[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Malakia
Accès direct aux chapitres de Malachie : 1, 2, 3, 4
1 [Ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny Isiraely, sy ny
nanamavoan'ireny ny anarany sy ny fombam-pivavahana aminy] Teny faminaniana avy
tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely.
2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo:
Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa
Jakoba no tiako,
3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny
tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia* any an-efitra. [Na: jakala]
4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa
mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny
maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny
faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo.
5 Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny
ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe* any an-koatry** ny tanin'ny
Isiraely.[*Na: ho lehibe anie][Na: eny amin']
6 Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny
tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay
tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo
ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao?
7 Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny
alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny
fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.
8 Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra,
tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary
no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange
izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro.
9 Koa masìna ianareo, andeha mifona
amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany,
moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny
varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy
hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tananareo, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro.
11 Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka
hatramin'ny filentehany dia lehibe* ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any
amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra
madio ho an'ny anarako; fa lehibe* any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: ho lehibe]
12 Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny
fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo* dia
tsinontsinona. [Heb. vokany]
13 Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy !
ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina
an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa
ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho ? hoy Jehovah.
14 Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana
ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema
hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.
1 [Ny tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny
namalian'Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao
didy izao:
2 Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka
hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia
halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa
voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
3 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo,
ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro
firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
4 Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy
izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy*, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin'ny Levy zanany]
5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana;
ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo
anatrehan'ny anarako izy.
6 Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany,
ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny
fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny
heloka.
7 Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry
fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah,
Tompon'ny maro, izy.
8 Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady
nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary namadika ny fanekena amin'i
Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro.
9 Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho
fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho
ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny
lalàna.
10 [Fananarana ny olona noho ny fisaoram-bady
nataony sy ny nifanambadiany tamin'ny jentilisa] Tsy mpiombon-dray va isika
rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no
samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny
razantsika?
11 Ny Joda efa namitaka, ary misy
fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa
nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny
zanaka-vavin'ny andriamani-kafa.
12 Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala
amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza*, sy izay
manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. na ny mpiambina, na
ny mpamaly]
13 Ary faharoan'izany, dia izao koa no
ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i
Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana
avy amin'ny tananareo Izy.
14 Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no
vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia
namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa
mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray?
Taranaka araka an'Andriamanitra*. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy
hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no
nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady
taranaka araka an'Andriamanitra Izy]
16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry
ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
17 [Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah
amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ?
Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i
Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?
*
1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra
lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo
an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy,
hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky]
2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no
mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny
savonin'ny mpanasa lamba.
3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy;
eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika
volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra
amim-pahamarinana.
4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy
Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.
5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho
vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny
mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny
mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy
izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry
taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.
7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny
didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho
aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no
ho fiverinay?
8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy
ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny
fahafolon-karena sy ny fanatitra*. [Heb. fanatitra asandratra]
9 Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no
robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny
trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany
Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho
anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
11 Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka
tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny
voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany]
12 Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra;
fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
13 Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy
Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
14 Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny
manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny
fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy
lamba fisaonana* teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: nijoretra]
15 Ary ankehitriny isika dia midera ny
mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka
fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
16 Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah
dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary
nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i
Jehovah sy mihevitra ny anarany.
17 Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro
izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona
antra ny zananilahy izay manompo azy.
18 Ka dia ho hitanareo indray ny
tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy
manompo Azy.
19 Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na
fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra
dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.
20 Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny
anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny
tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb.
elany]
21 ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho
lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro.
22 Tsarovinareo ny lelan'i Mosesy mpanompoko,
izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny
fitsipika.
23 Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho
aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady
mahatahotra;
24 ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny
zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny
tany amin'ny fandringanana*. [Heb. herema]