[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Lioka
Accès direct aux chapitres de Luc : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24
1 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny
amin'ny zavatra izay efa tanteraka* tamintsika tokoa[*Na: inoana tokoa
amintsika]
2 araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona
izay sady nahita maso no efa mpitory* ny teny hatramin'ny voalohany:[*Gr.
mpanompo]
3 dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra
rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany,
ry Teofilo tsara indrindra*,[*Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe
izany]
4 mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay
nampianarina anao.
5 Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy
mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia
avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.
6 Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady
sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra
nomen'ny Tompo.
7 Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy
efa antitra izy mivady.
8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo
anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,
9 araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka
ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo
manitra.
10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka
tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo
an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka
raiki-tahotra.
13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria;
fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy
aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly
amin'ny hahaterahany.
15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro
divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i
Jehovah Andriamaniny.
17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny
herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho
amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal.
3. 23, 24).
18 Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no
hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no
Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny
aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny
ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy
ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
21 Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy
naharitra ela tao amin'ny tempoly.
22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy;
ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary
izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
23 Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany
fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24 Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta
vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25 Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay
nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.
26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra
ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27 ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho
vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny
anaran'ny virijina dia Maria.
28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe:
Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy
vehivavy ianao]
29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra
izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria,
fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.
31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary
ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra;
ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
33 ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy;
ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
34 Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no
hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy
Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa
ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao]
36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa,
na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra
ataon'Andriamanitra.
38 Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie
ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
39 Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha
faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
40 ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba
an'i Elizabeta.
41 Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia
nibitaka* ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[*Na:
niantsambotra]
42 dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy
vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43 Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny
renin'ny Tompoko aho?
44 Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny
fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
45 Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra
nampilazain'ny Tompo taminao.
46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47 Ary ny fanahiko efa ravoravo
tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48 Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny
ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny
taranaka rehetra ho sambatra aho.
49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary
masina ny anarany.
50 Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy
hatramin'ny taranaka fara mandimby.
51 Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny
mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.
52 Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary
nanandratra ny ambany kosa.
53 Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa
nampialainy maina.
54 Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny
famindram-pony
55 (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i
Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56 Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo
volana vao nody tany an-tranony.
57 Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia
niteraka zazalahy izy.
58 Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa
nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59 Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza
izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao
hoe Jaona izy.
61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza
amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.
62 Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo,
izay tokony ho tiany hatao anarany.
63 Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no
anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64 Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka
afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.
65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy;
ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra
izany.
66 Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony
ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka
naminany hoe:
68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa
nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny
taranak'i Davida mpanompony Izy
70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina
hatramin'ny fahagola),
71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy
amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady
mahatsiaro ny fanekeny masina,
73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama
razantsika,
74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,
75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany
amin'ny andro rehetra hiainantsika.
76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo
Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny
famelana ny helony,
78 Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika,
izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[*Na: niposahan']
79 Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina
sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny
lalam-piadanana.
80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary
nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny
Isiraely.
1 Ary tamin'izany andro izany dia nisy didy navoak'i
Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.
2 (Izany no fanoratana voalohany* natao fony Kyrenio
nanapaka tany Syria.)[*Na: Ny tena fanoratana voalohany anefa dia]
3 Dia samy nankany amin'ny tanànany avy izy
rehetra mba hosoratana.
4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia
avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao
hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny),
5 mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny,
izay efa bevohoka.
6 Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro
hahavelomany.
7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia
nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy
nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany
izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.
9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo
anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka
raiki-tahotra indrindra izy.
10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa,
indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho
an'ny olona rehetra;
11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i
Davida, dia Kristy Tompo.
12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita
Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;
13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho
tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
14 Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho
an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona
ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona]
15 Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely
ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao
hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany,
izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.
16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy
Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny
nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.
18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra
nolazain'ny mpiandry ondry taminy.
19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka
nieritreritra azy tao am-pony.
20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera
an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay
nolazaina taminy.
21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza,
dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola
torontoronina tao an-kibo Izy.
22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny
lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho
an'ny Tompo
23 araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny
lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)
24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao
amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).
25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao
Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny
fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.
26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita
fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.
27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny
tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba
hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza,
28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao
hoe:
29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao
amin'ny fiadanana Araka ny teninao;
30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra,
32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry
ny Isiraely olonao.
33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny
nilazana Azy.
34 Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao
tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho
fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana
holavina
35 ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra
- mba haseho ny hevitry ny fo maro.
36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana,
zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy
ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy,
37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby
valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo
tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina.
38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy,
dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny
fanavotana tao Jerosalema.
39 Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka
ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady
feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.
41 Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema
isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
42 Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy,
dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.
43 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka
nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy
fantatry ny ray aman-dreniny izany;
44 ary satria nataony fa niaraka tamin'ny
niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy
tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
45 Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho
any Jerosalema nitady Azy.
46 Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo
an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady
nanontany azy.
47 Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho
ny fahalalany sy ny famaliany.
48 Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka
hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He!
izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
49 Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy
ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na:
eto amin'ny raharahan']
50 Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy
taminy.
51 Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy
ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
52 Ary Jesosy nitombo saina sy tena* sady
nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.[*Na: taona]
1 Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo
nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary
Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany
Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
2 ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia
tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
3 Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i
Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka;
4 araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe:
Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
5 Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny
tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny
lalana mikitoantoana hohamarinina;
6 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra
(Isa. 40:3-5).
7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba
hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo
handositra ny fahatezerana ho avy?
8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao
anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa
Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato
ireto.
9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo
sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina
ka hatsipy any anaty afo.
10 Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe:
inona ary no hataonay?
11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay
manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina,
dia aoka hanao toy izany koa izy.
12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba
hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra
noho izay notendrena halainareo.
14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka
nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha
foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.
15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy
nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
16 dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra
hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka
tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo
amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany
tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny
akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.
18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny
olona.
19 Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny
amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20 dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho
fanampin'izany rehetra izany koa.
21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy
koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22 ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny
endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
23 Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao
nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,
24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i
Janay, zanak'i Josefa,
25 zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma,
zanak'i Esly, zanak'i Nagay,
26 zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i
Joseka, zanak'i Joda,
27 zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela,
zanak'i Sealtiela*, zanak'i Nery,[*Gr. Salatiela]
28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i
Elmadama, zanak'i Era,
29 zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima,
zanak'i Matata, zanak'i Levy,
30 zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i
Jonama, zanak'i Eliakima,
31 zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i
Natana, zanak'i Davida,
32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i
Salmona, zanak'i Nahasona,
33 zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny*, zanak'i Hezrona,
zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[*Na: (Arama)]
34 zanak'i Jakoba, zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i
Tera, zanak'i Nahora,
35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i
Ebera, zanak'i Sela,
36 zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema,
zanak'i Noa, zanak'i Lameka,
37 zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda,
zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,
38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama,
zanak'Andriamanitra.
1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany
Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
2 ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina
akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
3 Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra
Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
4 Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy
mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3).
5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy
indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.
6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana
rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no
homeko azy;
7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao
avokoa izany rehetra izany.
8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe:
Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao
(Deo. 6. 13; 10. 20).
9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia
nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha
Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
10 fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao
mba hiaro Anao;
11 Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho
tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza
maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny
devoly, dia nandao Azy izy aloha.
14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany
Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.
15 Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka
nankalazain'izy rehetra.
16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka
ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka
nitsangana hamaky teny.
17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony
namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra
Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory
fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka
izay nampahorina,
19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1,
2).
20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny
mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo
amin'ny synagoga.
21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa
tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny
tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity?
23 Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa
izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa
nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.
24 Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy
misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny.
25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no
mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny
andro* telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany
rehetra;[*Gr.nirindrina ny lanitra]
26 nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray
tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any
amin'izay vehivavy mpitondratena.
27 Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny
andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa
Namàna Syriana ihany.
28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga,
raha nandre izany,
29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao
an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba
hazerany amin'ny hantsana.
30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy
ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.
32 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria
nisy fahefana ny teniny.
33 Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny
fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy
34 ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy
Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa
Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao,
ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia
nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe:
Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny
fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
37 Ary niely teny amin'ny tany manodidina
rehetra ny lazany.
38 Ary nony nitsangana niala tao amin'ny
synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny
rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
39 Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka
noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana
niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.
40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona
rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo
aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana
azy.
41 Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka
niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany
hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
42 Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy
ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka
te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
43 Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny
teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa
Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
44 Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i
Galilia.
1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny
tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy;
2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny
farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i
Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo
an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy
tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo
hahazoana hazandrano.
5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny
alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho
ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia
be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely
hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny
ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia
niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa
olo-meloka aho.
9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy
noho ny haben'ny hazan-drano izay azony.
10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i
Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy
Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona
kosa no ho azonao.
11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety
izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.
12 Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy
lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka
nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
13 Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka
nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka
tamin'izay.
14 Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia
iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera
ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny
vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.
16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka
nivavaka.
17 Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy,
dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala
tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny
herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
18 Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana,
izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo
anatrehany.
19 Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny
habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo
tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny
olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.
20 Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy:
Ralehilahy, voavela ny helokao.
21 Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe:
Iza moa Ity miteny ratsy* Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra
ihany?[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
22 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka
nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
23 Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny
helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
24 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana
fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay
mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny
fandrianao, ary modia any an-tranonao.
25 Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona
izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra.
26 Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza
an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra
mahagaga isika androany.
27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita
mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra*; dia hoy Izy
taminy: Manaraha Ahy.[*Izahao Mat. 9,9]
28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia
nanaraka Azy.
29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i
Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka
nihinana teo aminy.
30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia
nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no
miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny
finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba
hibebaka.
33 Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady
hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany,
fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
34 Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny
mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
35 Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra* ny
mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[*Na: Ny
andro izay hanesorana]
36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy
misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba
tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba
nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta.
37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny
hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka
ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny
hoditra vaovao.
39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry
ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara*.[*Na: tsaratsara kokoa]
1 Ary tamin'ny Sabata anankiray* dia nandeha namaky ny
tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa
nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.[* Na: faharoa manaraka ny
voalohany].
2 Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no
manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata?
3 Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola
novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay
nanaraka azy,
4 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray
ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an'izay nanaraka azy koa, nefa
mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5 Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
6 Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa niditra tao amin'ny
synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty* tanana
tao.[*Gr. efa maina, na malazo]
7 Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy,
na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
8 Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny
tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia
nitsangana izy ka nijoro.
9 Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny
manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina
va, sa ny mahavery aina?
10 Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao
tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny
tànany.
11 Dia safotry ny hatezerana* izy ireo ka nioko ny
amin'izay hanaovany an'i Jesosy.
12 Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany
an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka
tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
13 Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy
ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
14 dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea
rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo
15 sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy
Simona, izay atao hoe Zelota,
16 sy Jodasy, zanak'i* Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay
tonga namadika. [* Na: rahalahin'i]
17 Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo
an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia
rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay
tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny;
18 ary izay nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina.
19 Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria
nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
20 Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka
nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
21 Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana
ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.
22 Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy
haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny
Zanak'olona.
23 Mifalia ianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha*;
fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny
razany tamin'ny mpaminany.[*Na: miantsambora]
24 Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo
izay mahafa-po anareo.
25 Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana
ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be
ory sy hitomany ianareo.
26 Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona
rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.
27 Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino:
Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo;
28 misaora izay manozona anareo, ary mivavaha
ho an'izay manisy ratsy anareo.
29 Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia
atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na
dia ny akanjonao aza.
30 Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha
misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
31 Ary araka izay tianareo hataon'ny olona
aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
32 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa
no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
33 Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo
soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao
izany ihany.
34 Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola
hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota
aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
35 Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia
mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona*, dia ho lehibe ny
valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy
amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[*Na: aza manantena valiny]
36 Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny
Rainareo, Mpamindra fo.
37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza
manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;
38 omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady
ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra
ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
39 Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba
va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
40 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa
izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
41 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo
amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba
tsaroanao akory?
42 Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry
rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao
ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo
amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny
sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao.
43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy
mamoa voa tsara.
44 Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa
tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny
voaroy.[*aviavimbazaha]
45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny
rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa
amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.
46 Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko,
Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
47 Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka
mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:
48 Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina
ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia
namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria
tsara fanorenana* izy.[*Na: naorina teo ambonin'ny vatolampy izy]
49 Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona
izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy
mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny
naharavan'izany trano izany.
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany
toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
2 Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay
malalany, dia narary efa ho faty.
3 Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay
kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy
ka hahasitrana ny mpanompony.
4 Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia
nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
5 satria tia ny firenentsika izy, sady izy no
efa nanao ny synagoga ho antsika.
6 Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa
efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena
Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika
hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
7 Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika
hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
8 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana
miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia
mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny
mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
9 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia
nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo
fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
10 Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia
hitany fa sitrana ilay mpanompo.
11 Ary taoriana kelin'izany* Jesosy dia nankany an-tanana
atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.[*Na: (nony
ampitson'iny)]
12 Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy,
dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy
tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy
tao an-tanàna nanaraka azy.
13 Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia
onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
14 Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona,
dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
15 Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia
natolony tamin-dreniny.
16 Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka
nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto
amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
17 Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny
tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.
18 Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany
rehetra izany taminy.
19 Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao
aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy,
sa mbola hafa no andrasantsika?
20 Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy
ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao
hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
21 Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia
nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady
nampahiratra ny jamba maro.
22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:
Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao;
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina,
atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny
amiko.
24 Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza
an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo
tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
25 Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba
soa* va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny
mpanjaka.[*Gr. malemy]
26 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va?
Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
27 Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny
irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
28 Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy
misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra
dia lehibe noho izy.
29 Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha
nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i
Jaona izy.
30 Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny
fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.
31 Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity
taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
32 Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy,
izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy
ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
33 Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na
nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
34 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy
ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory
hetra sy ny mpanota.
35 Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny zanany rehetra.
36 Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy
hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka
nipetraka nihinana.
37 Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka
rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia
nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
38 ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka
nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny
volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka
manitra,
39 Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia
nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry
Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
40 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona,
manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
41 Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray
trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
42 Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia
samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
43 Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay
namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
44 Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka
nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao
Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa
nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.
45 Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy,
hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
46 Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory;
fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
47 Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela
ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely
fitiavana.
48 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny
helokao.
49 Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy
dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
50 Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao
efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
1 Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy
nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny
fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy.
2 mbamin'ny vehivavy sasany, izay nositraniny
tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa
nivoahan'ny demonia fito,
3 sy Johana, vadin'i Koza, mpitandrina ny
fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa koa, izay nanompo azy*
tamin'ny fananany. [*Na: Azy]
4 Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka
nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:
5 Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha
namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary
dia lanin'ny voro-manidina.
6 Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny
vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo;
ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany
tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso
hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
9 Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany
fanoharana izany.
10 Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny
zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia
fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy
hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena]
11 Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny
tenin'Andriamanitra.
12 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny
devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
13 Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady
mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety
ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
14 Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony
mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao
fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
15 Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre
ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny
faharetana.
16 Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na
nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy,
mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
17 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay
tsy ho fantatra sy tsy haseho.
18 Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia
homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina
aminy.
19 Ary renin'i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa
tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
20 Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao
mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
21 Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny
rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka mankatò azy.
22 Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana
an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny
am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
23 Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso
Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny
sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
24 Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe:
Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny
rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny
andro.
25 Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra
izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny
rano Izy, ka manaiky Azy izany!
26 Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena* izay
tandrifin'i Galilia izy.[*Na: (Gadarena)]
27 Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena
taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary
efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny
fasana.
28 Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady
niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona
akory Hianao, Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza
mampijaly ahy.
29 Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka
tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra,
na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka
dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
30 Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no
anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.
31 Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany
amin'ny lavaka tsy hita noanoa.
32 Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny
an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao
anatiny. Dia nekeny.
33 Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia
niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva
tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty* tany.[*Gr. kenda]
34 Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia
nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
35 Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary
tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny
demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba
sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
36 Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny
namonjena an'ilay demoniaka.
37 Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena*
manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra
izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.[*Na: Gadarena]
38 Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia
nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:
39 Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra
lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna
izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.
40 Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny
vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.
41 Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo,
mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy
taminy hiditra ao an-tranony.
42 Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny
folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety
lalana Azy ny vahoaka.
43 Ary nisy vehivavy anankiray narary* roa ambin'ny folo
taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy
nisy nahasitrana azy akory.[*Gr. narary nandeha rà]
44 Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny
somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny*.[*Gr.
fandehanan'ny ràny]
45 Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary
rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka
betsaka mifanety ka manizina Anao.
46 Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa
fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
47 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona
Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia
nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izay anton'ny nanendreny Azy sy izay
nahasitranany niaraka tamin'izay.
48 Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no
nahasitrana* anao; mandehana soa aman-tsara.[*Gr. nahavonjy]
49 Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny
anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny
zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
50 Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka
nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona* izy.[*Gr.
voavonjy]
51 Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy
nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba
mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.
52 Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona
azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
53 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa
efa maty razazavavy.
54 Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry
zazavavy, miarena.
55 Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay
izy; ary nasainy nomena hanina izy.
56 Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy
nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao.
1 Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo
aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana
aretina.
2 Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny
fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
3 Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny
alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy
mitondra akanjo roa.
4 Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy
ao indray no ialao.
5 Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin'izany
tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho
vavolombelona miampanga azy.
6 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny
filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
7 Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia
very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa
nitsangana tamin'ny maty;
8 ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny
sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
9 Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny
lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy
nitady hahita Azy.
10 Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i
Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany
amin'ny tanàna atao hoe Betsaida.
11 Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary
Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary
izay marary dia nositraniny.
12 Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa
ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny
amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa
atỳ an-tany foana isika.
13 Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo:
Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy
handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra ireo.
14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny
mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.
15 Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
16 Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny
hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany* fisaorana ireo,
dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.[*Na:
nasiany]
17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay
sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
18 Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady
teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho
iza moa Aho?
19 Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa;
nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny
anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
20 Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra.
21 Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy
hilazalaza izany amin'olona
22 ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy
ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady
hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.
23 Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy
ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany
isan'andro ka hanaraka Ahy.
24 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery
izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy
izany.
25 Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao
tontolo izao aza, kanefa very ny ainy*, na matiantoka, izany izy?[*Na: ny
fanahiny]
26 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia
ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny
Rainy ary ny an'ny anjely masina.
27 Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy
mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
28 Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny
izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra
hivavaka.
29 Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny
tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
30 Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy,
dia Mosesy sy Elia,
31 izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny
fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
32 Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera
sy ny namany; nefa nahari-tory ihany* izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy
izy roa lahy izay teo aminy.[*Na: Nony nahatsiaro tsara]
33 Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy
dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka
izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy,
ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
34 Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy
rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo,
dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
35 Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao
hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
36 Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy
irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia
iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.
37 Ary nony ampitson'iny, raha nidina avy teo
an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an'i Jesosy.
38 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo
amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo
amin'ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
39 Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso
tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory
azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
40 Ary nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba
hamoaka izany, fa tsy afany.
41 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka
sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy
handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
42 Ary raha mbola nanatona izy, dia
nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny
mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy
indray izy.
43 Dia talanjona izy rehetra noho ny
fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy
ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra
nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
44 Ampidironareo ao amin'ny sofinareo izany teny izany;
fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo an-tànan'ny olona.
45 Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io sady nafenina
azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io
izy.
46 Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny
amin'izay ho lehibe ao aminy.
47 Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia
nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
48 ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no
mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no
mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo
rehetra, dia izy no lehibe.
49 Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko,
izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy,
satria tsy manaraka antsika.
50 Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy
manohitra anareo dia momba anareo.
51 Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an'i
Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
52 Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka
niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.
53 Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho
any Jerosalema Izy.
54 Ary raha hitan'i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia
hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any
an-danitra handevona azy*?[*Ampio hoe: toy ny nataon'i Elia]
55 Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy*.[*Ampio hoe: ka
nanao hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak'olona
tsy tonga hahavery ny ain'olona, fa hamonjy azy]
56 Dia nankany amin'ny vohitra hafa Izy.
57 Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy
anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza
halehanao.
58 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo* manan-davaka, ary
ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay
hipetrahan'ny lohany.[*volpa]
59 Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha
Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
60 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina
ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny
fanjakan'Andriamanitra.
61 Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka
Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.
62 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana
fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny
fanjakan'Andriamanitra.
1 Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona
hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny
tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
2 Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny
mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba
hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
3 Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo
tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia*.[* lopa]
4 Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy,
na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
5 Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe:
Fiadanana ho amin'ity trano ity.
6 Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao
aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo
ihany izany.
7 Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy
misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza
mifindrafindra trano.
8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona,
dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe:
Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa
ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe:
11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny
tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby
akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i
Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany.
13 Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha
mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho
nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona.
14 Fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona
amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
15 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany
an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao.[*Gr.
Hadesy]
16 Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà
anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka
nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka
avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy
maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy
hampaninona anareo akory.
20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny
fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
21 Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy
Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny
tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao
tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
22 Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary
tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy
izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
23 Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy
manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no
naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa
tsy nahare.
25 Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka
naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako
fiainana mandrakizay?
26 Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny
lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
27 Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah
Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao
rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny
tenanao (Lev. 19. 18).
28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy
izany, dia ho velona ianao.
29 Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesosy
hoe: Iza ary no namako?
30 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy
anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia
nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
31 Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin'izany
lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
32 Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo,
dia nahita azy, nefa nandalo koa.
33 Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny
nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
34 Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady
nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny
ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
35 Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka
nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na
hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa
miverina aho.
36 Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay
azon'ny jiolahy?
37 Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy
Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
38 Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo
amin'ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta
nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
39 Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay
nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
40 Fa Marta sahirana tamin'ny fanompoana be;
dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny
rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
41 Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta,
maro ahina sy maro herehina ianao;
42 nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa
nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
1 Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka
rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara
anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.
2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy
hoe: Ray ô* hohamasinina anie ny anaranao. Ho
tonga anie ny fanjakanao**. [* Na: Rainay Izay any an-danitra] [** Ampio hoe:
(Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra)]
3 Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay.
4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay
rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio
hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy].
5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana
sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho;
6 fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga
atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza
manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto
am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho
ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra* ka
hanome azy izay ilainy.[*Gr.tsi-fitandroany henatra]
9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady
no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany
mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy
menarana ho solon'ny hazandrano?
12 ary raha angatahany atody, no hanome azy
maingoka?
13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala
hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra,
no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
14 Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa
nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
15 Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny
demonia, no amoahany ny demonia.
16 Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka
nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
17 Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy
hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny
ankohonana izay miady an-trano.
18 Ary raha Satana koa aza no miady an-trano,
ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny
demonia.
19 Fa raha Izaho mamoaka demonia amin'ny
herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no amoahan'ny zanakareo azy? koa
amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo.
20 Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny
demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra.
21 Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny
tranony, dia tsy haninona ny fananany.
22 Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy,
dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia
zarainy.
23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy
miara-mamory amiko dia manahaka.
24 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia
mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy
mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
25 Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra
ny trano.
26 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa
ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany
dia ratsy noho ny voalohany.
27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy
anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo
izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra
aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
29 Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza
hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy
hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona;
30 Fa tahaka an'i Jona izay famantarana tamin'ny
Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona amin'ity taranaka ity.
31 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana
amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka
azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona;
nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
32 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity
taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka
tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
33 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao
an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro
izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
34 Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny
masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny
tenanao.
35 Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao
anatinao.
36 Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy
misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra
tsara ka manazava anao.
37 Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo
nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
38 Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy
vao nihinana.
39 Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo
dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia
feno rombaka sy faharatsiana.
40 Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no
nanao ny atiny koa?
41 Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho
fiantrana*, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.[*Na: Manaova
fiantrana araka izay azonareo atao]
42 Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny
solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny
fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa
tsy tokony havelanareo ireroana.
43 Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao
amin'ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
44 Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita,
ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
45 Ary ny anankiray tamin'ny mpahay lalàna namaly ka
nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka
anay koa.
46 Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa
mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany
entana izany akory ianareo, na dia amin'ny rantsan-tananareo iray aza.
47 Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany
ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
48 Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny
razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
49 Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra
hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny,
ary ny sasany henjehiny,
50 mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany
rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao,
51 dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i
Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko
aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany.
52 Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny
fanalahidin'ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia
nosakananareo.
53 Ary raha niala teo Izy, dia noteren*'ny mpanora-dalàna
sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.[*Na: tezitra mafy
taminy]
54 Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny
teny naloaky ny vavany.
1 Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy
hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao
hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny
fihatsaram-belatsihy.[*Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony
indrindra, mitandrema]
2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay
tsy ho fantatra.
3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina
dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny
efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay
mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay
manam-pahefana hanary any amin'ny helo*, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo:
Matahora Azy.[*Gr. Gehena]
6 Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy
misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza
matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo
anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny
anjelin'Andriamanitra;
9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina
kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.
10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny
Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina
dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]
11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny
mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay
holazainareo;
12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany
ora izany izay mety holazainareo.
13 Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i
Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho
mpitsara na mpizara ao aminareo?
15 Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova
tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina
amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny
tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko,
fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano
fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko
rehetra sy ny fananako.
19 Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô,
manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna,
misotroa, mifalia.
20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio
alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?
21 Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany,
nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.
22 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia
lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny
amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.
23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho
ny fitafiana.
24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny;
ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra
mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay
manampy ny andro iainany*, na dia kely monja** aza? [*Na: ny halavan'ny tenany]
[**Gr. hakiho iray]
26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana
ianareo no manahy ny amin'ny sisa?
27 Hevero ny fanirin'ny voninkazo*; tsy mba miasa na
mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny
rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.[* Karazan'ny lilia]
28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao
ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va
ianareo ry kely finoana?
29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo
ianareo, ary aza miahanahana*.[*Na: aza aingaingain'ny fanantenana foana]
30 Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia
fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo
izany zavatra izany.
31 Kanefa katsaho ny fanjakany*; dia hanampy ho anareo
izany zavatra izany.[*Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)]
32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny
Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova
kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho
lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
34 Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny
fonareo.
35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny
jironareo;
36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny
tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna
izy, dia vohany miaraka amin'izay.
37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony
miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony,
dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina
izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo
mpanompo ireo.
39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano
izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony
hotamina.
40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona
amin'izay ora tsy ampoizinareo.
41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany
fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha
mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba
hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?
43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa,
indreo, manao toy izany, raha avy izy.
44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny
fananany rehetra izy.
45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe:
Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny
ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
46 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny
andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa*
izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[*Na: hokapohiny mafy]
47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony
ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony
hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina
aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao
ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady*?[*Na: ary inona intsony no
iriko, raha mirehitra sahady izany?]
50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao
ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny
tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
52 Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao
an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy,
ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny
zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy,
ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
54 Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona
miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny
ranonorana; dia tonga izany.
55 Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:
Hafana ny andro; dia tonga izany.
56 Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny
lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra
izao andro izao?
57 Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny
marina*? [*Na: Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara marina avy ao am-ponareo
ihany?]
58 Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao
hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay
hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny
mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao
an-tranomaizina.
59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
1 Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay
nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato
tamin'ny fanatiny ny ràny.
2 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa
ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria
nozoin'izany zavatra izany izy?
3 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
4 Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny
tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona
rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
5 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
6 Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana
aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa
tsy nahita.
7 Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka;
Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy
nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
8 Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko,
avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako
zezika;
9 angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia
hokapainao ihany.
10 Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy
tamin'ny Sabata.
11 Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy
mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
12 Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao
taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.
13 Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka
tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.
14 Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria
Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe:
Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy
amin'ny andro Sabata.
15 Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry
mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny
fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
16 Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa
nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana
ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
17 Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra
nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra
nataony.
18 Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny
fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
19 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka
namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina
nitoetra tao amin'ny rantsany.
20 Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny
fanjakan'Andriamanitra?
21 Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy
anankiray ka nataony* tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny
masirasira azy rehetra.[*Gr. nafeniny]
22 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra
nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
23 Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no
hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:
24 Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo;
fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
25 Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny
varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao
hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro
na avy taiza na avy taiza ianareo;
26 ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy
nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
27 Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na
avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
28 Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha
mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny
fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
29 Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana
ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny
fanjakan'Andriamanitra.
30 Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny
aloha ho aoriana.
31 Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo
sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà
eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
32 Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany
amboahaolo* izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy
ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.[* volpa]
33 Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso
sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any
Jerosalema.
34 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany
sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao
tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
35 Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko
aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie
Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).
1 Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona
anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
2 Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
3 Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny
Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia?
4 Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia
nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
5 Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha
manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy
miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?
6 Ary tsy nahavaly ny amin'izany zavatra izany
izy.
7 Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay
nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
8 Raha misy maka anao ho any amin'ny
fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona
nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao
hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny
fitoerana aoriana indrindra.
10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo
amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia
mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo
haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay
manetry tena no hasandratra.
12 Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa
olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny
sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no
asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
13 Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny
kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
14 dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly
ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny fitsanganan'ny marina.
15 Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana
taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao
amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao
fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana
fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny
fanasana.
18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao
fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha
hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka
handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa
amin'izany tsy afaka mankany.
21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany
tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay
mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana
eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny
mandringa.
22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao
izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
23 Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony:
Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra,
mba ho feno ny tranoko.
24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny
nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i
Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny
rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny,
eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo
fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
28 Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao
tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na
misy hahavitany azy, na tsia?
29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka
tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano,
fa tsy nahavita.
31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny
mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy
ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia?
32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka
anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
33 Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy
izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga
matsatso, inona indray no hahasira azy?
35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny
olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona
hihaino an'i Jesosy.
2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka
nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.
3 Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:
4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka
very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka
mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
5 ary rehefa hitany iny, dia ataony eo
an-tsorony, ka dia faly izy;
6 ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory
ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa
hitako ilay ondriko very.
7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany
any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona
marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
8 Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely*
folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady
fatratra mandra-pahitany azy?[*Gr.drakma]
9 Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy
sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako
ny farantsakely* izay very.[*Gr. drakma]
10 Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany
eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.
11 Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray
nanana zanaka mirahalahy.
12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko,
omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy
ny fananany.
13 Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay
zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany
ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany.
14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany
rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy.
15 Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny
tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany
hiandry kisoa.
16 Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny
voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.
17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy
maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty
mosary eto!
18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka
hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho
19 ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony;
fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho.
20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa
raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka,
dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô,
efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe
zanakao intsony.
22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny
hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio
peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
23 ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary
aoka isika hihinana sy hifaly;
24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa
very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody
izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.
26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy
izay anton'izany zavatra izany.
27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao,
ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara
ato aminy izy.
28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy
ka nampandroso azy.
29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay
ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray
mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba
hifaliako amin'ny sakaizako;
30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany
ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy
ianao.
31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko
mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.
32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao
ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
1 Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona
manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia
nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.
2 Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao
fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy
mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
3 Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe:
Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany
aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
4 Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao
an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho.
5 Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy
hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko
aminao?
6 Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana*. Dia hoy izy
taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo
no soraty. [*Gr. bata]
7 Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no
trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa:
Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.[*Gr. kora]
8 Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina,
satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa
ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho
entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay
ianareo, rehefa lany izany.
10 Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky
koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa
amin'ny be.
11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina
ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena?
12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza
no hanome anareo izay anareo?
13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny
anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny
anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.
14 Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre
izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy.
15 Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo
anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra
heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.
16 Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary
hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary
misesika izay rehetra miditra eo.
17 Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny
tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna.
18 Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia
mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo
volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro
tamin'ny fahafinaretana.
20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe
Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny
latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny
feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy]
22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any
an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka
niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo
an-tratrany.[*Gr. Hadesy]
24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô,
mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany
amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity
lelafo ity.
25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny
zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa
ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana.
26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana
makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay
te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba
iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko
28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy,
fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy.
29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny
mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha
misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy
sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty
aza.
1 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny
fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany!
2 Aleo anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony,
ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray
amin'ireo madinika ireo aza.[*Na: ahodim-boriky]
3 Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia
teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
4 Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary
mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
5 Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo:
Ampitomboy ny finoanay.
6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia
hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo
io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky
anareo izy.
7 Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa
tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia
hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
8 Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy:
Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy
hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
9 Moa misaotra izany mpanompo izany va izy,
satria nataony izay nandidiany?
10 Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa
vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa
izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy,
dia nandeha namaky an'i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan'i]
12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra
anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny
lavitra eny.
13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry
Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy:
Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny
am-pandehanana.
15 Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa
sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery
16 sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka
nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa
voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra
an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao
no efa nahavonjy anao.
20 Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro
hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no
fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.
21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na
erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa
eo aminareo]
22 Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro
hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita
ianareo.
23 Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ !
na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
24 Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny
faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny
Zanak'olona amin'ny androny,
25 Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity
taranaka ity.
26 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy
izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:
27 nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka
hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny
sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
28 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana
izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
29 fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma,
dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy
rehetra.
30 Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny
Zanak'olona.
31 Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny
entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any
an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy.
32 Tsarovy ny vadin'i Lota.
33 Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery
azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
34 Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa
lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
35 Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny
anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
36 * [* Ampio hoe: Hisy roa lahy any an-tsaha;
ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela]
37 Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:
Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no
hiangonan'ny voromahery.
1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy
mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
2 dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna
anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
3 Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna
izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay
manana ady amiko.
4 Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka
izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza
aho sady tsy mena-maso olona,
5 mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana
ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
6 Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy
marina.
7 Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny
va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?
8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa,
raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?
9 Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany
izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
10 Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly
hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
11 Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe:
Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay
mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12 Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny
fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
13 Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny,
sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe:
Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
14 Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany
an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no
haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
15 Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba
hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
16 Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe:
Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny
fanjakan'Andriamanitra.
17 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny
handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy
akory.
18 Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe:
Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
19 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara?
Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono
olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy
ny reninao (Eks. 20. 12-16).
21 Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa
notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22 Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy:
Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho
an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha
Ahy.
23 Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo
loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
24 Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao
ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
25 Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny
vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
26 Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo
hovonjena?
27 Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
28 Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho
anay ka nanaraka Anao.
29 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa:
Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny,
na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,
30 izay tsy handray be lavitra amin'izao andro
ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
31 Ary Jesosy naka ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao
taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny
zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin'ny Zanak'olona.
32 Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony
fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33 ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro
fahatelo dia hitsangana Izy.
34 Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa
nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
35 Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba
anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36 Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany
hoe: Inona izany?
37 Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no
mandalo.
38 Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy,
Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39 Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba
hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô,
mamindrà fo amiko.
40 Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy
ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
41 ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
42 Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao;
ny finoanao no efa nahavonjy anao.
43 Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny
masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny
vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.
1 Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an'i
Jeriko.
2 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy,
izay lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.
3 Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny
afaka noho ny habetsahan'ny olona nifanety, satria fohy izy.
4 Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika
aviavy hizaha an'i Jesosy; fa efa handalo tamin'izany lalana izany Izy.
5 Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra
ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao
an-tranonao Aho anio.
6 Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
7 Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka
nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy.
8 Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo
hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha
misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny
izany.
9 Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano
ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa.
10 Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
11 Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso
niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy,
ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra.
12 Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha
nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.
13 Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary
nanome azy farantsa* folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.
[*Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15]
14 Fa ny vahoakany* nankahala azy, dia nampitondra reny
nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.[*Na:
vahoaka namany]
15 Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana
hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany
mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana.
16 Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny
farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
17 Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara;
satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.
18 Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny
farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
19 Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa
ianao.
20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko,
indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara.
21 Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary
ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako
anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka
maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny
volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
24 Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny
farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo
izy.)
26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa
ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia
ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako.
28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha
hiakatra ho any Jerosalema.
29 Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo
an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra
30 ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra
tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky
mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento
erỳ .
31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no
vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy.
32 Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay
nolazainy taminy.
33 Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony
taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
34 Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo
azy.
35 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy
ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy
Jesosy.
36 Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny
lambany teny an-dalana izy lreo.
37 Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo
am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro
be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra
izay efa hitany
38 ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka,
Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra
any amin'ny avo indrindra.
39 Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin'ny
vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
40 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha
mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
41 Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia
nitomany azy
42 ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na
dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina
amin'ny masonao izany.
43 Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan'ny
fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao
manodidina
44 ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao
ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy
nahafantaranao ny andro namangiana anao.
45 Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia
nandroaka izay nivarotra
46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko
dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny
jiolahy (Jery. 7. 11).
47 Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly
Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady
hahafaty Azy;
48 nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka
rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
1 Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona
teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny
lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
2 ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao
ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana
izany?
3 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba
hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
4 Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy
tamin'ny olona?
5 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika
hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy
ianareo?
6 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia
hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
7 Dia namaly ireo fa tsy fantany izay
nihaviany.
8 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy
hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
9 Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny
olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka
nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany
hafa izy.
10 Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo
hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka;
fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
11 Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary
nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
12 Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa
dia nataony naratra ka noroahiny.
13 Dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka: Inona
re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
14 Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia
niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba
ho antsika ny lova.
15 Dia namoaka azy tany ivelan'ny
tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka ahoana
moa izy amin'izany?
16 Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany
ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia
hoy izy: Sanatria izany!
17 Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana
moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa
natao fehizoro? (Sal. 118. 22).
18 Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho
torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
19 Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny
mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria
fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
20 Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka
mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany
Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora.
21 Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô,
fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa
mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra:
22 Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay,
sa tsia?
23 Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy
hoe:
24 Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io sary sy
soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara.
25 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay
an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
26 Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona
izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
27 Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy
misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
28 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha
misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny
rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny
(Deo. 25. 5).
29 Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny
nampaka-bady, dia maty momba.
30 Ary ny faharoa
31 sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary
tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
32 Ary farany dia maty koa ravehivavy.
33 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty ho vadin'iza
moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
34 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak'izao
fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
35 fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana
izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka
hampakarina;
36 ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy
amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny
maty.
37 Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny
milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe
Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks.
3. 6).
38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona;
fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.
39 Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe:
Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
40 Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
41 Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no
Zanak'i Davida?
42 Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo
hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
43 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao
(Sal. 110. 1).
44 Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no
maha-Zanany Azy?
45 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny
olona rehetra:
46 Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto
mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena,
sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo
amin'ny fanasana,
47 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka
lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
1 Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena
mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;
2 ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa
mandatsaka farantsakely roa* teo Izy.[* Gr. lepta roa, dia farantsakely
varahina izany = kodranta iray, tokony ho variroaventy]
3 Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io
mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no
nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no
nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
5 Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy
fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
6 Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny
andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
7 Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô,
rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
8 Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo;
fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa
akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
9 Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra;
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.
10 Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely
firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
11 Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy
areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy
famantarana lehibe avy any an-danitra.
12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra
izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny
synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny
mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay
havalinareo;
15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho
azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny
havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo
amin'ny lohanareo aza.
19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
20 Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny
miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
21 Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka
handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho
any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay
rehetra voasoratra.
23 Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany
andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana
amin'ity firenena ity.
24 Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina
ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa
mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana
ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena
amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny
fanonjany,
26 ka ho reraka ny fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy
ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra
dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza]
27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona
avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia
miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy
sy ny hazo rehetra.
30 Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo
ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
31 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa
tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny
fanjakan'Andriamanitra.
32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity
taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba
ho levona.
34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny
vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana
izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ
ambonin'ny tany rehetra izany.
36 Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery
ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo
anatrehan'ny Zanak'olona.
37 Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny
tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra
atao hoe Oliva.
38 Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo
an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.
1 Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny
mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
2 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady
izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
3 Fa Satana niditra tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe
Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy;
4 dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny
mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.
5 Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
6 Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika
Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona.
7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy
masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
8 Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe:
Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
9 Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
10 Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna
ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha
azy ao amin'ny trano izay hidirany.
11 Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny
Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny
mpianatro?
12 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony
rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
13 Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy
taminy; dia namboatra ny Paska izy.
14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy
mbamin'ny Apostoly.
15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho
hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony
Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe:
Raiso ity, ka zarao aminareo;
18 fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro
ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny
fanjakan'Andriamanitra.
19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia
novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo;
izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo,
dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho
anareo.
21 Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko
eto ambonin'ny latabatra.
22 Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay
nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
23 Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa
izany.
24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay
anankiray aminy hatao lehibe.
25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa
mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo
dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa
izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay
manompo.
28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny
fakam-panahy nihatra tamiko;
29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny
nanendren'ny Raiko ho Ahy,
30 mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny
fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny
firenen'isiraely roa ambin'ny folo,
31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana
efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny
finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho,
na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza.
34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy
mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
35 Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra
kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo
va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
36 Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana
kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary
izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
37 Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko
izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan'ny mpanota (Isa. 53. 12); fa
efa ho tanteraka ny amiko.
38 Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
39 Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia
nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
40 Ary raha vao tonga tao amin'izany tany
izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
41 Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray
mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
42 Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity
kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
43 Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho
teo aminy ka nampahery Azy.
44 Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka
mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany.
45 Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia
nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.
46 Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo?
Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka,
ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo
alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.
48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no
amadihanao ny Zanak'olona?
49 Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia
nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?
50 Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny
mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
51 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao
aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
52 Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny
lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy:
Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53 Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly
Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny
maizina.
54 Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy
ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
55 Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka,
dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
56 Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka
teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
57 Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro
Izy.
58 Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona
hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao
hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
59 Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy
anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa
Galiliana izy.
60 Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao.
Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
61 Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary
Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy
akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
62 Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
63 Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy
ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
64 Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy
hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
65 Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa
nanaratsiany Azy.
66 Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona,
dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo
amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:
67 Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy
taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
68 Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly
akory ianareo.
69 Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo
an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.
70 Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary
Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
71 Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika
vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.
1 Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an'i Jesosy
tany amin'i Pilato,
2 dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay
nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i Kaisara ka
nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny
Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
4 Dia hoy Pilato tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny
vahoaka: Tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity.
5 Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina
ny olona Izy sady nampianatra eran'i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia
ka hatraty.
6 Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy
any Galilia Jesosy.
7 Ary rehefa fantany fa avy tamin'ny tany tapahin'i
Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa
Heroda tamin'izany andro izany.
8 Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa
efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita
famantarana hataony.
9 Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy
namaly teny azy akory Jesosy.
10 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny
mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
11 Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga
Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina
Azy tany amin'i Pilato.
12 Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato
tamin'izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan'izany.
13 Ary rehefa nasain'i Pilato novorina ny
lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
14 dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ
amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina
Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity
amin'izay iampanganareo Azy.
15 Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy
hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
16 koa hofaizako Izy, dia halefako.
17 * [Ampio hoe: 17 Fa tsy maintsy mandefa ny
anankiray ho an'ny olona izy amin'ny andro firavoravoana]
18 Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe:
Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
19 Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny
fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
20 Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny
indray izy.
21 Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy
amin'ny hazo fijaliana Izy!
22 Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy
nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia
halefako.
23 Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka
hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona.
24 Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.
25 Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho
ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa
natolony hataony araka ny sitrapony.
26 Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy
Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra
iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy.
27 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy
maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
28 Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i
Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
29 Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra
ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
30 Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà
aminay; ary amin'ny havoana hoe: Saròny izahay (Hos. 10. 8).
31 Fa raha ataony amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana
amin'ny maina?
32 Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka
hovonoina aminy koa.
33 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha
izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray
teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
34 Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy
fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
35 Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona
kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny
tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
36 Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka
nanome Azy vinaingitra,
37 sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy,
vonjeo ny tenanao.
38 Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY
NO MPANJAKAN'NY JIOSY.
39 Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy
nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy?
vonjeo ny tenanao sy izahay.
40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady
nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra
an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria
mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao
zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa
avy amin'ny fanjakanao Hianao.
43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina
tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
44 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina,
dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,
45 satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra
misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly.
46 Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka
nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary
rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
47 Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra
tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina
io Lehilahy io.
48 Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba
hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
49 Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy
izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery
izany zavatra izany.
50 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa,
izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
51 Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra
sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry
ny fanjakan'Andriamanitra.
52 Izany lehilahy izany dia nankao amin'i
Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy.
53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry
madinika, dia naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay
tsy mbola nandevenana olona.
54 Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa
antomotra ny Sabata.
55 Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia
nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
56 Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka
manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.
1 Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny
herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa
namboariny.
2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala
tamin'ny fasana.
3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy
Tompo.
4 Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo,
nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa
lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay
nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
7 Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny
mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro
fahatelo.
8 Dia nahatsiaro ny teniny izy.
9 Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza
izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra.
10 Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i
Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny
Apostoly.
11 Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka
tsy ninoany.
12 Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny
fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa
nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
13 Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha
tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho
enim-polo stadio* raha any Jerosalema.[*Na: Roa ambin'ny folo kilometatra]
14 Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
15 Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia
nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16 Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany
Azy.
17 Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo
etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18 Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka
nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba
mahalala* izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?[* Na: Vahiny mitoetra
irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy mahalala]
19 Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary
hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery
tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
20 dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny
mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy
tamin'ny hazo fijaliana.
21 Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny
Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay
nahatongavan'izany.
22 Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery
hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,
23 ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza
fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
24 Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany
amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy
hitany.
25 Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy
mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
26 Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra
any amin'ny voninahiny?
27 Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany
rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny
Soratra Masina rehetra.
28 Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa
halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
29 Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ
aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra
tao aminy Izy.
30 Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia
nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
31 Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy
kosa dia tonga tsy hitany.
32 Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny
fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny
Soratra Masina tamintsika?
33 Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka
niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy
mbamin'izay nomba azy tafangona teo
34 sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo
ka efa niseho tamin'i Simona.
35 Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna
sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.
36 Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana
teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
37 Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa
nahita matoatoa izy.
38 Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary
nahoana no miahanahana ny fonareo?
39 Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy;
tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka
izao ahitanareo Ahy izao.
40 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony
azy ny tànany sy ny tongony.
41 Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho
ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va
ianareo?
42 Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono* Izy.[*
Ampio hoe: sy tantely]
43 Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko
taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay
rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra
Masina.
46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy
hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny
famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
48 Ary ianareo no vavolombelon'izany.
49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko
ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy
any amin'ny avo.
50 Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia
nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
51 Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka
taminy ka nakarina ho any an-danitra.
52 Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any
Jerosalema sady faly indrindra.
53 Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza
an'Andriamanitra.