[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2 Jaona
1 [Anatra ny amin'ny faharetana amin'ny marina, sy ny tsy
handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho loholona* mamangy an'itompokovavy**
voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa
izay rehetra mahalala ny marina koa) [* Gr. Ny presbytera] [** Na: an'i Kyria]
2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady
ho ato amintsika mandrakizay:
3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny
fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny
fahamarinana sy ny fitiavana.
4 Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao
sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray.
5 Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy
toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany
ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria]
6 Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika
araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany,
dia ny handehananareo aminy.
7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao
tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy.
Izy no mpamitaka sy antikristy.
8 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay
namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
9 Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao
amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny
Zanaka.
10 Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao
fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
11 fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy
ataony.
12 Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy
tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ
aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
13 Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.