[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Kolosiana
Accès direct aux chapitres des Colossiens : 1, 2, 3, 4
1 [Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana
an'Andriamanitra noho ny toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny
sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
2 mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy
mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Raintsika.
3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy
Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny
fitiavanareo ny olona masina rehetra,
5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho
anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
6 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao
tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny
andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka
ny marina;
7 tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay
sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay*, [* Na: (anareo)]
8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao
amin'ny Fanahy.
9 [Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny
fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy] Ary noho izany izahay koa hatramin'ny
andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba
hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny
fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
10 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny
sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra
sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra,
11 ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny
herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny
hafaliana,
12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika
hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,
13 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka
namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,
14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny
helotsika.
15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa
talohan'izao zavatra ary rehetra izao;
16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any
an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na
fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny
zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana]
17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy
no aharetan'ny zavatra rehetra.
18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no
voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra
rehetra Izy. [* Gr. eklesia]
19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny
fahafenoana rehetra,
20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka
dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy,
hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any
an-danitra.
21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo
tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana,
mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina
sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny
filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra
eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
24 Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo
aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i
Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny
fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny
tenin'Andriamanitra,
26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola
sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina,
27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny
haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao
anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay
amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka
ao amin'i Kristy izy rehetra.
29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy
iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.
1 [Fananaran'i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy
ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako
ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako
amin'ny nofo,
2 mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny
fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina,
ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
3 Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana
rehetra.
4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra
anareo amin'ny teny toa marina.
5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho,
dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo
sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy.
6 Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo,
dia mandehana ao aminy araka izany koa,
7 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra
amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto* amin'ny fisaorana.
[* Na: (mitombo amin'izany)]
8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny
filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana,
araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy.
9 Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny
fomban'Andriamanitra rehetra;
10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no
Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana
tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i
Kristy;
12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay
niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay
nanangana Azy tamin'ny maty.
13 Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny
tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa
navelany ny fahadisoantsika rehetra;
14 ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga
antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo
fijaliana,
15 ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany* ny fanapahana
sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny
fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [* Na: noreseny ka nobaboiny]
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana,
na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i
Kristy.
18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny
fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny
zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na:
(tsy)]
19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena
rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra,
araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa
afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona
amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -
22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany -
araka ny didy sy ny fampianaran'olona?
23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena
amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena,
nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
1 [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny
hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i
Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i
Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.
2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra
etỳ an-tany.
3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina
amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy
koa amin'ny voninahitra ianareo.
5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany,
dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana,
dia fanompoan-tsampy izany;
6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny
fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona
taminy ianareo.
8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia
fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy
amin'ny vavanareo.
9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra*
taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona]
10 ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina
ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona]
11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na
voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa
Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika]
12 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,,
fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny
olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
13 Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy
manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka
mba hamelanareo heloka kosa. [* Na: (Kristy)]
14 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana,
fa fehin'ny fahatanterahana izany.
15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy,
fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana
ianareo.
16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo
amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny
fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho
an'Andriamanitra.
17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny,
na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora
Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety
hatao ao amin'ny Tompo.
19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza
sosotra* aminy. [* Gr. mangidy]
20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny
zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.
21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao
mamoy fo izy.
22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo
amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila
sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny
fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,
24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny
lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.
25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy
marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,
Chapitre 4. 1 Hianareo tompo,
ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa
ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2 [Ny amin'ny naman'i Paoly, sy fanaovam-beloma ny
sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany
amin'ny fisaorana,
3 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra
varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany
no namatorana ahy,
4 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony
hitenenako.
5 Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany,
hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6 Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana
mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona
rehetra.
7 Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia
ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
8 ny anton'ny nanirahako azy ho atỳ aminareo
indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny
fonareo;
9 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy
aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra
atỳ .
10 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko,
sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga
atỳ aminareo izy, dia raiso),
11 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora
ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra
sady tonga fampiononana ahy.
12 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy
aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny
fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara* amin'izay
rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [* Na: ho tanteraka]
13 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo
sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.
14 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy
Demasy.
15 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary
Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
16 Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity
epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan*'ny Laodikiana koa; ary
vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana. [* Gr. eklesia]
17 Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny
fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
18 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny
fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.