[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Asan'ny
Apostoly
Accès direct aux chapitres des Actes : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28
1 [Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny
mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo,
ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy
nampianariny,
2 hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany
tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny,
3 sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny
nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny
amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
4 Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia
namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray,
izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana]
5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa
hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.
6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko,
amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?
7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro
na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay
nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany]
8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy
Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria
ary hatramin'ny faran'ny tany.
9 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha
mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony
intsony Izy.
10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny
nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no
mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala
taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy
niakatra ho any an-danitra.
12 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo
amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay
mety haleha amin'ny Sabata).
13 Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano
ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy
Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy,
zanak*'i Jakoba. [* Na: rahalahin']
14 Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka
mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
15 [Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho namany
hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny
rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona* vory teo) ka
nanao hoe: [*Gr. anarana]
16 Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny
Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i
Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy;
17 fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao
fanompoana izao koa.
18 Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny
tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka
sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19 Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany,
ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe
Sahan-drà.
20 Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho
lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka
ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8).
21 Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika
mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
22 hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro
nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba
ho vavolombelon'ny nitsanganany.
23 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe
Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay
mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy
ireto,
25 mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny
mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany.
26 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i
Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo
lahy.
1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro
Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny
Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra.
2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny
rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay
nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany.
4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia
niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina
azy.
5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany
Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.
6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro
ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy
rehetra.
7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe:
Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny
fitenintsika avy izay nahabe antsika
9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary
mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany
Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na
proselyta,
11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no
andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe
ataon'Andriamanitra?
12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady
niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany?
13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe:
Leon-divay mamy ireo.
14 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny
folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay
rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
15 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo,
fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
16 Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela
mpaminany hoe:
17 Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra,
No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny
zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny
lahiantitrareo hanonofy;
18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia
handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy;
19 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra
ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny
setroka;
20 Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny
volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe
no malaza;
21 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i
Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny
izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo
tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay
nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy
ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny
tanan'ny olona tsy tan-dalàna;
24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa
nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina
Izy.
25 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i
Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy
hangozohozo aho,
26 Dia izany no nifalian'ny foko sy
niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana;
27 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny
fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò
Hianao; [*Gr. Hadesy]
28 Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;
Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11).
29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo
marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny
fasany eto amintsika mandraka androany.
30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa
Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no
hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na: hapetrany]
31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny
fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny
nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy]
32 Izany Jesosy izany dia efa
natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
33 Ary rehefa nasandratry ny tanana
ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay
nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [* Na: ho
eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra;
fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako
ankavanana
35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho
fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
36 Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely
rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia
efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
37 Ary raha nandre izany ny olona, dia
voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry
rahalahy, inona no hataonay?
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka
samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo
famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny
zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah
Andriamanitsika hanatona Azy.
40 Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny
maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka
maditra ity ianareo.
41 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao
batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
42 Ary izy ireo naharitra tamin'ny
fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny
fivavahana.
43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana
sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady
niombonany avokoa ny fananany rehetra,
45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy
tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
46 Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo
an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny
fifaliana sy ny fahatsaram-po,
47 nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny
vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho
isan'ireo.
1 [Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy
tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra
ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany
an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny
tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra
teo an-kianjan'ny tempoly;
3 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo
an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere
anay.
5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena
hahazo zavatra taminy.
6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa
izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta,
mitsangantsangàna.
7 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka
natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana
ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny
niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy
midera an'Andriamanitra.
10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny
vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady
talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
11 Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia
niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana
izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry
lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no
mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho
afa-mandeha?
13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba,
Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*,
Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy
halefa. [* Na: Zanany]
14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono
olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy
natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay.
16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo
sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny
alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny
tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra
nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny
fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny
Tompo,
20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia
Jesosy,
21 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny
andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny
mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.
22 Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah
Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no
hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.
23 Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia
haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).
24 Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy
izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
25 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena
nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary
amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22.
18).
26 Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony*, dia
naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra
amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [*Na: ny Zanany]
1 [Ny namatorana an'i Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny
Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo,
tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny
Sadoseo;
2 fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny
vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty.
3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina
ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay.
4 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia
tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema
ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay
rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe.
7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia
nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no
nanaovanareo izany?
8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy
hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao
tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely
rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo
tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy
no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga
fehizoro (Sal. 118. 22).
12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy
anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
13 Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona
izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia
gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.
14 Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana
nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
15 Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy
roa lahy, dia niara-nisaina izy
16 ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo?
fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto
Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
17 Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia
aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na
amin'iza na amin'iza.
18 Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na
hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
19 Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe:
Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo
mihoatra noho Andriamanitra.
20 Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay
sy renay.
21 Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy
hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza
an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.
22 Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay
nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny
namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
taminy.
24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra
ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny
lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida
razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina
anoano foana ny firenena?
26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka
niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2).
27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity
Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny
Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao]
28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao
rahateo hatao.
29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny
fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny
fahasahiana rehetra,
30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana
sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao*
Masina. [*: Na: Zanakao]
31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra
ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny
tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
32 [Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny
fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy
nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra
rehetra nananany.
33 Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny
Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy
rehetra.
34 Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa
izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny
zavatra lafo,
35 ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny
Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy
36 Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa
Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any
Kyprosy no firazanany,
37 dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola
vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
1 [Ny amin'i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa
lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny
vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo
anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana
no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany
vidin'ny tany?
4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary
rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina
izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa
tamin'Andriamanitra.
5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany,
dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny
faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia
niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany
ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no
niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny
tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony
niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia
hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.
11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy
izay rehetra nandre izany.
12 [Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny
fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana
maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i
Solomona;
13 ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray
taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy
izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka
napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i
Petera ahay, raha mandalo izy.
16 Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i
Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy
maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17 [Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana
azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany
rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao
an-tranomaizina.
19 Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny
tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka
eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa
teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny
namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny
Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly.
22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy
tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
23 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny
mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita
olona tao izahay.
24 Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny
mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho
faran'izany.
25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy
izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny
tempoly ka mampianatra ny olona.
26 Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry
raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka
izy, fandrao hotorahany vato.
27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny
Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy
hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny
fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy
izany.
29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe:
Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy,
Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo.
31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* ho
Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [*
Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
32 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary
ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka
nihendry hamono azy izy.
34 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo
anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona
rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
35 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely,
tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.
36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho
zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa
novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana
ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy
hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera
amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na
asa izao, dia ho foana;
39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo
foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly
izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy
intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41 Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady
faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany
anarana izany.
42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy
ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
1 [Ny nifidianana ny fito lahy, sy ny nandrosoan'ny
fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra,
dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny
fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
2 Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra
rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina
latabatra izahay.
3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo
aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay
hitandrina izany raharaha izany.
4 Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny
fampianarana.
5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i
Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro
sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6 ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa
nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
7 Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro
indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona
nanaiky ny finoana.
8 [Ny amin'i Stefana] Ary Stefana, feno fahasoavana sy
hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
9 Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny
Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy
Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.
10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay
nitenenany ireo;
11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny
ratsy* an'i Mosesy sy Andriamanitra ity. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat.
9.3]
12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny
mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy
ho eo amin'ny Synedriona;
13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao
hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny
lalàna;
14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any
Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i
Mosesy antsika.
15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona,
raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
1 Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2 fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy
ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama razantsika,
raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
3 ka nanao taminy hoe: Mialà amin'ny taninao sy
ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
4 Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka
nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala
teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.
5 Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia
eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany
mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
6 Ary nolazain'Andriamanitra fa ny taranany
hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato
taona.
7 Nefa ny firenena izay hotompoiny dia
hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka
hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13, 14).
8 Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary
dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka
niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.
9 Ary nialona an'i Josefa ny patriarka ka
nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
10 ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra
sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i
Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao
an-dapany.
11 Ary nisy mosary eran'i Egypta sy Kanana
rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
12 Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany
Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny voalohany.
13 Ary tamin'ny fanindroany dia fantatr'izy
mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa ny havan'i Josefa.
14 Ary Josefa naniraka ka nampaka an'i Jakoba
rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
15 Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty
izy sy ny razantsika;
16 ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina
tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hamora tany
Sekema.
17 Fa rehefa ho tonga ny fotoana
hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama,
dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
18 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany
Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
19 Ary izy nanao hafetsena tamin'ny razantsika,
dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona
izy.
20 Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i
Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao
an-tranon'ny rainy.
21 Fa rehefa nariana izy, dia nalain'ny
zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
22 Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena
rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy.
23 Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona
tao am-pony ny hamangy ny Zanak'isiraely, rahalahiny
24 Ary raha nahita ny anankiray nampahorina
maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
25 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa
ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
26 Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo
izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana,
mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27 Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika
azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28 Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny
namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly? (Eks. 2. 13, 14.)
29 Ary tamin'izany teny izany dia nandositra
Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa
lahy.
30 Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy
anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo
teo amin'ny voaroy.
31 Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny
fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao
hoe:
32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia
Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra
Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33 Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa
amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
34 Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any
Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha
ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
35 Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony
hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy
ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tanan'ny
Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
36 Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao
fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany
an-efitra efa-polo taona.
37 Izany no Mosesy izay nilaza tamin'ny
Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny
rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15).
38 Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany
an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy
tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
39 Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa
nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
40 ka hoy izy tamin'i Arona: Anaovy
andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay
nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay
nanjo azy (Eks. 32. 1).
41 Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin'izany
andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny
asan'ny tànany.
42 Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy
hanompo izay eny amin'ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny
mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona
tany an-efitra va ianareo, ry taranak'isiraely?
43 Tsia, fa nobetainareo ny tranolain'i Moloka
sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay
nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr'i Babylona Aho
(Amo. 5. 25-27).
44 Ny trano-lain'ny Vavolombelona dia teo
amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin'izay niteny tamin'i
Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
45 Izany koa dia noraisin'ny razantsika izay
nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny
tanin'ny firenena izay noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika
hatramin'ny andron'i Davida;
46 izy nahita fitia anatrehan'Andriamanitra ka nangataka
hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
47 Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
48 Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay
nataon-tànan'olona; araka ny nolazain'ny mpaminany hoe:
49 Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no
fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah,
Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
50 Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?
(Isa. 66. 1, 2.)
51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina,
ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo
ihany no ataonareo koa.
52 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny
razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'ilay Marina; ary
ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
53 dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny
nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany.
54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika
ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia
nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana
teo ankavanan'Andriamanitra,
56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary
ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra.
57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady
nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka
nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo
anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso
hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe
Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy,
dia nodi-mandry.
Chapitre 8. 1 Ary Saoly mba
nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny
fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa
Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny
fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy
rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2 Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady
nisaona azy fatratra.
3 Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany
isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao
an-tranomaizina.
4 Ary izay niely dia nandeha nitory teny
tontolo eny.
5 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria
ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
6 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra
nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana
nataony.
7 Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo
mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny
paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany
tanàna izany.
9 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo
an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany
Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely
na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao
hoe hery lehibe.
11 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona
tamin'ny odiny.
12 Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa
mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo,
dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy,
dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny
asa lehibe izay natao.
14 Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria
efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy
hankany aminy.
15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny
olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory
aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy.
17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray
ny Fanahy Masina ireo.
18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly
tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy
19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba
handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.
20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao
ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
21 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany
ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.
22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha
amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.
23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy
ny fehin-keloka ihany ianao.
24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy
amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
25 Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo
Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny
amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.
26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka
nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy
any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
27 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy
lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady
mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary
namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
29 Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka
mankanesa amin'io kalesy io.
30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy
mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va
izay vakinao?
31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy
mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.
[* Gr. mitari-dalana]
32 Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina
hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana
eo anoloan'ny mpanety azy;
33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza
no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy *? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany
(Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany]
34 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe:
Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa
olon-kafa?
35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany
Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.
36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo
amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana
ahy tsy hatao batisa?
37 * [* Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny
fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho
fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]
38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia
Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
39 Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy,
dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa
nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.
40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara
tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
1 [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola
nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia
nankao amin'ny mpisoronabe izy
2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga
any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany
momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana]
3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i
Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina
azy;
4 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy
hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy
Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna,
dia holazaina aminao izay mety hataonao.
7 Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany
dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
8 Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary
rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo
nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy
nihinana na nisotro.
10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy,
atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia
hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka
mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy
izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe
Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko
tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao
masina tany Jerosalema.
14 Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny
mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka
voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka
ary ny Zanak'isiraely;
16 fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy
maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao
an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo,
dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka
ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
18 Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy
ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka
nitsangana, dia natao batisa;
19 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny
nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro
vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.
20 Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo
amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
21 Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao
hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany
Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny
mpisoronabe.
22 Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy
lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy* no
Kristy. [* Gr. Ity]
23 Ary rehefa afaka andro maromaro, dia
nihendry hamono azy ny Jiosy;
24 nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy
ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
25 Fa ny mpianany naka azy nony alina ka
nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
26 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia
nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy
ho mpianatra.
27 Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any
amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany
taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany
Damaskosy.
28 Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo
tany Jerosalema,
29 sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo
tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny
nitady hahafaty azy.
30 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia
nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i
Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny
fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
32 [Ny nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny
nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty] Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra
Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
33 Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao
hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
34 Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana
anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana
niaraka tamin'izay izy.
35 Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda
sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao
hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy*; ary be ny asa soa sy ny fiantrana
izay nataon'izany vehivavy izany. [* Dorkasy = Gazela; izahao 2 Sam. 2,18]
37 Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka
dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
38 Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny
mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka
azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary
nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra
nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay
nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
40 Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia
nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe:
Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy,
dia niarina.
41 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary
rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy
velona.
42 Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny
Tompo.
43 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao
amin'i Simona mpandon-koditra.
1 [Ny amin'i Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany
Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe
Italiana;
2 ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy
mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka
tamin'Andriamanitra mandrakariva.
3 Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana, rehefa
tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy
anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
4 Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao
hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao
dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka
ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
6 mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo
amoron-dranomasina ny tranony.
7 Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio,
dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray
isan'izay nanaraka azy isan'andro.
8 Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia
naniraka azy hankany Jopa izy.
9 Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy
ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano
Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
10 Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola
natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
11 ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra
midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
12 ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay
manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny
voro-manidina.
13 Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera;
vonoy, ka hano.
14 Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola
nihinana zava-padina na tsy madio aho.
15 Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa
nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
16 Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany
an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
17 Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny
amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i
Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
18 dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay
atao hoe koa Petera, na tsia.
19 Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia
hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
20 fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka
aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
21 Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao
hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo atỳ?
22 Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady
matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia
efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino
teny avy aminao.
23 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony
ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany
avy tany Jopa niaraka taminy koa.
24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy.
Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
25 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio
ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.
26 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna;
fa izaho dia olona ihany.
27 Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano
ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny
Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho
efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy
madio.
29 Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho,
raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
30 Dia hoy Kornelio: Loak'andro afak'omaly,
mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny
ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra
nitsangana teto anatrehako
31 ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary
efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao.
32 Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay
atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo
amoron-dranomasina izy.
33 Koa niaraka tamin'izay dia naniraka tany aminao aho;
ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto
anatrehan'Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian'ny Tompo anao.
34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina
tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra;
35 fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy
ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho
amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i
Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),
37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina
tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i
Jesosy avy any Nazareta,
38 Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy
ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny
herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay
nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny
nahantony teo amin'ny hazo;
40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro
fahatelo ka nasehony marimarina,
41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona
izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy
nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
42 Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara
fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny
anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia
nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
45 Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka
tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny
Fanahy Masina.
46 Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy
nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana
batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?
48 Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy
Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
1 [Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy]
Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa
efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
2 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady
taminy ny mino izay isan'ny voafora
3 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy
voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
4 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny
niandohany ka nanao hoe:
5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary
azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy
tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo
amiko izany;
6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny
biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny
zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry
Petera, vonoy, ka hano.
8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra
tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany
hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady.
10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra
tany an-danitra indray izany rehetra izany.
11 Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona
teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12 Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy
hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy
enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana
tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay
atao hoe koa Petera;
14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao
sy ny ankohonanao rehetra.
15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka
taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
16 Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay
nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao
batisa amin'ny Fanahy Masina.
17 Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny
fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza
moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina
sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny
jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19 [Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao
Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny
fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary
Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
20 Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy
any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny
jentilisa* koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [* Gr. Grika; na Helenista]
21 Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro
no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.
22 Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany
Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany
Antiokia.
23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny
fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray
amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny
Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady
an'i Saoly.
26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy
hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona
ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no
voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.
27 [Ny naminanian'i Agabo fa hisy mosary] Ary
tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany
Antiokia.
28 Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny,
izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be
eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
29 Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra
araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
30 Dia nataony izany, ary ny
tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona*. [*
Gr. presbytera]
1 [Ny amin'ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny
nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin'izany andro izany Heroda
mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana.
2 Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i
Jaona, tamin'ny sabatra.
3 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany,
dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana
ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
4 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao
an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo* hambenany;
dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [* Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
5 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny
fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.
6 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo
anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra
tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo
am-baravarana.
7 Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy
mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia
namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny
gadra.
8 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny
kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka
manaraha ahy.
9 Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho
marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
10 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa
izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna;
ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny
lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely.
11 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe:
Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka
namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra.
12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany
an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona
maro niangona nivavaka tao.
13 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy
ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
14 Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy
namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka
nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15 Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy
nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
16 Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa
novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
17 Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara
taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy:
Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa
nankany amin'ny fitoerana hafa.
18 Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany
ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19 Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita,
dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany
Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
20 Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny
Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i
Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka
fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda*. [* Gr. ny
mpanjaka]
21 Ary tamin'ny andro voatendry dia niakanjo
akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany, dia
nikabary tamin'ny vahoaka.
22 Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany,
fa tsy an'olona!
23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo
namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; ka dia
nohanin'ny kankana izy ka maty.
24 Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra.
25 Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany* Jerosalema,
rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka,
hiaraka aminy. [* Na: niverina tany]
1 [Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera,
sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy
mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio
Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy
nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly
hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana
taminy izy, dia nandefa azy.
4 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia
nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny
tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona
koa ho mpanampy azy izy.
6 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia
nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7 izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny
tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy
ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.
8 Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika),
nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny
finoana.
9 Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy
Masina, dia nibanjina azy
10 ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny
fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana
rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
11 Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely
an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao
aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady
olona hitantana azy izy.
12 Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino
sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.
13 Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo
niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka
niverina nankany Jerosalema.
14 Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso
nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro
Sabata ka nipetraka teo.
15 Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny
mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry
rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.
16 Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao
hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa;
17 Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny
razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy,
ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
18 Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony* tany an-efitra
tokony ho efa-polo taona. [* Na: (nitondra azy tahaka ny fitondran'ny olona ny
zanany; izahao Deo. 1.31)]
19 Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany
Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy
20 tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa
afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany.
21 Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka
izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy,
lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
22 Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra
an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida,
zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam.
13. 14; Sal. 89. 20).
23 Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no
nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny
Isiraely,
24 rehefa notorin'i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra
aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
25 Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany,
dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray
avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26 Ry rahalahy, taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo
aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny
tenin'izao famonjena izao.
27 Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria
tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia
nahatanteraka izany tamin'ny nanamelohany Azy.
28 Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy
ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
29 Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny
amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao
am-pasana.
30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
31 Ary Izy niseho andro maro tamin'izay niara-niakatra
taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny
olona ankehitriny.
32 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay
teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
33 dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny
zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny
Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7).
34 Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy
hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny
famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3).
35 Fa hoy Izy ao amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny
Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10).
36 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny
sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry*
ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò; [*Na. Fa Davida,
rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka ny
sitrapon'Andriamanitra]
37 fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny
lò.
38 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany
Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
39 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka
amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i
Mosesy.
40 Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny
mpaminany hoe:
41 Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa
Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia
hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5)
42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina
aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka.
43 Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny
Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy
Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny
fahasoavan'Andriamanitra.
44 Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona
avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra.
45 Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka,
dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy*.
[* Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3]
46 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana
ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha;
fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo
fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;
47 fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao
ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany
Hianao (Isa. 49. 6).
48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka
nankalaza ny tenin'Andriamanitra*; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana
mandrakizay dia nino. [* Na: ny tenin'ny Tompo]
49 Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany
tany rehetra izany.
50 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy
manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana
tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
51 Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka
tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
52 Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny
mpianatra.
1 [Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy
Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany
Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy
izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [*
Gr. Grika]
2 Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa
ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
3 Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny
fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina
ny tenin'ny fahasoavany
4 Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany
nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
5 Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy
ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony,
6 ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy
Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy,
7 dia nitory ny filazantsara tany.
8 Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra
nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
9 izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony
nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
10 dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa
amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
11 Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay
zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i
Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny
endrik'olona!
12 Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe
Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
[* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy]
13 Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny
tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana
ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
14 Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy
sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny
olona sady niantso nanao hoe:
15 Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka
anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo
amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny
lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
16 Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny
lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa.
17 Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona
Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho
anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny
fifaliana.
18 Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy
nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma,
izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny
ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana
izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia
niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
21 Ary rehefa nitory ny filazantsara
tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany
Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka
nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny
fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
23 Ary rehefa nanendry* loholona** teo amin'ny
isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho
an'ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na: nampananga-tanana nifidy] [** Gr.
presbytera]
24 Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy,
dia tonga tany Pamfylia.
25 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy,
dia nidina nankany Atalia.
26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy
hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra
ho amin'ny asa izay novitainy.
27 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny
fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy,
sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.
28 Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
1 [Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny
nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona
sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana
araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
2 Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany
tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny
sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona* hanadina
izany teny niadian-kevitra izany. [ Gr. presbytera]
3 Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha
namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia
nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4 Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny
fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona*, ka dia nilaza izay rehetra efa
nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy. [* Gr. presbytera]
5 Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo
kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina
mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
6 Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona* mba
hihevitra izany zavatra izany. [* Gr. presbytera]
7 Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana
Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela
Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny
jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
8 Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia
vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
9 fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny
tamin'ny finoana ny fony.
10 Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra
amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny
razantsika na isika ho entina?
11 Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no
hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12 Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy
sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra
azy tany amin'ny jentilisa.
13 Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia
namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
14 Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra
ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15 Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka
ny voasoratra hoe:
16 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny
trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka
hanamboatra azy indray;
17 Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa
rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
18 Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny
voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
19 Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome
fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra;
20 fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany
ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny
zavatra kendaina sy ny rà.
21 Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory
azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra
isan-tSabata ny teniny.
22 Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona* mbamin'ny
fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i
Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy
Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy; [* Gr. presbytera]
23 ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny
Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa
izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia. [* Gr. presbytera]
24 Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa
nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay
nanao izany izy,
25 dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona
hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
26 lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho
voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
27 Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany
teny izany koa izy.
28 Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra
enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
29 dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy
ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena
hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
30 Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany
Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
31 Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny
anatra tsara.
32 Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika
ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy.
33 Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia
nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy.
34 * [* Ampio hoe: 34 Nefa mbola sitrak'i Silasy ny
hitoetra ao]
35 Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia;
dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.
36 [Ny niaingan'i Paoly fanindroany hitety vohitra tany
Asia Minora] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i
Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra
izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
37 Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao
hoe Marka, hiaraka aminy.
38 Nefa nataon'i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka
aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny
raharaha.
39 Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary
Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
40 Fa Paoly kosa nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa
natolotry ny rahalahy ho amin'ny fahasoavan'ny Tompo izy.
41 Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery
ny fiangonana tany.
Chapitre 16. 1 Dia tonga tany Derbe
sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty -
zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa* rainy - [* Gr. Grika]
2 ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy
Ikonioma izy.
3 Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia
nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria
fantatr'izy rehetra fa jentilisa* rainy. [ Gr. Grika]
4 Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony
hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona* tany
Jerosalema. [*Gr.presbytera]
5 Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro
isan'andro.
6 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany
Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina
tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
7 ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany
Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.
8 Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany
Troasy.
9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly,
koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità
mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha
niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra
no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
11 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay,
dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
12 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay
tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana*;
ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [* Gr.
kolonia]
13 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny
vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana;
ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
14 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba
volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia
nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i
Paoly.
15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny
ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny
Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana
izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay,
ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.
17 Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo
lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
18 Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra
Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i
Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra
izy.
19 Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany
hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho
any an-tsena any amin'ny lehibe;
20 ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa
lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny
tanànantsika loatra
21 ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na
hataontsika, fa Romana isika.
22 Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo
governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
23 Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony
tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
24 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia
nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony
nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana
an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka
nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny
varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny
varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono
tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
28 Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza
mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady
tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy:
Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia
hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo
taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora
amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy
mbamin'izay azy rehetra.
34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano
izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy
mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
35 Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia
naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
36 Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany
tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny
mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
37 Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo
amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina,
ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho
hankatỳ hamoaka anay.
38 Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany
tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39 Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka
ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
40 Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao
an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa
nandeha.
1 [Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy
Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao
Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.
2 Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata
telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao.
3 Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy
nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo,
hoy izy, no Kristy.
4 Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny
mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa* izay mpivavaka,
ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja. [* Gr. Grika]
5 Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny
an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny
tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.
6 Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i
Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy
hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
7 ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo
manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia
Jesosy.
8 Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha
nahare izany.
9 Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany
teo aminy, dia navelany handeha izy.
10 Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy
niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia
niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
11 Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao
Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka
nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.
12 Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny
vehivavy jentilisa* nanan-kaja sy ny lehilahy. [*Gr. Grika]
13 Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory
ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy
nampitabataba ny vahoaka.
14 Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha
hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona
teo ihany.
15 Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany
Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba
hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
16 [Ny nataon'i Paoly tany Atena] Ary raha niandry azy
tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna
feno sampy izy.
17 Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta
tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan'andro.
18 Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny
Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy* io
holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria
Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [* Gr. mpitsindroka]
19 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka
nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany
izahay?
20 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy
fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany.
21 (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo
tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino
zava-baovao.)
22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao
hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka
amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo.
23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra
ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY
ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia
izany no toriko aminareo,
24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny
ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao
anaty tempoly nataon-tanana,
25 sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra,
fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra
rehetra;
26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia
namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny
faritry ny fonenany,
27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa
ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary
iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa
terany koa isika.
29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety
raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy,
na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.
30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny
tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo
izao hibebaka,
31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany
izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray
voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy
tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
32 Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy,
dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray
izahay ny amin'izany zavatra izany.
33 Ary Paoly dia niala teo aminy.
34 Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba
naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny
sasany koa.
1 [Ny nahatongavan'i Paoly tao Korinto, sy ny
nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa afaka izany, dia niala
tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
2 Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay
teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa
nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly.
3 Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao
aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
4 Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny
synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy
Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no
Kristy.
6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia
nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo;
afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.
7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny
lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny
tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.
8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany
rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka
natao batisa.
9 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana
nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina;
10 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao
hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho.
11 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka
nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.
12 Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika
hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana,
13 ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka
amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.
14 Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny
Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha
mandefitra aminareo.aho;
15 fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa,
dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
16 Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy.
17 Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny
synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio
izany zavatra izany.
18 [Ny niverenan'i Paoly nankany Antiokia, sy ny
nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia, ary ny nahatongavany tao
Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro
ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany
Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany
tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
19 Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo
Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy.
20 Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa
tsy nety izy,
21 fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ
aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala
tany Efesosy izy.
22 Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka
niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
23 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa
nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe
Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery
tamin'ny Soratra Masina.
25 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny
Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i
Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.
26 Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny
synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy
ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra.
27 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia
namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra
mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa
nino noho ny fahasoavana;
28 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy
teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no
Kristy.
1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany
ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy
Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa
nomena ny Fanahy Masina.
3 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa
anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona.
4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka
nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa
ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka
taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady
naminany.
7 Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy
rehetra.
8 Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny
tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra.
9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny
ratsy izany fampianarana* izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo
izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny
trano fampianaran'i Tyrano. [* Gr. lalana]
10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia
nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*.
[* Gr. Grika]
11 Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra
fahagagana lehibe maro,
12 ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no
nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy
ratsy.
13 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy,
izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy
ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
14 Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy,
lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
15 Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe:
Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
16 Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia
niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra
niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
17 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay
nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny
anaran'i Jesosy Tompo.
18 Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy
nilaza ny asany.
19 Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny
bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny
tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
20 Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra
sy ny heriny.
21 Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa
tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema
ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
22 Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary,
dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany
Asia andro vitsivitsy kosa.
23 [Ny tabataba nataon'i Demetrio sy ny namany tao
Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany
fampianarana* izany. [* Gr. lalana]
24 Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy
volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana* tamin'ny volafotsy, dia
nampahazo harena be ny mpanefy; [* Gr. Artemisy]
25 ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia
nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao
tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
26 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa
saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka
mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
27 Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina
hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao
tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy
izao tontolo izao.
28 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra
ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
29 Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa
nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly,
izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
30 Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia
tsy navelan'ny mpianatra.
31 Ary ny lehibe sasany tany Asia*, izay sakaizany, dia
nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.
[* Gr. Asiarka]
32 Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa
zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala
izay anton'ny niangonany teo.
33 Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny
vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa
ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
34 Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona
niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
35 Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka
nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny
Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy
tamin'i Jopitera *? [* Gr. Zeosy]
36 Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina
ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
37 Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy
nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
38 Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy
ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro
hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
39 Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia
hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna.
40 Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy
antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana
izao.
41 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona
vory teo.
1 [Ny nankanesan'i Paoly tany Grisia indray, sy ny
niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny
mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany
Makedonia izy.
2 Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny
olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
3 Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa
hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova
hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.
4 Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro,
avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any
Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
5 Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
6 Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa
tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany
Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
7 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa
niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha
maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
8 Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay
niangonanay.
9 Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo
am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly,
dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny
amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
10 Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona
azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
11 Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa
nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.
12 Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia
faly.
13 Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana
nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa
nikasa handeha an-tanety* izy. [* Na: handeha tongotra]
14 Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia
noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
15 Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia
tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao
Samo; ka* tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa
nitoetra any Trogilio, dia)]
16 Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any
Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy
ny andro Pentekosta any Jerosalema.
17 [Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny
fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany
Efesosy izy ka nampaka ny loholon*'ny fiangonana** hankeo aminy. [* Gr.
presbytera] [**Gr. eklesia]
18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy:
Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny
fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany,
19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena
rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny
fanotrehan'ny Jiosy,
20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy
nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano;
21 ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny
fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika]
22 Ary ankehitriny, indro, tery* am-panahy
hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, [* mifatotra]
23 afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko
amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
24 Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko,
mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo
hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
25 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy
hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
26 Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny
ranareo rehetra aho.
27 Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa
ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.
28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay
nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina*, hiandrasanareo ny
fiangonan**'Andriamanitra***, izay novidiny tamin'ny ràny. [*Gr. episkopo] [**
Gr. eklesia'] [*** Na: [ny fiangonan'ny Tompo]
29 Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia* masiaka
hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. [* Gr. lopa]
30 Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory
teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
31 Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy
nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso.
32 Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho
amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso
sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.
33 Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona
aho.
34 Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa
mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
35 Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony
hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i
Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
36 Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka
niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
37 Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i
Paoly ka nanoroka azy,
38 sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny
tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i
Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana
tany Palestina azy]
1 [Ary nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny
nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy] Ary rehefa tafasarika
taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony
ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
2 ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia
nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
3 Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo
azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no
notaterina ny entan'ny sambo.
4 Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia
nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i
Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay
ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra
anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka
nivavaka;
6 ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka
an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
7 Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany
Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra
teo aminy indray andro.
8 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany
Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray
tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
9 Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina
efatra izay naminany.
10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy
mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i
Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no
lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny
lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa
izy.
12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay
mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no
mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa
ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka
nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.
15 Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana
izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
16 Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany
Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady
mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
17 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia
nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
18 Ary nony ampitso dia niara-niditra tany
amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona* rehetra. ]*Gr.
presbytera]
19 Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza
tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany
amin'ny jentilisa izy.
20 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza
an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby
alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
21 sady efa novokisan'olona ny aminao, fa
ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy
an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
22 Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny
nahatongavanao.
23 Ary noho izany dia ataovy izao lazainay
aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
24 raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka
aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho
fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny
aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
25 Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia
efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny
sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
26 Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary
nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo
an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana
mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.
27 [Ny nisamborana an'i Paoly, sy ny teny
nalahany tamin'izany] Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly
teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka
rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,
28 ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy
Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny
manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra
jentilisa* teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina. [*
Gr. Grika]
29 (fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao
an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny
tempoly izy).
30 Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna
rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka
nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia
narindrina ny vavahady.
31 Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia
nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila
nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
32 ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy
kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy
arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.
33 Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia
nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe:
Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
34 Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso
mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony
nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any
anati-rova Paoly.
35 Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga
izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona;
36 fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy
ilehio!
37 Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy
tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny
Grika va ianao?
38 Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny
olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany
an-efitra?
39 Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia,
tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba
hiteny amin'ny olona.
40 Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny
ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona,
dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
Chapitre 22. 1 Ry rahalahy sy
ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny
tenako.
2 Ary nony ren'ny olona fa teny Hebreo no nitenenany
taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
3 Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia,
fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela,
dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra
ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
4 Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana* izany aho
hatramin'ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra
azy hatao an-tranomaizina; [* Gr. lalana]
5 ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no
vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia
nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay
hita teo, mba hampijalina.
6 Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy,
tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy
tany an-danitra manodidina ahy;
7 dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko
hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
8 Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao,
Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
9 Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava;
nefa tsy mba nahare ny feon'izay niteny tamiko izy.
10 Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko?
Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no
holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
11 Ary raha tsy nahajery aho noho ny
famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo niaraka tamiko aho, ka
dia tonga tany Damaskosy.
12 Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy,
mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay
nonina teo,
13 dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao
tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia
nahiratra aho ka nahita azy.
14 Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa
nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny
teny aloaky ny vavany;
15 fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra
ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
16 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao?
Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho
afaka amin'ny fahotanao.
17 Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho
ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
18 ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia
ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy
izy.
19 Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa
ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny
synagoga rehetra;
20 ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana
martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny
fitafian'izay namono azy.
21 Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho
haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa.
22 Ary ny olona nihaino azy hatramin'izany teny
izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy
tokony hovelomina izy!
23 Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy
vovoka ho amin'ny rivotra izy,
24 dia nasain'ny mpifehy arivo ho entina any
anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay
fototry ny nanakoran'ny olona azy toy izany.
25 Ary raha namatotra azy tamin'ny kofehy
hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo
va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
26 Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa
nilaza tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana
io lehilahy io.
27 Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao
taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
28 Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no
nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany
hatry ny fony vao teraka.
29 Dia nandao azy faingana ireo olona efa
hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa
Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
30 [Ny nandaharan'i Paoly teny teo
anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay
niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona
ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka
nampitoeriny teo anatrehany.
1 Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka
nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana
tsara mandraka androany.
2 Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay
nitsangana teo hamely ny vavany.
3 Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba
hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy
araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
4 Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va
ny mpisoronaben'Andriamanitra?
5 Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry
rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks.
22. 27).
6 Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny
sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry
rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny
fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
7 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo
sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
8 Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty,
sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
9 Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny
mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia
niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao
fanahy na anjely no niteny taminy.
10 Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny
mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia
nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba
hitondra azy ho any anati-rova.
11 Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina
iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no
mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
12 [Ny namindrana an'i Paoly nankany Kaisaria mba tsy ho
azon'izay efa nianiana hahafaty azy] Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy
ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i
Paoly.
13 Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
14 Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka
nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na
inona ambara-pamononay an'i Paoly.
15 Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo
ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody
ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa
vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
16 Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana,
dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly.
17 Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy
ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny
holazaina aminy izy.
18 Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho
any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo
aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny
holazaina aminao, hono, izy.
19 Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa
nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny
holazainao amiko?
20 Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka
aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody
ta-hanadina azy marimarina kokoa.
21 Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo
lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy
hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry
ny teny avy aminao.
22 Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy
azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
23 Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka
nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary
mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo;
24 ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy
soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka.
25 Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
26 Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara
indrindra.
27 Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky
novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka
namonjy azy.
28 Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho,
dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy;
29 dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no
niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana
azy.
30 Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika
hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary
ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy. [
Ampio hoe. [Veloma]
31 Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy
ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria.
32 Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny
an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
33 Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny
taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa.
34 Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay
zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
35 dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho,
rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i* Heroda
izy. [* Gr. pretoria]
1 [Ny nitsarana an'i Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny
nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina
Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny
anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.
2 Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka
nanao hoe:
3 Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny
fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny
fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra
ô.
4 Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra
ianao, henoy kely amin'ny faharetana izahay.
5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady
mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko
atao hoe Nazarena.
6 Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay
izy*; [* Ampio hoe: ka tianay hotsaraina araka ny lalànay]
7 [Fa tonga Lysia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka
naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy]
8 ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina
izay rehetra iampanganay azy.
9 Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
10 Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly
ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka
dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
11 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny
roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo
an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao
an-tanàna;
13 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra
iampangany ahy ankehitriny.
14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana*
izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako
izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany, [*Gr. lalàna]
15 ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay
antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka.
16 Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana
fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona
mandrakariva.
17 Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra
fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
18 Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny
tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy
Jiosy sasany avy any Asia,
19 - tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga
ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
20 Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy
hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho,
21 afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay
nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no
itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22 Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny
amin'izany fampianarana* izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao
hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
[* Gr. lalàna]
23 Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy
hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza
amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
24 Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa
sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy
nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.
25 Ary raha nitory ny amin'ny fahamarinana sy ny
fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly
hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
26 Sady nanantena koa izy fa homen'i Paoly
vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.
27 Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no
nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia
mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
1 [Ny hevitra nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny
nangatahan'i Paoly hotsarain'i Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny
zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka
hateloana.
2 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja
tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy
taminy
3 ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany
Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.
4 Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria,
sady izy koa efa hankany faingana.
5 Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka
hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
6 Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny
havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia
nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
7 Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny
Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy
azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
8 fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy
nanao ratsy aho, na tamin'ny lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i
Kaisara.
9 Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia
namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo
anatrehako any ny amin'izany zavatra izany?
10 Fa hoy Paoly: Eto amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay
tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary
na ianao aza dia mahafantatra izany marina.
11 Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony
hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay
zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny
sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
12 Ary rehefa niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy,
dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia
ho any amin'i Kaisara ihany ianao.
13 [Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy
Berenika] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa
mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.
14 Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i
Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra
anankiray ato navelan'i Feliksa,
15 koa tamin'izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny
loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.
16 Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny
manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka
mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin'izay niampangan'ireo azy izy.
17 Ary raha tonga tatỳ izy, dia tsy mba
nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana, ka
nasaiko nalaina ralehilahy.
18 Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba
niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,
19 fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy
ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona.
20 Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana
izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany
Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia,
21 Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka
Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
22 Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba
ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary
dia handre azy ihany ianao.
23 Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy
Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny
trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia
nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy.
24 Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay
rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy
rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy
tokony hovelomina intsony ilehio.
25 Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony
izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka,
dia nanaiky hampanatitra azy aho.
26 Ny amin'io lehilahy io tsy hitako izay teny
marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy,
indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho
hitako izay hosoratako.
27 Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra
mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
1 Ary hoy Agripa tamin'i Paoly: Mahazo
mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny
hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
2 Ny amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy
ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny
hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
3 indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy
ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta
hihaino ahy.
4 Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako
hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny
voalohany;
5 eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha
mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny
lalàna amin'ny fivavahantsika.
6 Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny
fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako
hotsaraina eto,
7 dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa
ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro
aman'alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
8 Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha
Andriamanitra manangana ny maty?
9 Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety
raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,
10 sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona
masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny
lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky
izany koa aho.
11 Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga
rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy*; ary satria very saina tamin'ny
fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa
aza. [* Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
12 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra
fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona,
13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry
mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany
an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra
noho ny famirapiratry ny masoandro.
14 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia
nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly,
nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny
fanindronana.
15 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao;
fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho
vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na:
(izay efa hitanao)]
17 hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny
jentilisa, izay anirahako anao,
18 hampahiratra ny masony hialany amin'ny
maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra,
mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana
Ahy.
19 Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia
tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
20 fa nambarako voalohany tamin'izay tany
Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny
Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa
miendrika ny fibebahana.
21 Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo
an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
22 Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia
mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny
lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy
Mosesy fa ho avy,
23 fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho
voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely
sy amin'ny jentilisa.
24 Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy
Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be
loatra no efa nahavery saina anao.
25 Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy
tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana.
26 Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany,
ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy
miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany.
27 Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va
ianao? Fantatro fa mino ianao.
28 Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy
izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
29 Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na
amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy
anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany.
30 Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika
mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy;
31 ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao
izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.
32 Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io
lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.
1 [Ny nitondrana an'i Paoly nankany Roma, sy ny zavatra
nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany
Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny
atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
2 Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay
efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka
taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
3 Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary
tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany
izay hiahy azy izy.
4 Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i
Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
5 Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy
Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
6 Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria
hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
7 Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka
saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia
takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
8 ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo
amin'ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna
Lasea.
9 Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny
fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana*, dia
nananatra azy Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany]
10 ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao
fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny
entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
11 Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny
tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
12 Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana
amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga
any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka
manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana*. [*Na:
mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]
13 Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka
nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo
akaikikaikin'i Kreta.
14 Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina
avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
15 Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha
azy, dia navelanay haveziveziny izy.
16 Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao
hoe Kaoda* nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny
salopy; [* Na: (Klaoda)]
17 ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina
ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo*,
dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. [* Gr. Syrtisy]
18 Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany
ny entana nony ampitso;
19 ary nony ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany
ny fanaka teo amin'ny sambo;
20 fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana
hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena
ho voavonjy intsony izahay.
21 Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia
nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino
ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy
fatiantoka izao.
22 Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa
tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
23 Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady
tompoiko, nitsangana teo anilako halina
24 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy
hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra
anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
25 Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino
an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
26 Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy
anankiray isika.
27 Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha
navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa
manakaiky tany izy;
28 dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy;
ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy
ambin'ny folo refy.
29 Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny
harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny
andro ho maraina.
30 Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny
matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka
vatofantsika eo an-doha-sambo,
31 dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha
tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
32 Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra
tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
33 Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy
tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra
ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
34 Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no
isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia
singam-bolo iray akory aza.
35 Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia
nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny,
dia nihinana izy.
36 Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
37 Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina
amby fito-polo amby roan-jato.
38 Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty
ranomasina ny hanina* mba hanamaivana ny sambo. [*Na: ny vary tritika]
39 Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany
izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy
hampidonana ny sambo, raha azony atao.
40 Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia
navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo
dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
41 Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina
izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka
nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny
onja.
42 Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra,
fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
43 Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy
tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka
hilomano ho any amin'ny tany,
44 ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na
amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa
aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
1 Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no
anaran'ilay nosy.
2 Ary tsy kely ny soa nasehon'ny tompon-tany taminay; fa
namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny
ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
3 Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka
izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra
tamin'ny tànany.
4 Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra
tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka
na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho
velona.
5 Fa nakifiny ho eo amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy
naninona izy na dia kely akory aza.
6 Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho
faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona
nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
7 Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka
ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.
8 Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo;
ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana
azy.
9 Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay
narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
10 Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay;
ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.
11 Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay
tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy
izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana*. [* Gr. Dioskory; dia Kastora sy
Poloksa]
12 Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra
teo hateloana.
13 Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany
Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny
rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
14 tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy
anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma.
15 Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga
izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha
nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra izy ka nahazo toky.
16 [Ny toetr'i Paoly tany Roma, sy izay nataony tany] Ary
rehefa tonga tany Roma izahay*, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo
amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy. [* Ampio hoe: ny mpifatotra dia
natolotry ny kapiteny ho amin'ny lehiben'ny mpiambina; fa]
17 Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain'i Paoly
hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy
taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo
an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny firenentsika aza, na tamin'ny
fanaon-drazana;
18 ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa
ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy.
19 Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka
nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny
hiampangako ny fireneko tsy akory.
20 Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo,
hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan'ny Isiraely no
ifatorako amin'ity gadra ity.
21 Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo
taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty
nanambara na nilaza ratsy anao;
22 fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa
ny amin'izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.
23 Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no
nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny
fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny
eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy.
24 Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa
tsy mba nino.
25 Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao
teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia
mpaminany tamin'ny razanareo
26 manao hoe: Mandehana any amin'ity firenena ity ianao,
ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba
hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
27 Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa
lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony,
sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy
Aho. (Isa. 6. 9, 10).
28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra
izao dia nampitondraina ho any amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
29 * [* Ampio hoe: [29 Ary rehefa nilaza
izany izy, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra]
30 Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano
nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy,
31 dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka
nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy
fisakanana.