[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Hosea
Accès direct aux chapitres d’Osée : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14
1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i
Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia,
mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny
Isiraely.
2 [] Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i
Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy
zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
3 Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima;
ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4 Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa
vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary
hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.
5 Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny
tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.
6 Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka
nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama* no anarany; fa tsy
hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny
helony**.[*Lò-rohama = Tsy namindrana fo][**Na: hofoanako avokoa ny ananany]
7 Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary
Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny
sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
8 Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia
nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9 Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy* no anarany;
fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo**.[*Lò-amy = Tsy
oloko][**Heb. tsy ho anareo]
*
1 Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny
Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo
afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe:
Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona
ianareo.
2 Dia hiara-mivory ny taranak'i Joda sy ny
taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin'ny
tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezirda.
3 Manaova amin'ny rahalahinareo hoe: Amy*, ary
amin'ny anabavinareo hoe: Rohama**. [*Amy = Oloko][**Rohama = Namindrana fo]
4 [Ny hamaizana ny Isiraely, sy ny mbola
hampodian'i Jehovah azy] Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy
tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo
amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
5 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy
ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina
izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
6 Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria
zanaky ny fijangajangana ireny.
7 Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay
torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo
lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko,
sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
8 Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady
hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
9 Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy,
nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe
izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin'izay noho ny
ankehitriny.
10 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny
vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny
volamenany, izay nolaniny ho an*'i Bala,[Na: nataony ho]
11 Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny
androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy
ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
12 Ary ankehitriny hasehoko eo imason'ireo
lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'ny tanako.
13 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny
andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny
fotoam-pivavahany rehetra.
14 Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny,
izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga
ala ireny ka hohanin'ny bibidia.
15 Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala,
izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny
firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy
Jehovah.
16 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka
hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
17 Ary hatrany dia homeko azy ny
tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no
hamaliany* toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro
niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.[Na: hihirany]
18 Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy
Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe
Balako*.[Balako = Tompoko]
19 Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo
Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo.
20 Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho
dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny
biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany
intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay
izy;
21 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao,
eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy
ny indrafo ianao;
22 Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao.
Ka dia hahalala an'i Jehovah.
23 Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy
Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na:
hamaly]
24 Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka
ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela,
25 Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo
amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa
hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6]
1 [Ny amin'ny vehivavy janga anankiray, izay natao
tandindon'ny Isiraely] Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy
izay tian'ny vadiny nefa* mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny
Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin'izay andriamani-kafa sady
tia ampempam-boaloboka.[Na: tian'ny sakaizany sady]
2 Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy
ambin'ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
3 Ary hoy izaho taminy: Andro maro no
hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa
ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.
4 Fa andro maro no hitoeran'ny Zanak'Isiraely
tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na
terafima.
5 Rehefa afaka izany, dia hiverina ny
Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary
nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any
amparany.
*
1 [Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony]
Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady
amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na
fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,
2 Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra
sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy* ka mifanontona ny
fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra
ary ny fijangajangana no mihabetsaka]
3 Ary noho izany dia mitomany ny tany ary
reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia* ny bibi-dia sy ny voro-manidina;
Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na:
Mbamin']
4 Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko
dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.
5 Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany
hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
6 Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana.
Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko
intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko
kosa ny zanakao.
7 Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia
hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8 Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia
haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
9 Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona;
Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
10 Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga
izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka
no mahalasa ny saina.
12 Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony,
ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy,
ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
13 Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany
zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo
manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria
tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy
ijangajangan'ny vinantovavinareo.
14 Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha
mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo*
aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra
miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia
ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]
15 Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely.
Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena
ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
16 Fa ny Isiraely dia maditra toy ny
vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny
zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
17 Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy
ho eo.
18 Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga
izy*; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy**. [*Na: Rehefa mitsahatra ny
fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][**Heb. ampingany]
19 Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho
menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
*
1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary
mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny
mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa
ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
2 Ny mpivadika dia fatra-pamono*; Fa Izaho kosa famaizana
azy rehetra.[Na: fatra-panao ratsy]
3 Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona
amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
4 Tsy avelan'ny ataony hiverina* amin'Andriamanitra izy;
Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.[Na: tsy
mety manao izay hiverenany]
5 Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka
azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy
koa.
6 Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady
an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
7 Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary;
Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany.
8 Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra
ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
9 Ho lao Efraima, raha mby amin'ny andro
fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin'ny firenen'Isiraely.
10 Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay
mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina
rano.
11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny
fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy,
12 Koa amin'i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho
ary amin'ny taranak'i Joda dia toy ny fositra*.[Na: momoka]
13 Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda
ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i
Jareba* mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny
ferinareo.[Jareba = Mpandahatra, na Mpiady]
14 Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho,
ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no
mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
15 Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho
ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy,
dia hitady Ahy fatratra.
1 Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa
Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy
no hamehy ny ferintsika.
2 Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy
indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo
anatrehany isika
3 Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala
an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika
toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny
tany.
*
4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re
no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy
tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
5 Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny
tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy
ny mazava.
6 Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra
alatsa-drà, ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
7 Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an'i Adama,
tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
8 Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny
rà.
9 Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny
mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao
fahavetavetana koa izy.
10 Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra
mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely.
11 Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro
hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.
1 Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny
helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny
mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
2 Ary tsy heveriny ao am-po* fa tsarovako ny faharatsiany
rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako
izany.[Heb. ataony hoe]
3 Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary
amin'ny laingany ny mpanapaka.
4 Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny
fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny
ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
5 Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena
tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny
mpaniratsira ny mpanjaka.
6 Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho
ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary
nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
7 Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny
andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy
rehetra.
8 Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia
efa tonga ampempa tsy voavadika.
9 Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory
izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
10 Ary ny avonavon*'Isiraely dia vavolombelona manameloka
azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah
Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.[Na: ny reharehany]
11 Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala
adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
12 Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika
haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay
efa nambara tamin'ny fiangonany.
13 Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy!
satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny
milaza Ahy.
14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa
midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy
ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny,
nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga
tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny
firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.
*
1 [Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy
eo am-bavanao* ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i
Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb.
lanilaninao]
2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay
Isiraely mahalala Anao.
3 Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny
fahavalo no hanenjika azy.
4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko;
Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no
nataony sampiny mba hamongorana azy.
5 Maharikoriko* ilay ombilahy kelinao, ry Samaria;
Mirehitra aminareo** ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo***
ny fahadiovana?[*Na: Ataony ho zava-maharikoriko][**Heb. aminy][***Heb. tohany]
6 Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao
azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i
Samaria.
7 Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy
misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza,
dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny
fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.
9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha
irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny* [Heb. fitiavany]
10 Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia
hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo
mpanapaka.
11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa
nahazo alitara hanotana izy.
12 Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko
aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny,
mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia
hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina
ho any Egypta.
14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano
vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka
holevonin'izany ny trano vaventiny.
1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry
Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia
tangy teny am-pamoloana rehetra;
2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary
hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3 Tsy honina ao amin'ny tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima
hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy,
ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny
fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa
ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i
Jehovah.
5 Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana
sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah?
6 Fa he! lasa izy noho* ny fandringanana; Egypta no
hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia
ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.[Na: miala amin']
7 Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro
fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona
tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao sy ny habetsahan'ny fanoherana.
8 Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro*;
Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy
fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.[Na: Efraima dia tily tao
amin'Andriamanitro]
9 Fatra-panao ratsy toy ny tamin'ny andro tany Gibea izy;
Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako
ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa
ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka
dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.
11 Ny amin'i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny
voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan'anaka, na ho torontoronina.
12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako
ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako
azy!
13 Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin'ny
tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro*, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho
amin'ny mpamono izy.[Na: araka ny nahitako azy hatrany Tyro, dia voavoly, etc]
14 Jehovah ô, omeo azy - inona no homenao azy? Omeo azy
ny kibo tsy mahazo zaza* sy ny nono ritra.[Na: momba]
15 Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao
nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao
an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
16 Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy;
Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
17 Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka
dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.
1 Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy;
Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny
taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
2 Mamitaka* ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny
helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
[Heb. Malambolambo]
3 Amin'izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika;
Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4 Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny
nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha
ny rariny.
5 Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny
ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
6 [Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, dia noho ny
amin'ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany] Iny koa ho entina any Asyria ho
fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay
Isiraely noho ny saina nataony.
7 Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny
sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
8 Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay
anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy
hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe:
Mianjerà aminay.
9 Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry
Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana
ny zanaky ny faharatsiana.
10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely
azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka
ka faly hively vary; Ary hasiako zioga* ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko
Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]
12 Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà
araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo*; Fa izao no andro hitadiavana
an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo**.[*Na:
Miasà tany vaovao ho anareo][**Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]
13 Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no
nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny
alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo* ianareo.[Heb. alehanareo,
maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
14 Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo*, ka horavana
ny tanànareo* mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela
tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb.
alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
15 Toy izany no hataon'i Betela* aminareo, noho ny
haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny
mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]
*
1 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, na dia be
aza ny helony] Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala
tany Egypta ny zanako.
2 Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny
izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny
sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra.
3 Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny,
notrotroiko tamin'ny sandriko* aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no
nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny sandriny]
4 Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia
tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava* eo
ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga]
5 Tsy hiverina ho any amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria
no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
6 Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao
an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
7 Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho
amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho
fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i
Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko,
mafy loatra ny alaheloko.
9 Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima
intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka
dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra* Aho.[Na: tsy hiditra ao an-tanàna
Aho]
10 Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny,
Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
11 Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely
izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao
an-tranony izy, hoy Jehovah.
1 [Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima
manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda
mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky.
2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any
atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana;
Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
3 Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy
mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny
ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona
tamin'Andriamanitra;
5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany
izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany
tamintsika;
6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no
hahatsiarovana Azy.
7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny
famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.
8 Kanana* eny an-tànany misy mizana miangatra, ny
manambaka no tiany.[Na: Mpandranto izy]
9 Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko,
nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka
amiko.
10 Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny
tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin'ny
fotoam-pivavahana.
11 Efa niteny tamin'ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no
nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
12 Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana
tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny
alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
13 Jakoba nandositra ho any amin'ny tany Syria, Isiraely
nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman'osy.
14 Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely
nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
15 Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia
havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy
nataony.
1 [Ny loza nanjo ny Isiraely noho ny fahotany] Raha
niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin'ny Isiraely izy.
Dia nanota ny amin'i Bala izy ka maty;
2 Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny
volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny
fahaizany, izay asan'ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny
ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
3 Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay
levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin'ny rivotra
hiala amin'ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin'ny varavarana
makarakara.
4 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany
Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy
mpamonjy afa-tsy Izaho.
5 Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia
tany amin'ny tany mampangetaheta.
6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy;
Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda
amoron-dalana no famitsako.
8 Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka
mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy
liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy
Izay famonjena anao ianao.
10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao
an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe:
Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11 Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary
nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.
12 Voafehy ny helok'i Efraima, voatahiry ny fahotany.
13 Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no
mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba
mandroso ho eo amin'ny fiterahan-jaza izy.
14 Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita*
izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny
aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina
tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.[Heb. Sheola]
15 Fa Efraima dia hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa
ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any
an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany;
Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
*
1 Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina
tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika
hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
2 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa
mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa
lavon-keloka ianao.
3 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka
manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia
haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb. haloanay][**Heb. vantotr'ombilahy]
4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay
sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao
aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.
5 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho;
Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
6 Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka
ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.
7 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva
ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy.
8 Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia
hampahavokatra vary indray*, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho
tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.[Na: ho velombelominao indray toy ny
vary izy]
9 Ry Efraima ô, hataoko* inona intsony izay sampy? Izaho
dia efa nihaino ka nitsinjo anao**; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy
amiko no hahazoana ny vokatrao.[*Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][**Heb. azy]
10 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na
manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina
no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.