[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Efesiana
Accès direct aux chapitres des Éphésiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6
1 [Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany
an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly,
Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona
masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin'i Kristy Jesosy: [* Na: mino an']
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy
Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy
rehetra any an-danitra,
4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola
ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo
anatrehany isika,
5 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba
ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay
ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho
Azy isika]
6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay
nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny
famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
8 izay nataony be ho antsika tamin'ny
fahendrena sy ny fisainana rehetra,
9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny
amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,
10 hahatanterahany ny fitondrana hatao
mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray
ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao
aminy; [* Na: hanangonany indray]
11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho
lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny
zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny
lova]
12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay
nanantena an'i Kristy rahateo.
13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny
tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa
ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny
teny fikasana.
14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika
ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny
voninahiny.
15 [Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy
mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny
halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny
finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan*'ny olona masina rehetra, [* Na: (ny
finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)]
16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo
ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy
Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny
fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo,
mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny
voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,
19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho
antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,
20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny
nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany
ankavanana any an-danitra,
21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy
ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina,
tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,
22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo
ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho
an'ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
23 izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno
izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
Chapitre 2. 1
Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny
fahotanareo,
2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao
tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny
fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena
koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy
ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa
isika.
4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny
famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza
isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena
anareo);
6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany
any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,
7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny
haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy
Jesosy.
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary
tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;
9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy
Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba
handehanantsika eo aminy.
11 [Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny
jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa
fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo
amin'ny nofo hoe tsy voafora -
12 eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia
tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely
ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady
tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;
13 fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy
Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray
antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny
fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany
antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany
fihavanana,
16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena
iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly
milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin'izay akaiky
koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny
Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo,
fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady
ankohonan'Andriamanitra,
20 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny
mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
21 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara
ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.
22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho
fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
1 [Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy
ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany,
izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra
izay nomena ahy ho anareo,
3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina,
araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.
4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo
fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,
5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona
tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny
Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho
tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny
filazantsara,
7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny
fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.
8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny
olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny
jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,
9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay
fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo
izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any
an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny
fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao
amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny
fahatokiana noho ny finoana Azy.
13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka
amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray
15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any
an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny
voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny
finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo,
18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina
rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay
mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny
fahafenoan'Andriamanitra rehetra.
20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny
zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na
heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny
fiangonana* sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra
mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]
1 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra
ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo,
dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana
anareo, [* Gr. ao amin']
2 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny
fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,
3 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy
amin'ny fehim-pihavanana.
4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny
niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny
batisa,
6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra,
Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.
7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry
ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny
avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona
(Sal. 68. 18).
9 (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy
ny efa nidina* ho any ambanin'ny tany koa? [* Na: (nidina aloha)]
10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any
ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany
ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy
mpampianatra,
12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny
fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [*
Gr. eklesia]
13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny
finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe,
mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy
ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny
saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny
famitahana;
15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo
amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;
16 Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy
ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay
rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny
tenany amin'ny fitiavana.
17 [Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio
fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao
no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony
tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;
18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny
fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny
hamafin'ny fony,
19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena
ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo
an'i Kristy,
21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana
anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,
22 mba hialanareo ny toetrareo* taloha araka ny
fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [* Gr.
olonareo]
23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny
sainareo,
24 ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina
araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny
fahamarinana. [* Gr. olona]
25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny
namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa
isika.
26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny
masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo
hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy
manana.
29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa
izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny
mihaino fahasoavana.
30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra,
Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
31 Esory aminareo ny fo-lentika* rehetra sy ny
fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary
ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana]
32 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy
ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny
helokareo ao amin'i Kristy.
Chapitre 5. 1 Koa amin'izany dia
aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
2 ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i
Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana*
amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [* Gr. fanatitra
alatsa-drà]
3 Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana,
dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona
masina izany,
4 na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na
voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5 Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo
amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny
olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
6 Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa
izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny
tsi-fanarahana.
7 Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny
Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana
rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.
11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy
mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na
dia ny milaza izany aza.
13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny
mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory,
Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy
hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao
fiainana izao.
17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho
fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy
fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19 ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny
tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
20 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny
zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
21 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny
anekena ny Tompo.
23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy
koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]
24 Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no
haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]
25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny
nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr.
eklesia]
26 mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano
fanasana amin'ny teny;
27 mba horaisiny* ho an'ny tenany izany ho fiangonana**
malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho
masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony] [** Gr. eklesia]
28 Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny
vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29 Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona
sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana*; [ Gr. eklesia]
30 fa momba ny tenany isika.
31 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny
reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2.
24).
32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy
sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]
33 Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany
ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr.
hatahotra]
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo,
fa marina izany.
2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy
voalohany misy teny fikasana),
3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany
(Deo. 5. 16).
4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa
tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo
amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny
fanekena an'i Kristy ihany,
6 tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila
sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay
sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
7 amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo,
fa tsy amin'olona,
8 satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no
horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka
atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa
dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
10 [Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana
atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny
herin'ny faherezany.
11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba
hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa
amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana
izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]
13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny
fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary
rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo,
ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny
filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny
finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra
izay alefan'ilay ratsy.
17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny
tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny
fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana
sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,
19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny
fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany
amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]
21 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko,
rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo
ny zavatra rehetra;
22 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra
aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
23 Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana
mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
24 Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i
Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.