamin'ny lafiny
iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.[palma]
27 Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo
atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny
anankiray, ka zato hakiho koa.
28 Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any
amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo
ohatra ireo ihany koa;
29 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny
tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy
sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby
roa-polo hakiho ny sakany.
30 Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo
hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
31 Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary
nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo
ho fiakarana ao.[palma]
32 Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja
anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
33 Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny
tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy
sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy
amby-roa-polo hakiho ny sakany.
34 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy
sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy
ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
35 Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia
norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
36 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny
tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny
lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
37 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy
sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga
valo no fiakarana ao.[palma]
38 Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny
tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
39 Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy
latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
40 Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra
eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray
koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
41 Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny
vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo
izay famonoana.
42 Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika
ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho
sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny
zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
43 Ary nisy fihantonana roa rantsana*,
vodivoam-pelatanana ny halavany**, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary
natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.[*Na: nisy filirany][**Na: ny
habeny]
44 Ary teo ivelan'ny vavahady anatiny, teo anilan'ny
vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an'ny
mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan'ny vavahady
atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
45 Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo
ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.
46 Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho
an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia
taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao
fanompoam-pivavahana ho Azy.
47 Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany,
ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo
anoloan'ny trano.
48 Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia
norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny
tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny
sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa
ny tamin'ny lafiny iray.
49 Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary
iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary
nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray
tamin'ny lafiny iray koa.
1 Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia
norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary
enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.
2 Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo
an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka
efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
3 Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary,
norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny
varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.
4 Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny
sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io
no fitoerana masina indrindra.
5 Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin'ny
rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny paosin-trano dia efatra
hakiho.
6 Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady
telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny
paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny
rindrin'ny trano.
7 Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka
manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia
nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany
dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.
8 Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny
trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia* eran'ilay volotara hatramin'ny
ifanohizany.[Na: Dia noheveriko ny hahavon'ny trano manodidina; ary ny fanorenan'ny
paosin-trano dia]
9 Ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia
dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
10 Ary ny teo anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho
manodidina ny trano na aiza na aiza.
11 Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay
sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika
ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
12 Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana
tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny
rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo
hakiho ny lavany.
13 Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany,
ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
14 Ary ny sakan'ny trano eo anoloany sy ny kianja
voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
15 Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja
izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny
tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja
16 ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy
mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia
nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny
varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
17 ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao
anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na
ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.
18 Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia* natao, ka
ny sarin'ny hazo rofia* dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia
samy nanana tarehy roa avy,[palma]
19 ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia
tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo
rofia* tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany
avokoa izy rehetra.[palma]
20 Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no
nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia*, dia teo amin'ny rindrin'ny
ati-trano lehibe.[palma]
21 Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana
amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.
22 Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary
roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia
hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.
23 Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia
nisy lela-varavarana roa.
24 Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy,
dia lela-varavarana roa amin'ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny
anankiray.
25 Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia* natao teo
amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina
ihany; ary nisy tokonana** hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo
ivelany.[*palma][**Na: tatao]
26 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy
sarin'ny hazo rofia* teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana
sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny
tokonana*.[*palma][**Na: tatao]
1 Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin'ny kianja
ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny efi-trano tandrifin'ny kianja
voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny avaratra,
2 dia ho eo anoloan'ilay lavany zato hakiho izay nisy ny
varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
3 Tandrifin'ny roa-polo hakiho amin'ny kianja anatiny
sady tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany
nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo ambony indrindra.
4 Ary teo anoloan'ny efi-trano dia nisy lalana, folo
hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray* hakiho izany; ary nanatrika
ny avaratra ny varavarany.[Na: (zato)]
5 Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho
lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
6 Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny
andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao
an-tenatenany hatreny an-tany.
7 Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin'ny
efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan'ny efi-trano, ka dimam-polo
hakiho ny lavany.
8 Fa ny lavan'ireo efi-trano izay teo amin'ny kianja
ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan'ny ati-trano lehibe
dia zato hakiho.
9 Ary teo ambanin'ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana
avy eo atsinanana, raha miditra amin'ireo avy eo amin'ny kianja ivelany.
10 Ary nisy efi-trano koa teo amin'ny sakan'ny
ampiantanin'ny kianja teo amin'ny atsinanana, tandrifin'ny kianja voatokana sady
tandrifin'ny trano.
11 Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin'ny
efi-trano teo amin'ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin'ny an'ireo avokoa
ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin'ny fombafombany
rehetra sy ny varavarany;
12 ary tahaka ny varavaran'ny efi-trano eo amin'ny atsimo
dia nisiana varavarana koa teo amin'ny fiandohan'ny lalana, dia ilay lalana eo
anoloan'ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin'ny
atsinanana, raha miditra ao aminy.
13 Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny
efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja voatokana, dia efi-trano masina,
hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i Jehovah ny zavatra masina indrindra;
any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy
ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.
14 Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny
fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny
fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo;
ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
15 Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia
nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka
norefesiny ny manodidina.
16 Norefesiny tamin'ny volotara fandrefasana ny lafiny
atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volatara
fandrefesana.
17 Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny
volotara manodidina, raha amin'ny volotara fandrefesana.
18 Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny
volotara, raha amin'ny volotara fandrefesana.
19 Nitodika nankany amin'ny lafiny andrefana izy ka
nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny volotara fandrefesana.
20 Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany
manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny
sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
1 [Ny nidiran'ny voninahitr'i Jehovah ho ao amin'ny
tempoly, sy ny teny nampitondrainy tamin'izany] Ary nentiny ho any amin'ny
vava*;) hady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
2 Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny
Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano
be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny.
3 Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay
efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanāna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay
efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
4 Ary ny voninahitr'i Jehovah dia niditra tamin'ny
vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
5 Dia nisy fanahy* nanainga ahy ka nitondra ahy niditra
ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny
trano.[Na: rivotra]
6 Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy
lehilahy nitsangana teo anilako.
7 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny
seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto
amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny
mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin*'ny mpanjakany ao amin'ny
fitoerany avo intsony ny anarako masina,[Heb. fatin']
8 tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo
anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina
ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana
nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako
Aho.
9 Fa amin'izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny
fijangajangany sy ny sampin*' ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay
Aho.[Heb. fatin']
10 Hianao, ry zanak'olona, asehoy amin'ny
taranak'Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin'ny helony, ka dia
horefesiny ny mari-trano.
11 Ary raha menatra ny amin'izay rehetra efa nataony izy,
dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy
ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra
aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalāna rehetra aminy; koa soraty eo
imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalāny rehetra ka
hanatanterahany izany.
12 Izao no lalāna amin'ny trano: Ho masina dia ho masina
avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon'ny tendrombohitra. Eny,
izany no lalana amin'ny trano.
13 [Ny amin'ny alitaran'ny fanatitra odorana sy ny
fanokanana azy] Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny
hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia
iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia
irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.
14 Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka
hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary
hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny
sakany dia iray hakiho.
15 Ary ny fanambonin'ny alitara* dia ho efatra hakiho,
ary eo ambonin'ny fatana** dia hisy tandroka efatra.[*Heb. Harela =
tendrombohitr'Andriamanitra][**Heb. Ariela = fatan'Andriamanitra, na
lion'Andriamanitra, ka tokony ho anaran'ny momba ny fanambonin'ny alitara ireo]
16 Roa ambin'ny folo hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa
ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,
17 Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny
lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra;
ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia
iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
18 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara amin'izay andro hanaovana azy,
hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rā aminy:
19 Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona
Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao
fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
20 Dia hangalanao ny rāny ka hatentinao amin'ny tandrony
efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny
manodidina; izany no hanadiovanao* azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.[Ny
dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
21 Halainao koa ny vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho
ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny
fitoerana masina.
22 Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy
misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny* ny alitara tahaka ny
nanadiovany* azy tamin'ny vantotr'ombilahy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo
dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
23 Ary rehefa vita ny anadiovanao* azy, dia hanatitra
vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.[Ny
dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
24 Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny
mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho
an'i Jehovah.
25 Hafitoana no hanateranao osilahy isan'andro hatao
fanatitra noho ny ota sy vantotr'ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.
26 Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an'ny alitara sy
hanadiovany azy ary hanokanany* azy.[Heb. hamenoana ny tānany]
27 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka
amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao
amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy
Jehovah Tompo.
1 [Lalāna ny amin'ny mpanjaka sy ny mpisorona] Dia
nentiny niverina aho tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ivelany amin'ny
fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
2 Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina
ka tsy hovohana ary tsy hidiran'olona; fa efa nidiran'i Jehovah, Andriamanitry
ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
3 Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao
hihinan-kanina eo anatrehan'i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin'ny lalana
mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany, ary amin'ny lalana nalehany
ihany toa no hivoahany.
4 Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo
anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny
tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
5 Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha
tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka hohenoin'ny sofinao izay rehetra
lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalāna rehetra amin'ny tranon'i Jehovah;
ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao
amin'ny fitoerana masina.
6 Ary lazao amin'ireo maditra, dia ny taranak'Isiraely
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry
taranak'Isiraely!
7 dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo
hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin'ny
nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rā, ka dia nivadika ny fanekeko
ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;
8 ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny
fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny
anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.
9 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo
sy nofo rehetra izay ao amin'ny zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao
amin'ny fitoerako masina.
10 Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy
tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny,
dia hitondra ny helony izy.
11 Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny
fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny
tempoly* sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny
olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo
anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.[Heb. trano]
12 Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo
anatrehan'ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny
taranak'Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa
hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
13 ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky
izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa
hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
14 Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny
amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
15 Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay
nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny
zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana
ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rā, hoy
Jehovah Tompo.
16 Eny, izy no hiditra ao amin'ny fitoerako masina sy
hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay
nasaiko hotandremana.
17 Ary raha miditra any amin'ny vavahadin'ny kianja
anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon'ondry eny aminy,
raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny kianja anatiny sy ao anatiny
izy.
18 Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy
rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy
izy.
19 Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany
amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao
fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy
fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.
20 Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava
volo, fa hataony tsara hety.
21 Ny divay dia tsy hosotroin'izay mpisorona, raha
miditra any amin'ny kianja anatiny izy.
22 Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa
nisaorana izy; fa virijiny avy amin'ny taranak'Isiraely, na izay novinadin'ny
mpisorona efa maty no hovadiny.
23 Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy
ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny
madio.
24 Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana
hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalāko sy ny didiko dia
hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia
hohamasininy.
25 Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny;
kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na
anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
26 Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina
hafitoana aloha.
27 Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana
masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny
fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
28 Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy
homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
29 Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary
ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana* eo
amin'ny Isiraely dia ho azy koa.[Heb. herema]
30 Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy
amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra
atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta
dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
31 Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na
vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona.
1 [Ny amin'ny tany homena ho an'ny tempoly sy ny
mpisorona sy ny Levita ary ny mpanjaka, ary ny amin'ny zavatra haloa ho an'ny
mpanjaka hanaovany fanatitra] Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany
mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara
masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny
sakany iray alina. Ho masina any amin'ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
2 Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masina,
dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny
tany manodidina azy.
3 Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao*
dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao
amin'io ny fitoerana masina, dia ny masina indrindra.[Na: Ary amin'izany
voarefy izany dia mbola hisy horefesinao koa, dia]
4 Ho anjara masina amin'ny tany izany ka ho an'ny
mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia izay
manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony
sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
5 Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray
alina ny sakany, no ho an'ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny
trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
6 Ary homenareo koa ny zara-tany ho an'ny tanāna, dimy
arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny
anjara masina voatokana; ho an'ny taranak'Isiraely rehetra izany.
7 Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo andaniny roa
amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany ho an'ny tanāna, dia ny
mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin'ny tany ho
an'ny tanāna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo
amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany*, dia mifanolotra
amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na amin'ny atsinanana.[Heb.
lavany]
8 Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin'ny Isiraely,
ary ireo mpanjaka voahosotro* dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny
tany ho an'ny taranak'Isiraely isam-pireneny.[Heb. mpanjakako]
9 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry
mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova
fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah
Tompo.
10 Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka
hotananareo.
11 Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany
ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera
no mariky ny fatrany.
12 Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy
amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no ho manenareo.
13 Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin'ny efaha
isaky ny homeran'ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin'ny efaha
isaky ny homeran'ny vary hordea;
14 ary ny didy ny amin'ny diloilo (ny diloilo iray bata)
dia ampahafolon'ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria
bata folo no homera iray.
15 Ary ondry iray isan-droanjato amin'ny tanin'ny
Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra
dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy
Jehovah Tompo.
16 Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an'ny
mpanjakan'ny Isiraely.
17 Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy
ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny
voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin'ny fotoam-pivavahana rehetra
tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy
ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba
hanaovana fanavotana ho an'ny taranak'Isiraeb.
18 [Ny amin'ny andro firavoravoana sy ny fanatitra
isan'andro] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha mby amin'ny andro voalohany
amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy tsy misy kilema ianao ka
hanadio* ny fitoerana masina.[Heb. hanafaka ota]
19 Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny
ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny
rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.
20 Ary toy izany koa no hataonao amin'ny andro fahafito
amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia
hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.
21 Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana
voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka
mofo tsy misy masirasira no hohanina.
22 Ary amin'izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra
vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka
rehetra.
23 Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia
hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah
izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy
iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.
24 Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray
efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny
hina isan-efaha.
25 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana
fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana
izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra
hohanina, na ny diloilo.
1 [Ny amin'ny mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny
hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an'ny zanany sy ny mpanompony, ary
ny amin'ny fahandroana ny fanatitra naterin'ny vahoaka] Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia
harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy
amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
2 Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny
lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary
ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny
mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy
hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
3 Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo
am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana.
4 Ary ny fanatitra dorana izay haterin'ny mpanjaka ho
an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema sy
ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
5 Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray
dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka
izay tiany*, ary ny diloilo iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
6 ary amin'ny andro voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy
iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy
kilema ireo.
7 Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha
isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny
zanak'ondry dia araka izay tiany*, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha.[Na:
tratry ny ananany]
8 Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny
lavarangan'ny vavahady no hidirany ary amin'ny lalana nalehany ihany koa no
hivoahany.
9 Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i
Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra
hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny
vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina
amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany
10 Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha
mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
11 Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny
fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy
iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka
izay tiany*, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha.[Na: tratry ny ananany]
12 Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na
fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny
vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny
fanati-pihavanany, tahaka izay ātaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy,
dia harindrina ny vavahady.
13 Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema
no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no
hanateranao azy.
14 Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny
isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina
handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalāna
tsy miova mandrakizay izany.
15 Ary toy izany no anatero ny zanak'ondry sy ny
fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
16 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho
an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny,
ho zara-lovany izany.
17 Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny
anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona
fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho
lova ho an'ny zanany ihany.
18 Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy
amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany,
mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.
19 Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny
vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny
avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana.
20 Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny
mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny
fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lō any amin'ny kianja
ivelany hanamasina ny olona.
21 Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho
ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny
isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
22 Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy
kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany;
mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
23 Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina
ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.
24 Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay
fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drā
aterin'ny olona.
1 [Ny amin'ny onin'ny ranon'aina] Dia nentiny niverina ho
eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo
atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano,
ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny
alitara.
2 Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny
vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany,
hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny
atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana.
3 Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy
famolaina teny an-tānany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano
aho, ka hakitrokely ny rano.
4 Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny
rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia
nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
5 Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony
tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo
itana.
6 Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va
izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy.
7 Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo
betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa.
8 Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka
hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay* ka miditra eo
amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny
rano.[Heb. Arabā]
9 Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na
aiza na aiza alehan'ny ony tondraka* dia ho velona, ka hisy hazandrano
sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay
rehetra hidiran'ny ony.[Heb. ony roa]
10 Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny
amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary
ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any
amin'ny Ranomasina Lehibe.
11 Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa
havela ho sira.
12 Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no
anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany;
fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana
masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
*
13 [Ny ho faritry ny Tany Masina, sy ny hizarana azy, ary
ny ho toetry ny Tanānan'Andriamanitra] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no
faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny
folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
14 Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa
nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova
ity tany ity.
15 Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia
hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany
akaikin'i zedada,
16 dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny
faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo
an-tsisin'i Haorana.
17 Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia
Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no
fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18 Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana
sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny
fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no
lafiny atsinanana.
19 Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia
hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny
Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
20 Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe
hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny
firenen'Isiraely.
22 Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo
sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia
hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo
hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.
23 Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no
hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.
1 Ary izao no anaran'ny firenena: Hatramin'ny farany
avaratra any amoron-dranomasina amin'ny lalana mankany Hetlona any akaikin'i
Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy eo avaratra, any anilan'i Hamata;
izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an'i Dana.
2 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Asera.
3 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Naftaly.
4 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Manase,
5 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Efraima.
6 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
7 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Joda.
8 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo
amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny
sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho
eo afovoany.
9 Ny tany izay hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy
arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
10 Ary ho an'ny mpisorona izany tany masina voatokana
izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany
andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina
ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin'i Jehovah no ho eo afovoany.
11 Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny
taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy
nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita,
12 eny, ho azy izany ho tany halaina amin'ilay efa
voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin'ny faritanin'ny
Levita.
13 Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin'ny
fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray
alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina
ny sakany.
14 Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy
hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany; fa masina ho an'i Jehovah izany.
15 Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany
mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny
tanāna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanāna no ho ao afovoany.
16 Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby
efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana
ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra
arivo.
17 Ary ny amin'ny tany fiandrasana momba ny tanāna, ny eo
amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana
dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo
amby roan-jato.
18 Ary ny lavany sisa mifanolotra amin'ny anjara masina
voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra
amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokany hohanin'ny mpiasa ao
an-tanāna.
19 Ary izay mpiasa ao an-tanāna avy amin'ny
firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy.
20 Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa
alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho
zara-tany momba ny tanāna.
21 Ary ho an'ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny
anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanāna; mifanolotra amin'ny
dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana hatramin'ny fari-tany
atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina hatramin'ny
fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka
izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana masina no ho eo
aforoany.
22 Ary hatramin'ny zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany
momba ny tanāna, sy ao ampovoan'ny an'ny mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i
Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka izany.
23 Ary ny amin'ny firenena sisa, dia hatramin'ny lafiny
atsinanana ka hatramin'ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an'i Benjamina.
24 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Benjamina, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Simeona.
25 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Simeona, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'Isakara.
26 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'Isakara, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Zebolona.
27 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Zebolona, hatrany
atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Gada.
28 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Gada, amin'ny
lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny
lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe.
29 Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana ho an'ny
firenen'Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
*
30 Ary izao no ohatry ny tanāna amin'ny lafiny avaratra:
diman-jato amby efatra arivo.
31 Ary ny anaran'ny vavahady dia ho toy ny anaran'ny
firenen'Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin'i Robena ny iray
vavahadin'i Joda ny iray, vavahadin'i Levy ny iray.
32 Ary amin'ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo;
ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Josefa ny iray, vavahadin'i Benjamina ny
iray, ary vavahadin'i Dana ny iray.
33 Ary amin'ny atsimo diman-jato amby efatra arivo
ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Simeona ny iray,
vavahadin'Isakara ny iray, vavahadin'i Zebolona ny iray.
34 Ary amin'ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy
vavahady telo, dia vavahadin'i Gada ny iray, vavahadin'i Asera ny iray,
vavahadin'i Naftaly ny iray.
35 Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny
anaran'ny tanāna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.