[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Jaona
Accès direct aux chapitres de Jean : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao
amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy
dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana
ny olona.
5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa
ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]
6 Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba
hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona
hanambara ny Mazava ihany izy.
9 Tao ny tena Mazava* Izay mahazava ny olona rehetra
tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no tena Mazava] [**Na: Ny Mazava
marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao]
10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana
izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga
zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana]
13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny
nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.
14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary
hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy
tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day]
15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko
hoe: Izay avy
16 Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra,
dia fahasoavana anampy fahasoavana.
17 Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa]
ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy
Kristy.
18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ;
fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
19 Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka
mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe:
Iza moa ianao?
20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny
filàzany: Tsy izaho no Kristy.
21 Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy
namaly hoe: Tsia.
22 Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay
valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23 Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any
an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay
nolazain'Isaia mpaminany.
24 Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.
25 Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana
ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26 Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa
amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny
fehin-kapany aza aho.
28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania* any
an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa. [*Na: Betabara]
29 Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy
Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny
fahotan'izao tontolo izao! [*Na: mitondra]
30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako
Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny
Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny
Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo
amboniny.
33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao
batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy
itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no
Zanak'Andriamanitra.
35 Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny
mpianany roa lahy;
36 ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao
hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy
niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao
taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao
hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha
izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany;
ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.
40 Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray
tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
41 Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy
izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
42 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony
nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao
hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*) [*Petera = vato]
43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary
nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i
Andrea sy Petera.
45 Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao
taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy
nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta.
46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy
zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
47 Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona
Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia
namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia
hitako teo ambanin'ny aviavy* ianao. [*aviavimbazaha]
49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no
Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely.
50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako
taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra
lehibe noho izany ianao.
51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia
marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra
miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.
1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady
tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy.
2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny
fampakaram-bady.
3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy
taminy: Tsy manana divay izy.
4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory
Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy
ataonareo.
6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na
intelon'ny vata* avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy.
[*Gr.metatra]
7 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia
nofenoiny hatramin'ny molony.
8 Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo
amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
9 Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra
ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny
rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
10 ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny
divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay
ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka
ankehitriny. [*Gr.mamo]
11 Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho
voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
12 Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy
Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela
teo Izy.
13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany
Jerosalema Jesosy.
14 Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby
sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra
hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny
volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
16 dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento
mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
17 Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako
ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9).
18 Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no
famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
19 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly
ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy.
20 Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa
nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana?
21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
22 Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, dia
tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy
ny teny izay nolazain'i Jesosy izy.
23 Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia
tamin'ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny
famantarana izay nataony.
24 Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona
rehetra;
25 ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany
nahalala izay tao am-pon'ny olona.
1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy,
mpanapaka tamin'ny Jiosy.
2 Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy
hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy
misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no
momba azy.
3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao
marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo
mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony]
4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no
hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy
ka hateraka?
5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina
tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra
amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny
Fanahy dia fanahy.
7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy
hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony]
8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony,
nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra
ateraky ny Fanahy.
9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no
hahatonga izany zavatra izany?
10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no
mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray
no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy
raisinareo.
12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko
taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny
zavatra any an-danitra Aho?
13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra,
afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any
an-danitra.
14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny
menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,
15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
16 Fa <1063> toy izao <3779> no
nitiavan'<25> (5656) Andriamanitra <2316> izao tontolo izao
<2889>: nomeny <1325> (5656) ny Zanani-lahy <5207>
<846> Tokana <3439>, mba <2443> tsy <3361> ho very
<622> (5643) izay rehetra <3956> mino <4100> (5723) Azy
<846>, fa <235> hanana <2192> (5725) fiainana <2222>
mandrakizay <166>.
17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao
tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
[*Gr. hitsara]
18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa
dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy
Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara]
19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo
izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy
ny asany. [*Gr. voatsara]
20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava
sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava,
mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia
Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i
Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.
25 Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy
anankiray ny amin'ny fanadiovana;
26 ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao
taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao,
indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay
mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no
Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny
sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra
noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
31 Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay
avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany
no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra;
32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy
misy mandray ny fanambarany.
33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa
marina Andriamanitra.
34 Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa
tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.
35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra
rehetra ho eo an-tànany.
36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa
izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny
fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
1 Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo
efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
2 (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4 Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy.
5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria
Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa
zanany.
6 Ary teo ilay fantsakan*'i Jakoba. Ary satria
sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana* Izy, rehefa
tokony ho tamin'ny ora fahenina. [*Gr. loharano; sahala amin'ny teny ao amin'ny
and. 14]
7 Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy
hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
8 (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna
hividy hanina)
9 Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana
Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana?
(Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.)
10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha
fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko,
dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
11 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana
fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany
rano velona izany?
12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay
nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no
nisotro teto?
13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay
rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay
homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho
loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany
rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy
ivadinao, ka mankanesa atỳ .
17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy
manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy
manam-bady aho;
18 fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy
vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa
mpaminany Hianao.
20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra
ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny
andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no
hivavahanareo amin'ny Ray.
22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay
kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.
23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena
mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa
mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora]
24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy
maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay
atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra
rehetra.
26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka
aminao no Izy.
27 Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka
gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no
tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany
an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe:
29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay
nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka
nankeo amin'i Jesosy.
31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny
mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho
manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona
nitondra zavatra hohaniny va re?
34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny
sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
35 Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia
tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny
eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra
ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
37 Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray
mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo;
olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany.
39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany
no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy
tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka
Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
41 Ary maro koa no nino noho ny teniny
42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho
ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy
tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy
ka nankany Galilia.
44 Fa ny tenan'i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy
mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny.
45 Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny
Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny
andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin'ny andro firavoravoana.
46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray
Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa
anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany
Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy
hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita
famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re,
dieny tsy mbola maty ny zanako.
50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny
zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa
nody.
51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny
mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
52 Ary izy nanontany azy ny ora izay
nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito
no nialan'ny tazo taminy.
53 Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora
nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny
ankohonany rehetra.
54 Izany no famantarana faharoa nataon'i
Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny
Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
2 Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny
vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana
dimy.
3 Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa,
ny mati-ila*. [*Gr. efa maina, na malazo. Ampio hoe: [miandry ny fihetsehan'ny
rano]
4 [Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray
ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny
rano, dia sitrana na inona na inona no aretina nanjo azy]
5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo
amby telo-polo taona.
6 Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy
izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?
7 Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny
rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha
mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
8 Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka
mandehana.
9 Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka
nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
10 Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny
andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.
11 Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no
nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
12 Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy
izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy,
satria nisy vahoaka betsaka teo.
14 Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo
an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao;
aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa
Jesosy no nahasitrana azy.
16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy,
satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.
17 Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka
ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho
ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra
no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.
19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko
aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona
ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray
dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.
20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra
rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho
gaga ianareo.
21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia
tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany.
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana
rehetra dia nomeny ny Zanaka,
23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny
fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka
Azy.
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre
ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy
hohelohina*; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.
[*Gr. hotsaraina]
25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny
andro* ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny
Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. [*Gr. ora]
26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka
izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
27 ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona.
28 Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro* izay
handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [*Gr. ora]
29 dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny
fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana
ho fahamelohana*. [*Gr. ho fitsarana]
30 Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na
inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny
sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
31 Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny
fanambarako.
32 Misy Anankiray Izay manambara Ahy. ary fantatro fa
marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
33 Hianareo naniraka tany amin'i Jaona, ary nanambara ny
marina izy.
34 Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa
milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.
35 Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra
anareo ny nifalianareo vetivety tamin'faharavany.
36 Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa
ny asa nomen'ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa
nirahin'ny Ray.
37 Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no
nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,
38 ary ny teniny tsy mba mitoetra ao
anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
39 Dinihinareo* ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy
no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. [*Na: Diniho]
40 Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo
fiainana.
41 Tsy mandray laza avy amin'olona
42 Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana
an'Andriamanitra ao am-ponareo.
43 Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy
raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany
izy.
44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa
ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?
45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny
Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.
46 Fa raha mba nino an'i Mosesy ianareo, dia hino Ahy,
satria nanoratra nilaza Ahy izy.
47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo
ahoana no fino ny teniko?
1 Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny
Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany.
2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany
ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.
3 Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia
nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny
Jiosy.
5 Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka
betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo
hohanin'ireo?
6 Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy
nahalala ihany izay efa hataony.
7 Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria
roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
8 Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona
Petera, nilaza taminy hoe:
9 Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy
hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka
izao?
10 Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy,
tokony ho dimy arivo no isany.
11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia
nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka
izay nilainy.
12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny
mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
13 Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny
sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.
14 Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny
famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga
amin'izao tontolo izao.
15 Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy
ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy
irery nankany an-tendrombohitra..
16 Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny
ranomasina ny mpianany.
17 Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny
ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy
tsy mbola tonga tany aminy.
18 Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny
fifofofofon'ny rivotra.
19 Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby
roa-polo na telo-polo stadio* izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny
ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [*Na: dimy
na enina kilometatra]
20 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza
matahotra.
21 Dia ta-handray Azy ho eo
an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany
izay nalehany.
22 Nony ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona
teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy
iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany,
fa ny mpianany ihany no nandeha,
23 kanefa nisy sambokely hafa avy tany
Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny
Tompo,-
24 koa nony hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy,
na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady
an'i Jesosy.
25 Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan'ny
ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
26 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo
famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona,
fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona
anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny
asan'Andriamanitra?
29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no
asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao,
mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
31 Ny razantsika nihinana ny mana tany
an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy
hohaniny (Sal. 78. 24).
32 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany
an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
33 Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any
an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao.
34 Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva
izany mofo izany.
35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona
Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
36 Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany
ianareo, nefa tsy mino.
37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary
izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
38 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny
sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
39 Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy
hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro
farany izy.
40 Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay
rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana
azy amin'ny andro farany.
41 Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy
nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
42 Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa,
Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe:
ho nidina avy tany an-danitra?
43 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona
ianareo.
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny
Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
45 Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra
dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra
amin'ny Ray no manatona Ahy.
46 Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy
amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no
manana fiainana mandrakizay.
48 Izaho no mofon'aina.
49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa
maty ihany.
50 Ity no mofo izay midina avy any an-danitra,
mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra;
raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo
izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe:
Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro
ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako
no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena
fisotro.
56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra
ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
57 Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho
koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona
amiko.
58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy
tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity
dia ho velona mandrakizay.
59 Izany teny izany no nolazainy tao amin'ny synagoga,
raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
60 Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao
hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
61 Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona
tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
62 Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any
amin'izay nitoerany taloha ianareo.
63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona
na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i
Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy
olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.
66 Hatramin'izany* dia maro tamin'ny mpianany no
nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [*Na: Noho izany]
67 Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy:
Hianareo koa va mba te-hiala?
68 Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany
amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.
69 Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay
Masin'Andriamanitra.
70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo
roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
71 Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota;
fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.
1 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia
Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
2 Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny
amin'ny Tabernakely,
3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho
any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
4 fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny
tenany mitady ho hita miharihary*; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia
misehoa amin'izao tontolo izao. [*Na: mitady ho hita fa matoky]
5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
6 Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa
ny fotoanareo dia vonona lalandava.
7 Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho
no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
8 Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa
Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola
tonga ny fotoako.
9 Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia
mbola nitoetra tany Galilia ihany.
10 Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana
ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa
niafinafina.
11 Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro
firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
12 Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka.
Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny
vahoaka Izy.
13 Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary
noho ny fahatahorany ny Jiosy.
14 Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana,
dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
15 Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no
nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
16 Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy
ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
17 Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia
hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na
miteny ho Ahy Aho.
18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry
ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy
misy tsi-fahamarinana ao aminy.
19 Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna?
nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono
Ahy?
20 Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia
Hianao; iza no mitady hamono Anao?
21 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray
loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
22 Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny
famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka
na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
23 Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona,
mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy
olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.
24 Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
25 Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe:
Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
26 Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy
misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no
Kristy?
27 Nefa fantatsika izay nihavian'ilehio, fa raha avy
Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
28 Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha
nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay
nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy
fantatrareo.
29 Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no
naniraka Ahy.
30 Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy
naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
31 Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha
tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy
ity va Izy?
32 Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany
zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka
mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
33 Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako
aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho.
34 Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay
itoerako dia tsy azonareo haleha.
35 Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no
halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny
Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
36 Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe:
Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe
tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha
misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona
miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
39 Ary ny Fanahy, Izay efa
horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena,
satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina]
40 Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre
izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
41 Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
42 Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy
amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik.
5. 1)?
43 Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka.
44 Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy
naninji-tanana taminy.
45 Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny
mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy
nitondra Azy?
46 Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona
niteny tahaka izany.
47 Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va
voafitaka?
48 Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
49 Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny
lalàna.
50 Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo
amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
51 Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola
mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
52 Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha
mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa
tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
53 [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy
izy rehetra;]
1 [fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva]
2 [Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly
indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka
nampianatra azy]
3 [Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,]
4 [dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity
azo olan-tanana nijangajanga]
5 [Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa
hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa
hoy Hianao?]
6 [Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany
izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany
tamin'ny rantsan-tànany]
7 [Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy
ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy
voalohany]
8 [Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany
tamin'ny rantsan-tànany]
9 [Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay
hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany
no sisa teo sy ilay vehivavy teo]
10 [Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy;
Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao
va?]
11 [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy
Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao
dia aza manota intsony]
12 Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka
nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba
handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.
13 Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara
ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.
14 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia
manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay
nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay
alehako.
15 Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy
mitsara olona na dia iray akory aza.
16 Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny
fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.
17 Ary voasoratra ao amin'ny lalànareo fa
marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo. 19. 15).
18 Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray
Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.
19 Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao?
Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala
Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.
20 Izany teny izany no nolazain'i Jesosy teo
akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly
Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho,
ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo; izay alehako tsy
azonareo haleha.
22 Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no
manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?
23 Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ
ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba
avy amin'izao tontolo izao;
24 koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny
fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty
amin'ny fahotanareo ianareo.
25 Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy
taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany*. [*Na: Ilay lazaiko
aminareo indrindra]
26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho,
satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko
amin'izao tontolo izao.
27 Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,
28 ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny
Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na
inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra
izany.
29 Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy
nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.
30 Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro
no nino Azy.
31 Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy:
Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;
32 ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka
anareo tsy ho andevo.
33 Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i
Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no
ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia
marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.
35 Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva*;
fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva*. [*Gr. mandrakizay]
36 Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka
tokoa ianareo.
37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa
mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.
38 Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo
kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.
39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no
rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i
Abrahama no hataonareo.
40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay
Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy
mba nanao izany Abrahama.
41 Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy:
Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra
ihany.
42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia
ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako
atỳ ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay
mihaino ny teniko ianareo.
44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky
ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary
tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga
izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na:
(mitoetra amin')]
45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny
marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?
47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny
tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy
amin'Andriamanitra ianareo.
48 Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va
ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?
49 Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa
mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.
50 Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady
sy mitsara.
51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy
olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.
52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa
manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha
misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
53 Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa
maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?
54 Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia
tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no
mankalaza Ahy.
55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary
raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho;
nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.
56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita
izy ka faly.
57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona
akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?
58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony
tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.
59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery
ka niala teo an-kianjan'ny tempoly*. [*Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny
olona ka lasa]
1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba
hatry ny fony vao teraka.
2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota,
io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny
ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
4 Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha
mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
5 Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao
tontolo izao.
6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka
nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba.
7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any
amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka
nanasa, dia niverina nahiratra.
8 Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa
mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9 Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa
tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
10 Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny
masonao?
11 Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe
Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa
any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia
nahiratra.
12 Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy
izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13 Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany
amin'ny Fariseo.
14 Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i
Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
15 Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay
nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako,
ka nahiratra aho.
16 Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy
amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy.
Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy
izany? Dia nisara-tsaina izy.
17 Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana
no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18 Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa
jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra
19 ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay
lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
20 Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe:
Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary
tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe
izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
22 Izany teny izany no nolazain'ny ray
aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy
fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.
23 Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe:
Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy
ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota
izany Lehilahy izany.
25 Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota
Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa
mahiratra aho izao.
26 Dia hoy izy taminy: Inona no nataony
taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako
taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray
ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no
mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra;
fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy
izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa
izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny..
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy
nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
33 Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany,
dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka
tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa
nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy,
Tompoko, mba hinoako Azy?
37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay
miresaka aminao izao no Izy.
38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia
niankohoka teo anatrehany izy.
39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no
nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba
ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony
nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia
tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy
afaka ny helokareo.
Chapitre 10. 1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy
miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia
mpangalatra sy jiolahy.
2 Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3 Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry
mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka
entiny mivoaka.
4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha
azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy
fantany ny feon'ny vahiny.
6 Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy,
nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina
dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.
8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa
tsy nihaino azy ny ondry.
9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia
hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono
ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra
ny ainy hamonjy ny ondry.
12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny
ondry izy, koa raha mahita ny amboadia* avy, dia mandao ny ondry ka mandositra,
ary ny amboadia* misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; [*lopa]
13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny
ondry.
14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny
Ahy, sady fantany Aho,
15 dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny
ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity
Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga
andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
17 Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria
Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny
tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy
Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny
Raiko.
19 Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho
izany teny izany.
20 Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy
ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
21 Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany;
moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia
ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly
teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe:
Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao
marimarina aminay.
25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho,
nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara
Ahy.
26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny
ondriko.
27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy,
ary izy manaraka Ahy,
28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho
very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.
29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra;
ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray.
30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara
nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no
itorahanareo vato Ahy?
33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no
itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*, satria olona ihany Hianao, nefa
manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3]
34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao
amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).
35 Raha ireny izay nanaovana izany
tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy
azo foanana),
36 moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho
amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy
Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza
mino Ahy.
38 Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy
mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny
Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.
39 Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy;
fa nandositra azy* Izy. [*Gr. Ny tànany]
40 Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray
Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra
tany Izy.
41 Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona
tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity
dia marina avokoa.
42 Ary maro no nino Azy teo.
1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any
Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.
2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka
manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no
narary.
3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy
hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
4 Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho
fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny
voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra.
5 Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary
Lazarosy.
6 Koa nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia
mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy.
7 Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny
mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
8 Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana
teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
9 Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va
ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba
tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
10 Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho
tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
11 Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy
Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
12 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy,
dia ho tsara ihany*. [*Gr. hovonjena]
13 Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo
kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.
14 Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe:
Maty Lazarosy;
15 ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba
hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
16 Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny
mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
17 Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana
izy.
18 Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho
dimy ambin'ny folo stadio* no elanelany. [*Na: telo kilometatra]
19 Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta
sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.
20 Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha
nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
21 Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto
Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona
na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.
23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa
hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany;
25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty
sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy
ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa
Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.
28 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa
nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny
Mpampianatra ka miantso anao.
29 Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana
faingana izy ka nankeo aminy.
30 Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo
amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.
31 Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka
nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia
nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.
32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka
nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko,
raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay
niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
35 Jesosy nitomany.
36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny
fitiavany azy!
37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay
nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty
an-dralehilahy ity?
38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka
nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta,
anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha
hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra
ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy
mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako
izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia
niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny
tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny
olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo
amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.
46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa
nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
47 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo
nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy
iny dia manao famantarana maro.
48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy,
dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny
fonenantsika sy ny firenentsika.
49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa,
mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na
inona na inona,
50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny
lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena
ity.
51 Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria
mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy
ny firenena;
52 ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona
ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
53 Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty
Azy ireo.
54 Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy
intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any
an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.
55 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany
an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.
56 Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo
an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga
amin'ny andro firavoravoana va Izy?
57 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo
efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza,
mba hisamborany Azy.
1 Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy
dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.
2 Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no
nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy.
3 Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady
tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy
namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny
trano.
4 Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany,
ilay efa hamadika Azy:
5 Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato
ka nomena ny malahelo?
6 Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny
malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao
anatiny.
7 Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny
andro hanamboarany Ahy halevina io.
8 Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa
Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
9 Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo
Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy
koa, ilay natsangany tamin'ny maty.
10 Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny
mpisorona,
11 satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany
an'i Jesosy.
12 Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga
ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
13 dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady
niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny
anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26).
14 Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia
nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
15 Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny
Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9).
16 Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany
tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao
nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony
taminy izany.
17 Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy
niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty.
18 Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa
reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
19 Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe:
Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa
manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
20 Ary nisy Grika sasany tamin'izay niakatra hivavaka
tamin'ny andro firavoravoana,
21 ary izy ireo nankany amin'i Filipo avy any Betsaida
any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i
Jesosy izahay.
22 Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy
Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy.
23 Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana
hankalazana ny Zanak'olona.
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy
latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha
maty kosa izy, dia hahavokatra be.
25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala
ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.
26 Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka
Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona
manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no
holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako
ho amin'ity ora ity;
28 Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany
an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
29 Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao
hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
30 Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no
nahatongavan'izany feo izany, fa noho ianareo.
31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao;
ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina.
32 Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia
hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33 Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa
hiaretany.
34 Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay
tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe:
Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?
35 Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny
mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy
hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala
izay alehany.
36 Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny
mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala
Izy ka niery azy.
37 Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany
teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
38 mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe:
Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny
sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)
39 Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40 Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy
hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana
azy Aho (Isa. 6. 10).
41 Izany teny izany no nolazain'Isaia, satria nahita ny
voninahiny izy ka nilaza Azy.
42 Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa
noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.
43 Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa
tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.
44 Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia
tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
45 Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
46 Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba
tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy.
47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina,
Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy
izao tontolo izao.
48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana
izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny
andro farany,
49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay
naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa
izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.
1 Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria
fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any
amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy
hatramin'ny farany.
2 Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary
Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba
hamadika Azy,
3 sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny
zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady
Andriamanitra koa no hiverenany,
4 dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka
ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
5 ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy
Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba
famaohana izay nisikinany.
6 Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera
taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
7 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy
fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
8 Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro
Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara
amiko.
9 Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro
ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
10 Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila
hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia
madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11 Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no
nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny
lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay
nataoko taminareo?
13 Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary
marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa
ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
15 Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka
izay nataoko taminareo.
16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo
tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
17 Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha
manao izany.
18 Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay
nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko* no
nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9). [*Na: miara-komana
amiko]
19 Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola
tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray
izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka
Ahy.
21 Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny
fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny
anankiray aminareo no hamadika Ahy.
22 Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay
iray nolazainy.
23 Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo
anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.
24 Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao
izay izy.
25 Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika
ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
26 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny
sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia
noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.
27 Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka
hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
28 Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny
anton'ny nilazany izany taminy.
29 Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny
kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny
andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.
30 Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka
niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.
31 Ary tamin'izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy:
Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no
ankalazaina eo aminy.
32 Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany;
eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy.
33 Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo.
Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy
azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba
hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba
hifankatiavanareo kosa.
35 Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro
ianareo, raha mifankatia.
36 Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa
Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy
ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
37 Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo
manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
38 Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny
amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno
mandra-pandànao Ahy intelo.
1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary
minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa]
2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy
izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo
Aho.
3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia
ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo
koa.
4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any
amin'izay halehako*. [*Na: (ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo
koa ny lalana)]
5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray
izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy
fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny
alalako.
7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho
nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady
efa nahita Azy.
8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny
Ray, dia ampy ho anay izay.
9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa
nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay
nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny
Ray?
10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray,
ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany
lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny
Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa:
Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany
aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
13 Ary na inona na inona no hangatahinareo
amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.
14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo,
dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako]
15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo
Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy,
na Mpampahery, na Solovava]
17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao
tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no
mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ
aminareo Aho.
19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo
izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao
amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no
tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho
aminy.
22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no
aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?
23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy,
dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay
ka honina ao aminy.
24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny
teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy.
25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha
mbola mitoetra eto aminareo Aho;
26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay
hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy
hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr.
Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]
27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko
anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza
malahelo na matahotra ny fonareo.
28 Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha
Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria
mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
29 Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy
mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy
ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.
31 Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray,
ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha
isika hiala eto.
1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny;
fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny*, mba hamoa bebe kokoa.
[*Gr dioviny]
3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay
nolazaiko taminareo.
4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy
mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa
ianareo, raha tsy miray amiko.
5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray
amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo,
dia tsy mahay manao na inona na inona.
6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany
tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia
ho may.
7 Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny
teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo
izany.
8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho
tonga mpianatro ianareo.
9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo;
tomoera amin'ny fitiavako ianareo.
10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny
fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny
fitiavany.
11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba
ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny
nitiavako anareo.
13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny
manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako
anareo.
15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny
mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza
ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.
16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo
ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba
homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na
inona.
17 Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba
hifankatiavanareo.
18 Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho
fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
19 Raha naman*'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny
azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman*'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho
efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo.
[*Gr. avy amin']
20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny
mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika
anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
21 Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny
anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
22 Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy
nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin'ny
helony.
23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko
koa.
24 Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona,
dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny
Raiko koa;
25 fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny
izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3).
26 Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko
ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy
amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [*
Izahao 14.16]
27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria
ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.
1 Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy
hahatafintohina anareo.
2 Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho
avy ny andro*, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra
fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. [*
Gr. ora]
3 Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny
Ray na Izaho.
4 Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo,
mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany
taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria
mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
5 Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy
Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
6 Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia
vonton'alahelo ny fonareo.
7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny
fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha
handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. [* Izahao 14.16]
8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny
fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka
tsy mahita Ahy intsony ianareo;
11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao
dia efa voatsara.
12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa
tsy zakanareo ankehitriny.
13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no
hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa
izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany
aminareo.
14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka
hanambara izany aminareo.
15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany
no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
16 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary
vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
17 Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany
nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary
vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin'ny Ray
Aho?
18 Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety
foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
19 Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy
Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy
hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?
20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy
hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa
ny alahelonareo hody fifaliana.
21 Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria
tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay
fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin'ny tany.
22 Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita
anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny
fifalianareo aminareo.
23 Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na
inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na
inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany.
24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona
na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho
tanteraka ny fifalianareo.
25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo;
fa ho avy ny andro* izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako
tsotra aminareo ny amin'ny Ray. [*Gr. ora]
26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako
ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho
anareo;
27 fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy,
ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho.
28 Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao
tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny
Ray.
29 Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao
ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
30 Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra
rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka
avy tamin'Andriamanitra Hianao.
31 Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
32 Indro, avy ny andro*, eny, efa tonga, izay
hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa
tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. [*Gr ora]
33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba
hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo
fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
1 Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia
nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny
fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao.
2 araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra
mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.
3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao,
Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
4 Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin'ny tany;
vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao,
dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao
tontolo izao.
6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao
tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny
teninao.
7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa
nomenao Ahy.
8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary
noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao
no naniraka Ahy.
9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao
tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy;
ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
11 Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa
izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray
masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany
izy, tahaka ny mahiray Antsika.
12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny
anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay
zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny
izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako
tanteraka ao aminy.
14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao
izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo
izao. [*Gr. avy amin']
15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao
tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy]
16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy
naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin']
17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no
fahamarinana.
18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no
mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao.
19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba
hanamasinan'ny fahamarinanao azy.
20 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho
an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;
21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato
amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao
tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho
iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka
ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady
efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo
izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy
Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa
Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
26 Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola
hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary
Izaho koa ho ao aminy.
1 Rehefa voalazan'i Jesosy izany teny izany, dia nandeha
Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo,
izay nidiran'izy sy ny mpianany.
2 Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany
tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin'ny mpianany.
3 Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy
mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo
nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4 Ary satria fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia
nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5 Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any
Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika
Azy.
6 Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho
no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin'ny tany.
7 Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa
no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
8 Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa
Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
9 mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe:
Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10 Ary Simona Petera nanana sabatra, dia
nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny
ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
11 Dia hoy Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro
amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
12 Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy
arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy dia nisambotra an'i Jesosy ka
namatotra Azy,
13 dia nitondra Azy tany amin'i Anasy aloha, fa
izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany.
14 Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa
mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
15 Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray
koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra
izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny
mpisoronabe izy.
16 Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia
nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny
tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.
17 Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i
Petera: Moa ianao mba isan'ny mpianatr'io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
18 Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona
afon'arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa
mba nijanona niara-namindro taminy.
19 Ary ny mpisoronabe nanadina an'i Jesosy ny amin'ny
mpianany sy ny fampianarany.
20 Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary
tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy
ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko
tao amin'ny takona;
21 koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no
anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22 Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry
raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina* an'i Jesosy ka
nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe? [*Na: tehina]
23 Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay
ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24 Ary dia nasain'i Anasy nentina tamin'ny fatorany ho
any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.
25 Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza
taminy hoe: Moa ianao koa mba isan'ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe:
Tsia.
26 Hoy ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpisoronabe
havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha
va ianao?
27 Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin'izay dia
nisy akoho naneno.
28 Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao
anatirova*; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao
anati-rova*, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. [*Gr. pretoria]
29 Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao
hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
30 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao
ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
31 Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka
ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32 mba hahatanteraka ny tenin'i Jesosy izay nolazainy
nanambara ny fomban'ny fahafatesana izay efa hiaretany.
33 Ary niditra tao anati-rova* indray Pilato, dia niantso
an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? [*Gr.
pretoria]
34 Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao
izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
35 Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no
nataonao?
36 Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao
tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady
ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy
avy amin'izany ny fanjakako.
37 Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary
Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako,
ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko.
38 Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa
nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy
hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
39 Fa misy fanaonareo amin'ny Paska, handefasako
anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny
Jiosy?
40 Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy
Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.
1 Ary tamin'izany dia nalain'i Pilato Jesosy ka
nokapohiny.
2 Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka
nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,
3 dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry
Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina* Azy izy. [*Na: tehina]
4 Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro,
izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako
izay helony, na dia kely akory aza.
5 Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba
volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
6 Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry
raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana
Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka
homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
7 Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary
araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho
Zanak'Andriamanitra.
8 Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia
vao mainka natahotra izy,
9 dia niditra tao anati-rova* indray izy ka
nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
[*Gr. pretoria]
10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va
Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana
fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa?
11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana
fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra
Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
12 Ary hatramin'izany* dia nitady handefa Azy
Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy
mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia
manao teny manohitra an'i Kaisara. [* Na: noho izany]
13 Ary rehefa ren'i Pilato izany teny izany,
dia nitondra an'i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin'ny seza fitsarana
teo amin'ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin'ny teny Hebreo Gabata
14 ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro,
tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny
Mpanjakanareo!
15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo
fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny
Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy
Kaisara izahay.
16 Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba
hohomboana amin'ny hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy;
17 ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany
amin'ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Golgota.
18 Teo no nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary
nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo
afovoany.
19 Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin'ny
hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY
NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY.
20 Ary izany anarana izany dia novakin'ny Jiosy
maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo
fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
21 Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona
tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan'ny
Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho.
22 Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
23 Ary rehefa voahombon'ny miaramila tamin'ny hazo
fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny
anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny
akanjony, fa tenona iray ihany.
24 Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka
hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao
hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany
zavatra izany no nataon'ny miaramila.
25 Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny
reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena.
26 Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany
nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
27 Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny
reninao! Ary tamin'izany ora izany dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy
izy.
28 Ary rehefa afaka izany, dia fantatr'i Jesosy fa efa
vita ny zavatra rehetra tamin'izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia
hoy Izy: Mangetaheta Aho.
29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary
nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin'ny hysopa ka nataony tamin'ny
vavany.
30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao
hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
31 Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka
tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty,
mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro
lehibe izany Sabata izany.
32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny
voalohany sy ny an'ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin'i Jesosy
tamin'ny hazo fijaliana.
33 Fa nony nankeo amin'i Jesosy izy, dia hitany fa efa
maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
34 Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary
niaraka tamin'izay dia nisy rà sy rano nandeha.
35 Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary
marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
36 Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina
hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany (Eks. 12. 46; Sal. 34. 20).
37 Ary hoy koa ny teny iray ao amin'ny Soratra Masina: Hijery
Izay nolefoniny izy (Zak. 12. 10).
38 Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia
(mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny
Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i
Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy.
39 Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy
nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo,
tokony ho zato livatra.
40 Dia noraisiny ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny
lambam-paty mbamin'ny zava-manitra, araka ny fanaon'ny Jiosy, raha mamboatra
faty halevina.
41 Ary nisy saha teo amin'ilay nanomboana Azy tamin'ny
hazo fijaliana; ary teo anatin'ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola
nandevenana olona.
42 Ary teo no nandevenany an'i Jesosy noho ny andro
fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.
1 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia
nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena
ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana.
2 Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay
mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny
Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
3 Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka
nankany amin'ny fasana.
4 Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra
anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana.
5 Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny
lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
6 Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao
am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
7 ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka
teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
8 Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray
izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.
9 Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy
hitsangana amin'ny maty Jesosy.
10 Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
11 Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary
raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
12 ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo,
ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny
anankiray teo an-tongotra.
13 Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana
ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy
fantatro izay nametrahany Azy.
14 Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka
nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
15 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao
no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy
taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao
Azy, ary izaho dia haka Azy.
16 Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika
izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
17 Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy
mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko,
ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho
any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
18 Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny
mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy
taminy.
19 Ary rehefa harivan'ilay andro
voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny
mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo
afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony
azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho
anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy
fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia
voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela
izany.
24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny
folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa
nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny
tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny
rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino
aho.
26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo
indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa
voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana
ho anareo.
27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny
rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy
amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy
Andriamanitro!
29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino;
sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo
imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;
31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no
Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha
mino ianareo.
1 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra
indray Jesosy teo amoron'ny Ranomasin'i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
2 Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo,
sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary
mpianatra roa lahy hafa koa.
3 Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy
ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra
an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory
izy.
4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo
amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
5 Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina* va ianareo?
Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. [*Gr. laoka]
6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny
sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia
nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano.
7 Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy
tamin'i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny,
dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo
amin'ny ranomasina izy.
8 Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely
ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony
ho roan-jato hakiho ihany.
9 Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita
afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
10 Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin'ireo vao
azonareo teo.
11 Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo
an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato;
ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
12 Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy
nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa
ny Tompo Izy.
13 Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka
natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
14 Izany no fanintelon'ny
nisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy
tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra
noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia
Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona,
zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao
mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona,
moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo
taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala
ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny
ondriko.
18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola
tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa
ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra
anao amin'izay tsy tianao.
19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny
fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary
rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
20 Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra
izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana
ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
21 Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko,
inona no ho amin'ity lehilahy ity?
22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy
mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
23 Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy
ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty
izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
24 Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara
izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
25 Ary misy zavatra maro hafa koa izay
nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany,
ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.