[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]
MIZARA TSARA NY TENY FAHAMARINANA
C. I. SCOFIELD
2 Timoty 2. 15 : “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra, ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara (= mamoaka tsara, na mizotra mahitsy amin’) ny teny fahamarinana.”
Famintinana ny fizaràna :
2 Ny Jiosy sy ny Jentilisa ary ny Eglizin’Andriamanitra
3 Ireo vanimpotoampitondrana fito
5 Ireo fitsanganana amin’ny maty roa
8 Ireo toetra roa ao anatin’ny mpino
9 Ny toeran’ny mpino sy ny tena toetra iainany
10 Ny famonjena sy ireo valisoa
11 Ny (tena) mpino sy ny mitonon-tena ho mpino
Fizaràna amin’ny antsipiriany :
2 Ny Jiosy sy ny Jentilisa ary ny Eglizin’Andriamanitra
2.1 Ny fiantsoana (fampitahana ny fiantsoana an’i Israely sy ny fiantsoana ny Eglizy)
2.4.1 Hoavin’ny Eglizy (any an-danitra)
2.4.2 Hoavin’i Israely (etỳ an-tany)
2.5 Famintinana momba ny fahasamihafan’i Israely sy ny Eglizy
3 Ireo vanimpotoampitondrana fito
3.1 Ny vanimpotoampitondrana voalohany — Ny olombelona tsy manan-tsiny
3.2 Ny vanimpotoampitondrana faharoa — Ny olombelona teo ambanin’ny Fahatsiarovan-tena
3.3 Ny vanimpotoampitondrana fahatelo — Ny olombelona tompon’ny fahefana teto an-tany
3.4 Ny vanimpotoampitondrana fahefatra — Ny olombelona teo ambanin’ny Teny fikasana
3.5 Ny vanimpotoampitondrana fahadimy — Ny olombelona teo ambanin’ny Lalàna
3.6 Ny vanimpotoampitondrana fahenina — Ny olombelona eo ambanin’ny Fahasoavana
3.7 Ny vanimpotoampitondrana fahafito — Ny olombelona eo ambanin’ny fanjakàn’i Kristy manokana
4.3 Tsy finoana ny teny faminaniana momba ny fiavian’ny Tompo
4.4 Ny fiavian’ny Tompo fanindroany, mbola ho avy
4.4.1 Dingana roa amin’io fiaviana io
4.4.2 Ny Tompo dia ho avy Izy tenany mihitsy ary amin’ny vatany
4.4.3 Fahasamihafan’ireo fiavian’ny Tompo roa, ilay efa lasa sy ny mbola ho avy
4.5 Tsy adika ho kisarisary ny fiavian’ny Tompo
4.5.2 Tranga sasantsany nolazaina ho fahatanterahan’ny fiavian’ny Tompo, nefa tsy izy
4.5.3 Ny fiovàm-pon’ny mpanota iray dia tsy ny fiavian’ny Tompo, tsy akory
4.5.4 Ny fahafatesan’ny kristiana iray dia tsy fiavian’i Kristy, tsy akory, satria :
4.5.5 Ny nanapotehan’ny Romana an’i Jerosalema dia tsy ny fiavian’i Kristy fanindroany, tsy akory
4.5.6 Ny fielezan’ny fivavahana kristiana dia tsy ny fiavian’i Kristy fanindroany, tsy akory
4.5.7 Misy tranga hiseho ve, hialoha io fiavian’ny Tompo io ?
5 Ireo fitsanganana amin’ny maty roa
5.1 Fitsanganana amin’ny maty maromaro
5.2 Fitsanganana amin’ny maty voalohany
5.3 Fitsanganana amin’ny maty ho fahamelohana
5.4 Fitsanganan’ny vatana amin’ny maty
6.1 Ny fitsarana mifandraika amin’ny mpino
6.2 Ny fitsarana ny ota ao amin’ny mpino
6.3 Fitsaràn’i Kristy, fampiharihariana ny asan’ny mpino
6.5 Ny fitsarana ny maty tsy nanana mihitsy ny fiainan’Andriamanitra
7.1 Manavaka ny foto-kevitra sy ny vanimpotoampitondrana
7.2 Inona no maha-samy hafa ny lalàna sy ny fahasoavana ?
7.3 Inona no atao hoe “ny lalàna” ? Ireo kisarisary hita ao
7.4 Fampiasana ratsy “ny lalàna”
7.6 Ny vokatry ny lalàna — Nahoana no nasiana ny lalàna ?
7.7 Ny zavatra tsy vitan’ny lalàna
7.8 Tsy eo ambanin’ny lalàna ny mpino
7.9 Inona no fitsipi-piainan’ny kristiana ?
7.10 Inona no atao hoe fahasoavana ?
7.11 Inona no lamin’Andriamanitra ao amin’ny fahasoavana ?
7.12 Tsy mety afangaro ny lalàna sy ny fahasoavana
8 Ireo toetra roa ao anatin’ny mpino
8.3 Ny fanafahana amin’ny herin’ny ota
8.3.2 Ady eo amin’ireo toetra roa ireo
8.3.3 Hery entina handresena ny nofo
8.4 Fiainana kristiana ara-dalàna
9 Ny toeran’ny mpino sy ny tena toetra iainany
9.2 Toerana sy tena toetra iainana
9.3 Fampirisihana ny kristiana eo amin’ny fiainany andavanandro, mifototra amin’ny toerana misy azy
10 Ny famonjena sy ireo valisoa
10.1 Ny famonjena dia fanomezana maimaimpoana
10.2 Ny asa ankasitrahin’Andriamanitra dia hahazo ireo valisoany
10.3 Ny famonjena dia zavatra ananana amin’izao fotoana ankehitriny izao
10.4 Ireo valisoa dia homena any aoriana
11 Ny (tena) mpino sy ny mitonon-tena ho mpino
11.1 Ny mpino dia voavonjy, ny mitonon-tena ho mpino dia very
11.2 Ny mpino dia omena valisoa — Ireo izay mihambo ho mpino dia helohina
Ao amin’ny 2 Timoty 2, dia aseho amina toetra fito samihafa ny mpino. Raisina ho toy ny zaza izy (and 1) ; ho toy ny miaramila (and 3) ; ho toy ny mpanao fanatanjahantena (and 5) ; ho toy ny mpiasa tany (and 6) ; ho toy ny mpiasa (and 15) ; ho toy ny fanaka (and 21) ; ary ho toy ny mpanompo (and 24) :
· Amin’ny maha zaza azy, dia ampirisihina i Timoty hihahery amin’ny fahasoavana. Ny fahasoavana dia mifamatotra amin’ny maha zanaka, fa ny lalàna kosa dia mifamatotra amin’ny fanompoana (Galatiana).
· Amin’ny maha miaramila azy, dia ampirisihina i Timoty hiaritra ny mafy, ary tsy haningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao ; ireo no zavatra mahakasika manokana ny miaramila tsara.
· Amin’ny maha fanaka azy, dia tokony hodiovina izy, ary hatokana ; amin’ny maha mpanompo azy, dia tokony halemy fanahy izy, mahari-po ary mahalefitra ; dia toy izany hatrany, amin’ireo lafiny fito amin’ny fiainana kristiana.
· Amin’ny maha mpiasa azy (1 Timoty 2. 15) : “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra, ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara (= mamoaka tsara na mizotra mahitsy amin’) ny teny fahamarinana.” Ilaina ny mahatsikaritra tsara ny fizaràna samihafa ao amin’ny Baiboly, raha tsy izany dia ho kely ny vokatra, ary hifamahofaho ny ao an-tsaina sady tsy hankamamiana ny fianarana azy.
Ny tanjon’ity bokikely ity dia ny hanoro zavatra folo tokony havahana, dia ireo fanavahana lehibe indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra (= ny Teny Fahamarinana). Enga anie izay mianatra ny Teny mba hanao toa ireo olona tany Beria (Asa 17. 11), izay nandinika isan’andro, tamim-pahambonian-toetra tokoa, ny Soratra Masina, mba hahitany raha marina ny zavatra nolazaina taminy.
Ny voambolana hoe “Jentilisa” dia midika hoe “tsy Jiosy”. Mitovy ihany ny hoe “ny Jentilisa” sy “ny firenena”.
Andininy fototra : “Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra” (1 Korintiana 10. 32).
Maherin’ny antsasaky ny Baiboly no mikasika firenena iray ihany, dia ny vahoaka Israely. Mitokana tanteraka ny toerana misy azy ireo, amin’ny lalan’Andriamanitra sy ny fiheviny. Natokana hiala tamin’ny zanak’olombelona sisa izy ireo, ary niditra tamina fanekena tamin’i Jehovah, Izay nanao teny fikasana manokana ho azy ireo, zavatra izay tsy nataony tamina firenena hafa. Ny tantaran’izy ireo dia saika mameno ny Testamenta Taloha manontolo (tantara sy faminaniana), ary tsy nomarihina ny firenena hafa, raha tsy mahakasika azy ireo.
Ny fanambaràna nataon’i Jehovah tamin’i Israely, amin’ny maha firenena azy ireo, dia momba ny etỳ an-tany. Raha mitoetra ho mahatoky sy mankatò izy ireo, dia ho azony antoka ny fahalehibeazana sy harena ary fanapahana etỳ an-tany ; raha tsy mahatoky na tsy mankatò kosa izy ireo, dia haely manerana ny tany manontolo (Deoteronomia 28. 64).
Ny Soratra Masina dia milaza tena iray hafa, dia ny Eglizy, izay manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra koa, ary nandray taminy teny fikasana manokana. Saingy tena samy hafa amin’i Israely izy io :
· Ny Israely dia ny taranak’i Abrahama ara-nofo ihany, fa ao amin’ny Eglizy, dia foana ny fanavahana ny Jiosy sy ny Jentilisa.
· Ny fifandraisan’i Israely amin’Andriamanitra dia fifandraisana araka ny fanekena, fa ny fifandraisan’ny Eglizy aminy kosa dia fifandraisana araka ny fahaterahana.
· Ho an’i Israely, ny fankatoavana dia loharanon’ny fahamboniana sy harena etỳ an-tany ; ny Eglizy dia mianatra mianina amin’ny sakafo sy ny fitafiana, ary miandry fanenjehana sy fankahalana.
· Ampifandraisina amin’ny fananana sy zavatra etỳ an-tany i Israely, fa ny Eglizy kosa dia ampifandraisina amin’ny zavatra ara-panahy sy any an-danitra.
Na i Israely, na ny Eglizy, dia samy tsy nisy mandrakariva, tsy akory. I Israely dia nanomboka tamin’ny fiantsoana an’i Abrahama. Ny Eglizy dia mbola tsy nisy, nandritra ny fiainan’i Kristy tetỳ an-tany (na talohany), satria i Kristy dia miresaka ny fiangonany toy ny mbola ho avy : Matio 16. 18 : “Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako” (ny matoanteny haorina dia manambara ny hoavy).
Araka ny Efesiana 3. 5-10, dia tsy nambara tao amin’ny faminaniana tamin’ny Testamenta Taloha mihitsy ny Eglizy (mbola “voafina … tao amin’Andriamanitra”). Ny fahaterahan’ny Eglizy dia hita ao amin’ny Asa 2, ary ny fiafaràny etỳ an-tany dia ao amin’ny 1 Tesaloniana 4.
Amin’ny fitsinjarana ny zanak’olombelona indray, araka ny Soratra Masina, dia misy antoko iray miavaka tanteraka amin’i Israely sy amin’ny Eglizy : ny firenena (= tsy Jiosy = “Jentilisa”). Mba hahafantarana ny toerana misy ny Jiosy sy ny Jentilisa (ny firenena) ary ny Eglizy, dia azo jerena vetivety ireto tsongandahatsoratra ireto :
Ny Jiosy : Romana 9. 4-5 ; Jaona 4. 22 ; Romana 3. 1-2
Ny Jentilisa : Efesiana 2. 11-12 ; 4. 17-18 ; Marka 7. 27-28
Ny Eglizy : Efesiana 1. 22-23 ; 5. 29-33 ; 1 Petera 2. 9
Raha ampitahaina, izany, izay voalazan’ny Soratra Masina momba an’i Israely sy ny Eglizy, dia hita fa samy hafa tokoa izy ireo, na amin’ny fiforonany, na amin’ny fiantsoana azy, na amin’ny teny fikasana, ny fitsaohana, ny fitsipi-pitondrantena ary ny hoavy.
|
Israely |
Ny Eglizy |
|
“Hoy Jehovah tamin’i Abrama : Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao, hankany amin’ny tany izay hasehoko anao” (Genesisy 12. 1). |
“Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy ny Mpisoronabe Izay ekentsika” (Hebreo 3. 1). |
|
“Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina… tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy… sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao” (Deoteronomia 8. 7-9). |
“Ny fanjakàntsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo” (Filipiana 3. 20). “Hoy Jesoa taminy : Ny amboahaolo manan-davaka… fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” (Matio 8. 20). “Ho an’ny lova tsy mety simba … voatahiry any an-danitra ho anareo” (1 Petera 1. 4). |
|
“Hoy ralehilahy : Mpanompon’i Abrahama aho. Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka … nanome azy ondry aman’osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky” (Genesisy 24. 34-35). “Hataon’i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony ; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy” (Deoteronomia 28. 13). |
“Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy… ary tsy manana antom-ponenana izahay” (1 Korintiana 4. 11). “Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manankarena amin’ny fanjakàn’Andriamanitra !” (Marka 10. 23). “Mihainoa, ry rahalahy malalako : Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny malahelo amin’izao fiainana izao, ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy ?” (Jakoba 2. 5). “Na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakàn’ny lanitra” (Matio 18. 4). |
Tsy midika tsy akory izany fa ny Jiosy tia fivavahana iray dia tsy nankany an-danitra, nony maty. Ny fahasamihafana dia ny zavatra nampirisika azy hivavaka : fitahiana tetỳ an-tany, fa tsy any an-danitra.
Amin’izao vanimpotoampitondrana (dispensation) izao, na ny Jiosy na ny Jentilisa dia tsy afaka hovonjena, raha tsy amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fandalovana amin’ny fahateraham-baovao (Jaona 3. 3, 16) ; ao amin’ny Eglizy, dia tsy misy intsony ny fanavahana ny Jiosy sy ny Jentilisa (1 Korintiana 12. 2, 13 ; Galatiana 3. 28 ; Efesiana 2. 11, 14).
Ny fiavahan’i Israely sy ny Eglizy dia mbola miseho ihany koa amin’ireo fitsipi-pitondrantenany avy :
|
Israely |
Ny Eglizy |
|
“Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao… dia aringano mihitsy izy ; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy” (Deoteronomia 7. 1-2). |
“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” (Matio 5. 44). “Raha tevatevaina izahay, dia misaotra ; raha enjehina, dia miaritra ; raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa” (1 Korintiana 4. 12-13). |
|
“Maso solon’ny maso, nify solon’ny nify” (Eksodosy 21. 24). |
“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : … na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray” (Matio 5. 39). |
|
Deoteronomia 21. 18-21 |
Lioka 15. 20-23 sy Filemona 10-11, 16. |
Israely dia tsy afaka nitsaoka afa-tsy teo amina toerana iray (tabernakely, na tempoly tany Jerosalema), ary nijanona lavitra an’Andriamanitra, tsy afa-nanatona Azy raha tsy nisy mpanelanelana, dia ireo mpisorona. Ny Eglizy kosa dia mitsaoka, na aiza na aiza misy roa na telo mivory amin’ny Anaran’ ny Tompo Jesoa ; afaka manatona malalaka an’Andriamanitra, ary ireo rehetra izay mandrafitra azy dia mpisorona.
Ampitahao : Levitikosy 17. 8-9 sy Matio 18. 20 — Lioka 1. 10 sy Hebreo 10. 19, 20-22 — Nomery 3. 10 sy 1 Petera 2. 5
Mibaribary, ao amin’ny faminaniana, ny fanavahana an’i Israely sy ny Eglizy. Ny Eglizy dia hesorina etỳ an-tany, fa Israely voaarina kosa dia hisitraka ny fahefana sy ny fahatsarana etỳ an-tany.
“Ao an-tranon’ny Raiko, misy fitoerana maro… handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho (Jesoa), dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14. 2-3).
“Izao no lazainay aminareo, amin’ny tenin’ny Tompo : … Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy, ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4. 15-17).
“Ny fanjakàntsika [na : ny tanintsika] dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietrentenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3. 20-21).
“Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa mbola tsy naseho izay ho toetrantsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3. 2).
“Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesoa. Izy ho lehibe, ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra ; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’ i Davida rainy ; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ; ary ny fanjakàny tsy hanam-pahataperana” (Lioka 1. 31-33). (Amin’ireo teny fikasana fito natao tamin’i Maria ireo, dimy no efa tanteraka ara-bakiteny. Ahoana moa no hahafahantsika milaza fa tsy ho tanteraka ireo roa sisa ?)
“Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany, hanalany olona aminy, hankalazana ny anarany. Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe : Rehefa afaka izany, DIA HIVERINA AHO ka hanangana ny tranolain’i Davida, izay efa nianjera ; ary hanangana izay efa rava ao Aho, ka hamboatra azy indray” (Asa 15. 14-16).
“Hoy izaho : Sao narian’Andriamanitra anie ny olony ? Sanatria izany ! Fa izaho koa mba Israelita taranak’i Abrahama ihany, avy amin’ny firenen’i Benjamina… Ny fahatafintohinany (ny fahatafintohinan’ny Israelita) no nahatonga famonjena ho an’ny jentilisa, mba hampialona azy. Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Israely sasany, mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa.” (Romana 11. 1, 11, 25)
“Amin’izany andro izany, ny Tompo dia mbola haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny olony izay mbola sisa… Dia … hamory ny Israely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely, avy any amin’ny vazantany efatra (Izy)” (Isaia 11. 11-12).
“Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba, ary mbola hifidy ny Israely indray, ka hamponina azy ao amin’ ny taniny” (Isaia 14. 1).
“Koa indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe : Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’i Israely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta ; fa izao kosa : Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’i Israely niakatra avy tany amin’ny tany Avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy ; fa hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy” (Jeremia 16. 14-15).
“Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry, ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany. Amin’ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ny Israely feizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy : JEHOVAH FAHAMARINANTSIKA” (Jeremia 23. 5-6).
“Indro izy hangoniko avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy, tamin’ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be ; ary hoentiko amin’ity tany ity indray izy, ka hataoko mandry feizay ; ary izy ho oloko, azy Izaho ho Andriamaniny” (Jeremia 32. 37-38).
Azo lazaina tsy am-pihambahambana, fa ny fanovana ny Eglizy ho jiosy
(izany hoe ny fampivoarana ny Eglizy lazain’ny Soratra Masina, hanaraka ny
fombafomba fivavahana jiosy) dia nanao be kokoa hampihemotra ny fandrosony,
hampivaona ny asa nanirahana azy sy hamotika azy ara-panahy, mihoatra noho
ireo
Ny Soratra Masina dia mizara ny fotoana (nanomboka tamin’ny naharìna an’i Adama mandra-pahatongan’ “ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao” ao amin’ny Apokalypsy 21. 1) ho fotoana maromaro tsy mitovy halavana, antsoina mazàna hoe “vanimpotoampitondrana” [dispensations] (antsoina ao amin’ny Baiboly Darby hoe “fitondrana” [administration], ao amin’ny Efesiana 1. 10 sy 3. 2) ; mbola antsoina koa hoe “andro” [“économies”, “âges”, na “siècles”] (Efesiana 2. 7), “andron’ny Tompo”, sns. Azo isaina ho fito ireo vanimpotoampitondrana ireo.
Ireo vanim-potoana ireo dia miavaka samy manana ny endriny avy, ao amin’ny Soratra Masina, amina fiovan’ny fomba fitondran’Andriamanitra ny zanak’olombelona, na ny ampahan’ny zanak’ olombelona, manoloana ny ota sy ny andraikitry ny olona. Ny tsirairay amin’ireo vanimpotoampitondrana ireo dia azo raisina ho toy ny fizahàn-toetra vaovao isedrana ny olona voajanahary, nefa dia miafara, hatrany, amin’ny fitsarana, izay maneho ny tsy fahombiazana tanteraka eo amin’ny olona voajanahary, isaky ny vanimpotoampitondrana tsirairay.
Ny dimy amin’ireo vanimpotoampitondrana ireo dia efa nifarana ; isika, izao, dia miaina ao anatin’ ny fahenina, izay efa eo amin’ny faramparany, angamba ; ary eo anoloantsika ny fahafito farany, dia ny fanjakana arivo taona (millénium).
Io vanimpotoampitondrana io dia niantomboka tamin’ny faharìna an’i Adama (Genesisy 2. 7) ary nifarana tamin’ny nandroahana azy avy tao amin’ny saha Edena. Adama, izay noarìna ho tsy manan-tsiny sy tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy, dia napetraka tao amin’ny saha Edena, niaraka tamin’i Eva vadiny. Nomen’Andriamanitra andraikitra izy, mba tsy hihinanana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny vanimpotoampitondran’ny tsy fananan-tsiny dia nifarana tamin’ny tsy fahombiazana voalohany teo amin’ny olombelona, izay nisy fiantraikany mavesatra indrindra. Io vanimpotoampitondrana io dia nifarana tamin’ilay fitsarana hoe : “Noroahiny ny olona.”
Genesisy 1. 26 ; 2. 16-17 ; 3. 6 ; 3. 22-24.
Noho ny fahalavoana, dia nahazo ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy
ry Adama sy Eva, ary izany dia nomeny holovain’ny taranany, dia ny
taranak’olombelona. Noho izany, ny fahatsiarovan-tena dia nanjary afaka
namoaka fitsarana ara-môraly, ka dia
Genesisy 3. 7, 22 ; 6. 5, 11-12 ; 7. 11-12, 23
Namonjy olona valo ho afaka tamin’io fitsarana mampivarahontsan’ny safodrano io Andriamanitra, ary nanome azy ireo ny fahefana sy ny fitondrana ny tany. Andraikitr’i Noa sy ny taranany io. Ny fiafaràn’io vanimpotoampitondran’ny fitondran’ny olombelona io dia andrana nanevateva an’Andriamanitra, nitady ny tsy hiankina aminy (Tilikambo tao Babela), sy fitsarana tamin’ny fanorokoroana ny fitenin’ny tany manontolo.
Genesisy 9. 1-2 ; 11. 1-4 ; 11. 5-8
Tao amin’ireo taranaka naely izay nanorina ny Tilikambo tao Babela, dia niseho ny fanompoan-tsampy (Josoa 24. 2). Dia nifidy lehilahy iray Andriamanitra, dia i Abrama izany, ary nanome teny fikasana azy sy ny taranany. Ny sasany tamin’izany dia teny fikasana izay fahasoavana ranofotsiny sy tsy misy fepetra. Tanteraka ara-bakiteny ireo, na ho tanteraka amin’ny hoavy. Ny teny fikasana sasany kosa, izay misy fepetra, dia niankina tamin’ny fahatokiana sy ny fankatoavan’ny Israelita. Ny fiafaràn’io vanimpotoampitondran’ny Teny fikasana io, dia ny tsy fanajana ireo fepetra ireo sy ny tsy fahombiazan’ny Israely ary ny fitsarana, tamin’ny fanandevozana tany Egypta.
Ny bokin’ny Genesisy dia manomboka amin’ireto teny fatratra indrindra ireto : “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary”, ary miafara amin’ny hoe : “tao anatin’ny vata (vatam-paty) tany Egypta”.
Genesisy 12. 1-3 ; 13. 14-17 ; 15. 5 ; 26. 3 ; 28. 12-13 ; Eksodosy 1. 13-14
Eksodosy 19. 1-8 ; Romana 3. 19-20 ; Asa 2. 22-23 ; Romana 10. 5 ; 2 Mpanjaka 17. 1-18 ; Asa 7. 51-52 ; Galatiana 3. 10 ; 2 Mpanjaka 25. 1-11
Ny fahafatesana fanonerana nanjo ny Tompo Jesoa Kristy no manokatra ny vanimpotoampitondran’ny fahasoavana tsy misy fangarony, tombontsoa tsy tokony ho azo. MANOME fahamarinana Andriamanitra, fa tsy mitaky izany intsony, toy ny teo ambanin’ny lalàna. Famonjena lavorary sy ho mandrakizay, izany, no atolotra maimaimpoana ny Jentilisa sy ny Jiosy, raha toa miaiky ny fahotany izy ireo, mibebaka am-pinoana an’i Kristy.
“Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny” (Jaona 6. 29).
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6. 47).
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5. 24).
“Ny ondriko, mihaino ny feoko ; ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy ; ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy, mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako” (Jaona 10. 27-28).
“Fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).
Io vanim-potoana fisedrana ny olombelona eo ambany fahasoavana io, dia hifarana amin’ny :
· fitsarana ny tontolo tsy mino sy ny Eglizy niodina : Lioka 17. 26-30 ; 18. 8 ; Apokalypsy 3. 15-16 ; 2 Tesaloniana 2. 7-12.
· fidinan’ny Tompo avy any an-danitra, mba haka ny olomasina izay natsangana sy ny mpino izay mbola velona, hitsena Azy eny amin’ny habakabaka (1 Tesaloniana 4. 16-17).
Aorian’izany dia ho avy ilay fotoana fohy antsoina hoe “ny fahoriana lehibe” (Matio 24. 21-22 ; Daniela 12. 1 ; Zefania 1. 15-18 ; Jeremia 30. 5-7), arahin’ny fiverenan’ny Tompo tenany, mba hanjaka etỳ an-tany amin’ny fahefana sy ny voninahitra lehibe ; dia mbola hisy fitsarana sasantsasany ihany (Matio 24. 29-30 ; 25. 31-46). Misy olona manao hoe io dia vanimpotoampitondrana mitokana, eo anelanelan’ny vanimpotoampitondrana fahenina sy fahafito.
Aorian’ireo fitsarana fandiovana, hiaraka amin’ny fiverenan’i Jesoa eto an-tany, dia hanjaka eto an-tany amin’i Israely naverina tamin’ny toerany i Kristy, mandritra ny 1000 taona (vanim-potoana antsoina mazàna hoe “fanjakana arivo taona” [Millénium]). Ny foiben’ny fanjakàn’i Kristy dia ho ao Jerosalema, ary hiaraka Aminy ao amin’ny voninahiny ny olomasina, anisan’izany ny Eglizy, izany hoe ireo izay voavonjy tamin’ny vanimpotoampitondran’ny fahasoavana.
Asa 15. 14-17 ; Apokalypsy 19. 11-21 ; 20. 1-6 ; Isaia 2. 1-4 ; Isaia 11 (ny toko manontolo).
Aorian’izany dia “hovahana kelikely”, aloha, i Satana, ary hahita làlana ahazoany ny fon’olombelona indray, ka hitarika azy ho amin’ny ratsy sy ny fikomiana ary ny ady amin’ny Tompo sy ny Olony Masina. Izany no hiafaran’io vanimpotoampitondrana farany io, toy ireo talohany, amin’ny fitsarana. Hajoro ny “sezafiandrianana fotsy lehibe”, hatsangana amin’ny maty ireo olona ratsy fanahy, ka hotsaraina ho mandrakizay ; dia ho avy ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, ary hanomboka ny mandrakizay.
Apokalypsy 20.3, 7, 15 ; 21 ; 22.
Andininy fototra : “Nambarany rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany” (1 Petera 1. 11).
Ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha dia mampivohitra mazava “soritra” faminaniana roa izay toa mifanipaka, momba ny Mesia.
Ny iray amin’ireo soritra faminaniana ireo, dia mampiseho Azy tonga amin’ny fahalemena sy ny fanetrentena, olon’ny fahoriana zatra fijaliana, toy ny solofo mipoitra avy ao amina tany karankaina, tsy misy endriny na zavatra manintona na fahatsarana, mba hahatonga Azy ho tiana. Ny tarehiny dia fandrabiraby, ny tongony sy ny tanany dia tsy maintsy holavahana. Tsy maintsy afoin’Andriamanitra sy ny olona Izy, ary ny fasany dia hiaraka amin’ny an’ny olon-dratsy. Jereo : Isaia 53 (ny toko manontolo) ; Daniela 9. 26 ; Isaia 7. 14 ; Zakaria 13. 6-7 ; Salamo 22. 2-19 ; Marka 14. 27. Izany no hita nandritra ny niavian’ny Tompo voalohany, araka ny asehon’ny Filazantsara.
Ny soritra faminaniana iray dia mampiseho amintsika Mpanjaka tsara dia tsara, tsy ho hain’iza na iza tohaina, handio ny tany amina fitsarana mampivarahontsana, hanangona an’i Israely voaely, hamerina amin’ny laoniny ny sezafiandrianan’i Davida sy hanome izany famirapiratana mihoatra lavitra noho ny an’i Solomona, ary farany, hahatonga fanjakana feno fandriampahalemana lalina sy fahamarinana tanteraka. Jereo : Isaia 11. 1-2, 10-12 ; Daniela 7. 13-14 ; Deoteronomia 30. 1-7 ; Mika 5. 1 ; Isaia 9. 5-6 ; Matio 1. 1 ; Isaia 24. 21-23 ; Matio 2. 2 ; Isaia 40. 9-11 ; Lioka 1. 31, 33 ; Jeremia 23. 5-8. Izany no hiseho amin’ny hiavian’ny Tompo fanindroany, izay mbola ho avy.
Ny fahatanterahan’ireo faminaniana momba ny Mesia, dia nanomboka tamin’ny nahaterahan’ny Zanaky ny Virijiny, araka ny voalazan’i Isaia, tany Betlehema, araka an’i Mika ; ary nitohy ara-bakiteny mandra-pahatanteraka antsakany sy andavany ny faminaniana rehetra momba ny fanetrentenan’ny Mesia, satria tsy maintsy nesorina aloha ny ota, alohan’ny hametrahana ny fanjakàny. Ny Jiosy nefa dia tsy nanaiky handray ny Mpanjakany tamin’izany toetra izany, “malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora” ; nohomboany Izy : Zakaria 9. 9 ; Matio 21. 1-5 sns. ; Jaona 19. 15-16.
Ny faharatsian’ny olombelona dia tsy nanakana ny drafitr’Andriamanitra, tsy akory, satria ny lamina napetrany dia misy fiavian’ny Zanany fanindroany, izay mifandraika amin’ny faminaniana momba ny voninahitry ny Mesia etỳ an-tany. Hitovy amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny fijaliany tetỳ an-tany, ihany, ny hahatanteraka ireo faminaniana ireo, amin’ny antsipiriany sy ara-bakiteny. Hosea 3. 4-5 ; Asa 1. 6-7 ; Lioka 1. 31-33 (ny andininy 31 dia efa tanteraka) ; Asa 15. 14-17 ; Matio 24. 27-30.
Ny Jiosy dia tsy maika ny hino tao am-pony izay rehetra nolazain’ny mpaminany momba ny FIJALIAN’ny Mesia ; ary isika kosa dia tsy maika ny hino ao am-po izay rehetra nolazain’izy ireo momba ny VONINAHINY. Azo antoka fa isika no mendrika ny fanakianana lehibe indrindra, satria mora kokoa ny mino fa ho avy “eo amin’ny rahona, amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra” ny Zanak’Andriamanitra, noho ny mino Azy ho avy toy ny zazakely tao Betlehema sy toy ny mpandrafitra tao Nazareta. Mazava ho azy fa inoantsika io zavatra farany io, satria efa tanteraka, fa tsy satria efa nolazain’ny mpaminany mialoha ; ary tokony hajanona ny fanakianana ny Jiosy noho ny tsy finoany. Raha misy manontany tena hoe ahoana no nahatonga azy ireo ho jamba toy izany, momba ny dikan’ny teny faminaniana mazava sy tsy misy ihambahambana, dia hovalianay fa jamba izy ireo, toy ireo kristiana marobe tsy mahita ny dikan’ny teny faminaniana izay mazava toy izany, ary mbola maro kokoa aza, mikasika ny voninahiny etỳ an-tany, ary nohajambain’ny fandraisana ho “ara-panahy” ny Soratra Masina. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo mpanora-dalàna fahiny dia nampianatra ny vahoaka fa ny faminaniana momba ny fijalian’ny Mesia dia tsy tokony horaisina ara-bakiteny ; ary tsy misy hafa amin’izany, ampianari-na mpanora-dalàna ankehitriny ny vahoaka, hoe ny faminaniana mikasika ny voninahitry ny Mesia etỳ an-tany dia tsy tokony horaisina ara-bakiteny koa.
Ny fiavian’ny Tompo fanindroany, nefa, dia misy dingana voalohany, izay hakan’ny Tompo ny mpino kristiana ho any an-danitra, araka ny nampanantenainy ao amin’ny Jaona 14. 1-3 (ny antsipiriany dia omena ao amin’ny 1 Tesaloniana 4. 14-18) ; ny dingana faharoa amin’io fiverenana io dia ny hisehoany am-boninahitra etỳ an-tany, mba hampihatra ireo fitsarana mampivarahontsana (Apokalypsy 19. 11-21) sy hametraka ny fanjakàny. Ny andinin-tSoratra Masina manambara ny fiavian’ny Tompo fanindroany dia manoritra, indraindray ny lafiny fanantenana tsara ananan’ny mpino izay miandry ny Tompo mba horaisiny ho eo akaikiny, indraindray ny voninahiny amin’ny fisehoany hanatanteraka ny fitsarana sy hametraka ny fanjakàny.
Ny Jaona 14. 1-3 dia manome antsika sasantsasany amin’ireo teny farany fampaherezana sy fampirisihana nataon’ny Tompo tamin’ireo mpianany, izay very hevitra sy nalahelo, talohan’ny hanatanterahany ny fanoloran-tenany teo amin’ny hazofijaliana :
“Aza malahelo ny fonareo ; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.”
Eto ny Tompo dia mampiasa teny mitovy tanteraka, momba ny fiverenany sy ny fandehanany. Ity farany ity, araka ny efa fantatsika, dia Izy tenany mihitsy ary tamin’ny vatany. Tsy azo atao ny milaza fa ny fiverenany dia tsy ho Izy tenany sady ho “ara-panahy”, satria amin’ny ankapobeny dia tsy azo atao ny tsoakevitra an-keriny avy amina soratra mampiasa fiteny tsotra dia tsotra, raha tsy hoe voatery manao izany, satria misy andininy hafa tsy azo iadian-kevitra sy tsy azo lavina, ao amin’ny Soratra Masina. Ary tsy misy tsongandahatsoratra toy izany, momba ny lohahevitra dinihintsika.
Tsy navela hisalasala isika, momba io lohahevitra iankinan’ny aina io, na navela fotsiny amin’ireo tsoakevitra noforonin’ny saina, na dia manintona fatratra aza izy ireny.
Tamin’ny fotoana nahatakona tsy hitan’ny mpianany intsony ny Tompontsika, dia “nisy roa lahy teo anilany, niakanjo ankanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto, mijery ny lanitra, ianareo ? Iny Jesoa Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1. 10-11).
Mitovy amin’izany ihany ny voambaran’ny 1 Tesaloniana 4. 16-17 :
“Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy, ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4. 16, 17).
“Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy” (Titosy 2. 13). Momba io “fanantenana mahafinaritra” io, dia ampirisihina isika “hiambina” (Marka 13. 33, 35, 37 ; Matio 24. 42 ; 25. 13) ; “hiandry” (1 Tesaloniana 1. 10) ary “hiomana” (Matio 24. 44). Ny vavaka farany ao amin’ny Baiboly dia momba ny fiverenan’i Kristy haingana (Apokalypsy 22. 20).
“Ny fanjakàntsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietrentenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy” (Filipiana 3. 20-21).
“Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa mbola tsy naseho izay ho toetrantsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3. 2).
“Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asany” (Apokalypsy 22. 12).
Ireto andinin-tSoratra Masina ireto dia mampiseho amintsika mivelatra kokoa ny fahasamihafana misy amin’ireo fiavian’ny Tompontsika roa ireo. Ampitahao :
|
Fiaviana voalohany (efa lasa) |
Fiaviana faharoa (mbola ho avy) |
|
“Niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona ; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny” (Lioka 2. 7). |
“Amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona, avy amin-kery sy voninahitra lehibe, eo amin’ny rahon’ny lanitra” (Matio 24. 30). |
|
“Ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy, mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9. 26). |
“Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha, hitondra ny otan’ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena” (Hebreo 9. 28). |
|
“Efa “Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao, hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jaona 3. 17). |
“… ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, raha hiseho Jesoa Tompo, avy any an-danitra, mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Tompontsika” (2 Tesaloniana 1. 7-8). |
|
“Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho
tsy mitsara azy ; fa tsy |
“Satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asa 17. 31). |
Ho azo tanisaina mila tsy hisy fiafaràny izany fahasamihafana izany. Efa maro nefa ny porofo nomena, mba hampisehoana fa ny teny fikasana natao tamin’i Israely sy ny Eglizy dia mitaky tsy misy fepetra ny fiverenan’ny Tompontsika, amin’ny hoavy.
Ny fiavian’ny Tompo fanindroany dia ho fiavian’Izy tenany mihitsy sy amin’ny vatany, araka ny asehon’ireo tsongandahatsoratra maro ao amin’ny Soratra Masina. Noho izany, io fiaviana io dia tsy milaza ny fahafatesan’ny mpino, tsy akory, na ny nanapotehana an’i Jerosalema, na ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pentekosta, na ny fampielezana tsikelikely ny fivavahana kristiana, fa ilay “fanantenana mahafinaritra” ananan’ny Eglizy, izany hoe ilay fotoana hananganana amin’ny maty ireo olona masina izay “mandry”, sy handehanan’izy ireo hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, miaraka amin’ireo olona masina mbola velona izay “hovàna” (1 Korintianina 15. 51-52). Amin’izay fotoana izay, ireo izay zanak’Andriamanitra ankehitriny dia hitovy Aminy, ary ireo olona masina izay hita fa nahatoky dia homena valisoa, noho ireo asan’ny finoana nataony noho ny Anarany, rehefa avy voavonjy.
Heverinay fa ilaina ny mandinika fohifohy ireo rijan-kevitra maro lazaina etsy sy eroa, manohitra ny foto-pampianarana araka ny Soratra Masina momba ny fiavian’i Kristy Izy tenany mihitsy sy amin’ny vatany, na ny fiaviana faharoa : izany no ndeha hataontsika izao.
Mazava ho azy fa ireo tsongandahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina, milaza ny fisehoany hita maso sy amin’ny vatany, amin’ny fiafaràn’ity vanimpotoampitondrana ity, dia tsy maintsy avahana amin’ireo izay milaza ny toetrany maha-Andriamanitra Azy, mahatonga Azy hahalala ny zavatra rehetra sy hanerana mandrakariva ny toerana rehetra ; Matio 18. 20 sy 28. 20 dia ohatra amin’izany tsongandahatsoratra izany.
Fahamarinana feno fitahiana tokoa, amin’izay lafiny izay, ny maha eo mandrakariva ny Tompo, miaraka amintsika “ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (= ny fiafaràn’izao vanimpotoampitondrana misy antsika izao). KRISTY JESOA OLONA, nefa, dia eo ankavanan’Andriamanitra, amin’izao fotoana izao, Izy tenany mihitsy ary amin’ny vatany, araka ny ilazan’ny Asa 1. 9-11 azy mazava tsara :
“Ary rehefa nilaza izany Jesoa, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo ; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo, tamin’ny nandehanan’i Jesoa, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto, mijery ny lanitra, ianareo ? Iny Jesoa Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1. 9-11).
“Fa Stefana, fenon’ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, dia nanao hoe : Indro, hitako ny lanitra misokatra, ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra” (Asa 7. 55-56).
“Ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy (ny Zanaka), dia nipetraka teo amin’ny tanana ankavanan’ny Lehibe, any amin’ny avo” (Hebreo 1. 3).
“Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra” (Kolosiana 3. 1).
Misy kisarisary tsy dia lavorary loatra, nefa mety hahazoana bebe kokoa hoe nahoana ny Tompo no aseho sady eo afovoan’ny Olony no mipetraka any an-danitra eo ankavanan’Andriamanitra, ka avy eo amin’io toerana io no hiaviany Izy tenany mihitsy : Mandritra ny ady, ny foibem-pitondrana miaramila dia manatrika isaky ny vava ady, amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, na dia any amin’ ny foiben-toerany irery aza no ahitana azy ireo ara-batana. Tahaka izany ny Tompontsika, noho ireo toetra maha-Andriamanitra Azy, dia tena miaraka tokoa amin’ny Egliziny ankehitriny, nefa ho hita Izy tenany sy amin’ny vatany etỳ an-tany, mandritra ny fahatongavany faharoa.
Ny faminaniana mikasika ny fiverenan’ny Tompo dia tsy tanteraka tamin’ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pentekosta, tsy akory, na tamin’ny fisehoany nandritra ireo fifohazam-panahy lehibe na ireo fivoriam-bavaka feno fitahiana.
· Ny fandraisana ny Teny araka ireo tranga notanisaina ireo, dia azo ambara ho fanafoanana ny foto-pampianarany momba ny Telo Izay Iray —satria ny Fanahy Masina, eo, dia raisina ho toy ny fisehoan’i Kristy tsotra ihany.
· Ao amin’ny teny fikasàn’i Kristy momba ny handefasany ny Fanahy Masina, dia lazainy io Fanahy io hoe “Mpananatra HAFA” (Jaona 14. 16) ; ary ao amin’ny Jaona 16. 7 dia hoy i Kristy : “Raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra ; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.”
· Ireo mpanoratra notsindrin’ny Fanahy Masina, nanoratra ny Asan’ny Apostoly sy ny epistily ary ny Apokalypsy, dia manamarika ny fiverenan’ny Tompo mihoatra ny in-150, aorian’ny Pentekosta, ary milaza izany mandrakariva ho toy ny mbola ho avy.
· Tsy nisy niseho tamin’ny Pentekosta ireo tranga voalaza mialoha fa tsy maintsy hiaraka amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany : na ny fananganana amin’ny maty ireo olona masina nodimandry (1 Korintiana 15. 22-23 ; 1 Tesaloniana 4. 13-16), na ny “fanovàna” ireo mpino mbola velona amin’izay fotoana izay, izay “hitafy ny tsy fahalòvana” (ny tenany “mety lo” dia hovàna “hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” ary hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka — 1 Korintianina 15. 51-53 ; 1 Tesaloniana 4. 17 ; Filipiana 3. 20-21), na ny fitomanian’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, rehefa hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe (Matio 24. 29-30 ; Apokalypsy 1. 7).
Ireo dia tranga hiaraka amin’ny fiverenan’ny Tompontsika, hiseho rehefa ho avy Izy. Tsy nisy niseho ireo, na tamin’ny Pentekosta na tamin’ny fisehoan’ny Fanahy Masina.
Fisainan-jaza loatra ny maneho izany rijan-kevitra izany ho toy ny fanazavana matotra ireo teny faminaniana, izay maro dia maro tokoa sady milaza amin’ny antsipiriany ny tranga manodidina ny fiavian’ny Tompo :
· Araka ny Soratra Masina, dia ny mifanohitra amin’izany no izy. Ny fiovàm-po dia ny fanatonan’ ny mpanota iray an’i Kristy, fa tsy ny fiavian’i Kristy ho an’ny mpanota iray (Matio 11. 28 ; Jaona 5. 40 ; Jaona 7. 37 ; Jaona 6. 37).
· Tsy misy iray amin’ireo tranga nolazaina teo ambony ireo, izay tsy maintsy hiseho amin’ny fiverenan’ny Tompo, no miaraka amin’ny fiovàm-pon’ny mpanota iray.
· Nony azon’ny mpianatra fa nilaza ny Tompo hoe hitoetra mandra-piaviny ny iray amin’izy ireo, dia niely tamin’ny rahalahy ny teny hoe “tsy ho faty izany mpianatra izany” (Jaona 21. 22-24).
· Ireo mpanoratra
masina dia miresaka mandrakariva ny fahafatesan’ny mpino ho toy ny fandehanany. Na aiza na aiza, ny
fiverenan’ny Tompo dia tsy ampifandraisina amin’ny fahafatesan’ ny
kristiana iray (jereo Filipiana 1. 23 ; 2 Timoty 4. 6 ; 2 Korintiana
5. 8). Stefana, rehefa ho faty, dia nahita ny lanitra nisokatra ary ny
Zanak’olona —tsy
· Tsy misy iray amin’ireo tranga nolazaina mialoha, izay tsy maintsy hiseho amin’ny fiverenan’ny Tompo, no miaraka amin’ny fahafatesan’ny kristiana iray.
Satria tokoa :
· Tranga telo no voalaza mialoha ao amin’ny Matio 24 sy Lioka 21. 20-24 : ny fanapotehana ny tempoly, ny fiavian’ny Tompo, ary ny fiafaràn’izao fotoana izao, na izao vaninandro izao (jereo Matio 24. 3). Ny fampifangaroana, tsy ilaina akory, an’ireo tranga ireo, na dia samy hafa tanteraka aza izy ireo, no nampipoitra io hevitra io, hoe ny fahatanterahan’ny iray dia fahatanterahan’izy rehetra.
· Ny apostoly Jaona dia nanoratra ny Apokalypsy taorian’ny nahapotehana an’i Jerosalema, nefa rehefa milaza ny fiavian’ny Tompo izy, dia milaza izany ho toy ny tranga ho avy (Apokalypsy 1. 4, 7 ; 2. 25 ; 3. 11 ; 22.7, 12, 20). Ny teny fikasana farany ao amin’ny Baiboly dia : “Indro, avy faingana Aho.” ; ny vavaka farany : “Avia, Jesoa Tompo.”
· Tsy misy iray amin’ireo tranga nolazaina mialoha, izay tsy maintsy hiseho amin’ny fiverenan’ny Tompo, no niseho tamin’ny nanapotehana an’i Jerosalema (jereo 1 Tesaloniana 4. 14-17 ; Matio 24.29, 31 ; Matio 25.31-32 sns.).
Satria tokoa :
Ny fanapariahana ny fivavahana kristiana dia miandalana, nefa ny Soratra Masina dia milaza amintsika fa ny fiverenan’ny Tompo dia tampoka sy tsy ampoizina (Matio 24. 27, 36-42, 44, 50 ; 2 Petera 3. 10 ; Apokalypsy 3. 3).
· Ny fanapariahana ny fivavahana kristiana dia zava-misy mifanarakaraka, na fandroson-javatra. Ny Soratra Masina dia miresaka ny fiverenan’ny Tompo mandrakariva ho toy ny tranga tokana.
· Ny fanapariahana ny fivavahana kristiana dia mitondra famonjena ho an’ireo olon-dratsy ; voalaza kosa fa ny fiavian’i Kristy dia hitondra, tsy famonjena tsy akory, fa “fandringanana tampoka” (1 Tesaloniana 5. 2-3 ; 2 Tesaloniana 1. 7-10 ; Matio 25. 31-46).
Misy milaza indraindray fa io fiaviana fanindroany io dia tsy hitranga alohan’ny hiovan’izao tontolo izao fo, vokatry ny fitoriana ny Filazantsara, sy ny hanekeny ny fanjakana ara-panahin’i Kristy mandritra ny arivo taona.
Diso tanteraka io tsangan-kevitra io, satria :
· Ny Soratra Masina dia milaza mazava ny toetran’ny tany amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany —tsy hoe misitraka ireo fitahian’ny fanjakana arivo taona, fa toy ny tena feno faharatsiana tokoa (Lioka 17. 26-32 miaraka amin’ny Genesisy 6. 5-7 sy Genesisy 13. 13 ; Lioka 18. 8 ; Lioka 21. 25-27).
· Ny Soratra Masina milaza ny fizotran’io vanimpotoampitondrana io, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia mampiasa voambolana manilika tanteraka izay rehetra mety ho fisiana tontolo niova fo (Matio 13. 36-43, 47-50 ; Matio 25. 1-10 ; 1 Timoty 4. 1 ; 2 Timoty 3. 1-9 ; 4. 3, 4 ; 2 Petera 3. 3-4 ; Joda 17-19).
· Ny lamin’Andriamanitra amin’ity vanimpotoampitondrana ity dia aseho ho mikendry, tsy ny fiovàm-pon’izao tontolo izao, tsy akory, fa ny “hanalany olona aminy, hankalazana ny Anarany”. Aorian’izany dia “hiverina” Izy, ary amin’izay fotoana izay ihany, fa tsy aloha tsy akory, vao hiova fo izao tontolo izao. Jereo Asa 15. 14-17 ; Matio 24. 14 (“ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”) ; Romana 1. 5 (“any” fa tsy “amin’ny” firenena rehetra) ; Romana 11. 14 (“ny sasany” fa tsy “izy rehetra”) ; 1 Korintiana 9. 22 ; Apokalypsy 5. 9 (“avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra”, fa tsy “ny fokom-pirenena rehetra”).
· Tsy ho vita ny “hiambina” sy “hiandry” tranga iray izay fantatsika fa tsy hiseho alohan’ny arivo taona.
Araka ny Soratra Masina, dia mazava sy azo antoka fa hitsangana daholo ny maty. Tsy misy foto-pampianarana ny finoana, mifototra amin’ny fahefa-na tsongandahatsoratra maro toy izany. Foto-pampianarana iankinan’ny aina io, ho an’ny tontolo kristiana : “Raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana ; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (1 Korintiana 15. 13-14).
Ny Soratra Masina dia tsy mampianatra hoe tsy misy afa-tsy fitsanganana amin’ny maty tokana, ho an’ny rehetra, amina fotoana iray. Efa nisy tokoa, mantsy, fitsangananaa olona masina sasantsasany tamin’ny maty : “Nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ny olona masina izay efa nodimandry no natsangana, ka nivoaka avy tao amin’ny fasana ireo, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa, dia nankao amin’ny Tanàna Masina ka niseho tamin’ny maro” (Matio 27. 53).
Mbola hisy fitsanganana amin’ny maty roa ; tsy mitovy ny fotoana hisiany na ny olona hiantefany. Anisan’ny iantsoana izany ny hoe : “fitsanganana ho fiainana” sy “fitsanganana ho fahamelohana”, na : “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”, “fitsanganana voalohany”, “fitsanganana avy amin’ ny maty”, “fitsanganan’ny maty”, sns.
Ireto avy ny andinin-tSoratra Masina momba izany lohahevitra izany :
“Avy ny andro [amin’ny teny grika : ora] izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony [feon’ny Zanak’olona] ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5. 28-29).
Ny voambolana hoe “andro” [amin’ny teny grika : ora], ve, midika fa hisy fitsanganana amin’ny maty miaraka, ho an’ireo karazan’olona roa ireo ? Tsia, satria ilay “andro” ao amin’ny andininy 25 dia efa nitohy nandritra ny 1900 taona (jereo koa “andro” ao amin’ny 2 Petera 3. 8 ; 2 Korintiana 6. 2 ; Jaona 8. 56).
“Raha manao fanasàna ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba ; dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo ; fa hovaliana kosa ianao, amin’ny fitsanganan’ny marina” (Lioka 14. 13-14).
“Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama, no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy : Kristy no santatra ; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy, amin’ny fiaviany” (1 Korintiana 15. 22-23).
“Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany, izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesoa sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesoa, hiaraka Aminy. Fa izao no lazainay aminareo, amin’ny tenin’ny Tompo : isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-piavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay nodimandry, tsy akory. Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha” (1 Tesaloniana 4. 13-16).
Io “fitsanganana ho fiainana”, “fitsanganan’ny marina”, “fitsanganan’ny maty ao amin’i Kristy” io, no resahin’i Paoly ao amin’ny Filipiana 3. 11 : “Raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ ny maty”. Tsy voalaza hoe “fitsanganan’ny maty”. Raha toa fitsanganan’ny maty no noresahina, dia midika izany fa hisy fitsanganan’ny maty rehetra, miaraka. “Amin’ny maty” dia tsy maintsy midika fa misy fanavahana, izany hoe ampahan’ny “maty” mijanona. Raha toa ny apostoly nieritreritra fitsanganan’ny maty rehetra, ahoana moa izy no ho afaka hilaza hoe “raha mba misy”, satria tsy ho afaka hiala amin’izany izy tsinona ?
Ao amin’ny Apokalypsy 20. 4-6, dia mbola resahina miaraka indray ireo fitsanganana amin’ny maty roa ireo, fa nampiana hevi-dehibe kosa, dia ny fotoana handalo anelanelan’ny fitsanganan’ireo izay voavonjy sy ny fitsanganan’ireo izay tsy voavonjy.
“Nahita sezafiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy ; ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesoa sy ny tenin’Andriamanitra, sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibidia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tànany ; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona. Fa ny sisa amin’ny maty dia mbola tsy velona, mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany ; ireo, tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’ Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy arivo taona” (Apokalypsy 20. 4-6).
Ny andininy faha 12 sy 13 ao amin’ny Apokalypsy 20 no milaza ny fitsanganana amin’ny maty faharoa, dia ny “fitsanganana ho fahamelohana”.
“Nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary novelarina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita namoaka ny maty tao aminy ; dia samy notsaraina araka ny asany izy” (Apokalypsy 20. 12-13).
Vavolombelona ny Soratra Masina, milaza mazava tsara fa ny vatan’ny mpino dia hatsangana amin’ny maty, havahana amin’ny vatan’ny tsy mpino, ary hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka izy ireo, arivo taona alohan’ny fananganana amin’ny maty ireto farany.
Tsy maintsy hazonina mafy fa ny foto-pampianarana momba ny fitsanganana
amin’ny maty dia mikasika ny vatan’ireo
izay maty. Ny fanahy niala tamin’ny vatana dia
Ny fiteny hoe “fitsarana faobe”, izay hita matetika loatra ao amin’ireo asasoratra ara-pivavahana, dia tsy ao amin’ny Soratra Masina ; ary, manoatra noho izany aza, ny hevitra tiana hampitaina amin’ izany voambolana izany koa, dia tsy hita ao. Toy izany koa, lazaina ny momba ny “fitsarana farany”, ary i Marta dia nilaza tamin’ny fomba manjavozavo sy tamin’ny ankapobeny momba “ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany” (Jaona 11. 24).
Fahazaran-dratsy tena mampalahelo eo amin’ny tontolo kristiana, ny miresaka ny Fitsarana toy ny tranga lehibe ho avy amin’ny fiafaràn’izao tontolo izao, hisehoan’ny olona rehetra, ny olona masina, ny mpanota, ny Jiosy sy ny Jentilisa, ny velona sy ny maty, eo anoloan’ny “Sezafiandrianana Fotsy Lehibe”, mba hotsaraina. Lavitra indrindra ny fampianaran’ny Soratra Masina izany.
Ny Soratra Masina dia manambara fitsarana dimy, azo sokajiana ho antoko efatra, miavaka noho :
· ny olona hiantefan’ny fitsarana
· ny toerana hanaovana ny fitsarana
· ny fotoana hanaovana ny fitsarana
· ny vokatry ny fitsarana.
Ireo fahotany dia efa voatsara.
Fotoana : Taona 30.
Toerana : Ny hazofijaliana.
Vokany : Ny fahafatesana, ho an’i Kristy ; ny fanamarinana, ho an’ny mpino.
“Ary Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana” (Jaona 19. 17-18).
“Ary IZY nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2. 24).
“Fa Kristy koa, aza, efa nijaly
indray mandeha noho ny ota, ny
“Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria
“[Kristy] Izay tsy nahalala ota dia efa nataony [Andriamanitra] ota, hamonjy antsika, mba ho
“Ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy, mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9. 26).
“Efa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy” (Hebreo 1. 3).
“Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 8. 1).
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5. 24).
Io voambolana “hohelohina” io ihany no adika amin’ny hoe “fitsarana”, ao amin’ny Matio 10. 15 sy Hebreo 9. 27 ary 2 Petera 2.4. Voambolana hafa tanteraka kosa no ampiasaina ao amin’ny 2 Korintiana 5. 10, izay mikasika ny fampiharihariana ny asantsika, amin’ny maha mpino antsika.
Fotoana : Tsy voafetra.
Toerana : Na aiza na aiza.
Vokany : Faizin’ny Tompo isika, raha tsy mandini-tena.
“Raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina. Fa raha tsaraina isika, dia faizin’ ny Tompo, mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao” (1 Korintiana 11. 31-32).
“Famaizana no anton’ny iaretanareo ; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka ; fa aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy ?” (Hebreo 12. 7).
Jereo koa : 1 Petera 4. 17 ; 1 Korintiana 5. 5 ; 2 Samoela 7. 14-15 ; 2 Samoela 12. 13-14 ; 1 Timoty 1. 20.
Fotoana : Rehefa tafaverina i Kristy.
Toerana : Rehefa
Vokany, ho an’ny mpino : “Valisoa” na “fatiantoka” — “fa ny tenany kosa dia hovonjena”.
Hevitra manetriketrika tokoa ny hoe, na dia nentin’i Kristy tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo aza ny fahotantsika, ary manome toky Andriamanitra fa tsy hotsarovany intsony izany (Hebreo 10. 17), ny asa tsirairay dia tsy maintsy hoentina eo amin’ny mazava sy hampiharihariana ary handray ny sahaza azy. Tsy maintsy dinihin’ny Tompo ny fiainan’ny mpino, ny asany.
“Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra. Fa isika rehetra dia tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaràn’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy” (2 Korintiana 5. 9-10).
“Nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao ? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao ? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaràn’Andriamanitra isika rehetra” (Romana 14. 10).
Marihina tsara, fa ao amin’ireo andininy roa ireo, tsy sarahina amin’ny teny manodidina azy, ny fisehoana eo amin’ny fitsarana dia ferana ho an’ny mpino. Ao amin’ny voalohany, dia ambaran’ny Apostoly fa isika dia ao amin’ity vatana ity, ka lavitra ny Tompo (ara-batana), na efa niala tamin’ity vatana ity, ka eo anilan’ny Tompo : tsy ho hay ampiasaina momba ny tsy mpino izany fiteny izany. “Koa dia ataontsika ho voninahitsika” ny mba hankasitrahany antsika, … “fa isika rehetra dia tsy maintsy ho hita toetra miharihary”, sns. (2 Korintiana 5. 9-10).
Ao amin’ilay andininy faharoa (Romana 14. 10-11), ny voambolana hoe “ianao” sy “rahalahinao” dia mampiseho koa fa ferana ho an’ny mpino io andininy io. Tsy afangaron’ny Fanahy Masina mihitsy ny olona voavonjy sy ny tsy voavonjy. Ny filazana fa hiseho eo amin’ny fitsaràn’i Kristy ny mpino, dia tsy mifanohitra velively amin’ny voalazan’ny Jaona 5. 24, izay manambara fa tsy hotsaraina ireo mino an’i Jesoa. Ny hatao eo anoloan’io fitsarana io, dia ny hampiharihary ny zavatra lasa rehetra sy hanome ny valin’izany. Mitanisa tsongandahatsoratra ao amin’ny Isaia ny Apostoly, hanaporofoana fa “ny lohalika rehetra handohalika”, sns., ary ampiany hoe : “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.”
Ity tsongandahatsoratra manaraka ity dia manome antsika ny fototra hitsarana ny asa :
“Tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesoa Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra ; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ny afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy” (1 Korintiana 3. 11-15).
Ireto tsongandahatsoratra manaraka ireto dia milaza ny fotoana hisian’io fisehoana eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy io :
“Ho avy ny Zanak’olona, amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony” (Matio 16. 27).
“Dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo ; fa hovaliana kosa ianao, amin’ny fitsanganan’ny marina” (Lioka 14. 14). Jereo 1 Korintiana 15. 22-23.
“Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona, alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasàn’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra” (1 Korintiana 4. 5).
Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa, mba hitsinjovana izay fisehoana tsy ho azo ialàna sy izay fampiharihariana ireo asantsika mampalahelo sy tsy manao ahoana, dia mitarika antsika ny Tompo ankehitriny, noho ny fitiavany feno faharetana, ary miasa ao amintsika, mba hahitany, amin’ izay fotoana izay, zavatra ho azony iderana antsika.
“Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asany” (Apokalypsy 22. 12).
“Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy, amin’izay andro izay” (2 Timoty 4. 8).
Fotoana : ny fisehoan’i Kristy am-boninahitra (Matio 25. 31-32 ; Matio 13. 40-41).
Toerana : Lohasahan’i Josafata (Joela 4. 2 ; 4. 12-14).
Vokany : Ny sasany ho voavonjy, ny sasany ho very (Matio 25. 46).
Fototra : Ny fomba nitondrana
ireo antsoin’i Kristy hoe “rahalahiko” (Matio 25. 40, 45 ; Joela 4. 3, 6,
7).
Satria io fitsarana ny firenena velona io dia afangaro matetika amin’ny fitsarana eo amin’ilay “Sezafiandrianana Fotsy Lehibe” voalaza ao ain’ny Apokalypsy 20. 11, dia tsara ny manamarika ireto tranga mifanohitra ireto, eo amin’ireo fitsarana roa ireo :
|
Ny firenena velona |
Ny Sezafiandrianana Fotsy Lehibe |
|
Tsy misy fitsanganana amin’ny maty Ny firenena velona no tsaraina Eto an-tany Tsy misy boky Sokajy telo : ny ondry, ny osy, ny “rahalahy” Fotoana : rehefa miseho i Kristy. |
Misy fitsanganana amin’ny maty “Ny maty” no tsaraina Efa foana ny tany sy ny lanitra “Novelarina ny boky” Sokajy iray ihany : “ny maty” Aorian’ny Fanjakàn’i Kristy 1000 taona. |
Hiaraka amin’i Kristy ny olona masina, hanatanteraka io fitsarana io ; ka noho izany, dia tsy izy ireo no hiantefan’izany fitsarana izany. Ampitahao 1 Korintiana 5. 2 sy Daniela 7. 22 ary Joda 14-15.
Raha ny marina, ny fitsarana eo amin’ny Sezafiandrianana Fotsy Lehibe sy ny fitsarana ny firenena, dia tsy misy ifandraisana afa-tsy tokana ihany : ny Mpitsara.
Fotoana : Aorian’ny Fanjakana arivo taona (Asa 17. 31 ; Apokalypsy 20. 5, 7).
Toerana : Eo anoloan’ny “Sezafiandrianana Fotsy Lehibe” (Apokalypsy 20. 11).
Vokany : Apokalypsy 20. 14.
Mety hisy angamba ho lasa eritreritra amin’ny voambolana hoe “andro”, ampiasaina ao amin’ny Asa 17. 31 sy Romana 2. 16. Jereo ireto andininy manaraka ireto, izay ahitana fa ny hoe “andro” dia midika fotoana lavabe : 2 Petera 3. 8 ; 2 Korintiana 5. 2 ; Jaona 8. 56. Ny “ora” voalaza ao amin’ny Jaona 5. 25 dia efa nandritra ny mihoatra ny 2000 taona.
Ny Soratra Masina dia manambara koa fitsarana ny anjely (1 Korintiana 6. 3 ; Joda 6 ; 2 Petera 2. 4).
Ny voalaza ao amin’ny Lioka 22. 30 dia angamba mifandraika amina Mpitsara toy ny tamin’ny andro nanjakan’Andriamanitra tamin’ny Israely (talohan’i Saoly, mpanjaka voalohany) — andraikitra fampandehanan-draharaha fa tsy dia fitsarana. Jereo Isaia 1. 26.
Ny fanavahana hafa lehibe ataon’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny momba ny
Lalàna sy ny Fahasoavana. Ireo foto-kevitra roa ireo, izay tena mifanohitra
tanteraka, dia toetran’ireo vanimpotoampitondrana roa isan’ny lehibe
indrindra — ny vanim-potoana jiosy sy ny vanim-potoana kristiana : “Ny lalàna
dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana
kosa, dia
Mazava ho azy fa tsy midika izany, tsy akory, hoe tsy nisy lalàna talohan’i Mosesy, na tsy nisy fahasoavana sy fahamarinana talohan’i Jesoa Kristy. Ny fandraràna an’i Adama tsy hihinana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (Genesisy 2. 17), dia lalàna ; ary ny fahasoavana dia naseho tamim-pitiavana tokoa, raha nitady ireo voariny nanota Andriamanitra ka nanafy azy ireo fitafiana hoditra (Genesisy 3. 21) —kisarisary soa tokoa, mampiseho an’i Kristy “Izay natao … fahamarinana … ho antsika” (1 Korintiana 1. 30). Nisy hatrany ny lalàna, amin’ny heviny hoe fanambaràna iray momba ny sitrapon’Andriamanitra, sy ny fahasoavana, amin’ny heviny hoe fanambaràna iray momba ny famindràmpon’Andriamanitra ; ary marobe ny ohatra omen’ny Soratra Masina momba izany. Fa ny “lalàna” izay tena ambaran’ny Soratra Masina, dia ny lalàna nomen’i Mosesy ; manjaka sy mamaritra ny vanim-potoana nanomboka tao Sinay ka hatrany Kalvary izany. Toy izany koa, ny fahasoavana dia manjaka sy manoritra toetra manokana amin’ny vanimpotoampitondrana nanomboka teo Kalvary ; hifarana izany, amin’ny maha toetra mampiavaka azy, amin’ny fakàna ny Eglizy.
Zava-dehibe iankinan’ny aina ny mandinika fa tsy afangaron’ny Soratra Masina na oviana na oviana ireo foto-kevitra roa ireo, na inona na inona vanimpotoampitondrana misy. Ny lalàna dia manana ny toerany sy ny asany, izay tsy mitovy velively amin’ny an’ny fahasoavana. Ny lalàna, dia Andriamanitra mandrara sy mitaky. Ny fahasoavana, dia Andriamanitra mitady sy manome. Ny lalàna dia fanompoana manameloka ; ny fahasoavana, fanompoana mamela heloka. Ny lalàna dia manozona ; ny fahasoavana dia manafaka amin’io ozona io. Ny lalàna dia mamono ; ny fahasoavana, manome fiainana. Ny lalàna, manakombona ny vava rehetra eo anoloan’Andriamanitra ; ny fahasoavana, manokatra izany ho fiderana Azy. Ny lalàna dia mametraka elanelana lehibe eo amin’ny olona meloka sy Andriamanitra ; ny fahasoavana, mampanakaiky ny olona meloka amin’Andriamanitra. Ny lalàna, milaza hoe : “Maso solon’ny maso, nify solon’ny nify” ; ny fahasoavana manambara hoe : “Aza manohitra izay manisy ratsy anao ; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.” Ny lalàna milaza hoe : “Mankahalà ny fahavalonao” ; ny fahasoavana : “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.” Ny lalàna milaza hoe : “Ataovy, dia ho velona ianao” ; ny fahasoavana : “Minoa, dia ho velona ianao.” Ny lalàna dia tsy nanana iraka hanambara azy, na oviana na oviana ; ny fahasoavana dia tsy maintsy toriana amin’ny voary rehetra. Ny lalàna dia manameloka, na dia ny olona faran’izay tsara aza ; ny fahasoavana dia manamarina maimaimpoana, na ny olona faran’izay ratsy aza (Lioka 23. 43 ; Romana 5. 5 ; 1 Timoty 1. 15 ; 1 Korintiana 6. 9-11). Ny lalàna dia rafitra izahan-toetra ; ny fahasoavana, rafitra manome tombontsoa tsy mendrika ho azo. Ny lalàna dia mitora-bato ny vehivavy mijangajanga ; ny fahasoavana, milaza hoe : “Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.” Teo ambany lalàna, dia maty ho an’ny mpiandry ny ondry ; eo ambany fahasoavana, dia ny mpiandry no maty ho an’ny ondry.
Hatraiza hatraiza, dia asehon’ny Soratra Masina antsika fa mifanohitra tanteraka ny lalàna sy ny fahasoavana.
Ny fampifangaroana azy ireo, izay hita matetika tokoa amin’ny fampianarana ankehitriny, dia manova azy roa : very ny toetra mampitahotra ananan’ny lalàna, very koa ny maha-tombontsoa tsy mendrika ho azo ny fahasoavana.
Ny voambolana hoe “lalàna”, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia saika midika hatrany hoe ny lalàna nomen’i Mosesy (Romana 7. 23 ihany no miavaka, amin’izany) ; indraindray, dia ny lalàna manontolo no resahina (ny atao hoe lalàna môraly, na ny Didy folo, sy ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana : Romana 6. 14 ; Galatiana 2. 16 sy 3. 2), indraindray dia ny didy ihany (Romana 3. 19 sy 7. 7-12), ary indraindray kosa dia ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana fotsiny (Kolosiana 2. 14-17).
Ao amin’ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana, nefa, dia ahitana kisarisary mampitolagaga, ny sariohatra tsara dia tsara tokoa mampiseho ny Tena sy ny asan’ny Tompo Jesoa Kristy, amin’ ny maha Mpisorona sy Sorona Azy, indrindra ao amin’ny Tabernakely (Eksodosy 25 hatramin’ny 30), sy ny sorona ao amin’ny Levitikosy (Levitikosy 1 hatramin’ny 7), sariohatra izay hahatalanjona sy hankafizin’ny olona feno fanahy.
Toy izany koa ny fomba fiteny sasantsasany ao amin’ny Salamo, izay tsy ho azo hazavaina mihitsy, raha tsy takatra fa avy amin’ny “fanompoana nitondra fahafatesana …, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato” (2 Korintiana 3. 7) izy ireo, nefa dia manjary mazava tokoa rehefa ampifandraisintsika amin’i Kristy na ny olom-boavidy :
“Ny lalànan’i Jehovah no sitrany ; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina” (Salamo 1. 2).
“Aoka ho
“Endrey ny fitiavako ny lalànanao ! Fisaintsainako mandrakariva izany” (Salamo 119. 97).
Fahadisoana telo no nampikorontana ny Eglizy, momba ny tena fifandraisan’ny lalàna sy ny fahasoavana.
1. Ny baranahiny, na fandàvana izay rehetra mety ho fitsipi-piainana ho an’ny mpino (= antinomisme) ; izany dia fananterana hoe, satria voavonjy maimaimpoana noho ny fahasoavana ny mpino, ary tsy misy zavatra mendrika nataony, ho amin’izany, dia tsy takiana aminy ny hiaina fiainana masina.
“Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara, na inona na inona” (Titosy 1. 16).
“Misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana, sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesoa Kristy Tompontsika” (Joda 4).
2. Ny fanarahana fombafomba, na fifikirana amin’ny fombafomba fivavahana. Amin’ny endriny tany am-boalohany, izany dia nandidy ny mpino hitandrina ny didy ao amin’ny Levitikosy.
“Ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia, nampianatra ny rahalahy hoe : Raha tsy forana araka ny fanaon’i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena” (Asa 15. 1).
Ny endrika isehoan’io fahadisoana io, amin’izao vaninandro ankehitriny izao, dia ny fampianarana fa tena ilaina ny fanatontosana ny sakramenta, mba hahazoana famonjena.
3. Ny fahadisoan’ny Galatiana, na fampifangaroana ny lalàna sy ny fahasoavana. Izany dia mampianatra fa ny fanamarinana dia azo, amin’ny ampahany noho ny fahasoavana, ary amin’ny ampahany noho ny lalàna ; na, raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia hoe ny fahasoavana dia ilaina, hahatonga ny mpanota ho afaka hitandrina ny lalàna.
Io fahadisoana io no miely indrindra, ary mba hanoherana azy, Andriamanitra dia namaly ao amin’ny epistily ho an’ny Galatiana, tamin’ny fampitandremana manetriketrika sy ny lojika tsy azo iadian-kevitra ary ny fanambaràna mampiorina.
“Izao ihany no tiako holazainareo amiko : Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana ? Adala toy izany va ianareo ? Rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ny nofo va ankehitriny ?” (Galatiana 3. 2-3).
“Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo, hiala amin’Izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’i Kristy, ho amin’ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory ; fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo, ka ta hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy” (Galatiana 1. 6-8).
Izao manaraka izao dia hahitantsika fanazavana fohifohy momba ny fampianaran’ny Soratra Masina mikasika io lohahevitra lehibe io. Ao amin’ireo andininy tanisaina, dia ny lalàna môraly no tena ambara.
“Masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara” (Romana 7. 12).
“Fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna ; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota” (Romana 7. 14).
“Mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra aho, araka ny toetra anaty” (Romana 7. 22).
“Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay
“Ny lalàna, tsy araka ny finoana” (Galatiana 3. 12).
“Inona àry no holazaintsika ? Ota va ny lalàna ? Sanatria izany ! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe : ‘Aza mitsiriritra’ ” (Romana 7. 7 ; jereo koa 7. 13).
“Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna, eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20).
“Inona àry ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy” (Galatiana 3. 19).
“Fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra izao tontolo izao” (Romana 3. 19).
(Fomba iray ihany no fitenin’ny lalàna : “izay rehetra lazaina”. Tsy miteny izy raha tsy hanameloka.)
“Izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana ; fa voasoratra hoe : ‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna’ ” (Galatiana 3. 10).
“Na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra” (Jakoba 2. 10).
“Raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato…” (2 Korintiana 3. 7).
“Ny fanompoana nitondra ny fanamelohana…” (2 Korintiana 3. 9).
“Izaho dia velona tsy manan-dalàna, fahiny ; fa rehefa
“Ny lalàna no herin’ny ota” (1 Korintiana 15. 56).
Ny tanjon’Andriamanitra, tamin’ny nanomezany ny lalàna ho an’ny zanak’olombelona, izay niaina tsy nisy izany nandritra ny 2500 taona (Jaona 1. 17 ; Galatiana 3. 17), dia, voalohany aloha, mba hampahafantatra ny olona ny fahotany, ary, manaraka izany, mba haneho aminy fa tsy afaka manao na inona na inona izy, manoloana ireo fitakiana marina ataon’Andriamanitra. Noho izany, ny lalàna dia tsy inona, tsy akory, fa fanompoana fanamelohana sy fahatesana.
“Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna, eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20).
“Nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia nino an’i Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna” (Galatiana 2. 16).
“Tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho ; fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy” (Galatiana 2. 21).
“Hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra ; fa ‘ny marina amin’ny finoana no ho velona’ ” (Galatiana 3. 11).
“Izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’Andriamanitra, tamin’izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo” (Romana 8. 3).
“Ao aminy (Jesosy) no anamarinana izay rehetra mino, ho afaka amin’ny heloka rehetra, izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy” (Asa 13. 39).
“Misy fahafoanana ny didy nialoha, noho ny halemeny sy ny tsy fanasoavany (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy koa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra” (Hebreo 7. 18-19).
Ny toko faha-6 amin’ny Romana dia manomboka amin’ny fametrahana ny foto-pampianarana momba ny fahitana ny mpino maty ao amin’i Kristy, ary ny batisa no marik’izany (6. 1-10) ; rehefa izany, dia soritany, manomboka eo amin’ny andininy faha-11, ny fitsipika tokony hanjaka eo amin’ny fizotran’ny mpino, ny fitsipi-piainany. Izany no velabelarina ao amin’ireo andininy roa ambin’ny folo farany ao amin’io toko io ; ny andininy faha-14 dia manome antsika ny foto-kevitra lehibe momba ny fanafahana ny mpino —fanafahana, tsy amin’ny fahamelohana noho ny ota (azo amin’ny alalan’ny ran’i Kristy io fanafahana io), fa amin’ny fanjakàn’ny ota, fanafahana amin’ny fanandevozan’ny ota.
“Ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana” (Romana 6. 14).
Nefa mba tsy ampiasàna izany, hahatongavana amin’ny baranahiny (= fandàvana izay rehetra mety ho fitsipika), izay manisi-kevitra hoe tsy misy dikany, izany, ny fiainana masina, dia mailaka ny Fanahy manampy hoe : “Ahoana àry ? Hanota va isika, saingy tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ ny fahasoavana ? Sanatria izany !” (Romana 6. 15). Mamaly an’izany tsy mihambahamba ny fo rehetra nateraka indray, hoe : Amen, amen.
Manaraka izany, ny toko faha-7 amin’ny Romana dia mampiditra lohahevitra iray momba ny fanafahana amin’ny lalàna :
“Amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna, noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ Andriamanitra. Fa fony tao amin’ny nofo isika, dia ny filàn’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika, hahavokatra ho amin’ny fahafatesana. Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny haelan-tsoratra” (Romana 7. 4-6 ; hita araka ny andininy faha-7, fa tsy miresaka ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana izany).
“Raha izaho, dia tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho” (Galatiana 2. 19).
“Fony mbola tsy
“Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay
“Izay milaza fa mitoetra ao aminy (Jesoa Kristy) izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 6).
“Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika, hamonjy ny rahalahy” (1 Jaona 3. 16).
“Ry malala, mananatra anareo aho : satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filàn’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny” (1 Petera 2. 11 ; jereo koa ny andininy 12-23).
“Noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetrentena rehetra sy ny fahalemempanahy, amin’ny faharipo mifandefitra amin’ny fitiavana” (Efesiana 4. 1-2).
“Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala ; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika” (Efesiana 5. 1-2).
“Maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” (Efesiana 5. 8).
“Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao” (Efesiana 5. 15-16).
“Hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo” (Galatiana 5. 16).
“Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo” (Jaona 13. 15).
“Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany” (Jaona 15. 10).
“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15. 12).
“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy” (Jaona 14. 21).
“Na inona na inona no angatahantsika, dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahina eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika” (1 Jaona 3. 22-23).
“Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah : Hataoko ao am-pony ny lalànako, sady hosoratako ao an-tsainy” (Hebreo 10. 16).
Ny fitiavan’ny reny dia ohatra tsara, anazavana io fitsipika io. Ny lalàna velona amin’ny tany rehetra dia mitaky ny hiahian’ny ray aman-dreny ny zanany, ary manasazy izay minia manao tsirambina izany. Kanefa ny tany dia feno reny sambatra, izay mikarakara ny zanany am-pitiavana, na dia tsy mahafantatra ny fisian’io lalàna io akory aza. Ao am-pony ny lalàna.
Momba izany, dia tsara raha tsahivina ny toerana nomen’Andriamanitra ny takela-dalàna, izay nataony tao anaty fiara fanekena. Niaraka tamin’izany “ny vilany volamena, izay nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka” (kisarisary mampiseho, ny voalohany, an’i Kristy toy ny mofontsika any an-taniefitra, ny manaraka, ny fitsanganana amin’ny maty ; ary izy roa ireo samy miresaka ny fahasoavana) ; notakonan’ny rakotra fanavotana volamena, izay nandrarahana ny ra fanonerana, izy ireo, mba tsy ho hitan’ny maso. Ny mason’Andriamanitra dia tsy afaka hijery ny lalànany nodikaina, raha tsy amin’ny alalan’ny ra izay nahafa-po tanteraka ny fahamarinany sy nampitony ny hatezerany (Hebreo 9. 4-5).
Anjaran’ireo “mpanara-dalàna” ankehitriny ny nanala ireo takelaka masina sy marina, nefa “mitondra fahafatesana”, ireo, avy eo ambanin’ny rakotra fanavotana sy avy eo ambanin’ny ra fanonerana, mba hanangana izany ao amin’ireo fiangonana kristiana ho toy ny fitsipi-piainana kristiana.
“Rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindràmpo kosa, no namonjeny antsika” (Titosy 3. 4-5).
“Mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny harenan’ny fahasoavany, amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2. 7).
“Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5. 8).
“Fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).
“Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy” (Titosy 2. 11-13).
“Mba hohamarinina amin’ny
fahasoavany isika, ka ho
“Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany …, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 3. 24).
“Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana, ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao” (Romana 5. 2).
“Ankehitriny, izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo, eo amin’izay rehetra nohamasinina” (Asa 20. 32).
“Ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala. Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany” (Efesiana 1. 6-7).
“Aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindràmpo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).
Feno tokoa ny fahasoavana, ary misy ny zavatra rehetra ! Ny fahasoavana no mamonjy, mampiorina, mahatonga ho ekena, manavotra, mamela heloka ; manome lova izy, toerana tsy azo hozongozonina ; mamboatra sezafiandrianana izy, izay azontsika hatonina am-pahasahiana, mba hahazoana fahasoavana sy famindràmpo, mampianatra antsika ny fomba tokony hiainantsika izy, ary manome antsika fanantenana mahafinaritra !
“Raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa intsony ; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana” (Romana 11. 6).
“Ho an’izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana” (Romana 4. 4-5. Jereo koa Galatiana 3. 16-18 ; 4. 21-31).
“Amin’izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo” (Galatiana 4. 31).
“Ianareo tsy mby eo amin’izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin’ny fahamaintisana sy ny haizina sy ny tafio-drivotra sy ny fanenon’ny trompetra ary ny feon’ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy ; fa tsy tohany ilay nandidiana hoe : ‘Ary raha misy biby aza, mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany’ ; ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy : ‘Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho.’ Fa ianareo kosa, efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina, amin’ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ny fanahin’ny olona marina izay efa natao tanteraka, sy amin’i Jesoa, Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary amin’ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’i Abela” (Hebreo 12. 18-24).
Izay nolazain’Andriamanitra avy teny an-tendrombohitra Sinay, izany, dia tsy natao velively hotsinjaraina ho “lalàna môraly”, an-daniny, sy “lalàna momba ny fombafomba fivavahana”, ankilany. Tsy manakaiky izany tendrombohitra izany mihitsy ny mpino.
Araka ny filazan’ny zokiolona Bunyan : “Amin’ny alalan’ny finoana ny
Raha toa tsy mpino no sendra mamaky izao asasoratra izao, dia ampirisihinay am-pitiavana izy, handinika ny toerana misy azy, amin’ity didim-pitsarana masina sy marina nodikainy ity : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 23). Ao amin’i Kristy no hahitany famonjena tanteraka sy mandrakizay, araka ny voasoratra hoe : “Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10. 9) ;
“Kristy no faran’ny lalàna, ho fahamarinana, ho an’izay rehetra mino” (Romana 10. 4, 8-9).
Ny Soratra Masina dia mampianatra fa ny olona tsirairay izay nohavaozina dia manana toetra roa : ny iray, izay nolovaina avy tamin’ny fahaterahana ara-boajanahary, dia tena ratsy tokoa ary tsy misy fanafany ; ny iray kosa, ilay toetra vaovao, dia avy amin’ny fahateraham-baovao sy Andriamanitra mihitsy, ary tena tsara tanteraka.
Ireto tsongandahatsoratra ireto dia ampy anehoana izay fihevitr’Andriamanitra momba ny toetra tranainy, na ny toetra avy tamin’i Adama :
“Tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko” (Salamo 51. 5).
“Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ?” (Jeremia 17. 9).
“Tsy misy marina, na dia iray akory aza ; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3. 10-12).
Tsy milaza Andriamanitra, hoe ny olona tsy nohavaozina dia tsy miavaka na oviana na oviana, na tsy manam-pahalalana, na tsy mahay, na tsy malemy fanahy, na tsy mahay mizara, na tsy antra olona, na koa aza tsy mivavaka ; fa ny lazainy dia hoe tsy misy na iray aza, olona marina, tsy misy na iray aza, manana faharanitan-tsaina raha ny amin’Andriamanitra na mitady Azy.
Anisan’ny fizahàn-toetra ny finoana faran’izay mampaharary tokoa ny fanekena ny fomba fijerin’Andriamanitra ny toetran’ny olombelona ; ny manaiky fa ireo namantsika, na toy inona na toy inona toetrany tsara ara-panahy sy hajany, matetika mitandrina mafy ny hahatanteraka ny adidiny, feno fiantrana amin’ny voina manjo ny zanak’olombelona ary mira-miombona amin’ny fanirian’izy ireo, mpiaro mafana fo ny zon’olombelona —ireo rehetra ireo, nefa, dia manao tsinontsinona tanteraka ny zon’Andriamanitra, tsy miraika amin’ny sorona nataon’ny Zanany, mandà an-kitsirano aza ny maha-Andriamanitra Azy, ary manilika an’avonavona ny Teny. Ity ramatoa iray, izay tena miavaka sy avy amina fianakaviana mihaja, dia hihifika mahita ny toetra bontolo miahiahy ny tenin’ny olona toa azy, nefa isan’andro dia manao an’Andriamanitra ho mpandainga ! (1 Jaona 1. 10 ; 5. 10). Ary vao mainka miha-sarotra izany olana izany, satria avy eny ambony polipitra kristiana no amafazana mandrakariva dera lavareny ho an’ny zanak’olombelona.
Manaitra tokoa ny fifanoherana teo amin’ny toe-javatra hita maso ivelany sy ny tena zava-nisy, taloha kelin’ny Safodrano ! “Ny Nefilima, nitoetra tambonin’ny tany, tamin’izany andro izany sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andrimanitra ka niterahany ; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza” (Genesisy 6. 4). Teo imason’ny olona, dia toa nivoatra lalandava izao tontolo izao, ary ny vokatra hita maso nentin’ny fanambadiana tsy araka an’Andriamanitra nataon’ny zanany tamin’ny zanakavavin’ny olona, fanambadiana eo amin’ ny olona tia vavaka sy ny olon’izao tontolo izao, dia ny hitondra ny toetran’ny olombelona hisondrotra hatrany. Teo indrindra nefa no “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny andro” (Genesisy 6. 5).
Jereo koa :
“Avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoana olona, ny fakàm-badin’olona, ny fieremana, ny lolompo, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana : izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy” (Marka 7. 21-23).
“Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra ; fa fahadalana aminy izany, sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany” (1 Korintiana 2. 14).
“Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo ; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra” (Romana 8. 7-8).
“Teo amin’ireo [zanaky ny tsy fanarahana ireo] no nitondrantsika rehetra tena koa, fahiny, tamin’ny filàn’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina ; ary araka ny toetrantsika, dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika” (Efesiana 2. 3).
Ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia ahitantsika fa ny olona tsy niova fo dia misy takaitra telo sosona. Mety ho mahay izy, manam-pahalalana, maha-te ho tia, malala-tànana, na mivavaka. Mety handoa izay tokony haloany izy, azo itokisana, mazoto miasa, vady tsara sy ray tsara, na koa manana ireo toetra rehetra ireo miaraka ; nefa tsy afaka ny hahazo ny fihevitr’Andriamanitra izy, na hankatò Azy, na ho azony ankasitrahina.
Mifanohitra amin’izany kosa, ny mpino, na dia mbola manana ilay toetra tranainy tsy niova sady tsy hay ovaina aza, dia efa nandray “toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra, amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana, momba ny fahamarinana” (Efesiana 4. 24).
Ireto andininy manaraka ireo dia mampiseho ny fiavian’ny olom-baovao sy ny toetrany.
Ho hitantsika fa ny fanavaozana dia fahariana, fa tsy fanovàna tsotra fotsiny : fitondrana zava-baovao, fa tsy fanovàna zavatra tranainy. Toy ny nandraisantsika ny toetra maha olona, tamin’ny niterahana antsika, no andraisantsika ny ain’Andriamanitra, ananantsika anjara amin’ny toetran’Andriamanitra, amin’ny fahateraham-baovao.
“Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra” (Jaona 3. 3).
“Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho
“Ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra, amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa” (Galatiana 3. 26).
Marihina ny herin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo, manoloana ny fihevitra mamitaka sy toa mahafinaritra erỳ (nefa mifanohitra tanteraka amin’ny Soratra Masina, na dia mahazo vahana tokoa aza ankehitriny), milaza fa “Andriamanitra no rain’izao tontolo izao, ary mpirahalahy daholo ny olombelona rehetra” —fiteny izay vao mainka mampidi-doza, satria ny tapany faharoa dia mifono hevitra marina amin’ny antsasany. Tsy ireo rehetra teraka, tsy akory, no zanak’Andriamanitra, fa ireo izay nateraka indray.
“Mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra, amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana, momba ny fahamarinana” (Efesiana 4. 24).
“Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy : efa lasa ny
zavatra taloha ; indreo, efa
Ary io “olom-baovao” io dia mifamatotra amin’i Kristy :
“Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20).
“Izay efa tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zava-niafina ity, any amin’ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” (Kolosiana 1. 27).
“Efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa, amin’ny voninahitra, ianareo” (Kolosiana 3. 3-4).
“Izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe
indrindra, mba ho
“Raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena, noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy, noho ny fahamarinana” (Romana 8. 10).
“Izao no fanambaràny : Fianana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana” (1 Jaona 5. 11-12).
Io toetra vaovao avy amin’Andriamanitra io, nefa, dia miara-misy amin’ilay toetra tranainy ao amin’ ny mpino. Ilay Paoly, afaka niteny hoe : “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko”, no nilaza koa hoe : “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (Romana 7. 18) sy hoe :
“Koa hitako izao lalàna izao : raha ta hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy” (Romana 7. 21). Joba, izay “marina sy mahitsy”, dia lasa niteny hoe : “Koa dia miaiky (…) aho” (Joba 42. 6).
Misy ady eo amin’ireo toetra roa ireo. Diniho tsara ny ady misy eo amin’ireo “izaho” roa ireo, ao amin’ny Romana 7. 14-25. Io zavatra iainana io dia mampikorontan-tsaina sy maha-sanganehana ireo mpino vao niova fo. Rehefa mitony ny hafaliana voalohany tamin’ny fiovàm-po, dia toa nampangatsiahina ny fanantenàny : mikorontan-tsaina ilay mpino mbola tanora fanahy, mahita ao anatiny ny nofo miaraka amin’ireo fahazarany sy faniriany, toy ny tamin’ny talohan’ny niovany fo, ary lasa misalasala izy, hoe noraisin’Andriamanitra sa tsia. Tena zavatra mampiraviravy tanana sy loza mitatao io. Amin’izany fizahàn-toetra izany, dia mangataka amin’ny feo mahery ny fanafahana azy ny mpino, ary milaza fa “tenan’ity fahafatesana ity” ilay toetrany tranainy. Vao mainka mampitombo ny tebitebiny ny lalàna (na dia olona efa niova fo aza izy), ary ny ahitany ny fanafahana amin’ “ny nofo”, amin’ny herin’ny ota, dia tsy ny fanaovany ezaka, na ny fiadiany hitandrina ny lalàna, fa ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika (Romana 7. 24-25).
Ny fisian’ny nofo, nefa, dia tsy fialàn-tsiny handehanana araka ny nofo. Lazaina antsika fa “ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana” tamin’i Kristy, ary, noho izany, dia “efa maty” isika, ka tokony haneho izany amin’ny fiainana mandrakariva ny hoe “ny tenantsika dia ataovy ho efa maty” (Romana 6. 6, 11), amin’ny famonoana (“vonoy”) ny momba ny tenantsika etỳ an-tany (Kolosiana 3. 5-7).
Ny hery omena antsika ho amin’izany dia ny herin’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatin’ny mpino tsirairay (1 Korintiana 6. 19), ary ny asany feno fitahiana dia ny handresy ny nofo.
“Hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. Fa ny nofo, manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy, manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo” (Galatina 5. 16-17).
“Raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty ; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena, dia ho velona ianareo” (Romana 8. 13).
Koa aoka tsy ho ny herin’ny sitraponao, na fanapahan-kevitra tsara, no entinao manohitra ny filàn’ ilay toetra tranainy, fa ampiasao ny Fanahin’Andriamanitra, Izay mitoetra ao anatinao.
Tantarain’ny Romana 7 ny ady eo amin’ny olona nohavaozina sy ny “izaho” tranaininy (ny toetrany taloha) : noho izany io toko io dia mihatra mafy amin’ny tena manokana. “Izay sitrako”, “tsy ataoko”, “tsy sitrako”, “ataoko” : izany no fiaikem-paharesena mampalahelo, mamelovelo ao am-po-na kristiana maro. Ao amin’ny toko faha-8, dia tsy misy intsony ny adin-tsaina, satria fantatr’ilay mpino ny toerany, amin’ny maha-“olona ao amin’i Kristy” azy, fantany fa tsy melohina izy ny amin’io foto-kevitra miasa ao aminy io, dia “ny nofo” ; manomboka hatreo, dia eo amin’ “ny nofo” sy ny Fanahy Masina ny ady. Ilay “olona ao amin’i Kristy” dia miadana sy mpandresy.
(Mazava ho azy fa fandresena “ny nofo” no resahina eto, fandresena ireo filàna anaty hanao ratsy, toy ny fitsiriritana, ny avonavona, ny hatezerana, sns. (Jakoba 1. 13-15) ; ny fakàm-panahy ivelany (Jakoba 1. 2 ; Hebreo 2. 18) dia resena amin’ny fitadiavana vonjy amin’i Kristy, ilay Mpisoronabe lehibe, Mpisoronabentsika).
Diniho tsara ireto andininy manaraka ireto :
“Fantatsika fa ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy (Kristy), hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony” (Romana 6. 6).
“Isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ka tsy mitoky amin’ny nofo” (Filipiana 3. 3).
“Efa maty ianareo [izany hoe efa maty ao amin’i Kristy], ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra” (Kolosiana 3. 3).
“Aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 6. 11).
“Itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo, hahatanteraka ny filàny” (Romana 13. 14).
“Amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika —tsy amin’ny nofo, anefa, ka ho velona araka ny nofo” (Romana 8. 12).
Fanavahana iray faran’izay mavesa-danja, tokony hatao, hahazoana tsara ny
Soratra Masina, indrindra ny epistily, dia ny “toerana misy ny mpino”, sy ny “tena
toetra iainany”, na “ny fandehany”.
Ny toerana misy azy, dia vokatry ny asan’i Kristy ; lavorary izany, ary
tanteraka raha vao raisina amin’ ny finoana i Kristy. Tsy misy na inona na
inona, eo amin’ny fiainan’ny mpino aorian’izany, hanampy, na inona na inona,
amin’ny zony hankasitrahan’Andriamanitra azy na amin’ny fiarovana
Ireto andininy manaraka ireto dia mampiseho fohifohy hoe inona izany zo sy toerana izany :
“Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho
“Izay rehetra mino fa Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra” (1 Jaona 5. 1).
“Raha zanaka, dia mpandova ; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” (Romana 8. 17).
“Ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho any am-parany” (1 Petera 1. 4-5).
“Ao aminy (Kristy) koa no nanaovana antsika ho lovany” (Efesiana 1. 11).
“Ry malala, ankehitriny aza, dia zanak’Andriamanitra isika, nefa mbola tsy naseho izay toetrantsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3. 2).
“Ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina” (1 Petera 2. 9).
“Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy” (Apokalypsy 1. 5-6).
“Ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra” (Kolosiana 2. 10).
“Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana, ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra” (Romana 5. 1-2).
“Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 16).
“Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5. 13).
“Koa amin’izany, ry rahalahy, (…) manana fatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika, noho ny ran’i Jesoa” (Hebreo 10. 19).
“Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy, amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” (Efesiana 1. 3).
“Ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala” (Efesiana 1. 6).
“Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindràmpo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo) ; ary niara-natsangany isika, ka niara-napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2. 4-6).
“Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia nampanakeken’ny ran’i Kristy” (Efesiana 2. 13).
“… Ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana” (Efesiana 1. 13).
“Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra, ho tena iray (= ho vatana tokana)” (1 Korintiana 12. 13).
“Momba ny tenany isika” (Efesiana 5. 30).
“Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo… ?” (1 Korintiana 6. 19).
Ny isanisany amin’ireo zavatra tsara dia tsara ireo, dia marina ho an’ny rehetra mpino ny Tompo Jesoa Kristy. Tsy misy, na iray aza, amin’ireo zavatra voatanisa ireo, azo amin’ny vavaka, na amin’ny zoto hanompo, na amin’ny fandehanana any am-piangonana, na amin’ny fiantrana mety hatao, na amin’ny fandàvana ny tena, na amin’ny fiainana masina, na amin’ny asa soa inona na inona. Ireo rehetra ireo dia fanomezan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Kristy, amin’ny finoana, ary noho izany, dia samy manana izany ny mpino rehetra. Raha nino ny Tompo Jesoa Kristy ilay mpiandry ny fonja nanagadrana an’i Filipo, teo no ho eo izy dia lasa zanak’Andriamanitra, mpiara-mandova amin’i Kristy, mpanjaka sy mpisorona, ary nanana anjara tamin’ny lova tsy mety simba, tsy mety levona sy tsy misy loto. Raha vao nino tao am-pony izy, ary niaiky tamin’ny vavany, fa Jesoa no Tompo, dia nohamarinina tamin’ny zavatra rehetra, nanana fihavanana tamin’Andriamanitra, toeram-pahasoavana sy fanantenana azo antoka, ho amin’ny voninahitra. Nandray ny fanomezam-pahasoavana ho amin’ny fiainana mandrakizay izy ; nekena toy ny nanekena an’i Kristy ; notafiana ny Fanahy Masina, nasiany tombokase, ary tamin’ny alalany koa no nanaovam-batisa azy ho isan’ny vatan’i Kristy, izay tsy hita maso, dia ny Eglizin’Andriamanitra. Teo no ho eo ihany koa izy dia notafiana ny fahamarinan’Andriamanitra (Romana 3. 22), novelomina niaraka tamin’i Kristy, niara-natsangana taminy, ary niara-napetrany any an-danitra ao aminy.
Zavatra hafa tanteraka ny mahafantatra hoe inona no tena toetra niainan’io mpiandry fonja io ; azo antoka io toetra io fa ambany lavitra noho ny toerana avo misy azy eo imason’Andriamanitra. Tsy tampotampoka teo, tsy akory, izy dia lasa mpanjaka, mpisorona sy avy any an-danitra, tamin’ny fizotrany, toy ny nahatonga azy ho toy izany teo no ho eo, tamin’ny toerany.
Ireto andininy manaraka ireto dia mampiseho ny fomba hanavahana mandrakariva ireo zavatra roa ireo, ao amin’ny Soratra Masina (ny teny voatanisa mialoha dia mbola mahakasika ny Korintiana ihany, momba ny toerana misy azy, etsy andaniny, sy ny tena toetra iainany, etsy ankilany) :
|
Toerana eo imason’Andriamanitra |
Tena toetra iainana |
|
“Mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesoa, olona voantso sady masina... Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho, noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesoa, dia ny nampananana harena anareo ao aminy, amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, araka ny niorenan'ny filazana an’i Kristy teo aminareo, ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay hampiorina anareo koa, hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo, amin'ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika. Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo, hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesoa Kristy Tompontsika” (1 Korintiana 1. 2-9). |
“Efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan’i Kloa tamiko ny amin'ny toetranareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo” (1 Korintiana 1. 11). “Izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’izay mbola nofo, ... fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo, ka mandeha araka ny fanaon'ny olona ?” (1 Korintiana 3. 1-3). “Fa ny sasany mirehareha” (1 Korintiana 4. 18). “Ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany ?” (1 Korintiana 5. 2). |
|
“Efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika” (1 Korintiana 6. 11). “Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo ?” (1 Korintiana 6. 15). |
“Ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo” (1 Korintiana 6. 7). “Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo ? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va aho, ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga ?” (1 Korintiana 6. 15). |
|
|
|
|
“Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe : Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona ; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 16. 17). |
“Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe : Mankanesa ato ivohoko, ry Satana ; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona” (Matio 16. 23). |
|
“Misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava, sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakàn'ny Zanany malalany” (Kolosiana 1. 12-13). |
“Ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany” (Kolosiana 3. 8-9). |
Eo ambany fahasoavana, ny lamin’Andriamanitra dia, voalohany, manome ny toerana avo indrindra azo omena, ary manaraka izany, mampirisika ny mpino hihazona fizotra, toetra, mifanaraka amin’izany toerana izany. Asandratra hiala eo amin’ny zezika ny mahantra, ka ampiarahana mitoetra amin’ny mpanapaka (1 Samoela 2. 8) ; avy eo izy dia ampirisihana hitondra tena toy ny andriana. Jereo ireto ohatra manaraka ireto :
|
Toerana eo imason’Andriamanitra |
Fampirisihana amin’ny fizotra |
|
“Fantatsika fa ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy, hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony” (Romana 6. 6). |
“Raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo, ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ianareo, ka mety hodidiana ?” (Kolosiana 2. 20). |
|
“Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Matio 5. 14). |
“Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5. 16). |
|
“Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasàny sy ny fahasoavany, izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesoa, hatry ny fony fahagola” (2 Timoty 1. 9). |
“Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza, raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra, hahatanteraka ny famonjena anareo” (Filipiana 2. 12). (*) |
|
“Niara-natsangany isika, ka niara-napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2. 6). |
“Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra” (Kolosiana 3. 1). |
|
“Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa, amin'ny voninahitra, ianareo” (Kolosiana 3. 4). |
“Vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany” (Kolosiana 3. 5). |
|
“Maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin' ny Tompo kosa, ankehitriny” (Efesiana 5. 8). |
“Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” (Efesiana 5. 8). |
|
“Ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro ; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika” (1 Tesaloniana 5. 5). |
“Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena” (1 Tesaloniana 5. 6). |
|
“Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin' ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory” (1 Tesaloniana 5. 9-10). |
“Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany” (1 Tesaloniana 5. 11). |
|
“Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin'ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 10). |
“Manamasina azy amin'ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17. 17). |
|
“Avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika” (1 Korintiana 1. 30). |
“Andriamanitry ny fiadanana, anie, hahamasina anareo samy ho tanteraka” (1 Tesaloniana 5. 23). |
|
“Ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14). |
“Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady” (Filipiana 3. 12). |
|
“Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany” (Filipiana 3. 15). |
“Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika” (Hebreo 6. 1). |
|
“Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana, amin'ny andro fitsarana ; fa tahaka Azy isika, eo amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 17). |
“Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 6). |
*Filipiana 2. 12 : Amin’io andininy izay diso nampiasaina loatra io, ny famonjena lazaina dia tsy ny famonjena ny fanahy, fa famonjena manoloana ireo fandrika sy sakana mety hanakana ny kristiana tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
Mora ny manampy maro amin’ireo andininy ireo, mampitaha ny fanavahana ataon’ny Soratra Masina momba ny toerana misy ny mpino sy ny tena toetra iainany. Tsy zahàn-toetra tsy akory ny mpino, hahafantarana na mendrika izy na tsia, hahazo io toerana faran’izay avo io ; fa, rehefa manomboka miaiky ny tena tsy fahamendrehany tanteraka izy, dia mandray avy hatrany io toerana izay vokatry ny asan’i Kristy io. Ny toerany, indray, dia efa tanteraka “ho mandrakizay” (Hebreo 10. 14), fa rehefa mijery ny ao anatiny izy, izany hoe ny tena toetra iainany, dia tsy maintsy milaza fa : “Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady” (Filipiana 3. 12).
Azo lazaina fa ny asa ataon’Andriamanitra aminy, atỳ aoriana, ny fampiharana ny Teny amin’ny fizotrany sy ny eritreriny (Jaona 17. 17 ; Efesiana 5. 26), ny famaizana ataon’ny tànan’ny Ray (Hebreo 12. 10 ; 1 Korintiana 11. 32), ny asan’ny Fanahy Masina (Efesiana 4. 11-12), ny olana sy ny fitsapana rehetra any amin’ny lalany any an-taniefitra (1 Petera 4. 12-14), ary ny fanovàna farany azy, rehefa hiseho i Jesoa (1 Jaona 3. 2 ; Filipiana 3. 21), izany rehetra izany dia natao hahatonga ny toetran’ny mpino hifanaraka tanteraka amin’ny toerana izay ananany raha vao miova fo izy. Ny mpino, mantsy, dia mitombo ao amin’ny fahasoavana, fa tsy ho amin’ny fahasoavana.
Ny zanak’andriana iray, raha mbola zaza, dia tsy mifankaiza amin’ny zazakely hafa rehetra, fa manana ny sitrapony sy tsy mahalala na inona na inona. Indraindray izy dia mety ho mpankatò, mora entina sy be fitiavana, ka dia sambatra sy ankasitrahina. Indraindray kosa, dia mety ho tsy azo fehezina izy, manana di-doha sy tsy mpankatò, ka mijaly ; mety hofaizaina aza izy —nefa amin’io andro io, toy ny amin’ny andro hafa rehetra, dia mitoetra ho zanak’andriana ihany. Azo antenaina fa arakaraka ny fandalovan’ny fotoana no hianarany hankatò an-tsitrapo izay lalana tsara rehetra. Amin’izany izy dia hitondra tena bebe kokoa ho toy ny zanak’andriana, nefa dia mbola tena zanak’ andriana marina hatrany izy, na izany aza. Teraka zanak’andriana izy.
Raha ny mikasika ny tena zanak’Andriamanitra tsirairay, dia azo antoka ny tanjona farany ; amin’ny farany, ny toerana sy ny tena toetra iainana, toetra sy toerana, dia hitovy lenta. Fa ny toerana dia tsy valisoa noho ny toetra nihatsara, tsy akory : ny toetra no mivoatra, arakaraka ny toerana.
Ny Testamenta Vaovao dia misy fampianarana momba ny famonjena ny olom-bery, ny mpanota, — sy momba ny valisoa noho ny fanompoana mahatoky nataon’ny olom-boavonjy. Mba hahazoana tsara ny Teny, dia zava-dehibe indrindra ny hanavahan’ny mpino tsara ireo zavatra roa ireo. Ireto zavatra mifangarika hotanisaina ireto dia maneho tsara izany fahasamihafana izany.
“Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona” (Jaona 4. 10).
“He ! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano ! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna ! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena” (Isaia 55. 1).
“Ny Fanahy sy ny ampakarina, manao hoe : Avia ; ary aoka izay mahare hanao hoe : Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina” (Apokalypsy 22. 17).
“Fahafatesana no tambin'ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika” (Romana 6. 23).
“Fahasoavana no namonjena anareo, amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).
Fa mifanohitra amin’ny maha-maimaimpoana ny famonjena kosa, dia mijery ny asa vita Andriamanitra :
“Na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka, na dia eran'ny kapoaka ihany aza, hosotroin'ny anankiray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy ho very ny valim-pitiany” (Matio 10. 42).
“Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana” (2 Timoty 4. 7-8).
“Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asany” (Apokalypsy 22. 12).
“Tsy fantatrareo va, fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka ? Mihazakazaha toy izany, mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa, ny tsy mety ho lo” (1 Korintiana 9. 24-25).
“Hoy izy taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara ; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo” (Lioka 19. 17).
“Tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesoa Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra ; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy” (1 Korintiana 3. 11-15).
“Aza matahotra izay efa hiaretanao ; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana” (Apokalypsy 2. 10). Tsy ny handray “ny fiainana”, tsy akory, no lazaina eto. Ireo olo-masina izay nijaly tany Smyrna dia nanana ny fiainana, ny fiainana mandrakizay, ary nijaly noho ny fahamarinana, fa ny ampanantenaina azy ireo kosa, dia ny satroboninahitra fiainana.
Ny satroboninahitra dia mariky ny valisoa — ny amboara azo. Mariho fa karazana satroboninahitra efatra no lazaina : ny an’ny fifaliana na ny firavoravoana, ny valisoa noho ny fanompoana (Filipiana 4. 1 ; 1 Tesaloniana 2. 19) ; ny an’ny fahamarinana, valisoa noho ny fahatokiana tamin’ny fijoroana ho vavolombelona (2 Timoty 4. 8) ; ny an’ny fiainana, valisoa noho ny fahatokiana tamin’ny fizahàn-toetra (Jakoba 1. 12 ; Apokalypsy 2. 10) ; ary ny an’ny voninahitra, valisoa noho ny fahatokiana tamin’ny fijaliana (1 Petera 5. 4 ; Hebreo 2. 9).
“Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 36).
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy, no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy” (Jaona 5. 24).
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6. 47).
“Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasàny sy ny fahasoavany” (2 Timoty 1. 9).
“Hoy Izy tamin-dravehivavy : Ny finoanao efa namonjy anao ; mandehana soa aman-tsara” (Lioka 7. 50).
“Tsy avy tamin'ny asa, amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindràmpo kosa, no namonjeny antsika, tamin'ny fanasàn’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina” (Titosy 3. 5).
“Izao no fanambaràny : Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany” (1 Jaona 5. 11).
Kanefa :
“Ho avy ny Zanak'olona, amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony” (Matio 16. 27).
“Hovaliana kosa ianao, amin'ny fitsanganan'ny marina” (Lioka 14. 14).
“Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asany” (Apokalypsy 22. 12).
“Rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo” (1 Petera 5. 4).
“Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy, amin’izay andro izay” (2 Timoty 4. 8).
“Nony ela, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampilaza azy ny amin'ny volany” (Matio 25. 19).
Ny tanjon’Andriamanitra, amin’ny fampanantenàny hamaly soa amina haja any an-danitra sy ho mandrakizay ny fanompoana mahatoky ataon’ireo olony masina, dia (a) ny hampiala azy ireo amin’ny fitadiavana harena sy fahafinaretana eto an-tany ; (b) ny hampahery azy ireo, raha mandalo ny afon’ny fanenjehana izy, ary (d) ny hampirisika azy ireo hiaina ny toetra tsara kristiana. Jereo :
Hebreo 11. 8-10, 24-27 ; Kolosiana 3. 22-24 ; Hebreo 12. 2-3 ; Matio 5. 11-12 ; Lioka 14. 12, 14 ; Jaona 4. 35, 36 ; Matio 10. 41, 42 ; Daniela 12. 3 ; Hebreo 6. 10 ; Lioka 12. 35-37 ; 2 Timoty 4. 8.
Farany, aoka isika hitandrina tsara, momba ny voalazan’ny Apokalypsy 3. 11.
Hatramin’izay nananan’Andriamanitra vahoaka voatokana ho Azy, ireo olona anisan’izany dia nangirifiry mafy noho ireo olona teo anivony, izay nitonona ho isan’izany vahoaka izany, nefa tsy izy. Hitohy izany toe-javatra izany, mandra-pahatongan’ “ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakàny ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, ... Ary amin’izany, ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro, any amin'ny fanjakàn'ny Rainy” (Matio 13. 41-43).
Ny Soratra Masina dia manambara amintsika mazava sy imbetsaka momba io fifangaroan’ny voam-bary sy tsimparifary io, olona mitonon-tena ho mpino, eo anivon’ireo tena mpino : Genesisy 4. 3-5 ; Matio 13. 24-30, 37-43 ; Eksodosy 12. 38 ; 2 Korintiana 11. 13, 15 ; Nomery 11. 4-6 ; Galatiana 2. 4 ; Nehemia 13. 1-3 ; 2 Petera 2. 1-2 ; Nehemia 7. 63-65.
Ireo izay mianatra ny Baiboly dia diso, nampihatra matetika tamin’ny tena zanak’Andriamanitra ireo fampitandremana sy fampirisihana natokana ho an’ireo mamita-tena, na ho an’ireo mpihatsaravelatsihy.
Tsy ho vita, raha mamaky maimaika ny Baiboly, ny hitanisa ireo andininy rehetra manavaka ny tena kristiana amin’ny sarambabem-bahoaka mitonon-tena fotsiny ho izany, izay mpanaraka fombafomba, indraindray mihatsaravelatsihy, na mpanara-dalàna diso lalana, izay miasa mba hahazoany ny famonjena azy, fa tsy miasa satria efa nahazo izany noho ny fanomezana maimaimpoana. Jereo Filipiana 2. 12-13 sy Efesiana 2. 8-9.
Izao manaraka izao nefa dia ampy hanoroana tsara ny fefy mampisaraka azy ireo :
Ampitahao :
|
Tena mpino |
Ireo izay mihambo ho mpino |
|
“Hoy Izy tamin-dravehivavy : Ny finoanao efa namonjy anao ; mandehana soa aman-tsara” (Lioka 7. 50). |
“Simona koa, mba nino ; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’i Filipo... Fa hoy Petera taminy : ... Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra” (Asa 8. 13-21). |
|
“Izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakina ny mofo ary ny fivavahana” (Asa 2. 42). |
“Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy ; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany ; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra” (1 Jaona 2. 19). |
|
“Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra ; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray” (Jaona 10. 27-29). “Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy ; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6. 37). “Izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy” (Jaona 6. 39). |
“Misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’i Jesoa hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy : Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. Hatramin’izany dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony” (Jaona 6. 64-66). |
|
“Raha mbola lasa nividy izy, dia |
“Rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo, ka nanao hoe : Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy fantatro ianareo” (Matio 25. 11-12). |
|
“Ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, amin' ny finoana an’i Jesoa Kristy* ho an’izay rehetra mino” (Romana 3. 22). * Ampio hoe : (ho an'ny olona rehetra sy) |
“Tahaka izany koa ianareo : raha amin'ny eo ivelany, dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna. Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo ?” (Matio 23. 28, 33). |
|
“Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra
Azy ; fa |
“Nony efa niditra ny mpanjaka, hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakarambady. Dia hoy izy taminy : Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakarambady ? Dia sina izy. Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony : Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy ; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify” (Matio 22. 11-13). |
|
“Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho” (Jaona 10. 14). “Ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao : ‘Ny Tompo mahalala ny azy’ ” (2 Timoty 2. 19). |
“Maro ny hanao amiko, amin’izany andro izany, hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay ? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay ? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay ? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe : Tsy mba fantatro akory ianareo, hatrizay hatrizay ; mialà amiko, ianareo mpanao meloka” (Matio 7. 22-23). |
|
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6. 47). |
“Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa ? Ny finoana va mahavonjy azy ?” (Jakoba 2. 14). |
|
“Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy ; fa efa tia Ahy Ianao, fony mbola tsy ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Jaona 17. 24). “Matoky indrindra aho, fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany, mandra-piavin'ny andron’i Jesoa Kristy” (Filipiana 1. 6). |
“Izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana” (*) (Hebreo 6. 4-6). |
|
“Isika, tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy” (Hebreo 10. 39). |
“ ‘Ny oloko marina dia ho velon'ny finoana ; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko’ ” (Hebreo 10. 38). |
(*) Io andininy io, mihoatra noho ny andininy hafa rehetra ao amin’ny Baiboly, angamba, dia navadika ho fanamelohana ny zanak’Andriamanitra, nefa dia tsy misy ifandraisana izy ireo sy ireo “mpitsapatsapa”. Io tsongandahatsoratra io dia milaza hoe hatraiza no azo aleha, raha toa mitonona ho kristiana, nefa tsy manolotra tanteraka ny fiainany ho an’i Kristy, satria izany no hany fomba tena fiovàna fo. Ny andininy faha-9 dia tokony hiaro ny tena mpino amin’izany fanadisoana ny teny izany, satria mametraka mazava fa ny “zavatra” miaraka amin’ny famonjena dia “tsara” kokoa noho ireo fanandramana ireo.
Ampitahao Matio 25. 19-23 sy Matio 25. 24-30 — Lioka 12. 42-44 sy Lioka 12. 45-47 — Kolosiana 3. 24 sy Matio 7. 22-23.
Ny tsongandahatsoratra sasany dia sarotsarotra ihany, nefa azo antoka fa
ho
Ny momba an’i Jodasy Iskariota sy Petera, dia tsy tokony hisy olana. I Jodasy dia tsy nino mihitsy, hatrizay hatrizay (jereo Jaona 6. 68-71) ; i Petera kosa dia tsy nitsahatra ny nino (Lioka 22. 11, 32).
Farany, tokony hotsaroana mandrakariva fa ireo foto-kevitra ireo dia tokony hitarika antsika hizara marina ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ampiasaina hitsarana ny toetran’ny olona velona. Tsy natao ho andraikitsika ny fitsarana ireo izay mitonona ho kristiana fotsiny ; natokana ho an’ny Zanak’Andriamanitra izany. Jereo Matio 13. 28-29 sy 1 Korintiana 4. 5.